-
“Handahatra eo Anatrehan’i Kaisara Aho”Ny Tilikambo Fiambenana—2001 | 15 Desambra
-
-
Namory ireo lohandohany tamin’ny Jiosy i Paoly rehefa tonga tany Roma. Sady te hitory tamin’izy ireo izy no te hahalala izay zavatra fantatr’izy ireo momba azy. Mety ho nanampy azy hahafantatra ny fikasan’ireo mpiampanga izany. Efa zatra nangataka fanampiana tamin’ny Jiosy tany Roma ny manam-pahefana tany Jerosalema, rehefa nandamina raharaha ara-pitsarana, nefa ren’i Paoly fa tsy nahazo fanazavana momba azy akory izy ireo.
-