FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lff lesona 53
  • Mifidiana Fialam-boly Mampifaly An’i Jehovah

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mifidiana Fialam-boly Mampifaly An’i Jehovah
  • Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • ANDAO HOHALALININTSIKA
  • FAMINTINANA
  • JEREO KOA IRETO
  • Ahoana no Hifidianana Fialam-boly Mahasoa?
    “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”
  • Fidio Tsara ny Fialam-boly Ataonao
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2019
  • Afaka Mahita Fialam-boly Mahasoa Ianao
    Mifohaza!—1997
  • Ny Fiaraha-miala Voly — Ankafizo Ireo Soa Atolony, Halaviro Ireo Fandrika Entiny
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
Hijery Hafa
Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
lff lesona 53
Lesona 53. Mpivady iray sy ny zanak’izy ireo vavikely miara-mijery tele.

LESONA 53

Mifidiana Fialam-boly Mampifaly An’i Jehovah

Endrika Sary
Endrika Sary
Endrika Sary

“Andriamanitra falifaly” i Jehovah. (1 Timoty 1:11) Tiany ho falifaly sy hankafy fiainana isika. Faly izy rehefa mba maka aina isika indraindray fa tsy hoe miasa foana. Inona no azo atao mba hahafinaritra sy hahafa-po ny fotoana ialana voly sady hampifaly an’i Jehovah? Ho hitantsika ato amin’ity lesona ity izany.

1. Inona no tokony hotadidintsika rehefa mifidy fialam-boly?

Inona no mba tianao rehefa miala voly? Misy, ohatra, tia mijanona irery ao an-trano, dia mamaky boky, mihaino mozika, mijery filma, na mijerijery zavatra ao amin’ny Internet. Ny sasany indray tia manao zavatra miaraka amin’ny namany, ohatra hoe mandehandeha, milomano, na manao baolina. Na inona na inona fialam-boly tiantsika, dia tokony hataontsika azo antoka hoe “ankasitrahan’ny Tompo” ilay izy. (Efesianina 5:10) Nahoana? Satria be dia be ny fialam-boly fanaon’ny olona nefa misy zavatra halan’i Jehovah, ohatra hoe herisetra, fijangajangana, na asan’ny maizina. (Vakio ny Salamo 11:5.) Inona àry no hanampy antsika hanao safidy tsara?

Raha minamana amin’ny olona tia an’i Jehovah isika, dia handrisika antsika hanao ny tsara sy hahay hifidy fialam-boly ry zareo. Hitantsika tamin’ny lesona tany aloha hoe “ho hendry izay miaraka amin’ny hendry.” “Hahita loza” kosa isika raha miaraka matetika amin’ny olona tsy tia ny fitsipik’Andriamanitra.​—Ohabolana 13:20.

2. Nahoana no mila ferana ny fotoana ialana voly?

Na dia tsara aza ny fialam-boly fidintsika, dia mila mitandrina isika mba tsy handany fotoana be amin’ilay izy. Raha tsy izany mantsy, dia ny fotoana anaovana an’izay zava-dehibe kokoa indray no mety tsy ho ampy. Mampirisika antsika ny Baiboly hoe “ampiasao tsara ny fotoananareo.”​—Vakio ny Efesianina 5:15, 16.

ANDAO HOHALALININTSIKA

Hodinihintsika hoe inona no hanampy anao handray fanapahan-kevitra tsara amin’ny resaka fialam-boly.

3. Aza manao fialam-boly ratsy

Nahoana no tokony hofidintsika tsara ny fialam-boly ataontsika? Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

VIDEO: Mampifaly An’i Jehovah ve ny Fialam-boly Fidiko? (4:39)

  • Inona no mampitovy ny adin’ny gladiatera tany Roma sy ny fialam-boly sasany amin’izao?

  • Inona no nianaran’i Danny momba ny fialam-boly?

Vakio ny Romanina 12:9, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Hoatran’ny ahoana ny fialam-boly hofidinao raha manaraka an’io andinin-teny io ianao?

Inona ny zavatra sasany halan’i Jehovah? Vakio ny Ohabolana 6:16, 17 sy ny Galatianina 5:19-21. Isaky ny avy mamaky andinin-teny iray, dia iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Iza amin’ireo zavatra ireo no hita matetika amin’ny fialam-boly amin’izao?

Ahoana no atao raha te hahay hifidy fialam-boly?

Eritrereto izao:

  • Inona? Misy zavatra halan’i Jehovah ve amin’ilay izy?

  • Rahoviana? Amin’ny fotoana tokony hanaovako an’izay zava-dehibe kokoa ve ilay izy?

  • Iza? Mahatonga ahy hifanerasera matetika amin’ny olona tsy tia an’i Jehovah ve ilay izy?

Aleo tsy manakaikikaiky loza mihitsy raha tsy te ho voa. Izany no mahatonga antsika hiala lavitra an’izay fialam-boly hitantsika hoe mety tsy hahasoa

Fiara iray mandeha eo amin’ny sisin’ny hantsana. Efa mitady hilatsaka ny pne aoriana an’ilay fiara.

4. Ampiasao tsara ny fotoananao

Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

VIDEO: Inona no Tena Mandany ny Fotoananao? (2:45)

  • Tsy hoe nijery zavatra ratsy akory ilay rahalahy tao amin’ilay video. Inona anefa no vokany rehefa nandany fotoana be hialana voly izy?

Vakio ny Filipianina 1:10, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Nahoana io andinin-teny io no manampy antsika hanapa-kevitra hoe hoatran’ny ahoana ny fotoana holanintsika amin’ny fialam-boly?

5. Mifidiana fialam-boly tsara

Marina fa misy fialam-boly tsy tian’i Jehovah. Be dia be koa anefa ny fialam-boly mampifaly azy. Vakio ny Mpitoriteny 8:15 sy ny Filipianina 4:8, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Inona ny fialam-boly tsara mba tianao?

Sary: Olona maromaro samihafa taona manao fialam-boly tsara. 1. Ankizivavy iray mihaino hira sady manao sary. 2. Tovolahy telo milalao baskety. 3. Ankizilahy roa mitaingina bisikileta. 4. Ankizilahy iray manamboatra aotomobilina kely. 5. Lehilahy iray mively amponga. 6. Ankizilahy iray manao lalao video miaraka amin’ny dadany. 7. Vehivavy iray maka sary.

Betsaka ny fialam-boly tsara azonao ankafizina

MISY MITENY HOE: “Tsy mampaninona ahy ny fialam-boly misy herisetra, fijangajangana, na asan’ny maizina. Izaho ange tsy hoe manao an’ireo e!”

  • Ahoana no havalinao?

FAMINTINANA

Tian’i Jehovah hifidy fialam-boly tsara isika sady hankafy an’izany.

Famerenana

  • Inona ny fialam-boly tsy tokony hataon’ny Kristianina?

  • Nahoana isika no mila mitandrina mba tsy handany fotoana be amin’ny fialam-boly?

  • Nahoana ianao no te hanao fialam-boly mampifaly an’i Jehovah?

Tanjona

JEREO KOA IRETO

Iza no tokony hifidy ny fialam-boly hataonao?

“Misy Filma na Hira na Boky ve Tsy Avelan’ny Vavolombelon’i Jehovah Hojeren’ny Mpivavaka ao Aminy?” (Lahatsoratra ao amin’ny jw.org)

Inona no azonao atao mba hahay hanapa-kevitra ianao amin’ny resaka fialam-boly?

“Mahasoa ve ny Fialam-boly Ataonao?” (Ny Tilikambo Fiambenana 15 Oktobra 2011)

Nahoana ny lehilahy iray no nanova ny fialam-boly fanaony? Vakio ilay tantara hoe “Vitako Mihitsy aza ny Tsy Nanavakavaka.”

“Manova Olona ny Baiboly” (Ny Tilikambo Fiambenana 1 Febroary 2010)

Inona no nanampy ny renim-pianakaviana iray tsy hijery filma misy asan’ny maizina?

Aza Manao Fialam-boly Misy Herin’ny Maizina (2:02)

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara