FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Hahatanty Afo ve ny Asanao?
    Ny Tilikambo Fiambenana—1998 | 1 Novambra
    • Raha tsy mampianatra amin’ny fomba tsara isika, dia mety hisy vokany mampalahelo izany. Hoy ny fampitandreman’i Paoly: “Raha maharitra ny asan’ny olona, izay narafiny teo amboniny, dia handray valim-pitia izy. Raha ho levon’ny afo ny asan’ny olona, dia ho fatiantoka izy; fa ny tenany kosa dia hovonjena, nefa toy ny avy ao amin’ny afo ihany izy.”c — 1 Korintiana 3:14, 15.

      14. a) Ahoana no mety ‘hahamatiantoka’ ireo Kristianina manao mpianatra, kanefa ahoana no mety hahavoavonjy azy ireo toy ny avy ao amin’ny afo? b) Ahoana no ahafahan’ny tenantsika manakely araka izay azo atao ny mety hisian’ny fatiantoka?

      14 Mampieritreritra tokoa lahy izany teny izany! Tena mety hampahory tokoa ny hoe niasa mafy ny tena mba hanampiana olona iray ho tonga mpianatra, saingy nanaiky ho resin’ny fakam-panahy sy ny fanenjehana izy, ka niala tamin’ny lalan’ny fahamarinana tamin’ny farany. Niaiky ny amin’izany indrindra i Paoly fony izy nilaza fa matiantoka isika amin’ny tarehin-javatra toy izany. Mety hampahory mafy antsika tokoa ny fahitana izany, hany ka lazalazaina ho toy ny “avy ao amin’ny afo” ny famonjena antsika, toy ny lehilahy iray izay namoy ny zavatra rehetra tao anaty afo, ary zara raha voavonjy avy tao ny tenany. Ahoana kosa no ahafahan’ny tenantsika manakely araka izay azo atao ny mety hisian’ny fatiantoka? Manorena amin’ny fitaovana mateza! Manorina amin’ny fitaovana mateza sy tsy mety may isika raha mikendry ny hanohina ny fon’ny mpianatsika rehefa mampianatra, ka manosika azy ireny hihevitra ho zava-dehibe ny toetra kristianina sarobidy toy ny fahendrena, ny fahaiza-manavaka, ny tahotra an’i Jehovah, ary ny tena finoana. (Salamo 19:9, 10; Ohabolana 3:13-15; 1 Petera 1:6, 7). Hanohy hanao ny sitrapon’Andriamanitra ireo izay manana ireo toetra ireo; manana fanantenana azo antoka ny hiaina mandrakizay izy ireo. (1 Jaona 2:17).

  • Hahatanty Afo ve ny Asanao?
    Ny Tilikambo Fiambenana—1998 | 1 Novambra
    • c Ny famonjena ny ‘asa’ nataon’ilay mpanorina no nolazain’i Paoly fa mampisalasala, fa tsy ny famonjena ilay mpanorina. Toy izao no andikan’ny The New English Bible an’io andininy io: “Raha mitoetra ny tranon’ny lehilahy iray, dia hovalian-tsoa izy; fa raha may kosa, dia ho voatery hizaka ny fatiantoka izy; saingy ho avotra ihany ny ainy, toy ny olona iray avy tao amin’ny afo.”

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara