FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w90 1/11 p. 22-23
  • “Ataovy ho voninahitr’Andriamanitra ny zavatra rehetra”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Ataovy ho voninahitr’Andriamanitra ny zavatra rehetra”
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Iankinan’ny aina ny firaisan-tsaina sy ny fahadiovana ara-pitondrantena
  • Manehoa fiheverana ny hafa
  • Manehoa fanajana ary hazony ny filaminana
  • Ataovy ho voninahitr’Andriamanitra foana izay ataonao
  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-46 — 1 Korintiana
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
  • Korintianina, Taratasy ho An’ny
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Aoka isika hifankahalala amin’ireo Kristiana voalohany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-47 — 2 Korintiana
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
w90 1/11 p. 22-23

“Ataovy ho voninahitr’Andriamanitra ny zavatra rehetra”

Hevi-dehibe ao amin’ny 1 Korintiana

NY VONINAHITR’i Jehovah Andriamanitra dia zava-dehibe tokoa ho an’izay rehetra manompo azy “amin’ny fanahy sy ny fahamarinana.” (Jaona 4:23, 24) Noho izany, dia nilaza toy izao tamin’ireo kristiana namany tany Korinto fahizay ny apostoly Paoly: “Na mihinana na misotro hianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany [ny zavatra rehetra, MN ].” (1 Korintiana 10:31) Ny fanaovantsika izany dia mitaky ny hanekentsika ny fomba fandaminan’i Jehovah ny zava-manahirana antsika eto amin’ity tontolo fatra-pitia ny zavatra hita maso sy maloto fitondrantena ary tafalentika tanteraka ao anatin’ny fivavahan-diso ity.

Ireo kristiana tany Korinto dia nila ny fanampian’Andriamanitra mba handaminana zava-manahirana satria niaina teo anivon’ny tanàn-dehibe iray niroborobo teo amin’ny ara-nofo sy naloto fitondrantena ary feno fivavahan-diso izy ireo. Teo amin’ny andilan-tany iray teo anelanelan’i Grisia sy Peloponezy no nisy an’i Korinto izay renivohitr’i Akaia, provansa romana, ary notombanana ho 400 000 ny mponina tao. Nanorina ny kongregasiona tao tany amin’ny 50 am. fan. ir. tany ho any i Paoly. — Asan’ny apostoly 18:1-11.

Nanoratra ho an’i Paoly mba hanontany azy ny amin’ny fanambadiana sy ny fihinanana hena naterina ho an’ny sampy ireo Korintiana. (7:1) Ketraka izy satria nisy fisaratsarahana sy fahalotoam-pitondrantena be teo amin’izy ireo. Nila torohevitra ny amin’ny fomba mety hankalazana ny Sakafo harivan’ny Tompo izy ireo. Nandrahona azy ireo mihitsy aza ny fivadiham-pinoana, ary nila torohevitra momba ny fitiavana ilay kongregasiona. Noho ireo antony rehetra ireo no nanoratan’i Paoly ny taratasiny voalohany azony avy tamin’ny tsindrimandry ho an’ireo Korintiana, ary tany Efesosy tany amin’ny 55 am. fan. ir. tany ho any no nanaovany izany. Kanefa isika koa dia afaka mandray soa avy amin’izy io.

Iankinan’ny aina ny firaisan-tsaina sy ny fahadiovana ara-pitondrantena

Raha ‘manao ny zavatra rehetra ho voninahitr’Andriamanitra’ isika, dia tsy hanaraka na iza na iza mitady hampiteraka fisaratsarahana ao anatin’ny kongregasiona — iray amin’ireo zava-nanahirana natrehin’ny kongregasiona tany Korinto. (1:1–4:21) Nampirisika azy ireo i Paoly ‘mba hiray teny ka ho tafakambana tsara hiray saina sy hevitra.’ Hisy ny firaisan-tsaina raha manaraka io torohevitra io isika ka mamboly toetra tsara ara-panahy. Tsy hirehareha noho ny olombelona mpanota iray isika fa hahatsiaro kosa fa na dia ‘mamboly sy mandena aza isika, dia Andriamanitra no mampitombo’ eo amin’ny lafiny ara-panahy. Tsy nanana na inona na inona izay tsy noraisiny ny mpirehareha toy izany tao Korinto; koa aoka àry isika tsy hihevitra na oviana na oviana fa tsara kokoa noho ny mpiray finoana amintsika ny tenantsika. Ny toe-tsaina feno fanetren-tena toy izany dia hanampy antsika hampandroso ny firaisan-tsaina.

Mba hanjakan’ny firaisan-tsaina, dia tsy maintsy manao zavatra mba hitanana ny kongregasiona hadio ara-panahy ireo loholona voatendry. (5:1–6:20) Koa satria “ny masirasira kely dia mahazo ny vongana rehetra”, ny mpijangajanga, ny mpierina, ny mpanompo sampy, ny mpanaratsy, ny mpimamo na ny mpanao an-keriny tsy mibebaka rehetra dia tsy maintsy roahina. Ny fahalotoana ara-pitondrantena, izay mandoto ny tempolin’Andriamanitra, dia tsy azo leferina eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah. Izy ireo kosa dia tsy maintsy manao zavatra izay manome voninahitra an’Andriamanitra.

Manehoa fiheverana ny hafa

Mba ‘hanaovana ny zavatra rehetra ho voninahitr’Andriamanitra’, dia mila ny mampihatra ny torohevitr’i Paoly momba ny fanambadiana sy ny fiainan’ny mpitovo isika. (7:1-40, MN ) Ireo izay tafaray ao amin’ny fatoran’ny fanambadiana dia tsy maintsy mifanome izay mety eo amin’ny lahy sy ny vavy amin’ny fampisehoana fiheverana. Ny kristiana manambady iray dia tsy tokony hisaraka amin’ny vadiny tsy mino, satria mety hanampy azy hahazo famonjena ny fiaraha-mitoetra. Mitondra fanahiana fanampiny ny fanambadiana, fa ny fitoerana ho mpitovo kosa dia afaka hitondra soa ho an’ny olona iray maniry hanampy ny hafa eo amin’ny lafiny ara-panahy amin’ny fanompoana ny Tompo tsy misy fanembantsembanana.

Ny fanehoana fiheverana izay hahasoa ny hafa eo amin’ny lafiny ara-panahy dia adidin’ny kristiana rehetra, na manambady izy na tsia. (8:1–10:33, MN ) Noho izany no nanomezana torohevitra ireo Korintiana mba tsy hanafintohina ny hafa amin’ny fihinanana hanina natolotra ny sampy. Mba tsy hanakanana na iza na iza tsy hanaiky ny vaovao tsara, i Paoly dia tsy nampiasa akory ny zony handray fanampiana ara-nofo. Izy koa dia ‘nanisy mafy ny tenany ho mangana, fandrao, rehefa avy nitory tamin’ny sasany izy, dia holavina ny tenany.’ Ny fandraisantsika am-po ireo fanandraman-javatra hitan’ny Isiraely mpanota tany an’efitra dia hanampy antsika handositra ny fanompoan-tsampy sy ny fanaovan-dratsy. Ambonin’izany, ny ‘fanaovana ny zavatra rehetra ho voninahitr’Andriamanitra’ dia hanampy antsika tsy hanafintohina na iza na iza.

Manehoa fanajana ary hazony ny filaminana

‘Ny fanaovana ny zavatra rehetra ho voninahitr’Andriamanitra’ dia mitaky ny hanehoantsika fanajana mety. (11:1-34) Naneho fanajana ny fahefana ny vehivavy kristiana tamin’ny taonjato voalohany tamin’ny fanaovana saron-doha rehefa nivavaka na naminany tao amin’ny kongregasiona. Fanajana ny fahefana tahaka izany no asehon’ny vehivavy tia an’Andriamanitra amin’izao andro izao. Ambonin’izany, mba tsy hitoviantsika amin’ireo Korintiana nila ny nahitsy, isika rehetra dia tsy maintsy mampiseho fanajana ny Sakafo harivan’ny Tompo.

Mba ‘hanaovana ny zavatra rehetra ho voninahitr’Andriamanitra’, isika rehetra dia tsy maintsy mitarika ireo fivoriana amin’ny fomba milamina. (12:1–14:40, MN ) Rehefa nivory ireo kristiana voalohany, ny fanomezan’ny fanahy toy ny fitenenana amin’ny fiteny tsy fantatra dia tsy maintsy nampiasaina tamim-panajana sy fankasitrahana ny niaviany sy ny zava-kendreny. Na dia tsy manana ireny fanomezana ireny aza isika ankehitriny, dia afaka manome voninahitra an’Andriamanitra amin’ny fanehoana fitiavana izay mihoatra noho izany. Manome voninahitra an’Andriamanitra koa isika satria voalamina tsara ireo fivoriantsika, ary mampihatra amim-panajana izao torohevitr’i Paoly izao isika: “Aoka ny zavatra rehetra hatao amin’ny fahamendrehana sy ny filaminana.”

‘Ny fanaovantsika ny zavatra rehetra ho voninahitr’Andriamanitra’ dia mitaky ny hanajantsika ny fampianaran’ny Baiboly sy ny hiorenantsika mafy eo amin’ny ara-panahy. (15:1–16:24, MN ) Nety ho voatariky ny filôzôfia grika ny sasany tao amin’ny kongregasiona tany Korinto ka nilaza hoe: “Tsy misy fitsanganan’ny maty.” (Ampitahao amin’ny Asan’ny apostoly 17:18, 32.) Izy ireo dia nety ho nitana ny fiheveran’ny mpivadi-pinoana fa hoe tsy hisy fitsanganana amin’ny maty any aoriana, fa fitsanganana ara-panoharana na ara-panahy kosa no mitranga eo amin’ny kristiana raha mbola velona izy. (2 Timoty 2:16-18) Nanohana ny fanantenana marina i Paoly tamin’ny fanononana ny nananganana an’i Jesosy tamin’ny maty ary nampiseho koa fa tsy maintsy maty ireo kristiana voahosotra mba hahafahany hatsangana ho amin’ny fiainana tsy hahitam-pahafatesana any an-danitra. Amin’ny fomba maro hafa koa no anampian’ireo teniny antsika mba handositra ny fivadiham-pinoana ka “hitoetra tsara [hiorina mafy, MN ] amin’ny finoana.”

Ataovy ho voninahitr’Andriamanitra foana izay ataonao

Ny torohevitr’i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana dia mitondra soa amin’izao andro izao toy ny nitondrany soa tamin’ny taonjato voalohany am. fan. ir. Manosika ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny andro ankehitriny hanompo an’Andriamanitra ao anatin’ny firaisan-tsaina amin’ny maha-vahoaka madio azy izy io. Ireo tenin’ilay apostoly dia tokony hanosika ny fontsika ho feno fiheverana ny hafa ary haneho fanajana mety. Izay nolazain’i Paoly koa dia afaka manome hery antsika mba hanohitra ny fivadiham-pinoana sy hiorina mafy amin’ny finoana marina.

Azo antoka tokoa fa ny fanirian’ny fon’ny mpanompon’i Jehovah mahatoky tsirairay avy dia ny hankalaza azy, ny hanambara ny Fanjakany, ary ny hanome voninahitra ny anarany masina. (Salamo 145:1, 2, 10-13) Raha ny marina, ny taratasin’i Paoly voalohany ho an’ny Korintiana dia manampy antsika mba ‘hanao ny zavatra rehetra ho voninahitr’Andriamanitra.’

[Efajoro/Sary, pejy 22, 23]

AZO ANTOKA FA HO FATY: Maherin’ny indray mandeha i Paoly ao amin’ireo taratasiny ho an’ny Korintiana no nanisy fitenenana ny amin’ny fahafatesana tao amin’ny kianja. Nanoratra toy izao izy ohatra: “Ataoko fa nasehon’Andriamanitra ho faraidina izahay Apostoly, dia toy izay voaheloka hovonoina; fa izahay dia natao ho fizàhan’izao rehetra izao, na anjely na olona.” (1 Korintiana 4:9) Nety ho nieritreritra an’ireo fampisehoana bestiarii (olona niady tamin’ny biby) sy ireo “gladiateurs” (olona niady tamin’olona) i Paoly. Nisy niady mba hahazoam-bola, fa ireo olo-meloka kosa dia voatery niady. Nahazo lalana hampiasa fiadiana aloha ireo mpigadra ireo tamin’ny voalohany, fa tatỳ aoriana izy dia nentina teny nitanjaka, tsy nanam-piarovana ary azo antoka fa ho faty.

“Anjely” sy “olona” (fa tsy “izao tontolo izaon’ny olombelona amin’ny ankapobeny fotsiny) no mpijery ireo apostoly izay toy ireo izay ho faty tao amin’ny fampisehoana feno ra nandriaka farany toy izany. Nilaza i Paoly fa ‘niady tamin’ny bibi-dia tany Efesosy’ izy, kanefa misy misalasala ny amin’ny nampanaovana olom-pirenena romana iray izany ka milaza fa mpanohitra manana toetram-biby dia no nasiany fitenenana eto. (1 Korintiana 15:32) Kanefa ny fanambarana nataon’i Paoly momba ny nanafahan’Andriamanitra azy “tamin’izao fahafatesana lehibe izao” tany Azia (toerana nisy an’i Efesosy) dia mifanitsy tsara kokoa amin’ny tarehin-javatra misy biby dia ara-bakiteny tao amin’ny kianja iray noho ny amin’ny fanoherana avy amin’olombelona. — 2 Korintiana 1:8-10; 11:23; Asan’ny apostoly 19:23-41.

[Efajoro/Sary, pejy 23]

BANJINO NY LOKA: Nampiasa zavatra nampiavaka ireo lalao grika fahizay i Paoly ho ohatra enti-manazava hevi-dehibe. (1 Korintiana 9:24-27) Tao amin’ny fifaninanana toa an’ireo Lalao natao tany amin’io andilan-tany io isaky ny roa taona tany akaikin’i Korinto dia nisy fihazakazahana, fanaovana ady totohondry ary zavatra hafa koa. Eo am-piomanana ho amin’izany fifaninanana izany ireo mpihazakazaka sy mpanao ady totohondry dia tsy maintsy nampihatra fahononan-tena, nanaraka fandaharan-tsakafo tsy matavy ary tsy nisotro divay nandritra ny folo volana. Tsy noho ilay amboara hazo kesika na “lierre” mora simba natao fehiloha natolotra ireo mpandresy tamin’ireo Lalao ireo anefa no iezahan’ny Kristiana voahosotra iray fa noho ilay satroboninahitra tsy mety lo, dia ny fiainana tsy misy fahafatesana. Mba hahazoana io loka io, dia tsy maintsy mibanjina azy izy ary mampihatra fifehezan-tena. Io fotopoto-pitsipika io ihany koa no mihatra amin’ny Vavolombelon’i Jehovah manana fahatsinjovana fiainana mandrakizay eto an-tany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara