FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w89 15/6 p. 23-25
  • Kaisaria sy ny kristiana voalohany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Kaisaria sy ny kristiana voalohany
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Foibem-pitondrana romana
  • Ilay fampisehoana
  • Kaisaria
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • “Aoka ny Sitrapon’i Jehovah no Hatao”
    ‘Torio Amin’ny Fomba Feno ny Fanjakan’Andriamanitra’
  • Kaisaria-Filipo
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mpanao Trano Tena Nahay i Heroda Lehibe
    Mifohaza!—2009
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
w89 15/6 p. 23-25

Kaisaria sy ny kristiana voalohany

TSY ela izay dia nisy fahitan-javatra maro momba ny arkeolojia tany Kaisaria, tanàna tranainy amorontsiraka, naorin’i Heroda Lehibe taloha kelin’ny nahaterahan’i Jesosy Kristy. Misy fampisehoana izany zavatra hita izany, “Ny nofin’i Heroda mpanjaka”, atao amin’izao fotoana izao any amin’ny tanàna maromaro any Amerika Avaratraa.

Nitady izay hahazoana ny fankasitrahan’i Aogosto Kaisara, emperora romana, i Heroda; noho izany dia nantsoiny hoe Kaisaria (“an’i Kaisara”) ilay tanàna ary ny seranany nantsoiny hoe Sebastosy (teny grika mifanitsy amin’ny hoe “Aogosto”). Ireo mpiasan’i Heroda dia nanorina seranana nalaza afaka nandray sambo teo amin’ny zato angamba. Afa-tsy izany, mba hampandrosoana ny fanompoam-pivavahana natao ho an’ny emperora, dia nanangana tempoly kanto nahitana tsangambato goavana izy.

Foibem-pitondrana romana

Kaisara, fonenana ofisialin’ireo mpitsara romana nanapaka tany Jodia, dia foiben’ny asa ara-politika sy ara-tafiky ny Empira romana tany Palestina koa. Tany ilay manamboninahitra amin’ny tafika atao hoe Kornelio mbamin’ny “havany sy ny tena sakaizany” no tonga ny tsy Jiosy tsy voafora voalohany nanaiky ny kristianisma (Asa., toko faha-10). Nankany Kaisaria i Filipo evanjelistra, toy izany koa i Petera. Ny sasany tamin’ireo sambo nanaovan’i Paoly ny dia misionerany dia nanao an’i Kaisaria ho fitodiana kely. Tany amin’ny taona 56 amin’ny fanisan-taona iraisana i Paoly sy Lioka dia nijanona vetivety teo an-tranon’i Filipo izay toa nanorim-ponenana tao amin’io tanàna io ary nanana zanakavavy efatra nanompo an’Andriamanitra koa. — Asa. 8:40; 12:18, 19; 18:21, 22; 21:8, 9.

Tany Kaisaria no nitondrana an’i Paoly mba hiseho teo anatrehan’i Feliksa, governora romana. Ary tao koa no nilazany tamin’i Festosy ireto teny malaza ireto: “Handahatra eo anatrehan’i Kaisara aho!” — Asan’ny apostoly, toko faha-23 ka hatramin’ny faha-26.

Ilay fampisehoana

Rehefa miditra ao amin’ny efitrano voalohany anaovana ny fampisehoana isika dia mahamarika avy hatrany tsangambaton’i Tyché, andriamanibavin’i Kaisaria. Ny dikan’ny anarany dia hoe “vintana” na “anjara tsara”. Ireo kristiana tao amin’io tanàna io kosa dia tsy nametraka ny fitokiany tamin’ny andriamanibavin’ny Vintana, fa tamin’ilay Andriamanitra marina, dia Jehovah. Nino an’i Jesosy Kristy izay nandraman’i Heroda novonoina koa izy ireo.

Ao amin’ireo efitrano roa manaraka no ahitana ny fomba namongaran’ny arkeology ireo zavatra hita tany Kaisaria sy ny fomba nanorenana ilay seranana. Avy eo, ao amin’ny efitrano fahefatra, dia aseho ny sarin’ny anankiray amin’ireo fahitan-javatra lehibe indrindra tany Kaisaria. Izany dia soratra, ny hany fantatra hatramin’izao, ahitana ny anaran’ilay governora romana izay teo anatrehany no nisehoan’i Jesosy. Izao no vakina eo: “Pontio Pilato, lehiben’i Jodia.”

Hita ao amin’io efitrano io koa ny vola madinika halimo misy heviny lehibe tokoa. Ny voalohany (ilay eo ankavanana) dia ahitana izao soratra izao: “Taona faha-2 nanafahana an’i Ziona.” Izao no vakina eo amin’ny faharoa: “Taona faha-4 nanavotana an’i Ziona.” Tondroin’ny manam-pahaizana ho tamin’ny 67 sy 69 amin’ny fanisan-taona iraisana ireo vola ireo. Ny ‘fanafahana’ resahina dia mifandray amin’ny vanim-potoana nanapahan’ny Jiosy tao Jerosalema taorian’ny nanalan’i Cestius Gallus, tamin’ny taona 66 amin’ny fanisan-taona iraisana, ny tafiny nanao fahirano an’ilay tanàna.

Rehefa lasa ny tafika romana, dia nanjary azo natao ny nandositra niala tao Jerosalema. Nanao izany ireo izay nino ny tenin’i Jesosy izay nilaza mazava hoe: “Ary raha mahita an’i Jerosalema voahodidin’ny miaramila hianareo, dia aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky ny fandravana azy. Ary izay any Jodia amin’izany andro izany aoka handositra ho any an-tendrombohitra; ary izay ao Jerosalema aoka handositra ho any ivelany; ary izay any an-tsaha aoka tsy hiditra ao an-tanàna intsony.” (Lioka 21:20, 21). Ireo izay nanonta ireny vola ireny ho mariky ny “fandresena” dia toa tsy nanahy firy ny fandringanana niandry azy ireo!

Tamin’ny taona 70 amin’ny fanisan-taona iraisana, dia niverina nanafika an’i Jerosalema ny tafika romana, naka azy ary nandrava ny tempoly. Araka ny filazan’i Josèphe mpanoratra tantara, ny Romana dia namono olona iray tapitrisa mahery tonga maro be mba hankalaza ny Paska. Ho fankalazana ny fandreseny sy ny fitsingerenan’ny nahaterahan’i Dominitien rahalahiny, dia nandamina lalao tao amin’ny fanaovana fampisehoana tany Kaisaria i Titus, jeneraly romana. Tamin’io fotoana io, dia mpigadra 2 500 no natsipy ho an’ny biby dia, nodorana na novonoina tao amin’ny ady fanalana andro.

Ny efitrano manaraka amin’ny fampisehoana dia ahitana tsangambaton’i Artemisy tao Efesosy, andriamanibavin’ny fahavokarana maro nono. Ireo mpivavaka tamin’io andriamanibavy io no namorona tabataba tao Efesosy rehefa maro be no niala tamin’ny fanompoam-pivavahana maharikoriko tamin’ny sampy ka tonga mpianatr’i Jesosy, noho ny fitorian’i Paoly. — Asa. 19:23-41.

Ahariharin’ny Soratra Masina fa nisy dia lavitra tokoa natao tamin’ny taonjato I. Manaporofo izany koa ireo vakivakin-javatra vita tamin’ny tanimanga aseho. Hita tao amin’izay natao trano fitehirizana taloha, ny sila-javatra vita tamin’ny tanimanga avy any amin’ny tany lavitra toa an’i Iogoslavia, Italia sy Espaina, ary angamba koa avy any Afrika Avaratra. Rehefa heverina amin’ny halaviran’ny dia natao, dia mora ny mahatakatra fa nisy mpitsidika avy tany amin’ny sisin-tanin’ny Empira romana nety ho tonga tao Jerosalema tamin’ny Pentekosta taona 33 amin’ny fanisan-taona iraisana. Tao, dia maro be no nandre ny vaovao tsara tamin’ny fiteniny, tonga mpino ary natao batisa. Azo inoana fa ny sasany taminy dia niondrana nankany Kaisaria mba hody any amin’ny taniny, ka nampiditra tamin’izany ny vaovao tsara tany amin’ireny faritany ireny. — Asa., toko faha-2.

Ao amin’ny efitrano manaraka, ireo vakivakin-takelaka marbra nisy tokony ho tany amin’ny taonjato faha-3 na faha-4 amin’ny fanisan-taona iraisana dia aseho eo ambany takelaka fotsy mahitsizoro lehibe. Tamin’ny voalohany dia nosoratana teo amin’io takelaka io ny lisitr’ireo fizarana na kilasy 24 amin’ny fianakaviana nanao ny raharaham-pisoronana araka ny filaharan’ny nanaovany raharaha tao amin’ny tempolin’i Jerosalema. Rava io tempoly io hatramin’ny an-jatony taona maromaro, nefa nino mafy ny Jiosy fa tsy ho ela dia haorina indray izy io. Taonjato maro atỳ aoriana, dia mbola nivavaka tamin’Andriamanitra ihany izy ireo mba hamerina amin’ny toerany ny kilasin’ny mpisorona, amin’ny andro ahavelomany. Tsy voaorina indray intsony mihitsy anefa ny tempoly. Naminany ny amin’ny handravana azy i Jesosy, ary talohan’ny hitrangan’izany, ny apostoly Paoly, Jiosy sady Fariseo taloha, dia nanao izay hanamarihana fa nosoloan’Andriamanitra zavatra tsara kokoa io tempoly io: tempoly lehibe lavitra, ara-panahy kosa io, ka tandindony fotsiny na nampiseho azy ilay trano naorin’olombelona tany Jerosalema. — Matio 23:37 ka hatramin’ny 24:2; Hebreo, toko faha-8 sy faha-9.

Lasa ny taonjato maro, nisesy ireo mpanafika, ary tamin’ny farany dia nilentika tao anaty ranomasina sy fasika ny sisan-javatra rava avy amin’i Kaisaria. Tao izy ireo no niandry ireo arkeology amin’ny andro ankehitriny izay, tamin’ny zavatra hitany, dia manampy antsika hahafantatra kokoa hoe nanao ahoana ny fiainana fahizay. Manome fanazavana vaovao ny amin’ny zavatra sasany voasoratra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, koa izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Efa natao io fampisehoana io tany Etazonia tao amin’ny “Muséum national d’histoire naturelle” any Washington, sy tao amin’ny “Muséums d’histoire naturelle” any Los Angeles sy Denver. Haseho ao amin’ny fitahirizana rakitry ny ela hafa koa izy io, anisan’izany ny “Musée des sciences” any Minnesota, any Saint Paul, ny “Musée des sciences” any Boston ary ny “Musée canadien de la Civilisation”, any Ottawa.

[Sary, pejy 24]

Ny andriamanibavin’i Kaisaria, Tyché (“anjara tsara”).

[Sary nahazoan-dalana, pejy 23]

Pictorial Archive (Near Eatern History) Atsinanana.

Nahazoan-dalana noho ny hamoram-pon ny “Muséum d’histoire naturelle” any Los Angeles.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 24]

Aaron Levin

Birao israelian’ny Zava-kanto tranainy sy ny rakitry ny ela; sary: Fitahirizana rakitry ny ela any Isiraely, Jerosalema

Nahazoandalana noho ny hamoram-pon’ny “Muséum d’histoire naturelle” any Los Angeles

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara