FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w98 1/4 p. 28-31
  • Manaja ny Fahamendrehany ve Ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manaja ny Fahamendrehany ve Ianao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fampisehoana fahamendrehana
  • Fahamendrehana eo amin’ny fifandraisana ao amin’ny fianakaviana
  • Ao amin’ny kongregasiona kristiana
  • Fihazonana ny fahamendrehan’ny tena manokana
  • Aoka Ianao ho Mendrika mba ho Fanajana An’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Manaja ny Fahamendrehan’ny Hafa ve Ianao Rehefa Manome Torohevitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Maro ny Olona Tsy Hajaina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Mbola Hohajaina ny Rehetra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
w98 1/4 p. 28-31

Manaja ny Fahamendrehany ve Ianao?

NANGONINA toy ny biby sy natoby tao anatin’ny loto sy ny fofona tsy mampino ireo teratany afrikana izay naondrana an-tsambo, toy ny entana, tany amin’ireo tanin’i Amerika. Ampoizina ho faty ny antsasak’izy ireo, fara fahakeliny, alohan’ny hahatongavany any amin’izay alehany. Nosarahina tamin’ny fomba tsy mifaditra ovana ireo mpianakavy, izay tsy hifankahita intsony mandrakizay. Ny fivarotana andevo dia anisan’ny zava-nitranga maizina indrindra teo amin’ny fitondrana feno habibiana nampiharin’ny olombelona tamin’ny mpiara-belona taminy. Nisy koa zava-nitranga hafa toy izany, rehefa nanapaka tamin’ny fomba lozabe teo amin’ireo teratany tsy nanam-piarovana, ireo mpandresy mahery.

Ny fanesorana amin’ny olona iray ny fahamendrehany dia mety hangirifiry kokoa noho ny fikapohana ara-batana. Manimba ny maha-izy an’ilay olona izany. Na dia efa nofoanana aza ny fanandevozana any amin’ny ankamaroan’ny faritra amin’ny tany, dia mbola mitohy ny fanimbana tsikelikely ny fahamendrehan’ny olombelona, fa amin’ny endriny an-kolaka kokoa angamba.

Etsy an-danin’izany, ireo Kristiana marina dia miezaka mafy mba hanaraka ilay fananaran’i Jesosy Kristy mba ho ‘tia ireo namany tahaka ny tenan’izy ireo’. Noho izany, dia manontany tena izy ireo hoe: ‘Moa ve aho manaja ny fahamendrehan’ny hafa?’ — Lioka 10:27.

Fampisehoana fahamendrehana

Araka ny diksionera iray, ny atao hoe fahamendrehana dia ny toetran’izay mendrika, omem-boninahitra, na anehoana fiheverana ambony. Izany ka filazalazana mifanentana ny amin’ny toeran’ilay Tompom-piandrianana eo Amin’izao Rehetra Izao, dia i Jehovah Andriamanitra! Raha ny marina, ny Soratra Masina dia mampifandray miverimberina an’i Jehovah sy ny fiandrianany amin’ny fahamendrehana. Nanana tombontsoa nahazo fahitana ara-tsindrimandry ny amin’ny Avo Indrindra sy ny kianjany any an-danitra i Mosesy, i Isaia, i Ezekiela, i Daniela, ny apostoly Jaona, sy ireo hafa; ary ny filazalazan’izy ireo dia mampiseho, amin’ny fomba tsy miovaova, fahalehibeazana sy fahamendrehana mahatahotra. (Eksodosy 24:9-11; Isaia 6:1; Ezekiela 1:26-28; Daniela 7:9; Apokalypsy 4:1-3). Nilaza toy izao i Davida Mpanjaka tao amin’ny vavaka fiderana iray: “Anao, Jehovah ô, ny fahalehibiazana sy ny hery sy ny voninahitra sy ny famirapiratana ary ny [fahamendrehana, NW ], dia izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany”. (1 Tantara 29:11). Marina tokoa, fa tsy misy na iza na iza mendrika ny homem-boninahitra sy hoheverina ho ambony kokoa noho ny tenan’i Jehovah Andriamanitra.

Tamin’ny famoronana ny olona tahaka ny endriny sy ny tarehiny, i Jehovah dia nanome vidiny, sy hajan’ny tena ary fahamendrehana ny olombelona. (Genesisy 1:26). Noho izany, rehefa mifampiraharaha amin’ny hafa isika, dia mila manome ho an’ny olona tsirairay ny voninahitra sy ny haja tokony ho azy. Rehefa manao izany isika, raha ny marina, dia manaiky ilay Loharanon’ny fahamendrehan’ny olombelona, dia i Jehovah Andriamanitra. — Salamo 8:4-9.

Fahamendrehana eo amin’ny fifandraisana ao amin’ny fianakaviana

Teo ambanin’ny tsindrimandry, ny apostoly Petera, izay lehilahy nanambady, dia nananatra ireo lehilahy kristiana manambady mba hanome ho an’ny vadiny “voninahitra toy ny ho an’ny fanaka malemy kokoa”. (1 Petera 3:7, NW; Matio 8:14). “Ary aoka kosa ny vavy hanaja ny lahy”, hoy ny torohevitry ny apostoly Paoly. (Efesiana 5:33). Noho izany, dia zavatra takin’ny Baiboly ao amin’ny fanambadiana, ny fanomezam-boninahitra sy ny fanajana ny fahamendrehana manokan’ny vadin’ny tena. Amin’ny fomba ahoana avy no azo ampisehoana izany?

Toy ny rano mamelona zavamaniry mitombo iray, ny teny mamy sy ny fihetsika mampiseho fitiavana eo amin’ny mpivady, rehefa ampahibemaso sy rehefa mitokana, dia afaka mampitombo ny fifandraisana akaiky eo amin’izy ireo. Mifanohitra amin’izany, ireo famelezana am-bava henjana sy mamingavinga na ireo fanamarihana maneso sy tsy misy fanajana, tahaka izay fandre matetika amin’ny tantara mitohy mampihomehy ao amin’ny televiziona, dia mandrava. Izy ireny dia afaka miteraka fahatsapana tsy fahamendrehana izay manimba sy fahaketrahana ary fahasosorana; afaka mahatonga ratra ara-pihetsehampo tsy mora sitranina mihitsy aza izy ireny.

Afa-tsy izany koa, ny fanajana ny fahamendrehana manokan’ny hafa dia midika ho fandraisana azy ireny amin’ny maha-izy azy, fa tsy fanandramana hampifanaraka ny maha-izy azy amin’ny modely efa noeritreretina mialoha, na fanaovana fampitahana tsy ara-drariny amin’ny hafa. Zava-dehibe indrindra izany eo amin’ny mpivady. Hiroborobo ny fifankahazoana am-po rehefa misy fampitan-kevitra sy fifampiresahana malalaka sy tsy voatohantohana, ka tsy misy matahotra ny hokianina na ho voalevilevy. Rehefa afaka mampiseho ny tena maha-izy azy ny olona iray ao amin’ny faritry ny fanambadiana, dia tena tonga fialofana marina amin’ny tontolo any ivelany, izay sady masiaka no henjana, ny tokantrano.

Didian’ny Soratra Masina ny ankizy mba hanaja sy hankatò ny ray aman-dreniny. Etsy an-danin’izany kosa, ny ray aman-dreny hendry sy be fitiavana dia hanao tsara amin’ny fanekena ny fahamendrehan’ireo zanany. Ny teny fiderana mafana noho ny fitondran-tena tsara, ampiarahina amin’ny fifehezana amim-paharetana rehefa ilaina izany, dia manamafy “ny fanabeazana ara-tsaina izay an’i Jehovah”. Ny fanakianana tsy misy farany, ny filelalelana, sy ny fametahana anarana mampietry toy ny hoe “vendrana” na “dondrina” dia tsy manao afa-tsy ny mampahatezitra azy ireny. — Efesiana 6:4, NW.

Nilaza toy izao ny loholona sady ray kristiana iray, izay mitaiza zanakalahy telo sy zanakavavy telo: “Manome ny famaizana ilaina amin’ny fomba tsy misarika ny saina araka izay azo atao izahay rehefa any amin’ny Efitrano Fanjakana. Matetika dia ampy ny mandona kely amin’ny kiho na ny fampitandremana tena mazava. Raha nilaina ny famaizana hentitra kokoa dia ho nomenay mitokana tany an-tokantranonay, ary tsy teo anatrehan’ny ankizy hafa, izany. Izao efa lehibe kokoa izao ny ankizy, ny fifehezana dia mahatafiditra ny fanomezana, ho an’ny tsirairay, torohevitra mampiseho fitiavana sy fahendrena avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, arakaraka izay ilainy isam-batan’olona. Miezaka mihazona ireny raharaha manokana ireny ho tsiambaratelo izahay, ka mampiseho amin’izany, ny fanajana ny zon’ny ankizy tsirairay hanana fiainana manokana sy fahamendrehana.”

Tsy tokony hodian-tsy hita ny ilana fahalalam-pomba eo amin’ny teny sy ny atao ao amin’ny faritry ny fianakaviana. Ny fifankazarana dia tsy tokony hahatonga antsika tsy hilaza ireo teny toy ny hoe “aza fady”, “misaotra”, sy “miala tsiny aho”. Zavatra fototra eo amin’ny fihazonana ny fahamendrehan’ny tena sy ny fanajana ny an’ny hafa ny fahalalam-pomba.

Ao amin’ny kongregasiona kristiana

“Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana”, hoy i Jesosy. (Matio 11:28). Ireo voahosihosy, ireo ketraka, na dia ireo ankizy kely aza dia samy voasintona tamin’ny fomba tsy hay tohaina ho amin’i Jesosy avokoa. Nohamavoin’ny klerjy sy ireo mpitarika niavonavona sy nanamarin-tena tamin’izany andro izany izy ireo. Kanefa kosa dia olona nanome azy ireo ny fahamendrehana tokony ho azy no fahitan’izy ireo an’i Jesosy.

Toa an’i Jesosy, isika koa dia maniry ho tonga loharanom-pamelombelomana ho an’ireo mpiray finoana amintsika. Izany dia midika hoe mitady fahafahana mba hampaherezana azy ireo amin’ny tenintsika sy ny ataontsika. Mety foana ny tsy hitsitsiantsika amim-pahatsorana fanamarihana mampiseho hatsaram-panahy sy manorina ao amin’ny resaka ataontsika. (Romana 1:11, 12; 1 Tesaloniana 5:11). Asehontsika fa miahy ny fihetseham-pon’ny hafa isika amin’ny fitandremana izay lazaintsika ary koa ny fomba ilazantsika izany. (Kolosiana 4:6). Afa-tsy izany koa, ny fitafiana sy ny fihetsika tsara any amin’ireo fivoriana kristiana dia manome taratry ny fanajana lalina ny fahamendrehan’ilay Andriamanitsika, sy ny fanompoam-pivavahana atao aminy, ary ireo mpiara-mivavaka amintsika.

Nanaja ny fahamendrehan’ny olona i Jesosy na dia rehefa nanome fanampiana azy ireo aza izy. Tsy nanambony tena ka hitera-pahavoazana ho an’ny hafa na nanambany azy ireo na oviana na oviana izy. Rehefa nanatona azy mba hitady fanasitranana ny boka iray dia tsy nanilika an’ilay lehilahy ho maloto sy tsy mendrika i Jesosy, na nanao fisehosehoana tamin’ny fanintonana ny saina amin’ny tenany. Rehefa nitaraina tamin’i Jesosy kosa ilay boka hoe: “Tompoko, raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy”, dia nanome fahamendrehana ilay boka Izy tamin’ny filazana hoe: “Mety Aho”. (Lioka 5:12, 13). Mahafinaritra toy inona moa, tsy ny hoe manampy ireo mahantra fotsiny, fa ny manome toky azy ireo koa fa tsy enta-mavesatra izy ireo fa irina sy tiana kosa! Matetika, ireo saro-kenatra, ireo ketraka, sy ireo kilemaina dia tsy raharahaina, ihatakatahana, na ambanina eo amin’izao tontolo izao. Tokony hahita fisakaizana marina sy hekena kosa anefa izy ireo rehefa eo anivon’ireo rahalahy sy anabavy kristiana. Tsy maintsy manao ny anjarantsika isika mba hisian’izany toe-tsaina izany.

I Jesosy dia tia an’ireo mpianany toy “ny Azy” ary “tia azy hatramin’ny farany”, na dia teo aza ireo fahadisoana sy ireo toetoetra nampiavaka azy ireo. (Jaona 13:1). Hitany fa nanana fo madio izy ireo sy fifikirana tamin’ny fanahy manontolo tamin’ny Rainy. Toy izany koa, isika dia tsy tokony hihevitra na oviana na oviana an’ireo mpiara-mivavaka amintsika ho manana antony manosika ratsy, satria fotsiny hoe tsy mitovy amin’ny antsika ny fomba fanaovan’izy ireo zavatra, na satria mahasosotra antsika ny fahazarany na ny toetrany. Ny fanajana ny fahamendrehan’ireo rahalahintsika dia hanosika antsika ho tia sy handray azy ireny amin’ny maha-izy azy, amin’ny fatokiana fa tia an’i Jehovah koa izy ireny ary manompo Azy, amin’ny fananana antony manosika madio. — 1 Petera 4:8-10.

Ireo loholona indrindra no tokony hitandrina mba tsy hahatonga fanahiana tafahoatra eo amin’ireo nankinina taminy mba hokarakarainy. (1 Petera 5:2, 3). Rehefa miara-mivory amin’ny mpikambana iray ao amin’ny kongregasiona izay latsaka ao amin’ny fahotana izy ireo, dia fanehoana fiahiana avy amin’ireo loholona ny manalefaka ny teniny amin-katsaram-panahy sy amim-panehoam-piheverana, sy ny tsy hametraka fanontaniana mahasanganehana tsy amin’antony. (Galatiana 6:1). Na dia mety aza ny fananarana mafy sy ny fifehezana, dia hanohy hihevitra ny fahamendrehana ara-dalàna sy ny hajan’ny tenan’ilay nanao ratsy izy ireo. — 1 Timoty 5:1, 2.

Fihazonana ny fahamendrehan’ny tena manokana

Noho isika noforonina araka ny endrika sy ny tarehin’Andriamanitra, araka izay azo atao, dia tokony hanome taratr’ireo toetran’Andriamanitra mahatalanjona isika — anisan’izany ny fahamendrehany — eo amin’ny fiainantsika isan’andro. (Genesisy 1:26). Toy izany koa fa, voalaza amin’ny fomba tsy mivantana ao amin’ilay didy hoe ‘tiava ny namanao tahaka ny tenanao’ ny ilana fahatsapana fahamendrehan’ny tena manokana sy hajan’ny tena amin’ny fetra voalanjalanja. (Matio 22:39). Ny zava-misy dia hoe raha tiantsika hampiseho fanajana sy hanome fahamendrehana antsika ny hafa, dia tsy maintsy asehontsika fa mendrika izany isika.

Ny lafin-javatra lehibe iray amin’ny fihazonana ny hajan’ny tena sy ny fahamendrehan’ny tena manokana dia ny fihazonana feon’ny fieritreretana madio. Mitarika mora foana ho amin’ny fahatsapana tsy fahamendrehana, fahakiviana, sy fahaketrahana ny feon’ny fieritreretana tsy madio sy ny fanenjehan’ny eritreritra. Noho izany, raha nisy olona nanao fahadisoana lehibe, dia tokony hanao dingana avy hatrany izy mba hibebahana sy hitadiavana ny fanampiana ara-panahy avy amin’ireo loholona, mba hankafizana “andro famelombelomana avy amin’ny fanatrehan’ny Tompo”. Tafiditra ao amin’ilay famelombelomana ny famerenana amin’ny laoniny ny fahamendrehan’ilay olona manokana sy ny hajan’ny tenany. — Asan’ny Apostoly 3:19.

Tsara kokoa anefa ny hanaovana ezaka mitohy mba hiarovana ny feon’ny fieritreretantsika voataiza ara-baiboly, ka tsy hamela na inona na inona handoto na hampahalemy azy io. Hanampy antsika hihazona feon’ny fieritreretana madio sy hamela antsika hanome taratry ny voninahitr’Andriamanitra sy ny fahamendrehana eo amin’ny fiainantsika, ny fanehoana fifehezan-tena eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainantsika isan’andro — ny fihinanana, ny fisotroana, ny fandraharahana, ny fialam-boly, ny fifampiraharahana amin’ny tsy lahy na tsy vavy tahaka ny tenantsika. — 1 Korintiana 10:31.

Ahoana raha tsy mety mihena ny fahatsapana ho meloka noho ireo fahadisoana nataontsika? Na, ahoana raha manohy mampahory ny fahatsiarovana ireo fitondrana ratsy niaretana? Izany dia mety handrava tanteraka ny fahamendrehan’ny tenantsika manokana ka hahatonga fahaketrahana lalina. Mampionona toy inona moa ireo tenin’i Davida Mpanjaka hita ao amin’ny Salamo 34:18 hoe: “Akaikin’izay manana fo mangorakoraka Jehovah ary mamonjy izay torotoro fanahy”! Vonona sy maniry hanohana ireo mpanompony i Jehovah rehefa tsy maintsy miezaka mandresy fahaketrahana sy fahatsapana ho tsy mendrika izy ireo. Ny fitalahoana aminy, miaraka amin’ny fitadiavana fanampiana amin’ireo manana toetra ara-panahy ilaina, toy ireo ray aman-dreny kristiana, ireo loholona, sy ireo olona matotra hafa ao amin’ny kongregasiona, no fomba hamerenana amin’ny laoniny ny hajan’ny tena sy ny fahamendrehan’ny tena manokana. — Jakoba 5:13-15.

Etsy an-danin’izany, dia mila mitandrina isika mba tsy hampifangaro ny fahamendrehan’ny tena manokana sy ny fieboeboana. Ny torohevitra ara-baiboly dia hoe: “Aza miavonavon-kevitra ka mihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina; fa mihevera izay onony araka ny ohatry ny finoana izay nozarain’Andriamanitra ho anareo avy.” (Romana 12:3). Na dia mety aza ny mamboly hajan’ny tena, dia tsy irintsika ny hanantitrantitra tafahoatra ny fahamendrehantsika manokana na ny hampifangaro ny fahamendrehan’olombelona amin’ireo ezaka feno fitiavan-tena sy tafahoatra ataon’ny sasany mba hitandroana ny voninahiny eo anatrehan’ny hafa.

Eny, zavatra takina amin’ny Kristiana ny fanajana ny fahamendrehan’ny hafa. Samy misy vidiny daholo ireo mpikambana ao amin’ny fianakaviantsika sy ireo Kristiana tahaka antsika, ary mendrika ny fanajana sy ny voninahitra ary ny fanehoana fiheverana ambony avy amintsika izy rehetra. I Jehovah dia nanome antsika tsirairay avy fahamendrehana sy voninahitra amin’ny fetra sasany, izay tokony hankasitrahantsika sy hohazonintsika. Ambonin’ny zavatra rehetra anefa, isika dia tsy maintsy mamboly fanajana ara-pivavahana lalina ny fahamendrehana sy ny fahalehibeazana tsy manam-paharoan’ilay Raintsika any an-danitra, dia i Jehovah Andriamanitra.

[Sary, pejy 31]

Afaka mampiseho fanajana an’ireo kilemaina ny tanora

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara