-
Hahatanty Afo ve ny Asanao?Ny Tilikambo Fiambenana—1998 | 1 Novambra
-
-
Fanorenana amin’ny fitaovana tsara
9. Na dia mpametraka fototra aza i Paoly voalohany indrindra, dia nanahy ny amin’inona izy mahakasika ireo izay nanaiky ny fahamarinan’ny zavatra nampianariny?
9 Nanoratra toy izao i Paoly: “Ary raha misy mandrafitra volamena, na volafotsy, na [vatosoa, NW ], na hazo, na bozaka, na mololo, eo ambonin’ny [fototra, NW ], dia haseho avokoa ny asan’ny olona rehetra; fa ny andro no hampiseho azy, satria haseho amin’afo izany andro izany, ka dia hozahan-toetra amin’ny afo ny asan’ny olona rehetra.” (1 Korintiana 3:12, 13). Inona no tian’i Paoly holazaina? Diniho ny zava-nitranga ara-tantara. Mpametraka fototra aloha i Paoly voalohany indrindra. Tamin’ireo dia misionera nataony, dia nitety tanàna sy nitory tamin’ny maro izay mbola tsy nandre mihitsy ny amin’i Kristy, izy. (Romana 15:20). Nisy kôngregasiôna naorina rehefa nanaiky ilay fahamarinana nampianariny ny olona. Niahy fatratra an’ireny olona nahatoky ireny i Paoly. (2 Korintiana 11:28, 29). Nitaky ny hifindrafindrany toerana anefa ny asany. Koa rehefa avy nandany 18 volana nametrahana fototra tao Korinto izy, dia lasa nandeha nitory tany amin’ny tanàna hafa. Na izany aza, dia nahaliana azy fatratra ny fomba nanohizan’ny hafa ny asa nataony tany. — Asan’ny Apostoly 18:8-11; 1 Korintiana 3:6.
10, 11. a) Ahoana no nampifanoheran’i Paoly karazana fitaovam-panorenana samy hafa? b) Azo inoana fa nisy karazana trano nanao ahoana tany Korinto fahiny? d) Karazana trano manao ahoana no azo inoana kokoa fa hahatanty afo, ary lesona inona no azo tsoahina avy amin’izany ho an’ireo Kristianina manao mpianatra?
10 Toa tsy zavatra tsara no naorin’ny sasany teo ambonin’ilay fototra napetrak’i Paoly tany Korinto. Mba hampiharihariana ilay olana, dia nisy karazana fitaovam-panorenana roa nampifanoherin’i Paoly: volamena sy volafotsy ary vatosoa etsy an-daniny, ary hazo sy bozaka sy mololo etsy an-kilany. Azo atao ny manorina trano amin’ny fitaovana tsara dia tsara sy mateza ary tsy mety may; azo atao koa anefa ny manangana trano maimaika amin’ny alalan’ny fitaovana fanary sy vonjimaika ary mety may. Tsy isalasalana fa betsaka an’ireo karazan-trano roa ireo ny tanàna lehibe toa an’i Korinto. Teo ireo tempoly goavana vita tamin’ny bolongam-bato makadiry sy lafo vidy, izay angamba norakofana na noravahana volamena sy volafotsy ny ampahany taminy.b Azo inoana fa hita ho nijoalajoala sy nanerinerina ireny tranobe nateza ireny teo anivon’ireo trano bongo sy trano tsizarizary ary ireo trano heva teny an-tsena, izay sady nitafo bozaka no vita tamin’ny hazo mbola tsy voavoatra.
-
-
Hahatanty Afo ve ny Asanao?Ny Tilikambo Fiambenana—1998 | 1 Novambra
-
-
12. Tamin’ny fomba ahoana avy ny Kristianina sasany tany Korinto no nanao asa fanorenana alasafay?
12 Mazava fa tsy nanorina tamin’ny fomba tsara ny Kristianina sasany tao Korinto, araka ny fiheveran’i Paoly. Inona no tsy nety? Asehon’ny teny manodidina fa voakorontan’ny fisaraham-bazana sy ny fanindrahindrana olona ilay kôngregasiôna, na dia efa notandindomin-doza noho izany aza ny firaisan-tsain’izy ireo. “Izaho an’i Paoly”, hoy ny sasany. “Izaho an’i Apolosy”, hoy kosa ny fanizingizinan’ny hafa. Toa nirehareha tamin’ny fahendren’ny tenany ny sasany. Tsy mahagaga raha rivo-piainana nanjakan’ny fisainana araka ny nofo, sy tsy fahamatorana ara-panahy, ary “fialonana sy fifandirana” nahazo laka, no vokatr’izany. (1 Korintiana 1:12; 3:1-4, 18). Azo antoka fa hita taratra teo amin’ny fampianarana natao tao amin’ny kôngregasiôna sy teny amin’ny fanompoana izany fihetsika izany. Ny vokany dia nanjary natao alasafay ny asa fanaovana mpianatra notontosain’izy ireo, toy ny asa fanorenana nampiasana fitaovana ambany karazana. Tsy hahatanty “afo” izany. Afo inona moa no noresahin’i Paoly?
-
-
Hahatanty Afo ve ny Asanao?Ny Tilikambo Fiambenana—1998 | 1 Novambra
-
-
Manorena amin’ny fitaovana mateza! Manorina amin’ny fitaovana mateza sy tsy mety may isika raha mikendry ny hanohina ny fon’ny mpianatsika rehefa mampianatra, ka manosika azy ireny hihevitra ho zava-dehibe ny toetra kristianina sarobidy toy ny fahendrena, ny fahaiza-manavaka, ny tahotra an’i Jehovah, ary ny tena finoana. (Salamo 19:9, 10; Ohabolana 3:13-15; 1 Petera 1:6, 7). Hanohy hanao ny sitrapon’Andriamanitra ireo izay manana ireo toetra ireo; manana fanantenana azo antoka ny hiaina mandrakizay izy ireo. (1 Jaona 2:17). Ahoana anefa no azontsika ampiharana ilay fanoharan’i Paoly? Andeha isika handinika ohatra vitsivitsy.
15. Amin’ny fomba ahoana avy no ahafahantsika mahazo antoka fa tsy manao asa fanorenana alasafay fotsiny isika raha ny amin’ireo olona ampianarintsika Baiboly?
15 Tsy tokony hanandratra olona mihoatra noho i Jehovah Andriamanitra mihitsy isika rehefa mampianatra Baiboly. Tsy ny hampianatra ny olona hihevitra ny tenantsika ho fototra ipoiran’ny fahendrena akory no tanjontsika. Irintsika hitodika any amin’i Jehovah sy ny Teniny ary ny fandaminany izy ireny, mba hahazoany tari-dalana. Ho fikendrena izany, dia tsy ny fomba fijerin’ny tenantsika no arosontsika rehefa mamaly ny fanontaniany isika. Mampianatra azy ireny hitady ny valiny kosa isika, amin’ny fampiasana ny Baiboly sy ireo zavatra vita an-tsoratra omen’ny “mpanompo mahatoky sy malina”. (Matio 24:45-47, NW ). Noho izany antony izany ihany, dia tokony hitandrina isika mba tsy ho saro-piaro loatra amin’ireo olona ampianarintsika Baiboly, ka tsy ho sosotra rehefa misy hafa maneho fahalianana amin’izy ireny. Hampirisihintsika kosa izy ireny mba ‘hihamalalaka’ eo amin’ny olona iraiketan’ny fony, ka hiezaka hahafantatra sy hankasitraka olona maro araka izay azo atao, eo anivon’ny kôngregasiôna. — 2 Korintiana 6:12, 13.
16. Ahoana no ahafahan’ireo loholona manorina amin’ny fitaovana tsy mety may?
16 Manana anjara toerana tena lehibe koa ireo loholona kristianina eo amin’ny fanorenana ireo mpianatra. Miezaka hanorina amin’ny fitaovana tsy mety may izy ireo rehefa mampianatra ny kôngregasiôna. Mety ho samy hafa be ny fahaizana sy ny fahazaran-draharaha ary ny toetra ananan’izy ireo. Tsy manararaotra ireny fahasamihafana ireny anefa izy ireo mba hitaomana olona hanaraka azy. (Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 20:29, 30.) Tsy fantatsika marina ny antony nahatonga ny sasany tany Korinto hilaza hoe “Izaho an’i Paoly”, na “Izaho an’i Apolosy”. Tena azontsika antoka kosa anefa fa tsy ireo loholona nahatoky ireo mihitsy no nampisy izany toe-tsaina nampisara-bazana izany. Tsy finaritra tamin’ireny fanasohasoana ireny i Paoly fa nanda mafy azy ireny kosa. (1 Korintiana 3:5-7). Mitovy amin’izany koa ireo loholona amin’izao andro izao, satria ao an-tsain’izy ireo mandrakariva ny hoe “ondrin’Andriamanitra” no andrasany. (1 Petera 5:2, izahay no manao sora-mandry.) Tsy misy lehilahy na iza na iza tompon’izy io. Koa hentitra àry ireo loholona amin’ny fanoherana izay rehetra mety ho fironan’ny lehilahy iray hanjakazaka eo amin’ny andian’ondry na eo amin’ny fitambaran-doholona. Manorina amin’ny fitaovana tsy mety may ireo loholona raha mbola atosiky ny faniriana hikarakara amim-panetren-tena ny kôngregasiôna, no sady manohina ny fo sy manampy ny ondry hanompo an’i Jehovah amin’ny fanahiny rehetra.
17. Amin’ny fomba ahoana no iezahan’ny ray aman-dreny kristianina manorina amin’ny fitaovana tsy mety may?
17 Tafiditra lalina amin’io raharaha io ihany koa ireo ray aman-dreny kristianina. Maniry mafy hahita an-janany hiaina mandrakizay tokoa izy ireo! Izany no mahatonga azy ireo hilofo mafy ‘handentika’ ireo foto-pitsipiky ny Tenin’Andriamanitra ao am-pon’ny zanany. (Deoteronomia 6:6, 7, NW ). Maniry izy ireo mba tsy ho fitambarana fitsipika na ho fitanisan-javatra lavareny fotsiny no ahafantaran’ny zanany ny atao hoe fahamarinana, fa mba ho fomba fiaina mahafinaritra sy mahafa-po ary mahasambatra. (1 Timoty 1:11). Mba hamolavolana ny zanany ho tonga mpianatra mahatokin’i Kristy, dia miezaka hampiasa fitaovana tsy mety may ireo ray aman-dreny be fitiavana. Miara-miasa amim-paharetana amin’ny zanany izy ireo, ka manampy azy hanaisotra ireo toetra halan’i Jehovah, fa hamboly kosa ireo toetra tian’i Jehovah. — Galatiana 5:22, 23.
-