-
‘Hatsangana ny Maty’Ny Tilikambo Fiambenana—1998 | 1 Jolay
-
-
Maro ireo vavolombelona nanatri-maso mba hanamarina fa “Kristy maty noho ny fahotantsika” ary efa natsangana. Iray tamin’izany i Kefasy, na Petera no ahafantarana azy tsara kokoa. Tsy maintsy nahazo fankaherezana lehibe i Petera tamin’ny nisehoan’i Jesosy taminy taorian’ny nandavany azy tamin’ilay alina namadihana sy nisamborana an’i Jesosy iny. Notsidihin’i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty koa “ny roa ambin’ny folo lahy”, dia ireo apostoly tamin’ny fitambarany. Tsy isalasalana fa nanampy azy ireo handresy ny tahotra sy ho sahy hijoro ho vavolombelon’ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty, izany. — Jaona 20:19-23; Asan’ny Apostoly 2:32.
-
-
‘Hatsangana ny Maty’Ny Tilikambo Fiambenana—1998 | 1 Jolay
-
-
ary niseho tamin’i Kefasy Izy, dia vao tamin’ny roa ambin’ny folo lahy koa.
-