Fotoan-dehibe Niravoravoana teo Amin’ny Tantaran’ny Isiraely
“Intelo isan-kerintaona ny lehilahy rehetra aminao no hiseho eo anatrehan’i Jehovah, Andriamanitrao, eo amin’ny tany izay hofidiny (...). Ary aoka tsy hisy hiseho foana tsy mitondra fanatitra eo anatrehan’i Jehovah”. — DEOTERONOMIA 16:16.
1. Inona no azo lazaina ny amin’ireo andro firavoravoana tamin’ny andron’ny Baiboly?
INONA no tonga ao an-tsaina rehefa mieritreritra ny amin’ny andro firavoravoana iray ianao? Nampiavaka ny andro firavoravoana sasany tamin’ny andro fahiny, ny fanaranam-po sy ny fahalotoam-pitondran-tena. Marina koa izany raha ny amin’ny andro firavoravoana sasany ankehitriny. Tsy nitovy tamin’izany anefa ireo andro firavoravoana soritan’ny Lalàn’Andriamanitra nomena ny Isiraely. Na dia fankalazana nahafaly aza izy ireny, dia azo nolazalazaina koa hoe “fivoriana masina”. — Levitikosy 23:2.
2. a) Inona no notakina hataon’ireo lehilahy isiraelita, intelo isan-taona? b) Inona no atao hoe “andro firavoravoana”, araka ny ampiasana ilay teny ao amin’ny Deoteronomia 16:16?
2 Nahita fahafinaretana namelombelona tamin’ny fandehanana tany Jerosalema — ilay ‘tany izay nofidin’i Jehovah’ — ireo lehilahy isiraelita nahatoky izay matetika niaraka tamin’ny fianakaviany. Nanao fanomezana tamim-pahalalahan-tanana izy ireo tamin’ireo andro firavoravoana lehibe telo. (Deoteronomia 16:16). Ao amin’ilay boky hoe Old Testament Word Studies, ny teny hebreo nadika hoe “andro firavoravoana” ao amin’ny Deoteronomia 16:16, dia faritana ho “fotoam-pifaliana lehibe (...) izay nanaovana sorona sy hanim-pito loha mba hankalazana ireo zava-nitranga niavaka sasany nisehoan’ny hatsaram-panahin’Andriamanitra”.a
Ny hasarobidin’ireo andro firavoravoana lehibe
3. Nampahatsiahy fitahiana inona avy ireo andro firavoravoana telo fanao isan-taona?
3 Koa satria mpamboly sy mpiompy ny fiaraha-monina nisy ireo Isiraelita, dia niankina tamin’ny fitahian’Andriamanitra izy ireo, izany hoe, tamin’ny orana. Ireo andro firavoravoana lehibe telo tao amin’ny Lalàn’i Mosesy dia nifanindry tamin’ny fijinjana ny ôrza (karazana varimbazaha) teo am-piandohan’ny lohataona, sy ny fijinjana ny varimbazaha teo amin’ny faramparan’ny lohataona, ary ny famoriana ny vokatra sisa tamin’ny faramparan’ny fahavaratra. Izy ireny dia fotoam-pifaliana lehibe sy fotoana nisaorana an’ilay Mampaharitra ny tsingerin’ny ranonorana sy ilay Mpanao ny tany mahavokatra. Bebe kokoa noho izany anefa no tafiditra tamin’ireo andro firavoravoana. — Deoteronomia 11:11-14.
4. Zava-nitranga ara-tantara inona no nankalazaina tamin’ilay andro firavoravoana voalohany?
4 Natao tamin’ny volana voalohany amin’ny kalandrien’ny Baiboly fahiny, ilay andro firavoravoana voalohany, nanomboka tamin’ny 15 ka hatramin’ny 21 Nisana izay mifanandrify amin’ny faramparan’ny Martsa, na voalohandohan’ny Aprily. Nantsoina hoe Andro Firavoravoana Fihinanana ny Mofo Tsy Misy Masirasira izy io, ary noho izy nanaraka avy hatrany ny Paska tamin’ny 14 Nisana, dia nantsoina koa hoe “andro firavoravoana amin’ny Paska”. (Lioka 2:41; Levitikosy 23:5, 6). Nampahatsiahy ny Isiraely ny amin’ilay nanafahana azy ireo tamin’ny fahoriana tany Egypta io andro firavoravoana io, ka nantsoina hoe “mofom-pahoriana” ireo mofo tsy nisy masirasira. (Deoteronomia 16:3). Izany dia nampahatsiahy azy ireo fa natao tamim-pikoropahana ny fandosiran’izy ireo an’i Egypta, ka tsy nisy fotoana hanisiana lalivay, na masirasira, ny koba sy hiandrasana ny hitomboany. (Eksodosy 12:34). Tsy tokony hahitana mofo nisy masirasira tao an-tranon’ny Isiraelita, nandritra io andro firavoravoana io. Rehefa mety ho mpankalaza an’ilay fety — anisan’izany ny vahiny — dia nosazina ho faty raha nihinana mofo nisy masirasira. — Eksodosy 12:19.
5. Tombontsoa inona no nety ho nitamberina tao an-tsaina noho ilay andro firavoravoana faharoa, ary iza no tokony hampidirina tao amin’ilay firavoravoana?
5 Ilay andro firavoravoana faharoa dia natao fito herinandro (49 andro) taorian’ny 16 Nisana, tamin’ny andro faha-6 amin’ny volana fahatelo, dia ny volana Sivana, izay mifanitsy amin’ny faramparan’ny volana May. (Levitikosy 23:15, 16). Izy io dia nantsoina hoe Andro Firavoravoana Manarakaraka Ireo Herinandro (tamin’ny andron’i Jesosy dia nantsoina koa hoe Pentekosta, izay midika hoe “Fahadimampolo” amin’ny fiteny grika). Tsy lavitra an’ilay fotoana nitsingerenan’ny nidiran’ny Isiraely tao amin’ny faneken’ny Lalàna teo amin’ny Tendrombohitra Sinay, ny fotoana nankalazana azy io. (Eksodosy 19:1, 2). Nandritra io andro firavoravoana io dia nety ho nitamberina tao an-tsain’ireo Isiraelita nahatoky ilay tombontsoa nananany, dia ny hoe voatokana ho firenena masin’Andriamanitra. Ny naha-vahoaka manokan’Andriamanitra azy ireo dia nitaky fankatoavana ny Lalàn’Andriamanitra, toy ilay didy hiahy amim-pitiavana an’ireo tsy nambinina mba hahafahan’izy ireny koa hankafy ilay andro firavoravoana. — Levitikosy 23:22; Deoteronomia 16:10-12.
6. Nampahatsiahy inona tamin’ny vahoakan’Andriamanitra ilay andro firavoravoana fahatelo?
6 Nantsoina hoe Andro Firavoravoana Amin’ny Fanangonana, na Andro Firavoravoana Fitoerana Amin’ny Trano Rantsankazo, ilay farany amin’ireo andro firavoravoana lehibe telo, fanao isan-taona. Natao tamin’ny volana fahafito, dia ny volana Tisry na Etanima, izy io, nanomboka tamin’ny andro faha-15 ka hatramin’ny faha-21, izay mifanitsy amin’ny voalohandohan’ny Oktobra. (Levitikosy 23:34, NW ). Nandritra io fotoana io, ny vahoakan’Andriamanitra dia nitoetra tany ivelan’ny tranony na tany an-tampon-tranony, tao anatin’ny fialofana (trano heva) vonjy maika, vita tamin’ny rantsankazo sy ravinkazo. Izany dia nampahatsiahy azy ireo ny amin’ilay dia lavitra naharitra 40 taona nataon’izy ireo avy tany Egypta nankany amin’ny Tany Nampanantenaina, fony ilay firenena tsy maintsy nianatra niantehitra tamin’Andriamanitra mba hahazoany izay nilainy isan’andro. — Levitikosy 23:42, 43; Deoteronomia 8:15, 16.
7. Ahoana no andraisantsika soa avy amin’ny fijerena indray ireo fankalazana andro firavoravoana teo amin’ny Isiraely fahiny?
7 Andeha hojerentsika indray ny andro firavoravoana sasany izay hita fa fotoan-dehibe teo amin’ny tantaran’ny vahoakan’Andriamanitra fahiny. Tokony hampahery antsika amin’izao andro izao izany, satria isika koa dia asaina hiara-mivory tsy tapaka isan-kerinandro sy intelo isan-taona amin’ireo fivoriambe. — Hebreo 10:24, 25.
Tamin’ny andron’ireo mpanjaka avy amin’i Davida
8. a) Fankalazana nanan-tantara inona no natao tamin’ny andron’i Solomona Mpanjaka? b) Inona no fara tampon’ilay Andro Firavoravoana Fitoerana Amin’ny Trano Rantsankazo nasehon’ny tandindona?
8 Nisy fankalazana iray nanan-tantara tamin’ny fotoan’ny Andro Firavoravoana Fitoerana Amin’ny Trano Rantsankazo. Natao nandritra ilay fotoana feno fanambinana nitondran’i Solomona Mpanjaka, zanak’i Davida, izy io. Nisy “fiangonana lehibe” avy any amin’ny vazan-tany rehetra amin’ny Tany Nampanantenaina, nivory ho amin’ny Andro Firavoravoana Fitoerana Amin’ny Trano Rantsankazo sy ho amin’ny fitokanana ny tempoly. (2 Tantara 7:8). Rehefa vita ilay izy, dia nalefan’i Solomona Mpanjaka hody ireo mpankalaza fety izay “nisaotra andriana (...) [ka] lasa nandeha ho any an-dainy avy, sady faly no ravoravo ny fony noho ny soa rehetra nataon’i Jehovah tamin’i Davida mpanompony sy ny Isiraely olony”. (1 Mpanjaka 8:66). Tsy azo lavina fa fotoan-dehibe niravoravoana tokoa izany. Amin’izao andro izao, ireo mpanompon’Andriamanitra dia miandrandra ny fara tampon’ilay Andro Firavoravoana Fitoerana Amin’ny Trano Rantsankazo nasehon’ny tandindona, amin’ny faran’ny Fanjakana Arivo Taonan’ilay Solomona Lehibe, dia i Jesosy Kristy. (Apokalypsy 20:3, 7-10, 14, 15). Amin’izay fotoana izay, dia ho tafaray ao amin’ny fanompoam-pivavahana mahafaly izay atolotra an’i Jehovah Andriamanitra, ny olona any amin’ny vazan-tany rehetra, anisan’izany ireo hatsangana amin’ny maty sy ireo ho tafita velona amin’ny Haramagedona. — Zakaria 14:16.
9-11. a) Inona no nitarika ho amin’ny fotoan-dehibe niravoravoana iray tamin’ny andron’i Hezekia Mpanjaka? b) Ohatra inona no navelan’ny olona maro avy tamin’ny fanjakan’ny foko folo tany avaratra, ary mampahatsiahy antsika inona izany amin’izao andro izao?
9 Ny andro firavoravoana miavaka nanaraka izany, izay voalaza ao amin’ny Baiboly, dia taorian’ny nanjakan’i Ahaza Mpanjaka ratsy fanahy izay nanakatona ny tempoly sy nitarika ny fanjakan’ny Joda hivadi-pinoana. I Hezekia Mpanjaka tsara, no nandimby an’i Ahaza. Tamin’ny taona voalohany nitondrany, teo amin’ny faha-25 taonany, dia nanomboka fandaharan’asa lehibe iray ho famerenana amin’ny laoniny sy ho fanavaozana, i Hezekia. Nosokafany avy hatrany ny tempoly ary nataony izay hahavoavoatra ny simba tamin’izy io. Avy eo, dia nandefasan’ilay mpanjaka taratasy tany amin’ireo Isiraelita nonina tany amin’ny fanjakan’ny foko folon’ny Isiraely tany avaratra, izay feno fankahalana. Nanasa azy ireo ho tonga hankalaza ny Paska sy ny Andro Firavoravoana Fihinanana ny Mofo Tsy Misy Masirasira, io taratasy io. Maro no tonga, na dia teo aza ny fanarabian’ireo mpiara-belona taminy. — 2 Tantara 30:1, 10, 11, 18.
10 Nahomby ve ilay andro firavoravoana? Manao izao tatitra izao ny Baiboly: “Ary ny Zanak’Isiraely izay tany Jerosalema dia nitandrina hafitoana ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira tamin’ny fifaliana lehibe; ary ny Levita sy ny mpisorona nidera an’i Jehovah isan-andro sady nampaneno zavatra mafy faneno ho an’i Jehovah.” (2 Tantara 30:21). Izany ka ohatra tsara tokoa navelan’ireo Isiraelita ireo ho an’ny vahoakan’Andriamanitra amin’izao andro izao! Maro amin’izy ireo no miaritra fanoherana na manao dia lavitra be, mba hanatrehana fivoriambe.
11 Hevero, ohatra, ireo Fivoriamben’ny Distrika “Fitiavam-pivavahana” telo natao tany Polonina tamin’ny 1989. Tamin’ireo mpanatrika 166 518, dia nisy antokon’olona maro avy any amin’ny Firaisana Sovietika teo aloha sy avy any an-tany hafa any Eoropa Atsinanana, izay nandrarana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izay fotoana izay. Hoy ilay boky hoe Les Témoins de Jéhovah: Prédicateurs du Royaume de Dieub: “Ho an’ny sasany nanatrika ireny fivoriambe ireny, dia tamin’iny no nanatrehany voalohany fivoriana lehibe nisy vahoakan’i Jehovah maherin’ny 15 na 20. Safononoky ny fankasitrahana ny fon’izy ireo teo am-pitazanana ireo olona an’aliny maro teo amin’ilay kianja, izay niara-nivavaka tamin’izy ireo, sy niara-nanandra-peo taminy, nihira fiderana ho an’i Jehovah”. — Pejy faha-279.
12. Inona no nitarika ho amin’ilay fotoan-dehibe niravoravoana tamin’ny fotoana nitondran’i Josia Mpanjaka?
12 Taorian’ny nahafatesan’i Hezekia, dia latsaka tao anatin’ny fanompoam-pivavahana diso indray ny mponin’ny Joda, teo ambanin’ny fitondran’ny Mpanjaka Manase sy Amona. Tonga, avy eo, ny fotoana nitondran’ny mpanjaka tsara iray, izay tsy iza fa i Josia tanora, izay nanao zavatra tamin-kerim-po rehefa namerina tamin’ny laoniny ny fanompoam-pivavahana marina. Nandidy ny hanamboarana ny simba tamin’ny tempoly i Josia, fony izy 25 taona. (2 Tantara 34:8). Teo am-panamboarana ny simba, dia hita tao amin’ny tempoly ny Lalàna nosoratan’i Mosesy. Nanohina lalina an’i Josia Mpanjaka izay novakiny tao amin’ny Lalàn’Andriamanitra, ka nanao fandaharana izy mba hampamakiana izany tamin’ny vahoaka rehetra. (2 Tantara 34:14, 30). Avy eo, araka izay voasoratra, dia nandamina fankalazana ny Paska izy. Namela ohatra tsara koa ilay mpanjaka rehefa nanao fanomezana tamim-pahalalahan-tanana hanohanana ilay fankalazana. Ho vokatr’izany, dia manao tatitra toy izao ny Baiboly: “Tsy nisy Paska notandremana toy izany teo amin’ny Isiraely na dia hatramin’ny andron’i Samoela mpaminany aza”. — 2 Tantara 35:7, 17, 18.
13. Mampahatsiahy antsika inona amin’izao andro izao ireo fankalazana andro firavoravoana nataon’i Hezekia sy i Josia?
13 Ny fanavaozana nataon’i Hezekia sy i Josia dia mitovy amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny fanompoam-pivavahana marina teo anivon’ireo Kristiana marina. Nitranga izany asa fanavaozana mahatalanjona izany nanomboka tamin’ny nandraisan’i Jesosy Kristy ny seza fiandrianana, tamin’ny 1914. Toy izay nitranga tamin’ny fanavaozana nataon’i Josia indrindra indrindra, dia nampiorenina tamin’izay voasoratra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra io famerenana amin’ny laoniny amin’ny andro ankehitriny io. Mitovy amin’ny tamin’ny andron’i Hezekia sy i Josia ny famerenana amin’ny laoniny amin’ny andro ankehitriny, satria narahina fivoriambe izay nampisongadina fanazavana mampientana mahakasika faminaniana ao amin’ny Baiboly sy fampiharana foto-pitsipika ao amin’ny Baiboly, tonga ara-potoana. Nampitombo ny hafaliana tamin’ireny fotoan-dehibe nahazoana fahalalana ireny ny hamaroan’ireo natao batisa. Sahala amin’ireo Isiraelita nibebaka tamin’ny andron’i Hezekia sy i Josia, ireo vao vita batisa dia niala tamin’ny fanao ratsin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana sy ny an’ny sisa amin’ny tontolon’i Satana. Tamin’ny 1997, dia maherin’ny 375 000 no natao batisa ho mariky ny fanoloran-tenany ho an’i Jehovah, ilay Andriamanitra masina — izany hoe, maherin’ny 1 000 isan’andro, tamin’ny antsalany.
Taorian’ny fanaovana sesitany
14. Inona no nitarika ho amin’ny fotoan-dehibe niravoravoana iray tamin’ny 537 al.f.i.?
14 Taorian’ny nahafatesan’i Josia, dia niverina tamin’ny fanompoam-pivavahana diso nampikororosy indray ilay firenena. Farany, tamin’ny 607 al.f.i., dia nanasazy ny vahoakany i Jehovah tamin’ny fitondrana ny tafika babyloniana hamely an’i Jerosalema. Noravana ilay tanàna sy ny tempoliny, ary natao lao ilay tany. Nanaraka izany ny 70 taona naha-babo ny Jiosy tany Babylona. Avy eo, dia notairin’Andriamanitra ho amin’ny asa ny Jiosy nibebaka sisa niangana. Niverina tany amin’ny Tany Nampanantenaina ireo mba hamerina tamin’ny laoniny ny fanompoam-pivavahana marina. Tonga tao Jerosalema, izay tanàna rava, izy ireo tamin’ny volana fahafito tamin’ny taona 537 al.f.i. Ny zavatra voalohany nataon’izy ireo, dia ny nanangana alitara iray mba hanaterana tsy tapaka ireo fanatitra fanao isan’andro, araka ny voasoritra tao amin’ny faneken’ny Lalàna. Ara-potoana tsara izany mba hanaovana fankalazana nanan-tantara hafa iray. “Ary nitandrina ny andro firavoravoana fitoerana ao amin’ny trano rantsan-kazo koa izy, araka ny voasoratra”. — Ezra 3:1-4.
15. Asa inona no niandry ireo sisa tafaverina tany amin’ny taniny tamin’ny 537 al.f.i., ary ahoana no nisian’ny toe-javatra mitovy amin’izany tamin’ny 1919?
15 Nisy asa lehibe niandry an’ireto tafaverina avy tany amin’ny sesitany ireto — ny fanorenana indray ny tempolin’Andriamanitra sy i Jerosalema mbamin’ny mandany. Nisy fanoherana be avy tamin’ireo olona teny amin’ny manodidina, izay velom-pialonana. Rehefa voaorina anefa ilay tempoly, dia “andron’ny zava-madinika” izany. (Zakaria 4:10). Nitovy tamin’izay nitranga tamin’ireo Kristiana voahosotra nahatoky tamin’ny 1919, izany tarehin-javatra izany. Tamin’io taona tsy hay hadinoana io no nanafahana azy ireo avy tamin’ny fahababoana ara-panahy tao amin’i Babylona Lehibe, ilay empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso. An’arivony vitsivitsy monja izy ireo, ary niatrika tontolo iray feno fankahalana. Ho afaka hampitsahatra ny fandrosoan’ny fanompoam-pivavahana marina ve ny fahavalon’Andriamanitra? Mampahatsiahy ireo fankalazana andro firavoravoana roa farany voarakitra ao amin’ny Soratra Hebreo ny valin’izany fanontaniana izany.
16. Inona no naha-zava-dehibe ny andro firavoravoana iray tamin’ny 515 al.f.i.?
16 Voaorina ihany tamin’ny farany ilay tempoly, tamin’ny volana Adara 515 al.f.i., tena ara-potoana tsara mba hanaovana ilay andro firavoravoana tamin’ny lohataona, izany hoe, ny volana Nisana tamin’io taona io ihany. Manao tatitra toy izao ny Baiboly: “Nitandrina ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira hafitoana tamin’ny fifaliana izy; fa Jehovah efa nampifaly azy ary efa nampiova ny fon’ny mpanjakan’i Asyria hamindra fo aminy ka hampahery ny tànany tamin’ny nanaovany ny tranon’Andriamanitra, dia Andriamanitry ny Isiraely.” — Ezra 6:22.
17, 18. a) Fotoan-dehibe niravoravoana inona no nitranga tamin’ny 455 al.f.i.? b) Amin’ny ahoana isika no ao anatin’ny toe-javatra mitovy amin’izany amin’izao andro izao?
17 Nisy fotoan-dehibe hafa iray nitranga, 60 taona tatỳ aoriana, tamin’ny 455 al.f.i. Ny Andro Firavoravoana Fitoerana Amin’ny Trano Rantsankazo tamin’io taona io, dia nanamarika ny fahavitan’ny fanorenana indray ny mandan’i Jerosalema. Manao izao tatitra izao ny Baiboly: “Nanao trano rantsan-kazo avokoa ny fiangonana rehetra izay efa niverina avy tamin’ny fahababoana, ka nipetraka tao anatiny izy; fa tsy mbola nanao toy izany ny Zanak’Isiraely hatramin’ny andron’i Josoa, zanak’i Nona, ka hatramin’izany andro izany. Ary dia nisy fifaliana lehibe indrindra.” — Nehemia 8:17.
18 Tafaverina tamin’ny laoniny ny fanompoam-pivavahana marina tamin’Andriamanitra, na dia teo aza ny fanoherana. Izany ka fisehoan-javatra tsy hay hadinoina! Mitovy amin’izany ny toe-javatra amin’izao andro izao. Na dia teo aza ny firongatry ny fanenjehana sy ny fanoherana, dia nahatratra ny faran’ny tany ilay asa lehibe fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary efa nambara eran’ny vazan-tany ny hafatra momba ny didim-pitsaran’Andriamanitra. (Matio 24:14). Mihamanatona ny fanisiana tombo-kase farany an’ireo sisa tavela amin’ireo voahosotra 144 000. Maherin’ny dimy tapitrisa ny “ondry hafa” naman’izy ireo, efa nangonina avy amin’ny firenena rehetra, ho tonga “andiany iray” amin’ireo sisa voahosotra. (Jaona 10:16; Apokalypsy 7:3, 9, 10). Tanteraka amin’ny fomba mahatalanjona tokoa ny sary ara-paminaniana nasehon’ilay Andro Firavoravoana Fitoerana Amin’ny Trano Rantsankazo! Hitohy ao amin’ny tontolo vaovao io asa fanangonana lehibe io, rehefa hasaina hiara-mankalaza ilay Andro Firavoravoana Fitoerana Amin’ny Trano Rantsankazo nasehon’ny tandindona, ireo olona sesehena tafatsangana amin’ny maty. — Zakaria 14:16-19.
Tamin’ny taonjato voalohany am.f.i.
19. Inona no nampiavaka an’ilay Andro Firavoravoana Fitoerana Amin’ny Trano Rantsankazo tamin’ny 32 am.f.i.?
19 Tsy isalasalana fa anisan’ireo fankalazana andro firavoravoana niavaka indrindra voarakitra ao amin’ny Baiboly, ireo izay natrehin’i Jesosy Kristy, ilay Zanak’Andriamanitra. Diniho, ohatra, ny nanatrehan’i Jesosy ny Andro Firavoravoana Fitoerana Amin’ny Trano Rantsankazo (na, ny amin’ny Tabernakely) tamin’ny taona 32 am.f.i. Nampiasa io fotoan-dehibe io izy mba hampianarana fahamarinana lehibe, ary notohanany tamin’ny teny nalaina tao amin’ny Soratra Hebreo ny fampianarany. (Jaona 7:2, 14, 37-39). Lafin-javatra fahita tamin’io andro firavoravoana io ny fandrehetana fanaovan-jiro lehibe efatra tao amin’ny kianja anatin’ny tempoly, izay efa zary fanao. Anisan’ny nahatonga fankafizana ireo fanaovan-javatra nampiravoravo izay nitohy mandraka alina, izany. Toa niresaka tsy nivantana ny amin’ireo jiro lehibe ireo i Jesosy fony izy nilaza hoe: “Izaho no fahazavan’izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina.” — Jaona 8:12.
20. Nahoana no niavaka ilay Paska tamin’ny 33 am.f.i.?
20 Avy eo dia tonga ny Paska sy ny Andro Firavoravoana Fihinanana ny Mofo Tsy Misy Masirasira tamin’ny 33 am.f.i., ilay taona nanan-tantara. Tamin’io Andro Paska io i Jesosy dia novonoin’ireo fahavalony, ka tonga Zanak’ondrin’ny Paska nasehon’ny tandindona, izay maty mba hanaisotra “ny fahotan’izao tontolo izao”. (Jaona 1:29; 1 Korintiana 5:7). Telo andro taorian’izay, tamin’ny 16 Nisana, dia natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty i Jesosy, nanana vatana ara-panahy tsy mety maty. Nifanindry tamin’ny fanolorana ny santatry ny vokatra ôrza, araka ny nandidian’ny Lalàna, izany. Araka izany, dia tonga “santatr’izay efa nodi-mandry” i Jesosy Kristy Tompo, tafatsangana tamin’ny maty. — 1 Korintiana 15:20.
21. Inona no nitranga tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i.?
21 Andro firavoravoana niavaka marina tokoa ny Pentekosta tamin’ny 33 am.f.i. Tamin’io andro io, dia Jiosy sy proselyta maro no tafavory tao Jerosalema, anisan’izany ny mpianatr’i Jesosy tokony ho 120. Raha iny mbola nizotra tsara iny ilay andro firavoravoana, dia nandatsaka ny fanahy masin’Andriamanitra teo amin’ireo mpianatra 120, i Jesosy Kristy Tompo. (Asan’ny Apostoly 1:15; 2:1-4, 33). Tamin’izany fomba izany no naha-voahosotra azy ireo sy nahatongavany ho firenena vaovao nofidin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ilay fanekena vaovao izay nanana an’i Jesosy Kristy ho mpanalalana. Nandritra io andro firavoravoana io, ny mpisoronabe jiosy dia nanolotra ho an’Andriamanitra mofo roa nasiana lalivay, natao avy tamin’ny santatry ny varimbazaha. (Levitikosy 23:15-17). Ireo mofo nasiana lalivay ireo dia sary mampiseho ireo olombelona tsy lavorary 144 000 izay ‘navotan’i Jesosy ho an’Andriamanitra’ mba hanompo amin’ny maha-‘fanjakana sy mpisorona ka hanjaka ambonin’ny tany’. (Apokalypsy 5:9, 10; 14:1, 3). Ireo mofo roa nasiana lalivay koa dia mety ho tandindon’ny fiavian’ireo mpanapaka any an-danitra ireo koa, noho izy avy amin’ny sampany roa amin’ny taranak’olombelona mpanota, dia ny Jiosy sy ny Jentilisa.
22. a) Nahoana ny Kristiana no tsy mankalaza ireo andro firavoravoana tao amin’ny faneken’ny Lalàna? b) Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
22 Rehefa nanomboka nanan-kery tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i. ilay fanekena vaovao, dia nidika izany fa tsy nisy vidiny intsony teo imason’Andriamanitra ilay faneken’ny Lalàna taloha. (2 Korintiana 3:14; Hebreo 9:15; 10:16). Tsy midika akory izany hoe tsy manan-dalàna ny Kristiana voahosotra. Eo ambanin’ny lalàn’Andriamanitra izay nampianarin’i Jesosy Kristy, sy voasoratra ao am-pony, izy ireo. (Galatiana 6:2). Noho izany, dia tsy ankalazain’ny Kristiana ireo andro firavoravoana telo fanao isan-taona, noho izy ireo anisan’ilay faneken’ny Lalàna taloha. (Kolosiana 2:16, 17). Na izany aza, dia afaka miana-javatra betsaka isika avy amin’ireo mpanompon’Andriamanitra talohan’ny Kristianisma, raha ny amin’ny fihetsik’izy ireo nanoloana ny andro firavoravoana sy ireo fivoriana hafa fanaony tamin’ny fanompoam-pivavahana. Ao amin’ny lahatsoratra manaraka isika dia handinika ohatra izay tsy isalasalana fa hanosika ny rehetra hahatakatra fa ilaina ny tsy hanapatapahana ny fanatrehana ireo fiaraha-mivory kristiana.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo koa ny Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania, pejy faha-530-531, fehintsoratra 1 sy ny faha-3, eo ambanin’ny lohateny hoe “Fête”.
b Navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
Fanontaniana Famerenana
◻ Inona no nokendrena tamin’ireo andro firavoravoana lehibe telo teo amin’ny Isiraely?
◻ Inona no nampiavaka ireo andro firavoravoana tamin’ny andron’i Hezekia sy i Josia?
◻ Fotoan-dehibe inona no nankalazaina tamin’ny 455 al.f.i., ary nahoana izany no mampahery antsika?
◻ Inona no naha-zava-dehibe ny Paska sy ny Pentekosta tamin’ny 33 am.f.i.?
[Efajoro, pejy 12]
Andro Firavoravoana Iray Fianarana ho Antsika Amin’izao Andro Izao
Tsy maintsy miaina mifanaraka amin’izay asehon’ilay Andro Firavoravoana Fihinanana ny Mofo Tsy Misy Masirasira, ireo rehetra handray soa mandrakizay avy amin’ny soron’i Jesosy manavotra amin’ny ota. Tsy inona io andro firavoravoana nasehon’ny tandindona io fa ilay fankalazana mahafaly ataon’ireo Kristiana voahosotra noho ny nanavotana azy ireo tamin’itỳ tontolo ratsy itỳ sy noho ny nanafahana azy ireo tamin’ny fanamelohan’ny ota, noho ny fanavotan’i Jesosy. (Galatiana 1:4; Kolosiana 1:13, 14). Ilay andro firavoravoana ara-bakiteny dia naharitra fito andro — isa ampiasain’ny Baiboly mba hampisehoana fahafenoana ara-panahy. Maharitra mandritra ny fotoana feno maha-eto an-tany ireo voahosotra anisan’ny kongregasiona kristiana ilay andro firavoravoana nasehon’ny tandindona, ary tsy maintsy ankalazaina amin’ny “fahadiovam-po sy ny fahamarinana”. Midika ho fitandreman-tena mandrakariva amin’ny masirasira na lalivay izany. Ny masirasira na lalivay dia ampiasain’ny Baiboly mba hampisehoana fampianarana manimba sy fihatsarambelatsihy ary faharatsiana. Tsy maintsy maneho fankahalana an’izany masirasira na lalivay izany ny tena mpivavaka amin’i Jehovah, ka tsy hamela azy io hanimba ny fiainany, ary tsy hamela azy io handoto ny fahadiovan’ny kongregasiona kristiana. — 1 Korintiana 5:6-8; Matio 16:6, 12.
[Sary, pejy 9]
Nisy amboarana ôrza vao nojinjaina natolotra isan-taona tamin’ny 16 Nisana, ilay andro nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty
[Sary, pejy 10]
Nety ho niresaka tsy nivantana ny amin’ireo jiro tamin’ny andro firavoravoana i Jesosy, fony izy nilaza ny tenany ho “fahazavan’izao tontolo izao”