FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Entanin’ny “Asa Lehibe Ataon’Andriamanitra”
    Ny Tilikambo Fiambenana—2002 | 1 Aogositra
    • Voatosika hanao zavatra!

      4. Faminanian’i Joela inona no tanteraka tamin’ny Pentekosta taona 33?

      4 Avy hatrany dia niresaka ny vaovao tsaran’ny famonjena tamin’ny olona, ireo mpianatra tany Jerosalema, noho izy ireo nilatsahan’ny fanahy masina. Ilay vahoaka tafavory tamin’io marainan’ny Pentekosta io aloha no nitoriany. Tanteraka tamin’izany ilay faminaniana miavaka nosoratan’i Joela, zanak’i Petoela, efa 800 taona mialoha. Hoy izy: “Handatsaka ny Fanahiko amin’ny nofo rehetra Aho; dia haminany ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, ny lahi-antitrareo hanonofy, ary ny zatovonareo hahita fahitana; ary na dia ny mpanompolahy sy ny mpanompovavy aza dia handatsahako ny Fanahiko amin’izany andro izany . . . alohan’ny hahatongavan’ny andron’i Jehovah, izay sady lehibe no mahatsiravina.”—Joela 1:1; 3:1, 2, 4; Asan’ny Apostoly 2:17, 18, 20.

      5. Inona no dikan’ny hoe naminany ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)

      5 Nidika ve izany fa nanangana taranaka mpaminany lahy sy vavy, toa an-dry Davida sy Joela ary Debora, Andriamanitra mba hilaza mialoha ny hoavy? Tsia. Haminany ireo ‘zanakalahy sy zanakavavy ary ny mpanompolahy sy mpanompovavy’ kristianina, amin’ny heviny hoe hatosiky ny fanahin’i Jehovah izy ireo hanambara “ny asa lehibe” efa nataony sy mbola hataony. Ho mpitondra tenin’ilay Avo Indrindra àry izy ireo.a

  • Entanin’ny “Asa Lehibe Ataon’Andriamanitra”
    Ny Tilikambo Fiambenana—2002 | 1 Aogositra
    • a Hoy i Jehovah tamin’i Mosesy rehefa nirahiny hiresaka tamin’i Farao izy sy Arona ho tombontsoan’ny vahoakany: “Efa nataoko andriamanitra ho an’i Farao hianao; ary Arona rahalahinao kosa ho mpaminaninao.” (Eksodosy 7:1) Tsy hoe nilaza ny hoavy akory i Arona matoa natao mpaminany, fa nanjary mpitondra tenin’i Mosesy.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara