Ahoana no hahafahantsika mamaly amin’ny fomba tsy misy fitiavan-tena ny fitiavan’Andriamanitra?
“Ry malala, raha izany no nitiavan’Andriamanitra antsika, dia mba tokony hifankatia kosa isika. — 1 JAONA 4:11.
1, 2. Inona no takina amintsika mba hahafahantsika mamaly amin’ny fomba tsy misy fitiavan-tena ireo fampisehoana ny fitiavan’Andriamanitra?
IJEHOVAH dia ilay fitiavana velona mihitsy. Tao amin’ny lahatsoratra teo aloha tokoa, dia nahita isika fa maro aoka izany ireo fampiharihariana ny fitiavany. Nanamarika koa isika ny fomba namalian’i Mosesy sy i Davida ary i Jesosy Kristy tamin’ny fomba tsy nisy fitiavan-tena ireny fanehoana fitiavana ireny. Tsy tokony haniry hanao toy izany koa ve ny tsirairay amin’ny Vavolombelon’i Jehovah? Izany indrindra!
2 Inona no takina amintsika mba hamaliana amin’ny fomba tsy misy fitiavan-tena ny fisehoan’ny fitiavan’Andriamanitra? Voalohany aloha, dia tsy maintsy manome azy ny toerana voalohany eo amin’ny fiainantsika isika, amin’ny fitiavana azy amin’ny fontsika rehetra, ny fanahintsika rehetra, ny saintsika rehetra ary ny herintsika rehetra. (Marka 12:29, 30). Izany dia midika fa tokony hitodika any amin’Andriamanitra isika, ary hanana fifandraisana akaiky sy mafana amin’i Jehovah. Maniry ny hiresaka amin’ilay Raintsika any an-danitra ao amin’ny vavaka ve isika? Mivavaka tsy tapaka ve isika ary maharitra amin’ny vavaka? Sa kosa isika maika hamita ny vavaka ataontsika, ary indraindray aza sahirana loatra ka tsy afaka mivavaka? (Romana 12:12; 1 Tesaloniana 5:17). Mitarika ny saina ho amin’i Jehovah ve isika, ka manome dera azy sy ny fandaminana noho izay mety ho vitantsika? (1 Korintiana 3:7; 4:7). Eny tokoa, moa ve isika mitovy fihevitra amin’ilay mpanao salamo? Momba an’Andriamanitra, dia hoy izy: “Impito isan-andro no iderako Anao.” — Salamo 119:164.
3. Rehefa miaraka amin’ny hafa mba hiala voly isika, amin’ny fomba ahoana no azontsika ampisehoana fa mamaly amin’ny fomba tsy misy fitiavan-tena ny fitiavan’Andriamanitra isika?
3 Ny maha-olona mamaly amin’ny fomba tsy misy fitiavan-tena ny fitiavan’Andriamanitra antsika na tsia dia mety hiharihary rehefa miaraka amin’ny hafa mba hiala voly isika. Moa ve ny resaka ataontsika amin’izay mihodinkodina eo amin’ny raharaha ivelan’ny fivavahana sa eo amin’ny zavatra ara-panahy? Tsy hoe tsy maintsy manana fianarana ny Baiboly maotina foana isika isaky ny tafaraka amin’ireo kristiana namantsika. Kanefa azo antoka fa misy zavatra mahaliana mifandray amin’ny zavatra ara-panahy azontsika ampidirina ao amin’ny resaka ifanaovantsika. Nahoana isika raha mitantara zavatra hita teny am-pitoriana, miresaka ny amin’ny andinin-teny ao amin’ny Baiboly tiantsika indrindra, mitantara ny fomba nahafantarantsika ny fahamarinana, na manonona porofon’ny fiahiana feno fitiavana sy ny fitahian’Andriamanitra?
4. Ahoana no tokony ho fiheverantsika ny toe-javatra rehefa diso fanantenana isika raha ny amin’ny tombontsoam-panompoana sasany?
4 Ny toe-javatra hafa iray mety hampiharihary ny halehiben’ny fankasitrahantsika ny fitiavan’Andriamanitra dia rehefa toa andalovana fotsiny isika raha ny amin’ny tombontsoam-panompoana sasany ao anatin’ny fandaminan’i Jehovah. Ahoana no fihetsitsika? Raha miahy voalohany indrindra ny amin’ny fanomezam-boninahitra an’i Jehovah isika, dia hanaiky fa azo inoana tokoa fa homem-boninahitra foana i Jehovah na iza na iza mahazo ilay tombontsoam-panompoana io. (Ampitahao amin’ny Lioka 9:48.) Kanefa raha miahy be loatra ny amin’ny tombontsoan’ny tenantsika manokana na ny anarantsika manokana isika, dia ho ketraka fa toa hoe nandalovana fotsiny, araka ny mety ho fiheverantsika. Tokony hotadidintsika fa tia antsika i Jehovah ary mety hahafantatra mihitsy aza fa amin’izao fotoana izao isika dia tsy afaka ny hiantsoroka andraikitra teokratika sasany. Mety hanome fitahiana tondraka antsika amin’ny fomba maro hafa izy, ary izany fampiharihariana ny fitiavany izany dia tokony hanampy antsika hihazona ny fijoroantsika ara-panahy. — Ohabolana 10:22.
Tiavo ny fahamarinana, ankahalao ny heloka
5. Tokony hisy vokany inona eo amin’ny fitondrantenantsika ireo fampiharihariana ny fitiavan’Andriamanitra?
5 Ireo fampiharihariana ny fitiavan’Andriamanitra amintsika dia tokony hanosika antsika hanahaka an’i Kristy raha ny amin’ny fitiavana ny fahamarinana sy ny fankahalana ny heloka. (Hebreo 1:9). Marina fa tsy afaka hanao izany amin’ny fomba tanteraka toy ny nataon’i Jesosy isika. Kanefa, azontsika atao ho ny zava-kendrentsika ny ho masina, ny ho marina ary ny ho mpankatò lalàna araka izay azontsika atao eo amin’ny tsy fahatanterahana misy antsika. Mba hahafahana manao izany, dia tsy vitan’ny hoe tsy maintsy mampitombo fitiavana ireo zavatra marina sy tsara fotsiny isika, fa tsy maintsy mamboly fankahalana, tsy fitiavana, faharikoriko ho an’izay ratsy koa. Toy izao no nanambaran’ny apostoly Paoly izany: “Mankahalà ny ratsy; mifikira amin’ny tsara.” (Romana 12:9). Ny hoe “mankahala” dia teny mahery dia mahery izay midika hoe “mihevitra amin’ny loiloy fatratra”.
6. Inona no hanampy antsika hitandrin-tena tsy ho voan’ny fakam-panahy apetrak’izao tontolo izao sy ny nofontsika mpanota ary ny Devoly eo amin’ny lalantsika?
6 Inona no hanampy antsika hitandrin-tena tsy ho voan’ny fakam-panahy atototr’izao tontolo izao sy ny nofontsika mpanota ary ny Devoly eo amin’ny lalantsika? Ny fahatokiana eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitra. Miangavy antsika toy izao izy: “Anaka, hendre, ary ampifalio ny foko, mba hamaliako izay miteny ratsy ahy.” (Ohabolana 27:11). Eny, ny fahatokiana eo anatrehan’i Jehovah dia hanosika antsika hanaraka ny lalan’ny fahendrena ka hankahala izay ankahalainy. Manaraka izany, na dia mety hahafinaritra na hanaitaitra toy inona aza ny fandikana ny iray amin’ireo lalàn’Andriamanitra, dia tsy maintsy milaza tsy an-kijanona amin’ny tenantsika isika fa tsy mendrika ny hanaovana azy tsotra izao izany. (Galatiana 6:7, 8). Ny fon’ny olombelona dia mamitaka, mifetsy ary manambaka, dia araka ny ampahatsiahivana azy antsika ao amin’ny Jeremia 17:9. Ny fo kristiana dia tia zavatra tsara, kanto ary madio. Kanefa indraindray dia manosika azy haniry zavatra ratsy koa ny fironany hanota. Toy ny fon’ireo Isiraelita izay nanompo an’i Jehovah ary anefa mbola nihazona ireo “fitoerana avo” nanompoana sampy teo aminy ihany, dia toy izany koa, ny fontsika dia mety ho tia tena sy hifetsy antsika. (1 Mpanjaka 22:44; Deoteronomia 12:2). Mety hanandrana hitady fialan-tsiny mba hametrahana antsika eo amin’ny lalan’ny fakam-panahy ny fontsika tsy tanteraka. Mety hanandrana hanamaivana ny maha-zava-dehibe ilay fanaovan-dratsy izay maka fanahy antsika izy. Na koa, mety hanandrana hampiaiky antsika ny fontsika fa ho vetivety ihany izay famaizana hihatra amintsika.
7. Nahoana isika no tsy maintsy mitandrin-tena amin’ny fitsiriritana mafy izay ratsy?
7 Noho ny fankasitrahana ny fitiavan’Andriamanitra, isika dia tsy maintsy mitandrin-tena amin’ny fitsiriritana mafy izay ratsy, toy ny fironana ho amin’ny faharatsiam-pitondrantena, na mpitovo isika na manambady. Imbetsaka tokoa, izay nanomboka toy ny fampisehoana fiheverana toa tsy nisy hevi-dratsy tamin’ny olona tsy lahy na tsy vavy toy ny tena dia nitarika kristiana roa hifaneho fihetseham-po aoka izany, hany ka nanjary zatra nanota izy ireo, ary dia noroahina. Nisy loholona aza tafalatsaka tao anatin’izany lalana izany, nefa izy ireo no tokony ho ohatra tsy azo kianina ho an’ny andian’ondry! — Ampitahao amin’ny 1 Mpanjaka 15:4, 5.
8. Ohatra fampitandremana inona no omen’ny apostoly Paoly antsika, ary azo oharina amin’ny inona izany zava-manahirana izany?
8 Diniho ny apostoly Paoly, izay notahina tamin’ny fanomezana azy fahitana sy hery avy any ivelany ary ny tsindrimandrin’Andriamanitra. Mba handresena teo amin’ny ady nataony tamin’ny fironana hanota, dia tsy maintsy nanisy mafy ny tenany ho mangana izy — eny, namely mafy ny tenany. Ho sahy ny hianina amin’ny fanaovana zavatra kely kokoa noho izany ve isika? (Romana 7:15-25; 1 Korintiana 9:27). Toy ny ao anaty lakana kely iray eo amin’ny renirano mikoriana haingana dia haingana isika ary voasintona ho any amin’ireo rian-drano hiafarany. Mba handosirana ny loza, dia tsy maintsy mivoy mafy hanohitra ny fandehan’ilay rano mahery isika. Toa mety tsy handroso firy isika, kanefa raha mbola tsy mitsahatra ny miezaka mafy isika dia tsy hianjera eo amin’ireo rian-drano ka ho faty. Marina tokoa fa ny fampiharihariana ny fitiavan’i Jehovah Andriamanitra amintsika dia tokony hahatonga antsika hiezaka mafy mba hahatoky eo anatrehany amin’ny fankahalana ny heloka ary amin’ny fitiavana ny fahamarinana.
Manehoa fitiavana ny rahalahy
9. Torohevitra inona no omen’ny apostoly Jaona raha ny amin’ny tokony hitiavana ireo rahalahintsika?
9 Tokony hanosika antsika ho tia ny rahalahintsika tahaka ny nitiavan’i Jesosy Kristy ny mpianany koa ireo fampisehoana ny fitiavan’Andriamanitra. (Jaona 13:1). Mety indrindra àry ny nanambaran’ny apostoly Jaona hoe: “Izao no fitiavana: tsy ny nitiavantsika an’Andriamanitra, fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany ho avotra noho ny fahotantsika. Ry malala, raha izany no nitiavan’Andriamanitra antsika, dia mba tokony hifankatia kosa isika.” (1 Jaona 4:10, 11). Raha ny marina, i Jesosy dia nilaza fa ny fomba hahafantarana ny tena mpianany dia ny fifankatiavan’izy ireo. — Jaona 13:34, 35.
10, 11. Inona avy no sasany amin’ireo fomba ahafahantsika mampiseho fitiavana ny rahalahy?
10 Isika dia mahafantatra fa tokony hampiseho fitiavana ny rahalahy ny kristiana. Kanefa tsy mahadiso ny mampahatsiahy ny tenantsika ny amin’ireo fomba samihafa ahafahantsika hifaneho io fitiavana toy ny an’i Kristy io. Hanampy antsika tsy hijery ireo fahasamihafana eo amin’ny firazanana, ny firenena, ny fanabeazana, ny fahaizana ary ny toerana ara-bola ny fitiavana toy izany. Ambonin’izany, ny fitiavana ny rahalahy dia hanosika antsika hiaraka aminy any amin’ny fivoriana. Raha tia marina ireo rahalahintsika isika, dia tsy hamela ny andro ratsy na ny tsy metimety kely ara-batana hisakana antsika tsy hahazo ny fifaliana avy amin’ny fiarahana aminy sy ny fifampirisihana. (Romana 1:11, 12, MN). Mihoatra noho izany aza fa ny fitiavana ny rahalahy dia hahatonga antsika hanomana tsara ireo fivoriantsika ary handray anjara feno amin’izany mba hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara. — Hebreo 10:23-25.
11 Ahoana ny amin’ny fanampiana ireo rahalahintsika eo amin’ny saha fitoriana? Voamarika fa misy loholona sy mpikarakara momba ny asa manao ny asa fitoriana isan-trano miaraka amin’izy samy izy na irery matetika, kanefa azony atao tsara, raha manao fandaharana kely izy, ny manasa mpitory ilay Fanjakana mila fanampiana eo amin’ny fanompoana hiaraka aminy. Ny fampisehoana fitiavana amin’izany fomba izany dia hahatonga ny asa fitorian’ireo loholona sy mpikarakara momba ny asa hitondra valisoa avo roa heny. Ary nahoana raha mitondra mpitory vaovao iray any amin’ny fampianarana ny Baiboly any an-tokantrano iray izy ireo? — Romana 15:1, 2.
12. Ahoana no tokony handraisantsika ny hevitry ny 1 Jaona 3:16-18?
12 Ny fitiavana koa dia hahatonga antsika hanampy ireo rahalahintsika izay mety hila fanampiana ara-nofo tokoa. Nanoratra toy izao ny apostoly Jaona: “Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy no nanolotra ny ainy hamonjy antsika; ary isika kosa mba tokony hanolotra ny aintsika hamonjy ny rahalahy. Ary izay rehetra manam-pananana amin’izao fiainana izao, ary mahita ny fahantran’ny rahalahiny ka mihirim-belona aminy, ahoana no itoeran’ny fitiavana an’Andriamanitra ao anatiny? Anaka, aoka tsy ho tia amin’ny teny na amin’ny lela isika, fa amin’ny asa sy amin’ny marina.” (1 Jaona 3:16-18). Mety tsy hisy hangataka antsika hanolotra ny aintsika ho azy ireo, kanefa indraindray isika dia manana fahafahana haneho fitiavana azy ireo amin’ny fomba hafa, tsy amin’ny teny na ny lela ihany fa amin’ny asa koa. Tsy misy maha-ratsy ny hitiavana ny rahalahintsika amin’ny teny, nefa tsy tiantsika ny hametra ny fitiavantsika ho amin’izany ihany rehefa mila fanampiana eo amin’ny lafiny ara-nofo izy ireo. Ny fanambaran’i Jesosy manao hoe “mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray” dia mihatra koa amin’ny fanomezana fanampiana ara-nofo. — Asan’ny apostoly 20:35.
13. a) Inona avy no sasany amin’ireo fahamarinana fototra nianarantsika noho ny fanampian’ny fandaminan’i Jehovah hita maso? b) Fanazavana marina inona no nohantitranterin’i Charles Taze Russell tsara?
13 Manana fahafahana hampiseho fitiavana ireo rahalahintsika miandraikitra ny fitarihana ao anatin’ny kongregasiona na eo anivon’ny fandaminan’i Jehovah hita maso maneran-tany isika. Anisan’izany ny “mpanompo mahatoky sy malina”. (Matio 24:45-47, MN). Aoka isika hanaiky fa, na manao ahoana na manao ahoana famakiana ny Baiboly nataontsika, dia tsy ho nahavita nianatra ny fahamarinana irery na oviana na oviana isika. Tsy ho nahalala ny fahamarinana momba an’i Jehovah, ny fikasany sy ny toetrany isika, momba ny hevitry ny anarany sy ny maha-zava-dehibe azy io, momba ilay Fanjakana, ny avotr’i Jesosy, ny fahasamihafana eo amin’ny fandaminan’Andriamanitra sy ny an’i Satana, na koa hoe nahoana Andriamanitra no namela ny faharatsiana hisy. Izany dia araka ny nosoratan’i Charles Taze Russell, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower voalohany, tamin’ny 1914, nanao hoe: “Moa ve isika tsy vahoaka voatahy sy sambatra? Moa ve tsy mahatoky ilay Andriamanitsika? Raha misy mahalala zavatra tsaratsara kokoa, aoka izy handray izany. Raha misy aminareo mahita zavatra tsaratsara kokoa, dia manantena izahay fa hilaza izany aminay ianareo. Tsy mahafantatra na inona na inona tsaratsara kokoa noho izay hitanay ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, na mahatakatra ny antsasaky ny hatsarany aza, izahay. (...) Tsy misy lela na penina afaka milaza ny fiadanana sy ny fifaliana ary ny fitahiana nentin’ny fahalalana mazava ilay Andriamanitra marina tao am-pontsika sy teo amin’ny fiainantsika. Ny Tantaran’ny Fahendren’Andriamanitra, ny Fanaovany ny Rariny, ny Heriny ary ny Fitiavany dia mahafapo ny fanirian’ny saintsika sy ny an’ny fontsika. Tsy mitady mihoatra noho izany isika. Tsy misy na inona na inona irintsika mihoatra noho ny fahatakarana mazava tsara ao an-tsaintsika io Tantara mahatalanjona io.” (Ny Tilikambo Fiambenana, 15 Desambra 1914, pejy faha-377 sy faha-378, anglisy). Endrey ny fahamarinan’ireo teny voasoratra tsara ireo!
Ny fanampiana ireo any ivelany
14. Tokony hanosika antsika hanana fitondrantena manao ahoana amin’ireo any ivelany ny fisehoan’ny fitiavan’Andriamanitra?
14 Ireo fisehoan’ny fitiavan’Andriamanitra noraisintsika dia tokony hanosika antsika hampiseho fitiava-namana amin’ireo any ivelan’ny kongregasiona. Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika hanao izany? Ny toe-javatra mitranga dia mety hilaza amintsika fa afaka hanampy ara-nofo ireo mpiara-belona amintsika isika. Kanefa, ny zava-dehibe kokoa dia ny fampisehoantsika fitiava-namana amin’ny fitondrana ny vaovao tsaran’ny fanjakan’Andriamanitra any amin’ny hafa sy amin’ny fanampiana ireo tia ny fahamarinana ho tonga mpianatr’i Jesosy Kristy. Mandray anjara tsy tapaka amin’io fanompoana ampahibemaso io ve isika, sa manao tsirambina azy io? Nanjary zavatra mandeha ho azy na fanompoana zara fa atao fotsiny ve izy io? Sa kosa isika voatosiky ny fitiava-namana marina? Moa ve isika maneho fahaiza-mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa? Moa ve isika mampiseho faharetana amin’ny olona ka hiandry azy hamaly? Mampirisika azy hilaza ny heviny ve isika? Eny, toy izay hiteny foana, aoka isika hamela ny fitiava-namana hanosika antsika hihaino ka hanana fifanakalozan-kevitra momba ny Baiboly mitondra valisoa amin’ny olona hitantsika eny amin’ny fitoriana.
15. a) Nahoana ny teny hoe “fanaovana fanambarana tsy ara-potoana” no tsara kokoa noho ny hoe “fanaovana fanambarana tampotampoka”? b) Nahoana isika no tokony hanararaotra ireo fahafahana hanao fanambarana tsy ara-potoana?
15 Moa ve isika mailaka araka izay azontsika atao mba hanararaotana ny fahafahana hanao fanambarana tsy ara-potoana? Tokony homarihina fa tsy fanambarana tampotampoka fotsiny izany, toy ny hoe fanaovan-javatra tsy voaomana na tsy misy vidiny firy. Ny fanaovana fanambarana tsy ara-potoana dia zava-dehibe tokoa, ary ny fitiavana ny mpiara-belona amintsika dia hanery antsika hampitranga mihitsy fahafahana handray anjara amin’izany. Vokatra toy inona moa no entin’ny fanaovana fanambarana toy izany matetika! Ohatra, raha nanatrika fivoriamben’ny distrikan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny faritra avaratr’i Italia ny rahalahy iray dia nankany amin’ny toerana fanamboarana fiarakodia mba hanoloana ny jiron’ny fiarany. Teo am-piandrasana izany izy dia nanao fanambarana tamin’ireo nanodidina azy ary nanome azy ireo taratasy fanasana ho amin’ny lahateny ampahibemaso ara-baiboly ny alahadin’iny. Tany amin’ny fivoriambe niraisam-pirenena iray natao tany Roma herintaona taorian’izay, dia niarahaba azy tamin-kafanam-po ny rahalahy iray tsy fantany akory. Iza izany rahalahy izany? Tsy iza fa ny iray tamin’ireo lehilahy notolorany taratasy fanasana tany amin’ilay fanamboarana fiarakodia herintaona talohan’izay! Nandeha nihaino ilay lahateny ampahibemaso ilay rangahy ary nanome ny anarany mba hahazoana fampianarana ny Baiboly. Izao izy sy ny vadiny dia Vavolombelon’i Jehovah vita fanoloran-tena. Tsy misy iadian-kevitra mihitsy fa mitondra valisoa tokoa ny fanaovana fanambarana tsy ara-potoana!
Aza mitsahatra mamaly ny fitiavan’Andriamanitra
16. Fanontaniana inona avy no tsara apetratsika amin’ny tenantsika?
16 Tena niseho ho nalala-tanana tokoa i Jehovah tamin’ny fanehoana fitiavana tamin’ireo zavaboariny. Araka ny nomarihintsika, ny Soratra masina dia manome antsika ohatra tsara dia tsara ny amin’ireo izay namaly tamin’ny fomba tsy nisy fitiavan-tena ireo fampiharihariana ny fitiavan’Andriamanitra. Tena nety tokoa ny nanambaran’ny mpanao salamo hoe: “Aoka hidera an’i Jehovah ireo noho ny famindrampony [ny hatsaram-pony feno fitiavana, MN] sy ny fahagagana ataony amin’ny zanak’olombelona!” (Salamo 107:8, 15, 21, 31). Ho sahintsika ve ny hanaiky ny hatsaram-pon’Andriamanitra ho an’ny tsy mendrika akory ka handiso ny zava-kendreny? Sanatria izany! (2 Korintiana 6:1, MN). Aoka àry ny tsirairay avy amintsika samy hanontany tena hoe: ‘Moa ve aho tena mankasitraka tokoa ireo fisehoan’ny fitiavan’Andriamanitra izay efa noraisiko ary manantena amim-patokiana fa mbola handray hafa koa amin’ny ho avy? Moa ve izy ireo manosika ahy ho tia an’i Jehovah amin’ny foko, ny fanahiko, ny saiko ary ny heriko manontolo? Moa ve aho mitodika marina any amin’Andriamanitra? Moa ve aho tia ny fahamarinana ary mankahala ny heloka? Moa ve aho mampiseho fitiavana ny rahalahy? Ary moa ve aho miezaka hanaraka akaiky ny dian’i Jesosy raha ny amin’ny fanompoako?’
17. Inona no ho vokatry ny famaliantsika amin’ny fomba tsy misy fitiavan-tena ireo fampiharihariana ny fitiavan’Andriamanitra?
17 Marina mihitsy àry fa misy fomba maro hahafahantsika mampiseho ny fankasitrahantsika amim-pahatsorana ireo fampiharihariana ny fitiavan’Andriamanitra rehetra teo amin’ny fiainantsika. Raha manararaotra amin’ny fomba feno ny fahafahana haneho izany fankasitrahana izany isika dia hampifaly ny fon’ilay Raintsika any an-danitra, ho fitahiana ho an’ny hafa ary handray fifaliana sy fiadanana ary fahafahampo ho an’ny tenantsika manokana. Enga anie àry isika hanohy hamaly amin’ny fomba tsy misy fitiavan-tena ireo fampiharihariana ny fitiavan’Andriamanitra.
Ahoana no havalinao?
◻ Inona no takina mba hahafahana mamaly amin’ny fomba tsy misy fitiavan-tena ny fitiavan’Andriamanitra?
◻ Ahoana no ahafahantsika hitandrin-tena tsy ho voan’ny fakam-panahy?
◻ Inona avy no fomba sasany hampisehoana fitiavana ny rahalahy?
◻ Tokony hanosika antsika hanana fitondrantena manao ahoana amin’ireo mpiara-belona amintsika ny fampihari-hariana ny fitiavan’Andriamanitra?
[Sary, pejy 17]
Tsy maintsy miady mafy amin’ny fironana hanota isika mba tsy hiharan’ny loza
[Sary, pejy 18]
Mampiseho fitiavana ny rahalahy ny loholona amin’ny fiarahana amin’ny hafa eo amin’ny fitoriana ilay Fanjakana
[Sary, pejy 19]
I Charles Taze Russell, ny prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower voalohany, dia nanintona ny saina ho amin’ny fiadanana sy ny fifaliana ary ny fitahiana izay Andriamanitra irery ihany no afaka manome azy