-
Antomotra ‘ny Andro Famerenana Amin’ny Laoniny’!Ny Tilikambo Fiambenana—2000 | 1 Septambra
-
-
“Mibebaha hianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin’ny fanatrehan’ny Tompo
-
-
Antomotra ‘ny Andro Famerenana Amin’ny Laoniny’!Ny Tilikambo Fiambenana—2000 | 1 Septambra
-
-
— Asan’ny Apostoly 3:19-21, izahay no manao sora-mandry.
Hitondra “andro famelombelomana”, avy amin’i Jehovah, ireo “andro famerenana amin’ny laoniny” ireo. Ambaratonga roa no hahatongavan’io famerenana amin’ny laoniny, nambara mialoha, io. Voalohany, dia haverina amin’ny laoniny ny famelombelomana ara-panahy, ary efa mizotra izany amin’izao fotoana izao. Faharoa, dia hanaraka azy io ny fanorenana paradisa iray ara-bakiteny eto an-tany.
-
-
Antomotra ‘ny Andro Famerenana Amin’ny Laoniny’!Ny Tilikambo Fiambenana—2000 | 1 Septambra
-
-
Natomboka ny ezaka manokana lehibe mba hampianarana ny olona amin’ny firenena rehetra, hitandremany ny zavatra nandidian’i Kristy hataon’ny mpanara-dia azy. (Matio 28:20). Mamelombelona erỳ ny mahita olona, izay nampiseho toetra toy ny an’ny biby taloha, nanova ny fomba fiheviny! Nesorin’izy ireo ny toetra taloha, izay namokatra lafin-toetra toy ny “fahatezerana” sy ny “fitenenan-dratsy” ary ny “teny mahamenatra”, ary notafiny kosa ny toetra vaovao “izay nohavaozina, tamin’ny alalan’ny fahalalana araka ny marina, araka ny endrik’Ilay [Andriamanitra] nahary azy”. Na dia ankehitriny aza, dia tanteraka amin’ny heviny ara-panahy ny tenin’i Isaia mpaminany hoe: “Ny amboadia [olona nampiseho toetra toy ny an’ny amboadia taloha] hiara-mitoetra amin’ny zanak’ondry [olona malemy fanahy]; ny leoparda hiara-mandry amin’ny zanak’osy; ary ny zanak’omby sy ny liona tanora sy ny ombikely mifahy hiray toerana.”—Kolosiana 3:8-10, NW; Isaia 11:6, 9.
-