‘Hakarina mba Hitsena ny Tompo’ — Amin’ny Fomba Ahoana?
MITOHY tsy azo tohaina ny fanisana miverina mankany amin’ny faran’ity fandehan-javatra ratsy ity. Isaky ny lasa ny ora tsirairay, ny minitra tsirairay, ny segondra tsirairay, dia manatona fisehoan-javatra hanaitra ny saina izay efa nambaran’ny faminaniana hatramin’ny ela isika. Iray amin’izany ve ny fampiakarana? Raha eny, rahoviana ary amin’ny fomba ahoana no hitrangan’izany?
Tsy hita ao amin’ny Baiboly ny teny hoe “fampiakarana”. Ireo mino izany anefa dia manonona ny tenin’ny apostoly Paoly ao amin’ny 1 Tesaloniana 4:17 ho fototry ny finoan’izy ireo. Aoka hodinihintsika io andinin-teny io miaraka amin’ireo teny manodidina azy. Nanoratra toy izao i Paoly:
“Fa tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin’izay modimandry, mba tsy hahalahelovanareo tahaka ny sasany izay tsy manana fanantenana. Fa raha inoantsika fa efa maty Jesosy sady efa nitsangana indray, dia toy izany koa no hitondran’Andriamanitra izay efa nodimandry tao amin’i Jesosy hiaraka aminy. Fa izao no lazainay aminareo amin’ny tenin’ny Tompo: isika, izay velona ka mbola mitoetra mandra-[pahatongan’ny fanatrehan’ny, NW ] Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nodimandry tsy akory. Fa ny tenan’ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin’ny fiantsoana sy ny feon’ny arikanjely ary ny trompetran’Andriamanitra, ka izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana aloha; ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin’ny rahona hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka; dia ho any amin’ny Tompo mandrakariva isika. Koa dia mifampionòna hianareo amin’izany teny izany.” — 1 Tesaloniana 4:13-18.
Azo lazaina hoe vaovao ihany ny kongregasiona tao Tesalonika fony i Paoly nandefa ny taratasiny voalohany ho an’ireo Kristiana tao, tany amin’ny taona 50 am.f.i. tany ho any. Ory ny mpikambana tao amin’ilay kongregasiona satria ‘nodimandry’ ny sasany taminy. Izay nosoratan’i Paoly anefa dia nampionona ireo Tesaloniana tamin’ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty.
‘Fanatrehan’i’ Kristy
Teo am-panamafisana fa hatsangana ireo Kristiana nahatoky efa maty tamin’izay, dia nanampy teny toy izao koa i Paoly: “Izay velona ka mbola mitoetra mandra-[pahatongan’ny fanatrehan’ny, NW ] Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nodimandry tsy akory”. (Andininy faha-15). Tsara homarihina tokoa ilay fanisian’ny apostoly fitenenana ny amin’ny “fanatrehan’ny” Tompo. Eto, ilay soratra araka ny fiteny tany am-boalohany dia mampiasa ny teny grika hoe pa·rou·siʹan, izay midika ara-bakiteny hoe “eo anilan’ny”.
Rehefa mitsidika tany iray ny filoham-panjakana avy any an-toeran-kafa, dia mazàna ambara ireo daty fanatrehany na maha-eo azy. Marina izany raha ny amin’ny fanatrehan’i Jesosy Kristy Tompo. Ny Tilikambo Fiambenana dia nanome porofo tamin’ny fomba tsy niovaova ho an’ireo tso-po mianatra ny faminaniana ao amin’ny Baiboly fa ny fanatrehan’i Jesosy amin’ny herin’ny Fanjakana any an-danitra dia nanomboka tamin’ny 1914. Manamarina ny fanatrehan’i Jesosy tsy hita maso ireo zava-nitranga hatramin’io taona io. (Matio 24:3-14). Koa tamin’ny filazana fa hisy Kristiana sasany miaina mandritra ny fanatrehan’ny Tompo “hakarina hiaraka aminy ho eny amin’ny rahona hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka”, dia te hilaza i Paoly fa ireo mbola tsy maty ireo dia hitsena an’i Kristy, tsy eo amin’ny habakabaky ny tany akory, fa any amin’ny faritra tsy hita maso any an-danitra izay ipetrahan’i Jesosy eo an-tanana ankavanan’Andriamanitra. (Hebreo 1:1-3). Fa iza anefa izy ireo?
“Ny Isiraelin’Andriamanitra”
Ny Soratra Masina dia milaza zavatra maro momba ny Isiraely ara-nofo ary koa momba ny “Isiraelin’Andriamanitra” ara-panahy. Ireo mpino jiosy sy jentilisa no tsy maintsy nahaforona ny isa fenon’io antokon’olona voahosotry ny fanahy masin’Andriamanitra, na heriny miasa io. (Galatiana 6:16; Romana 11:25, 26; 1 Jaona 2:20, 27). Asehon’ny bokin’ny Apokalypsy fa ny fitambaran’isan’ny Isiraely ara-panahy dia 144 000, dia ireo rehetra voalazalaza fa miaraka amin’ny Zanak’ondry, i Jesosy Kristy, eo amin’ny Tendrombohitra Ziona any an-danitra. Ho mpanjaka sy mpisorona any an-danitra miaraka amin’i Kristy izy ireo. (Apokalypsy 7:1-8; 14:1-4; 20:6). Tafiditra ho anisan’izany ireo olona izay niaraka tamin’ny kongregasiona tany Tesalonika sy tany an-toeran-kafa, na toy inona na toy inona fiaviany ara-pirazanana na ara-pirenena. — Asan’ny Apostoly 10:34, 35.
Alohan’ny hahafahan’izay mpikambana mahatoky rehetra amin’ny Isiraely ara-panahy handray valisoa any an-danitra, dia tsy maintsy mandalo fanandraman-javatra sasany izy ireo. Toy ny nitrangan’ny fahafatesan’i Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana talohan’ny fitsanganany ho amin’ny fiainana any an-danitra, dia tsy maintsy maty koa ireo Kristiana manana fanantenana ny ho any an-danitra alohan’ny handraisany ny valisoany. (1 Korintiana 15:35, 36). Marina izany ho an’ireo anisan’ny Isiraely ara-panahy niaina tamin’ny taonjato voalohany am.f.i., sy ireo toy izany velona amin’izao andro izao.
Rehefa avy nilaza ny amin’ny “fanatrehan’ny Tompo” i Paoly, dia nanondro ny fotoana handraisan’ireo Isiraelita ara-panahy nahatoky izay efa maty, ny valisoany any an-danitra. Izao no nosoratany: “Fa ny tenan’ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin’ny fiantsoana sy ny feon’ny arikanjely ary ny trompetran’Andriamanitra, ka izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana aloha.” (Andininy faha-16). Noho izany, raha vantany vao nanomboka ny fanatrehan’i Jesosy amin’ny maha-Mpanjaka azy, dia ampoizintsika fa nanomboka ny fitsanganana ho any an-danitra, nanomboka tamin’ireo anisan’ny Isiraely ara-panahy izay efa maty tamin’ny naha-mpihazona tsy fivadihana. (1 Korintiana 15:23). Izao izy ireo dia manompo eo anilan’i Jesosy any an-danitra. Fa ahoana kosa ny amin’ireo Kristiana voahosotra vitsivitsy ihany izay mbola velona eto an-tany? Moa ve izy ireo miandry ny fampiakarana?
“Hampiakarina” — Amin’ny fomba ahoana?
Rehefa avy nanisy fitenenana ny amin’ireo Kristiana voahosotra izay efa maty i Paoly, dia nanampy teny hoe: “Ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin’ny rahona hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka; dia ho any amin’ny Tompo mandrakariva isika.” (Andininy faha-17). Ireo “izay velona” dia ho ireo izay mbola velona mandritra ny fanatrehan’i Kristy. “Hakarina” izy ireo mba hitsena an’i Jesosy Tompo. Toy izay nitranga tamin’ireo Kristiana voalohany nahatoky, dia tsy maintsy ilain’izy ireo ny ho faty amin’ny maha-olombelona mba hampiraisana azy amin’i Kristy any an-danitra. — Romana 8:17, 35-39.
Rehefa nanoratra ho an’ny Kristiana tany Korinto i Paoly dia nilaza toy izao: “Fa izao no lazaiko, ry rahalahy: Ny nofo aman-dra tsy mahazo mandova ny fanjakan’Andriamanitra, ary ny fahalòvana tsy mandova ny tsi-fahalòvana. Indro, zava-miafina no ambarako aminareo: tsy hodi-mandry avokoa isika rehetra, fa vetivety, toy ny indray mipì-maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana isika rehetra; fa hotsofina ny trompetra, ary ny maty hatsangana tsy ho lo intsony, ary isika hovana.” (1 Korintiana 15:50-52). Eo am-pahafatesany amim-pahatokiana mandritra ny fanatrehan’i Kristy, ny tsirairay amin’ny sisa amin’ny Isiraely ara-panahy dia hahazo avy hatrany ny valisoany any an-danitra. “Toy ny indray mipì-maso”, dia hatsangana ho zavaboary ara-panahy izy, ary “hakarina” mba hitsena an’i Jesosy ka hiasa amin’ny maha-mpiara-manapaka aminy ao amin’ilay Fanjakana any an-danitra. Fa ahoana ny amin’ireo hafa rehetra izay manompo an’i Jehovah? Raha eo am-panatonana ny faran’ity fandehan-javatra ratsy ity, moa ve izy ireo koa mba hakarina ho any an-danitra?
Fahatafitana velona — Fa tsy fampiakarana
Koa satria ny fanatrehan’i Jesosy amin’ny maha-Mpanjaka azy dia nanomboka tamin’ny 1914, dia efa lasa lavitra ao anatin’ny “andro farany” ho an’ity tontolo ity isika izao. (Daniela 12:4). Nampitandrina toy izao i Paoly: “Fa ny amin’ny andro sy ny fotoana, ry rahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo, satria hianareo mahalala marimarina fa ho avy toy ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’ny Tompo. Raha misy olona manao hoe: Miadana sy mandry fahizay, dia hanjo azy tampoka ny fandringanana, toy ny fahararian’ny vehivavy raha miteraka, ka tsy ho afa-mandositra mihitsy izy.” (1 Tesaloniana 5:1-3). Ho afa-mandositra anefa ireo Kristiana mailo. Amin’ny fomba ahoana?
Ilay antsoantso hoe “Miadana sy mandry fahizay”, dia hialoha ilay vanim-potoana nantsoin’i Jesosy hoe ny “fahoriana lehibe”. Rehefa nilazalaza ny amin’ny “olona betsaka” amin’ireo mahatoky izay manana fanantenana ny hiaina mandrakizay eo amin’ny paradisa an-tany iray ny bokin’ny Apokalypsy, dia niteny toy izao: “Ireo no avy tamin’ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry”. (Apokalypsy 7:9, 14; Lioka 23:43, NW ). Tsia, tsy fanantenana fampiakarana akory ny azy ireo. Manantena ny ho tafita velona eto an-tany eto ihany kosa izy ireo. Mba hiomanana ho amin’izany, dia tsy maintsy mitoetra ho mifoha ara-panahy izy ireo. Ahoana no ahafahanao manao izany ka ho tafita velona amin’ny faran’ity fandehan-javatra ity?
Mila ny ‘hahonon-tena ianao ka hitafy ny finoana sy ny fitiavana ho fiarovan-tratra, ary ny fanantenana ny famonjena ho fiarovan-doha’. (1 Tesaloniana 5:6-8). Izao no fotoana tokony hihainoana ny Tenin’Andriamanitra ara-paminaniana, ny Baiboly. Arakaraka ny andehanan’ny fotoana, dia araho ny torohevitr’i Paoly manao hoe: “Aza manao tsinontsinona ny faminaniana. Fantaro ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara.” (1 Tesaloniana 5:20, 21). Noho izany dia mirary anao ho tonga soa any amin’ny Efitrano Fanjakanany ny Vavolombelon’i Jehovah, ka any ianao dia ho afaka hiara-mandray anjara amin’izy ireo amin’ny fianarana ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly sy ireo lafiny hafa amin’ny Tenin’Andriamanitra ara-tsindrimandry.
Arakaraka ny hitomboanao ao amin’ny fahalalana marina sy ny finoana, dia ho takatrao ny fahatanterahan’ny fikasan’i Jehovah Andriamanitra hanaisotra ireo fahavalony eo amin’izao rehetra izao sy hamerina ny tany ho paradisa indray. Amin’ny fanehoana finoana, dia mety ho anisan’ireo ho tafita velona amin’ilay fahoriana lehibe ianao, ka hanana tombontsoa handray ireo olona an-tapitrisany maro izay hatsangana ho amin’ny fiainana eto an-tany. Ary ho toy inona moa ny fifaliana hiaina eo ambanin’ny fanapahan’ilay Fanjakan’Andriamanitra eo am-pelatanan’i Jesosy Kristy sy ireo mpiara-manapaka aminy, izay ho efa ‘nakarina mba hitsena ny Tompo’ tamin’ny fitsanganany ho amin’ny fiainana any amin’ny faritry ny lanitra!
Ho an’ny ankamaroan’ny olombelona mankatò àry, inona no tena fanantenana marina araka ny Soratra Masina? Tsy fampiakarana akory izany, fa fiainana mandrakizay eto an-tany kosa, eo ambanin’ny fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra.
[Sary, pejy 7]
Ireo ho tafita velona amin’ny fahoriana lehibe dia handray ireo hatsangana ho amin’ny fiainana eo amin’ny tany tonga paradisa, eo ambanin’ny fanapahan’i Jesosy sy ireo izay “hakarina” ho any an-danitra