FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwbv lahatsoratra 18
  • Romanina 5:8: “Fony Mbola Mpanota Isika, dia Maty Hamonjy Antsika Kristy”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Romanina 5:8: “Fony Mbola Mpanota Isika, dia Maty Hamonjy Antsika Kristy”
  • Fanazavana Andinin-teny
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no tian’ny Romanina 5:8 holazaina?
  • Inona no voalazan’ny teny manodidina ny Romanina 5:8?
  • Romanina 15:13: “Andriamanitry ny Fanantenana Anie Hameno Anareo Amin’ny Fifaliana sy ny Fiadanana”
    Fanazavana Andinin-teny
  • Mahazo ny tsara indrindra amin’ny vaovao ny Romana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Romanina 6:23: “Fahafatesana no Tambin’ny Ota; ary Fiainana Mandrakizay no Fanomezam-pahasoavana avy Amin’Andriamanitra”
    Fanazavana Andinin-teny
  • Ny finoanao – zavatra kendren’ny taratasy ho an’ny Romana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
Hijery Hafa
Fanazavana Andinin-teny
ijwbv lahatsoratra 18

FANAZAVANA ANDININ-TENY

Romanina 5:8: “Fony Mbola Mpanota Isika, dia Maty Hamonjy Antsika Kristy”

“Nasehon’Andriamanitra anefa hoe tiany isika, satria tamin’isika mbola mpanota, dia maty ho antsika i Kristy.”​—Romanina 5:8, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

“Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy.”​—Romanina 5:8​, Fandikan-teny Protestanta.

Inona no tian’ny Romanina 5:8 holazaina?

Nasehon’i Jehovaha Andriamanitra hoe tena be fitiavana izy satria navelany ho faty ho antsika olombelona ilay Zanany, izany hoe i Jesosy Kristy. (Jaona 3:16) Mpanota ny olombelona, dia mora mieritreritra sy manao zavatra mifanohitra amin’ny fitsipik’Andriamanitra. (Kolosianina 1:21, 22) Nataon’Andriamanitra anefa izay hahatonga antsika hihavana aminy indray “tamin’ny nahafatesan’ny Zanany.” (Romanina 5:10) Inona no vokatr’izany? Lasa afaka mifandray tsara amin’Andriamanitra isika dieny izao, ary manantena ny hiaina mandrakizay amin’ny hoavy.​—Romanina 5:11; 1 Jaona 4:9, 10.

Inona no voalazan’ny teny manodidina ny Romanina 5:8?

Nosoratan’ny apostoly Paoly ho an’ireo Kristianina nipetraka tany Roma ireo teny ireo. Nohazavainy ao amin’ny toko faha-5 ao amin’ilay taratasiny ho an’ny Romanina hoe fa maninona ny Kristianina no afaka mifaly sy matoky hoe ho tanteraka ny zavatra antenainy. (Romanina 5:1, 2) “Tsy mba mandiso fanantenana” io fanantenana io, satria noho Andriamanitra tia antsika no nanomezany antsika azy io, ary efa nasehony izany fitiavana izany tamin’izy nanome an’i Jesosy ho faty ho antsika. (Romanina 5:5, 6) Nankatò an’Andriamanitra foana i Jesosy, fa tsy nanao hoatran’ilay lehilahy voalohany, izany hoe i Adama. (Romanina 5:19) Noho i Adama tsy nankatò, dia lasa mpanota sy mety maty daholo ny taranany. (Romanina 5:12) Afaka manantena ny hiaina mandrakizay indray anefa ny olombelona mankatò, satria tsy nivadika mihitsy i Jesosy ary efa nanome ny ainy.​—Romanina 5:21.

a Jehovah no anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.​—Salamo 83:18.

Vakio ny Romanina toko 5, dia jereo koa ny fanamarihana ambany pejy sy ny fanondroana andininy hafa.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara