FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • bt toko 19 p. 148-155
  • “Mitoria Foana ary Aza Mangina”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Mitoria Foana ary Aza Mangina”
  • ‘Torio Amin’ny Fomba Feno ny Fanjakan’Andriamanitra’
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • “Mpanao tranolay ... no asa fiveloman’izy ireo” (Asa. 18:1-4)
  • “Lasa mpino ny ankamaroan’ny Korintianina” (Asa. 18:5-8)
  • “Manana olona be dia be ato amin’ity tanàna ity ... aho” (Asa. 18:9-17)
  • “Raha sitrapon’i Jehovah” (Asa. 18:18-22)
  • Akoila sy Prisila — Mpivady Fakan-tahaka Iray
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Mandresy ny Tenin’i Jehovah!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Korinto
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-46 — 1 Korintiana
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
Hijery Hafa
‘Torio Amin’ny Fomba Feno ny Fanjakan’Andriamanitra’
bt toko 19 p. 148-155

TOKO 19

“Mitoria Foana ary Aza Mangina”

Namelon-tena i Paoly nefa nataony loha laharana ny fanompoany

Miorina amin’ny Asan’ny Apostoly 18:1-22

1-3. Inona no anton-dian’i Paoly tany Korinto, ary inona avy no zava-tsarotra natrehiny?

TANY Korinto ny apostoly Paoly tamin’ny faramparan’ny taona 50. Foibe ara-barotra nanan-karena i Korinto, ary maro be ny Grika sy Romanina ary Jiosy nipetraka tany.a Tsy hividy na hivarotra na hitady asa no anton-dian’i Paoly tany. Antony lehibe lavitra noho izany no nandehanany tany, dia ny hitory ny Fanjakan’Andriamanitra. Nila trano hipetrahana izy, nefa tapa-kevitra ny tsy ho tonga enta-mavesatra ho an’ny hafa. Tsy tiany hisy hieritreritra hoe ny tenin’Andriamanitra no ataony antom-pivelomana. Ahoana àry no hataony?

2 Nahay nanao tranolay i Paoly. Tsy mora io asa io, nefa vonona hampiasa ny tanany izy mba hameloman-tena. Hahita asa ao amin’io tanàna be olona nisomebiseby io ve izy? Hahita trano mety aminy ve izy? Marina fa teo ireo zava-tsarotra ireo, nefa tsy hadinon’i Paoly ilay tena asany, izany hoe ny fanompoany.

3 Tafajanona elaela tany Korinto i Paoly, ary namokatra be ny fanompoany. Inona no azontsika ianarana avy amin’izay nataon’i Paoly tany Korinto? Hanampy antsika hitory ny Fanjakan’Andriamanitra ao amin’ny faritanintsika izany.

KORINTO SY IREO RANOMASINY

Andilan-tany teo anelanelan’i Gresy sy Péloponnèse no nisy an’i Korinto. Latsaka ny enina kilaometatra ny sakany kely indrindra amin’ilay andilan-tany. Nanana seranana roa àry i Korinto: I Léchée no teo amin’ny Hoalan’i Korinto, ary sambo niankandrefana nankany Italia sy Sisila ary Espaina no nampiasa azy io. I Kenkrea kosa no teo amin’ny Hoala Sarônika, ary nampiasa azy io ny sambo nankany amin’ny faritr’i Egée, Azia Minora, Syria, ary Ejipta, sy ny sambo avy any amin’ireo toerana ireo.

Be rivo-mahery ny ranomasina tany atsimon’i Péloponnèse ka nampidi-doza ny nandeha sambo tany. Matetika àry ny tantsambo no nankao amin’ny seranana iray tao Korinto, sy nandefa an-tanety ny entany ho any amin’ilay seranana iray, ary nampakatra izany tao an-tsambo indray. Ny sambo maivamaivana aza natao teo ambony talantalana ka notaritina nanaraka lalana rarivato, izay nisy tatatra kely ny andaniny roa. Notaritina namakivaky an’ilay andilan-tany ilay talantalana, avy teo amin’ilay ranomasina ilany nankany amin’ny ilany. Tsara toerana i Korinto, satria nandalo tao ny entam-barotra nentin’ny sambo avy any atsinanana sy avy any andrefana, ary koa ireo notaterina an-tanety avy any avaratra sy avy any atsimo. Niroborobo ny varotra tao Korinto ka lasa nanan-karena izy, nefa koa lasa niely tao ny fanao ratsy fahita any amin’ny seranana maro.

Tamin’ny andron’ny apostoly Paoly, dia renivohitr’i Akaia faritany romanina i Korinto, sady foiben’ny fitondrana. Nisy fivavahana maro tao, satria hita tao daholo na tempoly fivavahana tamin’ny mpanjaka, na toerana masina, na tempoly ho an’ireo andriamanitra grika sy ejipsianina, na synagogan’ny Jiosy.​—Asa. 18:4.

Isaky ny roa taona, dia nisy fifaninanana ara-panatanjahan-tena tao Isthmia, tanàna teo akaikin’i Korinto. Io no lalao lehibe nanarakaraka ny Lalao Olympika. Nety ho tany Korinto ny apostoly Paoly, nandritra ilay lalao tao Isthmia, tamin’ny taona 51. Milaza àry ny diksionera iray momba ny Baiboly, fa “tsy kisendrasendra raha tao amin’ny taratasiny ho an’ny Korintianina no voalohany nampiasan’i Paoly an’ilay ohatra momba ny fanatanjahan-tena.”​—1 Kor. 9:24-27.

“Mpanao tranolay ... no asa fiveloman’izy ireo” (Asa. 18:1-4)

4, 5. a) Taiza i Paoly no nipetraka tany Korinto, ary inona no asany? b) Ahoana no mety ho nahatonga an’i Paoly ho mpanao tranolay?

4 Nihaona tamin’ny mpivady iray i Paoly rehefa tonga kelikely tany Korinto. Tsy iza izany fa i Akoila, izay Jiosy ray Jiosy reny, sy Prisila na Priska vadiny. Nifindra tany Korinto izy mivady, satria nandidy i Klaodio Mpanjaka hoe “tsy maintsy miala any Roma ny Jiosy rehetra.” (Asa. 18:1, 2) Noraisin’i Akoila sy Prisila hiara-mipetraka aminy i Paoly, sady noraisiny hiara-miasa aminy. Hoy ny Baiboly: “Nipetraka tao amin’izy mivady [i Paoly] ary niara-niasa tamin’izy ireo, satria nitovy ny asany. Mpanao tranolay mantsy no asa fiveloman’izy ireo.” (Asa. 18:3) Tao an-tranon’io mpivady tsara fanahy io foana i Paoly no nipetraka, nandritra ny fanompoany tany Korinto. Tamin’i Paoly nipetraka tao amin’izy mivady angamba no nanoratany ny taratasiny sasany, izay lasa anisan’ny Baiboly.b

5 Nampianarina “teo an-tongotr’i Gamaliela” i Paoly, nefa ahoana no nahatonga azy ho mpanao tranolay? (Asa. 22:3) Toa tsy noheverin’ny Jiosy tamin’ny taonjato voalohany hoe nanambany azy ny nampianatra asa tanana ny zanany, na dia nety ho nanao fianarana fanampiny aza ny zanany. Azo inoana fa tamin’ny fahazazany i Paoly no nianatra nanao tranolay, satria avy any Tarsosy any Kilikia no fiaviany. Nampahalaza an’io faritra io mantsy ilay karazan-damba fanaovana tranolay. Ahoana izany hoe nanao tranolay izany? Anisan’ny asa natao angamba ny nanenona an’ilay lamba hanaovana azy, na nandidy sy nanjaitra an’ilay lamba marokoroko sy henjana. Asa mafy ilay izy, na ahoana na ahoana.

6, 7. a) Ahoana no niheveran’i Paoly ny fanaovana tranolay, ary ahoana no ahalalana fa nitovy hevitra taminy i Akoila sy Prisila? b) Ahoana no anahafan’ny Kristianina ankehitriny an’i Paoly sy Akoila ary Prisila?

6 Tsy nihevitra ny fanaovana tranolay ho tena anton’asany i Paoly. Mba hameloman-tena fotsiny no niasany. Amin’izay izy dia ho afaka hanao ny fanompoany, izany hoe ny fitoriana “maimaim-poana” ny vaovao tsara. (2 Kor. 11:7) Ahoana kosa no niheveran’i Akoila sy Prisila ny asany? Kristianina izy mivady ka azo inoana fa nitovy hevitra tamin’i Paoly. Rehefa niala tany Korinto, ohatra, i Paoly tamin’ny taona 52, dia niara-nifindra taminy tany Efesosy koa izy mivady, ary natao toeram-pivorian’ny fiangonan’i Efesosy ny tranony. (1 Kor. 16:19) Niverina tany Roma izy mivady tatỳ aoriana, ary niverina tany Efesosy indray avy eo. Nataony loha laharana teo amin’ny fiainany ilay Fanjakana, ka vonona ny hanao sorona izy ireo mba hanampiana ny hafa. Nankasitraka an’ireo mpivady be zotom-po ireo àry ‘ny fiangonana rehetra tany amin’ny hafa firenena.’​—Rom. 16:3-5; 2 Tim. 4:19.

7 Manao toa an’i Paoly sy Akoila ary Prisila koa ny Kristianina ankehitriny. Miasa mafy ireo mpitory be zotom-po “mba tsy hampitondra enta-mavesatra” ny hafa. (1 Tes. 2:9) Maro ny mpitory manontolo andro miasa tapa-potoana na mandritra ny fe-potoana sasany ao anatin’ny taona, mba hameloman-tena hanaovana an’ilay tena asany, dia ny fanompoana. Mendri-piderana izy ireny. Mpanompon’i Jehovah maro koa no tsara fanahy toa an’i Akoila sy Prisila, ka mampiantrano mpiandraikitra ny faritra. Tsapan’ireo ‘miezaka ho tia mandray vahiny’ fa mampahery ny manao izany.​—Rom. 12:13.

TARATASY NAMPAHERY

Fara fahakeliny, dia taratasy roa anisan’ny Soratra Grika Kristianina no nosoratan’i Paoly tao Korinto, tamin’izy nijanona tao herintaona sy tapany, tamin’ny taona 50-52 tany ho any. Ny Tesalonianina Voalohany sy Faharoa izany. Tamin’io fotoana io koa, na taoriana kelin’io, no nanoratany ny taratasiny ho an’ny Galatianina.

Ny Tesalonianina Voalohany no taratasy voalohany nosoratan’i Paoly ao amin’ny Baiboly. Nitsidika an’i Tesalonika izy tamin’ny taona 50 tany ho any, tamin’ny dia misionera faharoa. Tsy ela dia tojo fanoherana ilay fiangonana vao niforona tao, ka voatery niala tao i Paoly sy Silasy. (Asa. 17:1-10, 13) Indroa i Paoly no saika hiverina tany, noho ny fiahiany an’ilay fiangonana, nefa “nosakanan’i Satana.” Naniraka an’i Timoty àry izy mba hampionona sy hampahery an’ireo rahalahy. Tamin’ny faramparan’ny taona 50 angamba, dia niverina tany amin’i Paoly tany Korinto i Timoty, ary nilaza zavatra tsara momba ny fiangonan’i Tesalonika. Nanoratra ny Tesalonianina voalohany i Paoly, taorian’izay.​—1 Tes. 2:17–3:7.

Ny Tesalonianina Faharoa kosa mety ho nosoratana taoriana kelin’ny Tesalonianina Voalohany, angamba tamin’ny taona 51. Samy niarahaba an’ilay fiangonana i Paoly sy Timoty ary Silvano (Silasy ao amin’ny Asan’ny Apostoly) ao amin’ireo taratasy roa ireo. Tsy voalaza anefa hoe mbola niaraka indray izy telo lahy, taorian’ny nijanonan’i Paoly tao Korinto. (Asa. 18:5, 18; 1 Tes. 1:1; 2 Tes. 1:1) Nahoana i Paoly no nanoratra ilay taratasy faharoa? Toa mbola naharay vaovao momba an’ilay fiangonana izy, angamba avy amin’ilay nanatitra an’ilay taratasiny voalohany. Nahatonga azy hidera an’ireo rahalahy izany, satria be fitiavana sy niaritra izy ireo. Nahitsin’i Paoly koa anefa ilay fiheveran’ny sasany hoe efa tena akaiky ny fanatrehan’ny Tompo.​—2 Tes. 1:3-12; 2:1, 2.

Hita amin’ny taratasin’i Paoly ho an’ny Galatianina fa efa nitsidika azy ireo indroa izy, talohan’ny nanoratany ho azy ireo. Nitory tany Antiokia any Pisidia, Ikonioma, Lystra, ary Derbe i Paoly sy Barnabasy, tamin’ny taona 47-48. Anisan’i Galatia, faritany romanina, ireo tanàna ireo. Niverina tany niaraka tamin’i Silasy i Paoly, tamin’ny taona 49. (Asa. 13:1–14:23; 16:1-6) Nanoratra ny Galatianina i Paoly, satria vao lasa izy dia tonga tany ireo nifikitra tamin’ny Fivavahana Jiosy, ary nampianatra fa tokony hoforana sy hitandrina ny Lalàn’i Mosesy ny Kristianina. Azo inoana fa nanoratra ho an’ny Galatianina i Paoly, raha vao nandre an’izany fampianaran-diso izany. Nety ho tany Korinto izy no nanoratra azy io, na koa tany Efesosy tamin’izy nijanona kely tao rehefa hiverina tany Antiokia any Syria, na angamba tany Antiokia.​—Asa. 18:18-23.

“Lasa mpino ny ankamaroan’ny Korintianina” (Asa. 18:5-8)

8, 9. Ahoana no nataon’i Paoly rehefa notoherin’ny Jiosy ny fitoriany, ary taiza izy no nitory?

8 Tamin’i Paoly, dia natao hanompoana an’i Jehovah fotsiny ny asa. Niharihary io toe-tsainy io rehefa tonga avy tany Makedonia i Silasy sy Timoty, ary nitondra fanomezana be dia be. (2 Kor. 11:9) Avy hatrany i Paoly dia “nifantoka tanteraka tamin’ny fitoriana.” (Asa. 18:5) Nazoto nitory tamin’ny Jiosy izy, nefa notoherin’izy ireo mafy. Nitory momba an’i Kristy izy ka nampita hafatra mamonjy aina, nefa nolavin’ireo Jiosy mpanohitra izany. Nilaza àry i Paoly fa afaka adidy, ka nakopany ny fitafiany ary hoy izy: “Ianareo ihany no ho tompon’andraikitra amin’ny fahafatesanareo. Afaka adidy aho. Hankany amin’ny olona hafa firenena aho manomboka izao.”​—Asa. 18:6; Ezek. 3:18, 19.

9 Aiza àry i Paoly no hitory? Nanome ny tranony hampiasain’i Paoly ny lehilahy iray atao hoe Titosy Josto, izay azo inoana fa olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy. Nifanila tamin’ny synagoga ny tranony. Niala tao amin’ny synagoga àry i Paoly ka nankao an-tranon’i Josto. (Asa. 18:7) Mbola nipetraka tao amin-dry Akoila sy Prisila ihany i Paoly tao Korinto, fa ny tranon’i Josto kosa no foiben’ny asa fitoriany.

10. Inona no mampiseho fa tsy ny hafa firenena ihany no nitorian’i Paoly?

10 Nilaza i Paoly fa hitory amin’ny hafa firenena izy nanomboka teo. Midika ve izany fa tofoka tanteraka tamin’ny Jiosy sy ny olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy izy, na dia nisy te hihaino aza tamin’izy ireny? Tsy izany mihitsy! “Lasa nino ny Tompo”, ohatra, “i Krispo mpitantana [ny] synagoga, sy ny ankohonany manontolo.” Azo inoana fa maro tamin’ireo nivory tao amin’ilay synagoga no nanao toa an’i Krispo, satria hoy ny Baiboly: “Lasa mpino ny ankamaroan’ny Korintianina naheno ny vaovao tsara, ka natao batisa.” (Asa. 18:8) Ny tranon’i Titosy Josto àry no lasa toeram-pivorian’ilay fiangonana kristianina vao niforona tao Korinto. Raha nosoratan’i Lioka arakaraka ny nisehoany ny tantara ao amin’ny Asan’ny Apostoly, toy ny efa fanaony, dia efa avy nakopak’i Paoly ny akanjony vao lasa Kristianina ireo Jiosy sy olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy ireo. Hita àry fa nahay nilefitra i Paoly, ka mbola nitory tamin’ny Jiosy ihany.

11. Ahoana no anahafantsika an’i Paoly, eo am-piezahantsika mitory amin’ny olona milaza azy ho Kristianina?

11 Efa hatramin’ny ela no nisy tany amin’ny firenena maro ireo fivavahana milaza azy ho Kristianina. Misy vokany lalina eo amin’ny fiainan’ny olona izy ireny. Mitaona olona maro ho Kristianina ny misioneran’ireny fivavahana ireny, any amin’ny tany maro. Matetika anefa no andevozin’ny fomban-drazana ireo mitonona ho Kristianina, toa an’ireo Jiosy tany Korinto tamin’ny taonjato voalohany. Manao toa an’i Paoly kosa isika Vavolombelon’i Jehovah ka miezaka mitory amin’ny olona toy ireny. Manampy azy ireny hahatakatra tsara ny Soratra Masina isika. Tsy kivy isika, na manohitra antsika aza izy ireny ary manenjika antsika ny mpitondra fivavahany. Mety ho maro ny mpandefitra mila karohina sy tadiavina eo anivon’ireo “mafana fo ho an’Andriamanitra..., saingy tsy tena mahalala azy tsara.”​—Rom. 10:2.

“Manana olona be dia be ato amin’ity tanàna ity ... aho” (Asa. 18:9-17)

12. Fanomezan-toky inona no azon’i Paoly tao amin’ny fahitana iray?

12 Nisalasala ve i Paoly hoe tokony hanohy ny fitoriany tao Korinto izy sa tsia? Raha nisy izany dia nihelina ihany, satria niseho taminy tao amin’ny fahitana i Jesosy Tompo indray alina, ka niteny hoe: “Aza matahotra, fa mitoria foana ary aza mangina, fa miaraka aminao aho ka tsy hisy hanafika anao mba hanisy ratsy anao. Manana olona be dia be ato amin’ity tanàna ity mantsy aho.” (Asa. 18:9, 10) Nampahery azy tokoa io fahitana io! Ny Tompo mihitsy no nanome toky fa hiaro azy, sady nilaza fa nisy olona mendrika maro tao an-tanàna. Inona no vokatr’io fahitana io tamin’i Paoly? Izao no vakintsika: “Nijanona tao herintaona sy tapany ... izy, ka nampianatra azy ireo ny tenin’Andriamanitra.”​—Asa. 18:11.

13. Inona no nety ho tao an-tsain’i Paoly rehefa nanakaiky ny toeram-pitsarana izy? Nahoana anefa izy no natoky fa tsy hisy haninona azy?

13 Rehefa nijanona tao Korinto nandritra ny herintaona teo ho eo i Paoly, dia vao mainka nahita porofo fa nanampy azy ny Tompo. “Niray tetika hanohitra an’i Paoly ny Jiosy” ary nitondra azy “teo amin’ny toeram-pitsarana”, izay antsoina amin’ny teny grika hoe bema. (Asa. 18:12) Mihevitra ny sasany fa toy ny lampihazo izy io, ary vita tamin’ny marbra manga sy fotsy, sady feno sary sokitra. Somary teo afovoan’ny tsenan’i Korinto angamba izy io. Nalalaka ny teo anoloany ka vahoaka be no afaka nivory teo. Hita tamin’ny fikarohana ny any ambanin’ny tany fa toa tena teo akaikin’ny synagoga ilay toeram-pitsarana, izany hoe nifanakaiky kely tamin’ny tranon’i Josto. Rehefa nanakaiky an’ilay toeram-pitsarana i Paoly, dia nety ho niverina tao an-tsainy ny nitoraham-bato an’i Stefana, izay lazaina indraindray hoe maritiora kristianina voalohany. “Nankasitraka ny namonoana” azy i Paoly, izay mbola Saoly tamin’izany. (Asa. 8:1) Hatao toa an’i Stefana koa ve i Paoly? Tsia, satria efa nomena toky izy hoe: “Tsy hisy ... hanisy ratsy anao.”​—Asa. 18:10.

Roahin’i Galio hiala eo amin’ny toeram-pitsarana ny vahoaka romotra miampanga an’i Paoly. Miaramila romanina miezaka mifehy vahoaka tezitra be.

“Dia noroahiny niala teo amin’ny toeram-pitsarana izy ireo.”​—Asan’ny Apostoly 18:16

14, 15. a) Inona no niampangan’ny Jiosy an’i Paoly, ary nahoana no nofoanan’i Galio ilay fitsarana? b) Inona no nanjo an’i Sostena, ary inona no nety ho vokatr’izany teo aminy?

14 Inona no nitranga rehefa tonga teo amin’ny toeram-pitsarana i Paoly? I Galio, governoram-paritr’i Akaia, no nisahana ilay raharaha. Zokin’i Sénèque, filozofa romanina, izy io. Niampanga an’i Paoly ny Jiosy hoe: “Mitaona ny vahoaka hivavaka amin’Andriamanitra amin’ny fomba tsy araka ny lalàna ity lehilahy ity.” (Asa. 18:13) Te hilaza ny Jiosy hoe nandika lalàna i Paoly rehefa nitaona olona hanaraka ny finoany. Fantatr’i Galio anefa fa tsy “nanao ratsy” na meloka ho “nahavita heloka bevava” i Paoly. (Asa. 18:14) Tsy te hiditra tamin’ny adihevitry ny Jiosy i Galio. Mbola tsy niloa-bava hiaro ny tenany akory i Paoly dia efa nofoanan’i Galio ilay fitsarana. Romotra ireo mpiampanga an’i Paoly, ka i Sostena no nanamparany ny hatezerany. I Sostena angamba no mpitantana ny synagoga, ho solon’i Krispo. Nosamborin’izy ireo i Sostena, “dia nokapohiny teo anoloan’ny toeram-pitsarana.”​—Asa. 18:17.

15 Nahoana i Sostena no navelan’i Galio hokapohin’ny vahoaka? Nieritreritra angamba i Galio fa i Sostena no nitarika vahoaka hanohitra an’i Paoly. Nihevitra àry izy fa nahazo ny sahaza azy i Sostena. Na ahoana na ahoana, dia toa tsara fiafara ilay raharaha. Nisy Sostena nolazain’i Paoly ho rahalahy ao amin’ny taratasiny voalohany ho an’ny Korintianina, izay nosoratany taona maromaro tatỳ aoriana. (1 Kor. 1:1, 2) Ilay Sostena nokapohina tany Korinto ve io? Raha izany, dia nety ho nanampy azy ho lasa Kristianina ilay zava-tsarotra nanjo azy.

16. Niteny ny Tompo hoe: “Mitoria foana ary aza mangina, fa miaraka aminao aho.” Inona no vokatr’izany eo amin’ny fanompoantsika?

16 Tsarovy fa rehefa avy nanda ny fitorian’i Paoly ny Jiosy vao nanome toky an’i Paoly i Jesosy Tompo hoe: “Aza matahotra, fa mitoria foana ary aza mangina, fa miaraka aminao aho.” (Asa. 18:9, 10) Tokony hitadidy an’ireo teny ireo isika, indrindra rehefa misy mandà ny hafatra torintsika. Aza hadinoina fa mahita ny ao am-po i Jehovah, ka mitaona ny olona tso-po hanatona azy. (1 Sam. 16:7; Jaona 6:44) Mampahery antsika hazoto foana amin’ny fanompoana izany! Ana hetsiny isan-taona, izany hoe an-jatony isan’andro, no atao batisa. Nanome baiko i Jesosy hoe: “Ampianaro ny olona any amin’ny firenena rehetra mba ho lasa mpanara-dia ahy.” Nanome toky an’ireo mankatò izany izy hoe: “Hiaraka aminareo foana aho isan’andro, mandra-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.”​—Mat. 28:19, 20.

“Raha sitrapon’i Jehovah” (Asa. 18:18-22)

17, 18. Inona no nety ho nosaintsainin’i Paoly teny ambony sambo?

17 Tsy niraharaha an’izay nataon’ireo mpiampanga an’i Paoly i Galio. Tsy fantatsika anefa raha nandry feizay ny Kristianina tao Korinto, vokatr’izany. “Nijanona tao andro vitsivitsy” i Paoly talohan’ny nanaovany veloma an’ireo rahalahy tao Korinto. Nikasa ho any Syria i Paoly ka nandray sambo tao Kenkrea, tamin’ny voalohandohan’ny taona 52. Eo amin’ny 11 kilaometatra any atsinanan’i Korinto i Kenkrea. Talohan’ny nialan’i Paoly tao Kenkrea anefa, dia “nohetezana fohy ny volony ... satria nisy voady nataony.”c (Asa. 18:18) Nentiny niaraka taminy i Akoila sy Prisila taorian’izay, ka nandeha sambo namakivaky ny Ranomasina Égée izy ireo, mba ho any Efesosy, any Azia Minora.

18 Azo inoana fa nisaintsaina ny zava-nitranga tao Korinto i Paoly, rehefa niainga tao Kenkrea ilay sambo nitondra azy. Maro ny zavatra nahafinaritra tsaroany, ary tena afa-po izy. Herintaona sy tapany izy no nanompo tao, ary be ny vokatra. Niforona ny fiangonana voalohany tao Korinto, ary tao an-tranon’i Josto ny fivoriana. Anisan’ireo tonga mpino i Josto, sy Krispo sy ny ankohonany, ary ny maro hafa. Tena tian’i Paoly ireo mpianatra vaovao ireo, satria izy no nanampy azy ho tonga Kristianina. Nanoratra tamin’izy ireo izy tatỳ aoriana, ka nilaza fa izy ireo no taratasy fiderana azy, izay voasoratra ao am-pony. Akaikin’ny fontsika koa ireo nampiantsika hiandany amin’ny fivavahana marina. Taratasy velona ireny “taratasy fampahafantarana” ireny, ary afa-po tokoa isika mahita azy ireny!​—2 Kor. 3:1-3.

19, 20. Inona no nataon’i Paoly tamin’izy tonga tany Efesosy? Inona no ianarantsika avy aminy, rehefa miezaka hanatratra tanjona manome voninahitra an’i Jehovah isika?

19 Nifantoka avy hatrany tamin’ilay tena asany i Paoly rehefa tonga tany Efesosy. “Niditra tao amin’ny synagoga izy, ary niezaka nandresy lahatra an’ireo Jiosy.” (Asa. 18:19) Vetivety ihany no nijanonan’i Paoly tany, tamin’ity indray mandeha ity. Nasaina nijanona elaela kokoa izy, nefa “tsy nety.” Hoy izy tamin’ireo Efesianina, tamin’izy nanao veloma: “Mbola hiverina atỳ aminareo indray aho, raha sitrapon’i Jehovah.” (Asa. 18:20, 21) Azo inoana fa hitan’i Paoly hoe mbola be ny fitoriana tokony hatao tany Efesosy. Nikasa ny hiverina tany ilay apostoly, nefa naleony napetraka teo am-pelatanan’i Jehovah izany. Tsy modely ho antsika ve izany? Isika mihitsy aloha no mila manao zavatra, rehefa miezaka hanatratra tanjona manome voninahitra an’i Jehovah. Tsy maintsy miantehitra foana amin’ny fitarihan’i Jehovah anefa isika, ka miezaka hanao zavatra araka ny sitrapony.​—Jak. 4:15.

20 Nandao an’i Akoila sy Prisila tao Efesosy i Paoly, ary nandray sambo ka tonga tany Kaisaria. Toa “niakatra” tany Jerosalema sy niarahaba ny fiangonana tany izy. (Asa. 18:22, f.a.p.) Nankany Antiokia any Syria, toerana fiaingany, i Paoly avy eo. Vitany tsara ny dia misionera faharoa. Inona no niandry azy tamin’ny dia misionera farany hataony?

ILAY VOADIN’I PAOLY

Milaza ny Asan’ny Apostoly 18:18 fa tamin’i Paoly tany Kenkrea, dia nasainy “nohetezana fohy ny volony ... satria nisy voady nataony.” Inona io voady io?

Ny hoe mivoady dia mianiana an-tsitrapo amin’Andriamanitra fa hanao zavatra iray, na hanao fanatitra, na hanaraka fomba fiaina iray. Misy milaza fa nasain’i Paoly nohetezana ny volon-dohany, satria nivoady ho Nazirita izy. Milaza anefa ny Soratra Masina fa “eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana” ny Nazirita no tokony hanaratra ny lohany, rehefa tapitra ny fotoana nanaovany fanompoana manokana ho an’i Jehovah. Toa tany Jerosalema ihany àry no azo nanaovana an’izany, fa tsy tany Kenkrea.​—Nom. 6:5, 18.

Tsy lazain’ny Asan’ny Apostoly hoe oviana i Paoly no nanao an’ilay voadiny. Nety ho efa talohan’ny nahatongavany ho Kristianina aza izany. Tsy milaza koa ilay fitantarana raha nisy zavatra manokana nangatahin’i Paoly tamin’i Jehovah. Milaza ny boky iray fa nasain’i Paoly nohetezana ho fohy ny volon-dohany, satria angamba izy te “hisaotra an’Andriamanitra noho ny niarovany azy, ka nahafahany namita ny fanompoany tany Korinto.”

a Jereo ilay efajoro hoe “Korinto sy Ireo Ranomasiny”, pejy 149.

b Jereo ilay efajoro hoe “Taratasy Nampahery”, pejy 150.

c Jereo ilay efajoro hoe “Ilay Voadin’i Paoly”, pejy 152.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara