FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • bt toko 3 p. 20-27
  • “Feno Fanahy Masina”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Feno Fanahy Masina”
  • ‘Torio Amin’ny Fomba Feno ny Fanjakan’Andriamanitra’
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • “Teo amin’ny toerana iray daholo izy rehetra” (Asa. 2:1-4)
  • “Samy naheno ... tamin’ny fiteniny avy” (Asa. 2:5-13)
  • ‘Nitsangana i Petera’ (Asa. 2:14-37)
  • “Aoka samy hatao batisa ... ianareo tsirairay” (Asa. 2:38-47)
  • Nitory i Petera, Tamin’ny Pentekosta
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Nahare ny Vaovao Tsara ny Jiosy Tamin’ny Taonjato Voalohany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Ponto
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
Hijery Hafa
‘Torio Amin’ny Fomba Feno ny Fanjakan’Andriamanitra’
bt toko 3 p. 20-27

TOKO 3

“Feno Fanahy Masina”

Ny vokatry ny nandatsahana ny fanahy masina, tamin’ny Pentekosta

Miorina amin’ny Asan’ny Apostoly 2:1-47

1. Nanao ahoana ny tao Jerosalema rehefa tonga ny Pentekosta?

NISOMEBISEBY sy nientanentana erỳ ny olona, teny an-dalamben’i Jerosalema.a Niakatra ny setroka avy teo amin’ny alitaran’ny tempoly, ary ny Levita kosa nihira ny Hallel (Salamo 113-118), izay angamba hira mifamaly. Feno vahiny teny an-dalambe. Avy any amin’ny toerana lavitra toa an’i Elama, Mezopotamia, Kapadokia, Ponto, Ejipta, ary Roma, izy ireo.b Fa nisy inona? Pentekosta na “andron’ny voaloham-bokatra”, tamin’izay. (Nom. 28:26) Tamin’io fety fanao isan-taona io no nifarana ny fijinjana vary orza, ary nanomboka ny fijinjana varimbazaha. Andro nahafaly izy io.

Jerosalema: Foiben’ny Fivavahana Jiosy

Tao Jerosalema no nisehoan’ny ankamaroan’ny zavatra resahin’ny toko voalohandohany amin’ny Asan’ny Apostoly. Tokotokony ho 55 kilaometatra eo atsinanan’ny Ranomasina Mediterane i Jerosalema, eny amin’ny havoana amin’ilay tandavan-tendrombohitra any Jodia. Teo no nisy ny Tendrombohitra Ziona, ary azon’i Davida Mpanjaka ilay tanàna voaro mafy teo, tamin’ny 1070 T.K. Ilay tanàna niforona nanodidina azy io no lasa renivohitry ny firenen’ny Israely.

Eo akaikin’ny Tendrombohitra Ziona ny Tendrombohitra Moria. Araka ny lovantsofina jiosy, dia teo no nitondran’i Abrahama an’i Isaka mba hatao sorona, 1 900 taona teo ho eo talohan’ireo zava-nitranga ao amin’ny Asan’ny Apostoly. Nanjary anisan’i Jerosalema ny Tendrombohitra Moria, rehefa naorin’i Solomona teo an-tampon’izy io ilay tempoly voalohany. Lasa toerana falehan’ny Jiosy sy foiben’ny fivavahany ny tempoly.

Nivory tsy tapaka tao amin’ny tempolin’i Jehovah ny Jiosy tia fivavahana eran-tany, mba hanao fanatitra, sy hivavaka, ary hankalaza ny fety fanao isan-taona ho fankatoavana an’ity didin’Andriamanitra ity: “Intelo isan-taona ny lehilahy rehetra eo aminao no hiseho eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitrao, any amin’ilay toerana fidiny.” (Deot. 16:16) Tao Jerosalema koa ny Fitsarana Avo Jiosy sy ny filan-kevi-pitondran’ny Jiosy.

Sarintany mampiseho ny fiavian’ireo naheno ny vaovao tsara tamin’ny Pentekosta taona 33. 1) Faritra: Libya, Ejipta, Etiopia, Bitynia, Ponto, Kapadokia, Jodia, Mezopotamia, Babylonia, Elama, Media, sy Partia. 2) Tanàna: Roma, Aleksandria, Memfisa, Antiokia (any Syria), Jerosalema, sy Babylona. 3) Ranomasina: Ranomasina Mediterane, Ranomasina Mainty, Ranomasina Mena, Ranomasina Caspienne, sy Hoala Persika.

2. Inona no zava-mahagaga nitranga tamin’ny Pentekosta taona 33?

2 Taona 33 tamin’izay. Lohataona ny andro, ary antonony tsara ny hafanana. Nisy zava-nitranga tamin’ny sivy maraina teo ho eo, ary hampitolagaga mandritra ny taonjato maro izany. “Nisy feo mafy tonga avy any an-danitra, toy ny rivo-mahery nifofofofo.” (Asa. 2:2) Nanenika an’ilay trano nivorian’ireo mpianatr’i Jesosy 120 teo ho eo ilay feo. Nisy zava-mahagaga nitranga avy eo: Lela maro toy ny afo no niseho, ary nisy iray avy nankeo ambonin’ny mpianatra tsirairay.c “Feno fanahy masina” izy ireo, ka niteny tamin’ny fiteny vahiny. Rehefa nivoaka an’ilay trano izy ireo, dia gaga ireo vahiny nifanena taminy, satria afaka niresaka tamin’izy ireo “tamin’ny fiteniny avy” ny mpianatra.​—Asa. 2:1-6.

3. a) Nahoana no andro manan-tantara teo amin’ny fivavahana marina ny Pentekosta taona 33? b) Inona no ifandraisan’ny lahatenin’i Petera sy ny fampiasana an’ireo ‘lakilen’ilay Fanjakana’?

3 Andro manan-tantara teo amin’ny fivavahana marina iny andro iny. Tamin’izay mantsy no niforona ny firenena iray, dia ny Israely ara-panahy, na ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra. (Gal. 6:16) Tsy izay ihany anefa. Nampiasa ny voalohany tamin’ireo ‘lakilen’ilay Fanjakana’ i Petera tamin’io andro io, tamin’izy nandaha-teny tamin’ny vahoaka. Nanokatra fitahiana manokana ho an’ny sokajin’olona samy hafa ny tsirairay tamin’ireo lakile telo ireo. (Mat. 16:18, 19) Nampiasaina ilay lakile voalohany, ka afaka nandray ny vaovao tsara sy ho voahosotry ny fanahy masina ny Jiosy, sy ny olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy.d Lasa anisan’ny Israely ara-panahy àry izy ireo, ka nanantena ny ho mpanjaka sy mpisorona ao amin’ny Fanjakan’ny Mesia. (Apok. 5:9, 10) Tatỳ aoriana, dia nahazo an’io fitahiana io koa ny Samaritanina, ary avy eo ny hafa firenena. Inona no azontsika ianarana avy amin’ireo zava-nitranga tamin’ny Pentekosta taona 33?

“Teo amin’ny toerana iray daholo izy rehetra” (Asa. 2:1-4)

4. Hazavao fa ilay fiangonana niforona tamin’ny taona 33 no nitombo, ka nampisy ny fiangonana kristianina ankehitriny.

4 Mpianatra 120 teo ho eo no anisan’ny fiangonana kristianina, tamin’ny voalohany. “Teo amin’ny toerana iray daholo izy rehetra”, izany hoe, tao amin’ny efitrano iray ambony rihana. (Asa. 2:1) Voahosotry ny fanahy masina izy ireo. Lasa an’arivony ny olona vita batisa anisan’io fiangonana io, rehefa nifarana iny andro iny. Vao santatry ny fitaran’ilay fandaminana tsy mitsaha-mitombo ankehitriny izany! Olona matahotra an’Andriamanitra, izany hoe ny fiangonana kristianina, no ampiasaina ‘hitory maneran-tany ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra’, alohan’ny hifaranan’izao tontolo izao.​—Mat. 24:14.

5. Inona no fitahiana azo rehefa miaraka amin’ny fiangonana, na tamin’ny taonjato voalohany izany na ankehitriny?

5 Manatanjaka ny finoan’ny voahosotra sy ny “ondry hafa” koa ny fiangonana kristianina. (Jaona 10:16) Nankasitraka ny fifanohanan’ny olona teo anivon’ny fiangonana i Paoly, tamin’izy nanoratra ho an’ny Kristianina tany Roma. Hoy izy: “Tena te hahita anareo ... aho, satria te hizara fanomezana ara-panahy aminareo. Amin’izay ianareo ho mafy orina, na raha tsorina dia hoe mba ho afaka hifampahery isika. Dia hampahery anareo ny finoako, ary ny anareo koa hampahery ahy.”​—Rom. 1:11, 12.

Roma: Renivohi-panjakana

I Roma no tanàna ngeza indrindra sy nifehy an’izao tontolo izao, tamin’ny fotoana nitrangan’ny tantara ao amin’ny Asan’ny Apostoly. Izy no renivohitry ny fanjakana iray nitatra hatrany Grande-Bretagne ka hatrany Afrika Avaratra, ary hatrany amin’ny Ranomasina Atlantika ka hatrany amin’ny Hoala Persika, tamin’ny fotoana tena nampahatanjaka azy.

Nifangaro tao Roma ireo kolontsaina, firazanana, fiteny, ary finoanoam-poana samihafa. Tonga tao ny olona sy ny entana avy any amin’ny lafy valon’ny Fanjakana Romanina, satria maro ny lalana, sady voakojakoja tsara. Betsaka ny sakafo sy entana lafo vidy tonga tao Roma, noho ireo sambo mpitondra entam-barotra nivezivezy nankany Ostie, seranana tsy lavitra an’i Roma.

Efa iray tapitrisa mahery ny mponin’i Roma, tamin’ny taonjato voalohany. Andevo angamba ny antsasany, izany hoe olon-dratsy efa voaheloka, sy ankizy namidin’ny ray aman-dreniny na nilaozany, ary babo azon’ny Romanina tany an’ady. Anisan’ny andevo nentina tany Roma koa ireo Jiosy tao Jerosalema, rehefa azon’ilay Jeneraly romanina atao hoe Pompée i Jerosalema, tamin’ny 63 T.K.

Nahantra be ny ankamaroan’ireo tsy andevo. Nifanizina tao amin’ny trano nisy rihana izy ireny, ary nivelona tamin’ny fanampian’ny fanjakana. Ny mpanjaka romanina kosa nandravaka an’ilay renivohitra tamin’ireo zavatra naoriny. Tena nirenty ny sasany tamin’ireny. Anisan’izany ny trano fanaovana teatra, sy ny kianja fijerena an’ireo fampisehoana toy ny tantara an-tsehatra sy hazakaza-tsoavaly ary adin’ny gladiatera (olona nampiadiana tamin’ny olona na bibidia). Tsy nandoavam-bola izy ireny, mba hampifaliana ny vahoaka.

6, 7. Nasain’i Jesosy nitory tany amin’ny firenena rehetra ny mpianany. Ahoana no anatanterahana izany ankehitriny?

6 Mitovy ny tanjon’ny fiangonana kristianina tamin’ny taonjato voalohany sy ankehitriny. Asa sarotra nefa mahafinaritra no nasain’i Jesosy nataon’ny mpianany. Hoy izy tamin’izy ireo: “Ampianaro ny olona any amin’ny firenena rehetra mba ho lasa mpanara-dia ahy. Ataovy batisa amin’ny anaran’ny Ray sy amin’ny anaran’ny Zanaka ary amin’ny anaran’ny fanahy masina izy ireo, sady ampianaro hankatò an’izay rehetra nandidiako anareo.”​—Mat. 28:19, 20.

7 Ny Vavolombelon’i Jehovah no ampiasaina hanao an’io asa io ankehitriny. Mazava ho azy fa sarotra ny mitory amin’ny olona samihafa fiteny. Mamoaka boky sy gazety amin’ny fiteny 1000 mahery anefa ny Vavolombelon’i Jehovah. Manana antony ifaliana ianao raha mivory tsy tapaka sy mitory ary manao mpianatra. Vitsy ihany eto an-tany no nahazo tombontsoa manokana hitory ny anaran’i Jehovah. Nahazo izany anefa ianao!

8. Ahoana no andraisan’ny tsirairay fitahiana eo anivon’ny fiangonana?

8 Tian’i Jehovah Andriamanitra hiaritra amim-pifaliana ianao mandritra izao fotoan-tsarotra izao, ka nomeny hanampy anao ireo rahalahy eran-tany. Hoy i Paoly tamin’ireo Kristianina hebreo: “Andao ... isika hifampiahy mba hifandrisika hampiseho fitiavana sy hanao asa tsara, ka tsy hahafoy ny fiarahantsika mivory, hoatran’ny sasany efa zatra tsy mivory, fa hifampahery kosa. Vao mainka tokony hanao an’izany isika, satria hitanareo fa mihamanakaiky ilay andro.” (Heb. 10:24, 25) Nanome antsika ny fiangonana i Jehovah mba hampaherezantsika ny hafa, sy hahazoantsika fampaherezana. Aoka ianao ho akaiky foana an’ireo rahalahy sy anabavinao ara-panahy. Aza afoy mihitsy ny fiarahantsika mivory!

“Samy naheno ... tamin’ny fiteniny avy” (Asa. 2:5-13)

Mpianatr’i Jesosy mitory amin’ny Jiosy sy olona lasa nanaraka ny fivavahana jiosy, eny amin’ny lalana be olona.

‘Rentsika ry zareo miteny amin’ny fitenintsika avy, momba ny asa lehibe nataon’Andriamanitra.’—Asan’ny Apostoly 2:11

9, 10. Inona no ezaka nataon’ny sasany mba hitoriana amin’ny olona miteny vahiny?

9 Eritrereto izay tsapan’ireo Jiosy sy olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy, tamin’ny Pentekosta taona 33. Azo inoana fa nisy fiteny iray niombonan’ny ankamaroan’izy ireo. Teny grika na hebreo angamba izany. Izao anefa dia “samy naheno an’ireo mpianatra niteny tamin’ny fiteniny avy izy ireo.” (Asa. 2:6) Azo antoka fa nanohina ny fon’izy ireo ny nandre ny vaovao tsara tamin’ny fitenin-drazany. Tsy nomena fahaizana mahagaga hiteny amin’ny fiteny vahiny ny Kristianina ankehitriny. Maro anefa no miezaka mba ho afaka hitory ilay Fanjakana amin’ny olona avy amin’ny firenena rehetra. Nianatra teny vahiny ny sasany mba hiarahana manompo amin’ny fiangonana miteny vahiny eny akaikiny, na mba hifindrana any an-tany hafa mihitsy. Matetika izy ireo no mahita fa gaga ny olona itoriany, noho ny ezaka ataony.

10 Nianatra teny gujarati, ohatra, i Christine sy ny Vavolombelona fito hafa. Noarahabain’i Christine tamin’ny teny gujarati ny vehivavy iray miara-miasa aminy, ka gaga ary te hahafantatra ny antony. Afaka nitory tsara taminy àry i Christine. Hoy ilay vehivavy taminy: ‘Tsy misy fivavahana hafa hampirisika ny mpikambana ao aminy hianatra fiteny sarotra hoatran’ny teny gujarati. Misy zava-dehibe tianareo hambara matoa ianareo manao an’izany.’

11. Inona no azontsika atao rehefa miomana mba hitory amin’ny olona miteny vahiny isika?

11 Mazava ho azy fa tsy isika rehetra no afaka mianatra teny vahiny. Afaka miomana hitory amin’ny olona miteny vahiny anefa isika. Amin’ny fomba ahoana? Azontsika ampiasaina, ohatra, ny programa JW Language® mba hianarana fomba fiarahabana tsotsotra amin’ny fiteny fampiasan’ny ankamaroan’ny olona any amin’ny toerana misy antsika. Afaka mianatra fehezanteny vitsivitsy amin’ilay fiteny koa isika, amin’izay mety ho liana ny olona mampiasa an’ilay fiteny. Asaivo miditra ao amin’ny jw.org ilay olona, dia raha mety dia atoroy azy ny video sy ny boky sy gazety isan-karazany misy ao amin’ilay fiteny. Raha mampiasa an’ireny fitaovana ireny isika rehefa mitory, dia ho falifaly hoatran’ireo rahalahy tamin’ny taonjato voalohany satria gaga ny olona avy tamin’ny firenen-kafa naheno ny vaovao tsara “tamin’ny fiteniny avy.”

Jiosy Tany Mezopotamia Sy Ejipta

Hoy ilay boky hoe Ny Tantaran’ny Jiosy Tamin’ny Andron’i Jesosy Kristy (175 T.K.–135 A.K.): “Nipetraka tany Mezopotamia sy Media ary Babylonia ireo taranaky ny olona anisan’ny fanjakan’ny foko [folon’ny Israely] sy ny Joda, rehefa nataon’ny Asyrianina sy ny Babylonianina sesitany.” Milaza ny Ezra 2:64 fa Israelita 42 360 monja no niverina tany Jerosalema tamin’ny 537 T.K., taorian’ny fahababoana tany Babylona. Milaza i Flavius Josèphe fa an’aliny ny Jiosy “nipetraka nanodidina an’i Babylonia”, tamin’ny taonjato voalohany. Ireny Jiosy ireny no nanao ilay asa soratra hoe Talmoda babylonianina, tamin’ny taonjato fahatelo ka hatramin’ny taonjato fahadimy.

Voaporofo fa nisy Jiosy nipetraka tany Ejipta, tamin’ny taonjato fahenina T.K., fara fahatarany. Tamin’izay i Jeremia no nandefa hafatra ho an’ireo Jiosy tany amin’ny faritra maro tany Ejipta, anisan’izany i Memfisa. (Jer. 44:1, f.a.p.) Toa maro no nifindra monina tany Ejipta, rehefa nahazo vahana ny kolontsaina grika. Nilaza i Josèphe fa anisan’ireo nifindra voalohany tany Aleksandria ny Jiosy. Nomena ampahany tamin’ilay tanàna izy ireo, tatỳ aoriana. Nilaza i Philon, mpanoratra jiosy, fa tamin’ny taonjato voalohany, dia Jiosy iray tapitrisa no niely tany Ejipta, hatrany “amin’ny ilany [atsinanana] amin’i Libya ka hatrany amin’ny sisin-tanin’i Etiopia.”

‘Nitsangana i Petera’ (Asa. 2:14-37)

12. a) Ahoana no niresahan’i Joela mpaminany momba ilay zava-mahagaga tamin’ny Pentekosta taona 33? b) Nahoana no efa nampoizina ho tanteraka tamin’ny taonjato voalohany ny faminanian’i Joela?

12 “Nitsangana” mba handaha-teny tamin’ilay vahoaka avy amin’ny firenena maro i Petera. (Asa. 2:14) Nohazavainy fa Andriamanitra no nanome an’ilay fahaizana mahagaga nahafahana niteny tamin’ny fiteny samihafa, ho fahatanterahan’izao faminanian’i Joela izao: “Handatsahako ny fanahiko ny karazan’olona rehetra.” (Joela 2:28) Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany, talohan’ny niakarany tany an-danitra: “Hangataka amin’ny Ray aho, ka homeny mpanampy hafa ianareo.” Nilaza i Jesosy fa ny fanahy masina io mpanampy io.​—Jaona 14:16, 17.

13, 14. Ahoana no nataon’i Petera mba hanohinana ny fon’ny olona, ary ahoana no anahafantsika azy?

13 Hentitra ny teny namaranan’i Petera ny lahateniny. Hoy izy: “Aoka ... ho fantatry ny taranak’Israely rehetra mazava tsara fa nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy iny Jesosy novonoinareo teo amin’ny tsato-kazo iny.” (Asa. 2:36) Marina fa tsy nanatri-maso ny namonoana an’i Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana ny ankamaroan’ireo nihaino an’i Petera, nefa tompon’andraikitra tamin’io asa ratsy io ilay firenena manontolo. Mariho anefa fa nanaja an’ireo Jiosy iray firenena taminy i Petera, sady nanohina ny fon’izy ireo. Ny hampibebaka an’ireo nihaino azy no tanjony, fa tsy ny hanameloka. Nahatezitra ny vahoaka ve ny tenin’i Petera? Tsia. “Voatsindrona” kosa ny fon’izy ireo, ka nanontany izy ireo hoe: “Inona izany no tokony hataonay?” Azo inoana fa nanohina ny fon’ny maro ny teny feno fanajana nataon’i Petera, ka nibebaka izy ireo.​—Asa. 2:37.

14 Azontsika ianarana ny fomba nampiasain’i Petera hanohinana ny fon’ny olona. Tsy voatery hotoherintsika daholo izay hevi-diso resahin’ny olona itoriantsika. Aleo kosa miresaka hevitra iombonana. Ho afaka hampisaintsaina azy avy amin’ny Tenin’Andriamanitra isika, raha mitady marimaritra iraisana. Raha manao izany isika rehefa mitory, dia matetika no ho vonona kokoa handray ny hafatra torintsika ny olona tso-po.

Fivavahana Kristianina Tany Ponto

Nisy Jiosy avy any Ponto ireo nihaino ny lahatenin’i Petera tamin’ny Pentekosta taona 33. Any amin’ny faritra avaratr’i Azia Minora i Ponto. (Asa. 2:9) Azo antoka fa niresaka ny vaovao tsara tany an-tanindrazany ny sasany tamin’izy ireo rehefa nody. Anisan’ny nanoratan’i Petera ny taratasiny voalohany mantsy ireo mpino ‘niparitaka’ tany Ponto.g (1 Pet. 1:1) Asehon’ny taratasin’i Petera fa “niaritra fitsapana samihafa” ireny Kristianina ireny, noho ny finoany. (1 Pet. 1:6) Nisy nanohitra sy nanenjika angamba izy ireny.

Nanoratra ho an’i Trajan Mpanjaka i Pline Zandriny, governoran’i Bitynia sy Ponto. Hita tamin’ny taratasiny fa mbola niatrika fitsapana hafa ireo Kristianina tany Ponto. Nanoratra avy tao Ponto i Pline, tamin’ny taona 112 tany ho any, ary nilaza fa mihanaka toy ny “areti-mifindra” ny Fivavahana Kristianina ka atahorana ho voa ny rehetra, na lahy na vavy, na antitra na tanora, na ambony na ambany. Nomelohina àry ny Kristianina. Nomen’i Pline safidy handa ny finoany anefa izy ireo, fa izay tsy nety kosa novonoiny. Nafahana izay nanozona an’i Kristy, sy izay nanaiky hivavaka tamin’ireo andriamanitra na tamin’ny sarivongan’i Trajan. Niaiky i Pline fa “tsy nety nampanaovina” an’izany “ny tena Kristianina.”

g Jiosy no tonga ao an-tsaina raha vao mandre an’ilay teny grika nadika hoe “miparitaka.” Jiosy àry ny ankamaroan’ireo voalohany niova ho Kristianina.

“Aoka samy hatao batisa ... ianareo tsirairay” (Asa. 2:38-47)

15. a) Inona no nolazain’i Petera, ary nanao ahoana ny fihetsiky ny olona? b) Nahoana ireo olona an’arivony nandre ny vaovao tsara tamin’ny Pentekosta no nahafeno fepetra hatao batisa androtr’iny ihany?

15 Tamin’ilay andro nahafaly tamin’ny Pentekosta taona 33, dia hoy i Petera tamin’ireo Jiosy sy ireo niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy: “Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa ... ianareo tsirairay.” (Asa. 2:38) Vokatr’izany, dia 3000 teo ho eo no natao batisa, angamba tao amin’ny dobo tao Jerosalema, na tsy lavitra teo.e Taitaitra fotsiny ve ireo olona ireo? Te hilaza ve io fitantarana io fa tokony ho maika hatao batisa ny olona mianatra Baiboly sy ny zanaky ny ray aman-dreny kristianina, na mbola tsy vonona aza? Tsy izany velively. Tsarovy fa efa nianatra tsara ny Tenin’Andriamanitra ireo natao batisa tamin’io andro Pentekosta io, na Jiosy izany, na ireo niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy. Firenena efa voatokana ho an’i Jehovah koa no nisy azy ireo. Efa voaporofo koa ny zotom-pon’izy ireo, satria nanao dia lavitra ny sasany mba hanatrehana an’io fety fanao isan-taona io. Neken’izy ireo koa ireo fahamarinana lehibe momba ny anjara asan’i Jesosy eo amin’ny fanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra. Taorian’izay izy ireo vao vonona hanohy ny fanompoany an’Andriamanitra. Mpanara-dia an’i Kristy kosa izy ireo izao, sady vita batisa.

Ireo Niova Ho Amin’ny Fivavahana Jiosy

“Jiosy ... na olona lasa nanaraka ny fivavahana jiosy” no nandre ny fitorian’i Petera tamin’ny Pentekosta taona 33.​—Asa. 2:10.

Nisy lehilahy notendrena mba hikarakara ny “zavatra tsy maintsy atao”, dia ny fizarana sakafo isan’andro. Anisan’ireny i “Nikoleo avy any Antiokia, ilay lasa nanaraka ny fivavahana jiosy.” (Asa. 6:3-5) Hafa firenena ireo lasa nanaraka ny fivavahana jiosy. Tamin’ny lafiny rehetra, dia noheverina ho toy ny Jiosy izy ireny, satria nankatò ny Lalàna sy ny Andriamanitry ny Israely, nanda ny andriamani-kafa rehetra, noforana (raha lehilahy), ary lasa anisan’ny firenen’ny Israely.

Maro ny Jiosy nanorim-ponenana lavitra an’i Israely, rehefa nafahana avy tany Babylona, tamin’ny 537 T.K. Mbola nanaraka ny Fivavahana Jiosy izy ireny. Lasa nahalala ny Fivavahana Jiosy àry ny olona tany atsinanan’ny Ranomasina Mediterane. Nohamafisin’ny mpanoratra fahiny, toa an-dry Horace sy Sénèque, fa olona maro be avy any amin’ny tany samihafa no voasariky ny Jiosy sy ny finoany, ka niaraka tamin’ny Jiosy sy nanaraka ny fivavahany.

16. Inona no mampiseho fa nahafoy tena ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany?

16 Notahin’i Jehovah tokoa io antokon’olona io. Hoy ny fitantarana: “Ary niaraka daholo izay lasa mpino, ka nikambanany daholo ny zava-drehetra. Nivarotra ny taniny sy ny fananany izy ireo, ka ny vola azo dia nozarainy tamin’ny rehetra, araka izay nilain’ny tsirairay.”f (Asa. 2:44, 45) Azo antoka fa te ho be fitiavana sy hahafoy tena toy izany koa ny tena Kristianina rehetra.

17. Inona avy no dingana takina amin’ny olona iray maniry hatao batisa?

17 Misy dingana maromaro takin’ny Soratra Masina vao afaka manokan-tena ho an’Andriamanitra sy atao batisa ny olona iray. Tsy maintsy mianatra ny Tenin’Andriamanitra ilay olona. (Jaona 17:3) Mila maneho finoana izy, ary mibebaka noho ny zavatra nataony taloha, ka tena malahelo noho izany. (Asa. 3:19) Tsy maintsy miova izy avy eo, ka manomboka manao zavatra tsara mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra. (Rom. 12:2; Efes. 4:23, 24) Avy eo dia manokan-tena ho an’Andriamanitra izy ka milaza izany ao anatin’ny vavaka. Aorian’izay izy vao atao batisa.​—Mat. 16:24; 1 Pet. 3:21.

18. Inona no tombontsoa ananan’ireo mpianatr’i Kristy vita batisa?

18 Efa nanokan-tena ho an’Andriamanitra sy vita batisa ve ianao ka mpianatr’i Kristy? Ankasitraho ilay tombontsoa anananao. Afaka ny hahavita be amin’ny fitoriana sy ny fanaovana ny sitrapon’i Jehovah ianao, toy ireo mpianatra tamin’ny taonjato voalohany, izay feno fanahy masina!

a Jereo ilay efajoro hoe “Jerosalema: Foiben’ny Fivavahana Jiosy”, pejy 23.

b Jereo ireto efajoro ireto: “Roma: Renivohi-panjakana”, pejy 24; “Jiosy Tany Mezopotamia sy Ejipta”, pejy 25; ary “Fivavahana Kristianina Tany Ponto”, pejy 26.

c Tsy afo ara-bakiteny ireo “lela” ireo, fa “hoatran’ny afo.” Midika izany fa toy ny lelafo mazava no fahitana an’ilay izy teo ambonin’ny mpianatra tsirairay.

d Jereo ilay efajoro hoe “Ireo Niova ho Amin’ny Fivavahana Jiosy”, pejy 27.

e Olona 7402 no natao batisa tao amin’ny dobo enina, tamin’ny fivoriambe iraisam-pirenena nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah, tany Kiev, any Ukraine, tamin’ny 7 Aogositra 1993. Adiny roa sy fahefany vao vita daholo ny batisa.

f Natao io fandaharana vonjimaika io, satria vahiny maro no nijanona tao Jerosalema mba hianatra bebe kokoa momba ilay finoany vaovao. Fanomezana an-tsitrapo izy io, fa tsy hoe niombom-pananana ny Kristianina.​—Asa. 5:1-4.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara