Fiainana “Isan-andro” Mifanaraka Amin’ny Fanoloran-tenantsika
“Raha misy ta-hanaraka Ahy, aoka izy handa ny tenany, dia hitondra ny hazofijaliany isan-andro ka hanaraka Ahy.” — LIOKA 9:23.
1. Inona no fomba iray azo andrefesana ny fahombiazantsika amin’ny maha-Kristiana?
“TENA lehilahy nanolo-tena marina ve isika?” Araka an’i John F. Kennedy, Prezidàn’i Etazonia faha-35, ny valin’io fanontaniana io dia anton-javatra iray ahafahana mandrefy ny fahombiazan’ireo manana andraikitra ara-panjakana. Azo ampiasaina amin’ny heviny lalina kokoa ilay fanontaniana mba hitsapana ny fahombiazantsika amin’ny maha-minisitra kristiana antsika.
2. Ahoana no amaritan’ny rakibolana iray ny teny hoe “fanoloran-tena”?
2 Inona anefa no atao hoe fanoloran-tena? Izy io dia faritan’ny rakibolana iray ho “asa na fombafomba iray anoloran-tena ho an’ny fisiana iray araka an’Andriamanitra, na mba hampiasaina amin-javatra masina”, “fanokanana na fametrahana mitokana ho amin’ny zava-kendrena manokana iray”, “fifikirana feno fahafoizan-tena”. I John F. Kennedy dia toa nampiasa ilay teny mba hilazana “fifikirana feno fahafoizan-tena”. Ho an’ny Kristiana, ny fanoloran-tena dia midika ho zavatra betsaka lavitra noho izany.
3. Inona no atao hoe fanoloran-tena kristiana?
3 Nilaza tamin’ny mpianany toy izao i Jesosy Kristy: “Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy.” (Matio 16:24). Ny hoe voatokana mba hampiasain’Andriamanitra akory tsy mahatafiditra fotsiny fanolorana fanompoam-pivavahana ny alahady, na rehefa mitsidika toerana iray fanaovana fanompoam-pivavahana. Izy io dia mahatafiditra ny fomba fiainan’ny tena manontolo. Ny hoe Kristiana dia midika ho fandavana ny tena raha eo am-panompoana an’i Jehovah, ilay Andriamanitra notompoin’i Jesosy Kristy. Ho fanampin’izany, dia mitondra ny “hazofijaliany” ny Kristiana amin’ny fisikinana herim-po ao anatin’ny fahoriana na inona na inona mety hozakaina noho ny maha-mpanara-dia an’i Kristy.
Ilay ohatra lavorary
4. Ho mariky ny inona ny batisan’i Jesosy?
4 Fony izy teto an-tany, dia nasehon’i Jesosy izay tafiditra amin’ny hoe manolo-tena ho an’i Jehovah. Toy izao ny fihetseham-pony: “Ny fanatitra alatsa-dra sy ny fanatitra hohanina tsy mba nilainao, fa tena no namboarinao ho Ahy”. Avy eo izy dia nanampy teny hoe: “Inty Aho tonga — ao amin’ny horonam-boky no nanoratana Ahy — hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô.” (Hebreo 10:5-7). Tamin’ny naha-anisan’ny firenena iray nanolo-tena azy, dia efa vita fanoloran-tena ho an’i Jehovah hatramin’ny nahaterahany izy. Na dia izany aza, teo am-piandohan’ny fanompoany teto an-tany, dia nanolotra ny tenany hatao batisa izy ho mariky ny fisehoany mba hanao ny sitrapon’i Jehovah. Ho an’ny tenany, izany sitrapon’i Jehovah izany dia hahatafiditra ny fanolorany ny ainy ho sorom-panavotana. Araka izany, dia namela ohatra izy ho an’ireo Kristiana mba hanao izay rehetra andidian’i Jehovah.
5. Ahoana no nanehoan’i Jesosy fomba fijery fakan-tahaka ny amin’ny zavatra ara-nofo?
5 Taorian’ny batisany, i Jesosy dia nanana fiainana izay nitarika ho amin’ny fahafatesana ho sorona tamin’ny farany. Tsy nahaliana azy ny fahazoana vola be, na ny fananana fomba fiaina nampiadana. Ny fiainany kosa dia nihodinkodina teo amin’ny fanompoany. Nananatra ny mpianany izy mba ‘hikatsahan’izy ireo ilay fanjakana sy ny fahamarinany aloha’, ary ny tenany mihitsy dia niaina nifanaraka tamin’ireo teny ireo. (Matio 6:33). Niteny toy izao mihitsy aza izy indray mandeha: “Ny amboahaolo manan-davaka; ary ny voro-manidina manana fialofana; fa ny Zanak’olona tsy mba manana izay hipetrahan’ny lohany.” (Matio 8:20). Azony natao ny nanamboamboatra ny fampianarany mba hakana vola tamin’ireo mpanara-dia azy. Tamin’ny naha-mpandrafitra azy, dia ho azony natao ny naka fotoana avy tamin’ny fanompoany mba hanamboarana fanaka kanto iray hamidy mba hananany vola ambony ampanga vitsivitsy. Kanefa dia tsy nampiasa ny fahaizany mba hitadiavana fanambinana ara-nofo izy. Amin’ny maha-mpanompon’Andriamanitra nanolo-tena antsika, moa ve isika manahaka an’i Jesosy amin’ny fananana fomba fijery mety ny amin’ireo zavatra ara-nofo? — Matio 6:24-34.
6. Ahoana no ahafahantsika manahaka an’i Jesosy amin’ny fahatongavana ho mpanompon’Andriamanitra nanolo-tena be fahafoizan-tena?
6 Tamin’ny fametrahana ny fanompoany an’Andriamanitra teo amin’ny toerana voalohany, dia tsy nitady ny tombontsoan’ny tenany manokana i Jesosy. Feno fahafoizan-tena ny fiainany nandritra ireo telo taona sy tapany nanaovany fanompoana ampahibemaso. Indray mandeha, taorian’ny andro iray be zavatra natao, dia tsy naka fotoana isakafoana akory i Jesosy fa vonona ny hampianatra ny olona izay ‘nampahantraina sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry’. (Matio 9:36; Marka 6:31-34). Na dia ‘sasatra tamin’ny nalehany’ aza izy, dia nanombo-dresaka tamin’ny vehivavy samaritana iray tonga teo amin’ny fantsakan’i Jakoba tao Sykara. (Jaona 4:6, 7, 13-15). Nihevitra mandrakariva izay hahasoa ny hafa talohan’ny azy manokana izy. (Jaona 11:5-15). Afaka manahaka an’i Jesosy isika amin’ny fanaovana sorona amim-pahalalahan-tanana ny tombontsoantsika manokana mba hanompoana an’Andriamanitra sy ny hafa. (Jaona 6:38). Amin’ny fieritreretana ny amin’ny fomba ahafahantsika mampifaly marina tokoa an’Andriamanitra fa tsy hanao izay kely indrindra takina fotsiny, dia hiaina mifanaraka amin’ny fanoloran-tenantsika isika.
7. Ahoana no ahafahantsika manahaka an’i Jesosy amin’ny fanomezam-boninahitra an’i Jehovah mandrakariva?
7 Tsy nanandrana velively hanintona ny saina ho amin’ny tenany i Jesosy tamin’ny fanampiana olona. Nanolo-tena ho an’Andriamanitra mba hanao ny sitrapony i Jesosy. Koa nataony mandrakariva izay hahazoana antoka fa i Jehovah Rainy no nahazo ny voninahitra rehetra tamin’izay notanterahina na inona na inona. Rehefa nisy mpanapaka iray niantso azy hoe “Mpampianatra tsara”, tamin’ny fampiasana ilay teny hoe “tsara” ho toy ny anaram-boninahitra iray, dia nanitsy azy i Jesosy tamin’ny filazana hoe: “Tsy misy tsara afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra.” (Lioka 18:18, 19; Jaona 5:19, 30). Sahala amin’i Jesosy ve isika, mailaka ny hanilika ny voninahitra hiala amintsika hankany amin’i Jehovah?
8. a) Tamin’ny naha-lehilahy nanolo-tena an’i Jesosy, ahoana no nanokanany ny tenany ho tafasaraka tamin’izao tontolo izao? b) Ahoana no tokony hanahafantsika azy?
8 Nandritra ny fiainany teto an-tany voatolotra ho an’Andriamanitra, dia nasehon’i Jesosy fa nanokana ny tenany ho amin’ny fanompoana araka an’Andriamanitra izy. Nitoetra ho nadio izy mba hahafahany hanolotra ny tenany toy ny “zanak’ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina” ho sorom-panavotana. (1 Petera 1:19; Hebreo 7:26). Nanaraka ireo fitsipika rehetra tao amin’ny Lalàn’i Mosesy izy, ka nanatanteraka tamin’izany io Lalàna io. (Matio 5:17; 2 Korintiana 1:20). Niaina nifanaraka tamin’ny fampianarana nataony momba ny fomba fitondran-tena izy. (Matio 5:27, 28). Tsy nisy afaka niampanga azy ara-drariny ho nanana antony nanosika ratsy. ‘Nankahala ny tsy fankatoavan-dalàna’ tokoa izy. (Hebreo 1:9, NW ). Amin’ny maha-mpanompon’Andriamanitra antsika, dia aoka isika hanahaka an’i Jesosy amin’ny fitanana ho madio eo imason’i Jehovah ny fiainantsika sy ny antony manosika antsika mihitsy aza.
Ohatra ho fampitandremana
9. Ohatra ho fampitandremana inona no nasian’i Paoly fitenenana, ary nahoana isika no tokony handinika io ohatra io?
9 Mifanohitra amin’ny ohatr’i Jesosy, dia manana ny ohatr’ireo Isiraelita ho fampitandremana isika. Na dia taorian’ny nanambaran’izy ireo fa hanao izay rehetra nasain’i Jehovah hataony aza izy ireo, dia tsy nanao ny sitrapony. (Daniela 9:11). Nampirisika ny Kristiana hianatra avy amin’izay nanjo an’ireo Isiraelita ny apostoly Paoly. Aoka isika handinika fisehoan-javatra sasany izay nasian’i Paoly fitenenana ao amin’ny taratasiny voalohany ho an’ny Korintiana ary hahita ireo fandrika ilaina hohalavirin’ireo mpanompon’Andriamanitra nanolo-tena amin’izao androntsika izao. — 1 Korintiana 10:1-6, 11.
10. a) Tamin’ny ahoana ireo Isiraelita no ‘nila zava-dratsy’? b) Nahoana ireo Isiraelita no tompon’andraikitra kokoa tamin’izay nataony tamin’ilay nimonomononany fanindroany momba ny sakafo, ary inona no azontsika ianarana avy amin’io ohatra ho fampitandremana io?
10 Voalohany, i Paoly dia nampitandrina antsika mba tsy ho “mpila zava-dratsy”. (1 Korintiana 10:6). Izany dia mety hampahatsiaro antsika ny amin’ilay fotoana nitarainan’ireo Isiraelita momba ny tsy fananana afa-tsy mana hohanina. Nandefa papelika ho azy ireo i Jehovah. Efa nisy zavatra nitovy tamin’izany nitranga sahabo ho herintaona talohan’izay, tao amin’ny efitra Sina, taloha kelin’ny nanambaran’ireo Isiraelita ny fanoloran-tenany tamin’i Jehovah. (Eksodosy 16:1-3, 12, 13). Tsy tena nitovy anefa ny tarehin-javatra. Fony i Jehovah nanome papelika tamin’ilay voalohany, dia tsy nitana an’ireo Isiraelita ho tompon’andraikitra noho ny fimonomononany izy. Tamin’itỳ indray mitoraka itỳ anefa, dia hafa ny tarehin-javatra. “Raha mbola teo am-bavany ny hena ka tsy mbola lany, dia nirehitra tamin’ny olona ny fahatezeran’i Jehovah, ary namely ny olona tamin’ny kapoka mafy indrindra Izy.” (Nomery 11:4-6, 31-34). Inona no niova? Tamin’ny naha-firenena nanolo-tena azy, dia notanana ho tompon’andraikitra tamin’izay nataony izy ireo izao. Ny tsy fanehoan’izy ireo fankasitrahana an’ireo fandaharana nataon’i Jehovah dia nitarika azy ireo hitaraina ny amin’i Jehovah, na dia teo aza ilay fampanantenany hanao izay rehetra nolazain’i Jehovah! Mitovy amin’izany ny fitarainana ny amin’ny latabatr’i Jehovah amin’izao andro izao. Tsy mankasitraka ny fandaharana ara-panahy ataon’i Jehovah amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy malina” ny sasany. (Matio 24:45-47, NW ). Tadidio anefa fa ny fanoloran-tenantsika dia mitaky ny hitadidiantsika amim-pankasitrahana izay nataon’i Jehovah ho antsika sy ny hanekentsika ny sakafo ara-panahy izay omeny.
11. a) Ahoana no nandotoan’ireo Isiraelita ny fanompoam-pivavahany tamin’i Jehovah tamin’ny fanompoan-tsampy? b) Ahoana no mety hahavoa antsika amina karazana fanompoan-tsampy?
11 Nampitandrina toy izao i Paoly nanaraka izany: “Aoka tsy ho mpanompo sampy hianareo tahaka ny sasany tamin’ireny”. (1 Korintiana 10:7). Eto ilay apostoly dia miharihary fa nanisy fitenenana ny amin’ilay fanompoam-pivavahana tamin’ny ombilahikely izay niseho avy hatrany taorian’ny nifanaovan’ireo Isiraelita fanekena tamin’i Jehovah teo amin’ny Tendrombohitra Sinay. Mety hilaza ianao hoe: ‘Amin’ny maha-mpanompon’i Jehovah nanolo-tena ahy, dia tsy ho tafiditra ao amin’ny fanompoan-tsampy mihitsy aho.’ Mariho anefa fa, araka ny fomba fijerin’ireo Isiraelita, dia tsy nitsahatra nanolotra fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah izy ireo; na dia izany aza, dia nampiditra fanao tamin’ny fanompoam-pivavahana tamin’ny ombilahikely izy ireo — dia zavatra izay naharikoriko an’Andriamanitra. Inona no tafiditra tamin’io endri-panompoam-pivavahana io? Nanao sorona teo anoloan’ilay ombilahikely ny olona, ary avy eo izy ireo dia ‘nipetraka hihinana sy hisotro, dia nitsangana hilalao’. (Eksodosy 32:4-6). Amin’izao andro izao, dia mety hihambo ho manolotra fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah ny olona sasany. Ny fiainan’izy ireo anefa dia mety hifantoka, tsy amin’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah, fa amin’ny fankafizana ireo zavatra eto amin’itỳ tontolo itỳ, ka andramany asisika manodidina an’izany ny fanompoany an’i Jehovah. Marina fa izany akory tsy fanaovan-javatra tafahoatra toy ny fiankohofana eo anoloan’ny ombilahikely volamena iray, kanefa dia tsy mifankaiza loatra izany raha eo amin’ny fotopoto-pitsipika. Tsy fiainana mifanaraka amin’ny fanoloran-tena natao ho an’i Jehovah velively ny fanaovana ho andriamanitra ny fanirian’ny tena manokana. — Filipiana 3:19.
12. Avy amin’ny fanandraman-javatra hitan’ireo Isiraelita tamin’i Bala-peora, inona no ianarantsika momba ny fandavana ny tenantsika?
12 Nisy karazam-pialam-boly koa tafiditra tao amin’ilay ohatra ho fampitandremana nanaraka nasian’i Paoly fitenenana. “Aoka tsy hijangajanga isika tahaka ny sasany tamin’ireny, ka telo arivo amby roa alina no ringana indray andro.” (1 Korintiana 10:8). Ireo Isiraelita izay voataonan’ny fahafinaretana naloto ara-pitondran-tena natolotr’ireo zanakavavin’i Moaba, dia voatarika hanolotra fanompoam-pivavahana tamin’i Bala-peora tao Sitima. (Nomery 25:1-3, 9). Ny fandavana ny tenantsika mba hanaovana ny sitrapon’i Jehovah dia mahatafiditra ny fanekena ireo fari-pitsipiny ny amin’izay madio ara-pitondran-tena. (Matio 5:27-30). Amin’izao andron’ny fari-pitsipika mihasimba izao, dia ampahatsiahivina isika ny amin’ny ilana hitanana ny tenantsika ho madio, afaka amin’ny karazana fitondran-tena maloto rehetra, ka hanaiky ny fahefan’i Jehovah hanapaka ny amin’izay tsara sy izay ratsy. — 1 Korintiana 6:9-11.
13. Amin’ny ahoana ny ohatr’i Finehasa no manampy antsika hahatakatra izay tafiditra amin’ny fanoloran-tena ho an’i Jehovah?
13 Raha maro ireo latsaka tao anatin’ny fandriky ny fijangajangana tao Sitima, dia nisy sasany niaina nifanaraka tamin’ilay fanoloran-tena ho an’i Jehovah nataon’ilay firenena. Tamin’izy ireny, dia niavaka teo amin’ny zotom-po i Finehasa. Rehefa nahita filoha isiraelita iray nitondra vehivavy midianita nankao an-dainy i Finehasa, dia naka lefona teny an-tanany avy hatrany, ka nataony indray nandefona izy ireo. Hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Finehasa (...) nampiala ny fahatezerako tamin’ny Zanak’Isiraely, [noho ny tsy nileferany mihitsy tamin’ny fandrafiana ahy, NW ]; ka dia tsy nataoko lany ringana ny Zanak’Isiraely tamin’ny [fitakiako fifikirana tsy mizarazara, NW ].” (Nomery 25:11). Tsy fileferana mihitsy amin’ny fandrafiana an’i Jehovah — izany no atao hoe fanoloran-tena. Tsy azontsika atao ny mamela na inona na inona haka ilay toerana tokony hotanan’io fanoloran-tena ho an’i Jehovah io ao am-pontsika. Ny zotom-pontsika ho an’i Jehovah koa dia manosika antsika hitana ny kongregasiona ho madio, amin’ny filazana any amin’ireo loholona ny fahalotoam-pitondran-tena lehibe, fa tsy amin’ny fileferana amin’izany.
14. a) Ahoana no nakan’ny Isiraelita fanahy an’i Jehovah? b) Amin’ny ahoana ny fanoloran-tena tanteraka ho an’i Jehovah no manampy antsika mba tsy ho “reraka”?
14 Nanisy fitenenana ny amin’ny ohatra ho fampitandremana hafa iray i Paoly nanao hoe: “Aoka tsy haka fanahy ny Tompo isika, tahaka ny nakan’ny sasany tamin’ireny fanahy Azy, ka matin’ny menarana ireny.” (1 Korintiana 10:9). Eto i Paoly dia niresaka ny amin’ilay fotoana nitarainan’ireo Isiraelita ny amin’Andriamanitra tamin’i Mosesy, rehefa nanomboka ho ‘kivy noho ny lalana’ izy ireo. (Nomery 21:4). Mba efa nanao izany fahadisoana izany ve ianao? Fony ianao nanolo-tena ho an’i Jehovah, moa ve ianao nieritreritra fa Haramagedona dia atsy ambadika kely atsy fotsiny? Moa ve ny faharetan’i Jehovah lava kokoa tsy araka izay nampoizinao? Tadidio fa isika dia tsy nanolo-tena ho an’i Jehovah mandritra ny fe-potoana sasany fotsiny, hatramin’ny Haramagedona fotsiny. Mitohy mandrakizay ny fanoloran-tenantsika. Koa, noho izany àry, dia “aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika; fa amin’ny fotoan’andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika”. — Galatiana 6:9.
15. a) Tamin’iza no nimonomononan’ireo Isiraelita? b) Amin’ny ahoana ny fanoloran-tenantsika ho an’i Jehovah no manosika antsika hanaja ny fahefana teokratika?
15 Farany i Paoly dia nampitandrina ny amin’ny fahatongavana ho ‘mpimonomonona’ amin’ireo mpanompo voatendrin’i Jehovah. (1 Korintiana 10:10). Nimonomonona mafy tamin’i Mosesy sy i Arona ireo Isiraelita rehefa niverina nitondra tatitra ratsy ny 10 tamin’ireo mpisafo tany 12 nirahina hizaha ny tany Kanana. Niresaka mihitsy ny hanoloana an’i Mosesy tsy ho mpitarika azy aza izy ireo ka hiverina any Egypta. (Nomery 14:1-4). Amin’izao andro izao, moa ve isika manaiky ilay fitarihana omena antsika amin’ny alalan’ny fiasan’ny fanahy masin’i Jehovah? Amin’ny fahitana ilay latabatra ara-panahy feno sakafo izay omen’ny kilasin’ny mpanompo mahatoky sy malina, dia mazava ny hoe iza no ampiasain’i Jesosy mba hanome “hanina amin’ny fotoana mety”. (Matio 24:45, NW ). Ny fanoloran-tena amin’ny fanahy rehetra ho an’i Jehovah dia mitaky ny hanehoantsika fanajana an’ireo mpanompony voatendriny. Enga anie isika tsy ho tonga mihitsy sahala amin’ireo mpimonomonona maoderina izay nitodika tany amin’ny mpitarika vaovao iray, raha azo atao ny milaza izany, mba hitarika azy ireo hiverina any amin’izao tontolo izao.
Io ve no farany azoko atao?
16. Mety haniry hanontany tena hoe ahoana avy ireo mpanompon’Andriamanitra nanolo-tena?
16 Tsy ho latsaka tao anatin’ny fahadisoana lehibe toy izany ireo Isiraelita raha nitadidy fa ny fanoloran-tenany ho an’i Jehovah dia tsy nisy fepetra. Tsy sahala amin’ireo Isiraelita tsy nanam-pinoana ireo i Jesosy Kristy fa niaina nifanaraka tamin’ny fanoloran-tenany hatramin’ny farany. Amin’ny maha-mpanara-dia an’i Kristy antsika, dia manaraka ny oha-pifikirana tamin’ny fanahy manontolo navelany isika, ka mitondra ny fiainantsika “tsy araka ny filan’olona intsony, fa araka ny sitrapon’Andriamanitra”. (1 Petera 4:2; ampitahao amin’ny 2 Korintiana 5:15.) Ny sitrapon’Andriamanitra amin’izao andro izao dia ny hahatonga “ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina”. (1 Timoty 2:4). Amin’ny fananana io zava-kendrena io, dia tokony hitory “itỳ vaovao tsaran’ny fanjakana itỳ” isika alohan’ny hahatongavan’ny farany. (Matio 24:14, NW ). Toy inona no ezaka ataontsika ao amin’io fanompoana io? Mety haniry hanontany tena isika hoe: ‘Io ve no farany azoko atao?’ (2 Timoty 2:15). Tsy mitovy ny toe-javatra misy. Mahafaly an’i Jehovah ny tompoina ‘araka izay ananan’ny olona iray, fa tsy araka izay tsy ananany’. (2 Korintiana 8:12; Lioka 21:1-4). Tsy misy olona tokony hitsara ny halalina sy ny fahatsoran’ny fanoloran-tenan’ny hafa. Ny tsirairay dia tokony hanombana manokana ny halehiben’ny fifikiran’ny tenany amin’i Jehovah. (Galatiana 6:4). Ny fitiavantsika an’i Jehovah dia tokony hanosika antsika hanontany tena hoe: ‘Ahoana no ahafahako mampifaly an’i Jehovah?’
17. Inona no ifandraisan’ny fifikirana amin’ny fankasitrahana? Hazavao amin’ny ohatra.
17 Ny fifikirantsika amin’i Jehovah dia mihalalina kokoa arakaraka ny itomboantsika eo amin’ny fankasitrahantsika azy. Tany Japon, ny zazalahy iray 14 taona dia nanolo-tena ho an’i Jehovah ary nanamarika io fanoloran-tena io tamin’ny batisa anaty rano. Tatỳ aoriana, dia naniry ny hanohy fianarana ambony izy ka ho tonga mpahay siansa. Tsy nihevitra mihitsy ny amin’ny fanompoana manontolo andro izy, kanefa tamin’ny naha-mpanompo nanolo-tena azy, dia tsy naniry ny handao an’i Jehovah sy ny fandaminany hita maso izy. Mba hanatanterahana ilay tanjony momba ny asa nofidiny hatao teo amin’ny fiainany, dia nianatra tany amin’ny oniversite iray izy. Tany izy dia nahita ireo nahazo diplaoman’ny oniversite voatery nanolotra ny fiainany manontolo ho an’ireo orinasa nisy azy na ho an’ireo fianarana nataony. Nanontany tena toy izao izy: ‘Fa inona àry itỳ nataoko? Tena afaka manaraka ny fomba fiainan’izy ireo tokoa ve aho ka hanolotra ny tenako ho an’ny asa fivelomana? Tsy efa nanolo-tena ho an’i Jehovah moa aho?’ Tamin’ny fananana fankasitrahana nohavaozina indray dia tonga mpisava lalana maharitra izy. Nihalalina ny fahatakarany ny fanoloran-tenany ka nanosika azy ho tapa-kevitra tao am-pony ny handeha tany amin’izay nilana azy. Nanatrika ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana izy ary nahazo fanendrena mba hanompo tany an-tany hafa.
18. a) Inona avy no tafiditra amin’ny fanoloran-tenantsika ho an’i Jehovah? b) Valisoa inona no azontsika jinjaina avy amin’ny fanoloran-tenantsika ho an’i Jehovah?
18 Mahatafiditra ny fiainantsika manontolo ny fanoloran-tena. Tsy maintsy mandà ny tenantsika isika ary manaraka “isan-andro” ny ohatra tsara dia tsara nomen’i Jesosy. (Lioka 9:23). Noho isika nanda ny tenantsika, dia tsy mangataka amin’i Jehovah permission, fahazoan-dalana hivoaka vetivety, isika. Ny fiainantsika dia mifanaraka amin’ireo fotopoto-pitsipika naorin’i Jehovah ho an’ny mpanompony. Na dia amin’ny faritra izay azontsika anaovana safidy manokana aza, dia mahasoa antsika ny mijery raha manao izay azontsika atao isika mba hananana fiainana voatolotra ho an’i Jehovah. Raha eo am-panompoantsika azy isan’andro isika, amin’ny fanaovana izay farany azontsika atao mba hampifaliana azy, dia hahomby isika amin’ny maha-Kristiana ary hahazo tsikim-pankasitrahana avy amin’i Jehovah, Ilay mendrika ny fifikirantsika amin’ny fanahintsika rehetra.
Azonao Hazavaina Ve?
◻ Ho an’i Jesosy Kristy, nahatafiditra inona ny fanoloran-tena?
◻ Nahoana isika no tokony hanalavitra ny fimonomononana amin’i Jehovah?
◻ Amin’ny fomba ahoana no ahazoantsika misoroka ny famelana ny fanompoan-tsampy hitsofoka an-tsokosoko ao amin’ny fiainantsika?
◻ Ny fitadidiana inona no hanampy antsika tsy ho “reraka” amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra?
[Sary, pejy 17]
Ireo Kristiana nanolo-tena dia tsy “mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa”