FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • kr toko 20 p. 209-219
  • Mifanampy ny Vahoakan’ilay Fanjakana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mifanampy ny Vahoakan’ilay Fanjakana
  • Efa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra!
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • “Fanompoana masina”
  • Inona ny tanjontsika rehefa manampy tra-boina?
  • Inona avy ny soa azo rehefa mifanampy?
  • Ianao koa ve mba te hanampy tra-boina?
  • Te Hanampy ve Ianao Rehefa Misy Loza Mitranga?
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2023
  • Manampy ny Tra-boina ve Ianareo?
    Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Miara-mitombo ao Amin’ny Fitiavana
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
  • Fanampiana Tra-boina Tamin’ny 2023: “Tsapanay hoe Tia Be Anay i Jehovah”
    Fomba Ampiasana ny Fanomezanao
Hijery Hafa
Efa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra!
kr toko 20 p. 209-219

TOKO 20

Mifanampy ny Vahoakan’ilay Fanjakana

INONA NO HORESAHINA ATO?

Mifankatia ny Kristianina ka mifanampy rehefa misy loza

1, 2. a) Inona no nanjo ny Kristianina tany Jerosalema sy Jodia? b) Nahoana izy ireo no nahatsapa fa tia azy ny mpiray finoana taminy?

TAONA 46 tany ho any tamin’izay. Nisy mosary tany Jerosalema sy Jodia. Lafo be mihitsy izay mba sakafo kely hita teny an-tsena, ka tsy takatry ny volan’ny Kristianina. Matin’ny hanoanana àry ry zareo. Soa ihany anefa fa nanampy azy ireo i Jehovah. Hafakely ny zavatra nataony, ary mbola tsy nisy Kristianina nahazo fitahiana hoatr’izany mihitsy taloha. Inona izany fitahiana izany?

2 Nalahelo an’ireo Kristianina tany Jerosalema sy Jodia ny Kristianina jiosy sy hafa firenena tany Antiokia, any Syria, ka nanangona vola homena azy ireo. I Barnabasy sy Saoly no nirahin-dry zareo hitondra an’ilay vola tany amin’ny anti-panahy tany Jerosalema. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 11:27-30; 12:25.) Azo antoka fa faly be ny Kristianina tany, satria tia azy ny mpiray finoana taminy tany Antiokia.

3. a) Inona no ataontsika mba hanahafana ny Kristianina tany Antiokia? Manomeza ohatra. (Jereo koa ilay hoe “Nanampy Tra-boina Tany An-tany Hafa.”) b) Inona avy ny fanontaniana hodinihintsika ato?

3 Io no tantara voalohany ao amin’ny Baiboly miresaka hoe nisy Kristianina nanampy ny mpiray finoana taminy tany an-tany hafa. Manao toa azy ireo koa isika. Rehefa misy loza na olana hafa mahazo ny mpiray finoana amintsika, dia manampy azy ireo isika, na aiza na aiza misy azy.a Anisan’ny zavatra tokony hataon’ny mpanompon’i Jehovah izany. Nahoana? Ary inona ny tanjontsika rehefa manampy tra-boina? Inona ny soa azontsika avy amin’izany?

“Fanompoana masina”

4. Inona no nolazain’i Paoly momba ny fanompoana tokony hataon’ny Kristianina?

4 Nilaza i Paoly ao amin’ny Korintianina Faharoa fa misy karazany roa ny fanompoana tokony hataon’ny Kristianina. Marina fa ny voahosotra no nanoratany an’io taratasy io, nefa natao ho an’ny “ondry hafa” koa izay voalaza ao. (Jaona 10:16) Inona ireo karazana fanompoana noresahiny? Voalohany, ny “fanompoana fampihavanana”, izany hoe ny fitoriana sy ny fampianarana. (2 Kor. 5:18-20; 1 Tim. 2:3-6) Faharoa, ny “fanompoana an’ireo olona masina”, izany hoe ny fanampiana ny mpiray finoana tra-boina. (2 Kor. 8:4) Tsara homarihina fa teny grika hoe diakônia no nampiasain’i Paoly tamin’ilay hoe “fanompoana”, na ilay “fanompoana fampihavanana” izany na ilay “fanompoana an’ireo olona masina.” Nahoana izany no tsara ho fantatsika?

5. Nahoana no teny grika iray ihany no nampiasain’i Paoly tamin’ilay hoe “fanompoana fampihavanana” sy “fanompoana an’ireo olona masina”?

5 Matoa i Paoly nampiasa teny grika iray ihany mba hilazana an’ireo karazana fanompoana roa ireo, dia midika izany fa azo sokajina ho iray ihany ireo, izany hoe mitovy lenta. Hoy mantsy izy talohan’izay: ‘Misy fanompoana maro samihafa, nefa iray ihany ny Tompo. Misy asa maro samihafa, nefa tontosain’ny fanahy iray ihany.’ (1 Kor. 12:4-6, 11) Nilaza mihitsy aza i Paoly fa “fanompoana masina” daholo izay zavatra atao eo anivon’ny fiangonana.b (Rom. 12:1, 6-8) Tsy mahagaga raha nanokana fotoana ‘hanompoana ny olona masina’ izy.—Rom. 15:25, 26.

6. a) Nahoana no hoe fanompoana masina ny manampy ny mpiray finoana tra-boina? b) Ahoana no ataontsika rehefa misy loza? (Jereo ilay hoe “Ary Ahoana Rehefa Tonga ny Loza?”, pejy 214.)

6 Nohazavain’i Paoly koa hoe nahoana no fanompoana masina tokony hataon’ny Kristianina ny manampy ny mpiray finoana tra-boina. Nilaza izy fa “manaiky ny vaovao tsara momba an’i Kristy” isika, rehefa manao izany. (2 Kor. 9:13) I Kristy mantsy no nampianatra antsika hoe mila mifankatia, ka manaiky na mankatò azy isika raha manampy ny mpiara-mivavaka amintsika. Nanazava koa i Paoly fa ampiasain’i Jehovah isika amin’izany, mba hampiseho ny ‘halehiben’ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa.’ (2 Kor. 9:14; 1 Pet. 4:10) Hoy Ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra 1975: ‘Tena tian’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy Zanany hanampy ny mpiray finoana amintsika isika.’ Manao fanompoana masina àry isika rehefa manampy ny tra-boina.—Rom. 12:1, 7; 2 Kor. 8:7; Heb. 13:16.

Inona ny tanjontsika rehefa manampy tra-boina?

7, 8. Inona ny tanjontsika rehefa manampy tra-boina, ary ahoana no nanasongadinan’i Paoly an’izany?

7 Mamaly izany i Paoly ao amin’ny 2 Korintianina 9:11-15. (Vakio.) Nilaza izy fa manao “fanompoana ho an’ny besinimaro” isika rehefa manampy tra-boina, ary misy tanjona telo tiantsika hotratrarina amin’izany.

8 Voalohany, tiantsika hahazo voninahitra i Jehovah. Nanasongadina an’izany i Paoly ao amin’ireo andininy ireo. Nilaza, ohatra, izy fa lasa ‘misaotra an’Andriamanitra’ sy manao “fisaorana maro be ho an’Andriamanitra” ilay Kristianina rehefa avy ampiana. (Andininy 11, 12) Lasa “mankalaza an’Andriamanitra” koa izy, sady miaiky hoe tena ‘lehibe ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa.’ (Andininy 13, 14) Na i Paoly aza nidera an’i Jehovah, ka niteny hoe: “Hisaorana anie Andriamanitra!”—Andininy 15; 1 Pet. 4:11.

9. Inona no vokany rehefa mifanampy isika? Manomeza ohatra.

9 Manampy tra-boina àry isika satria te hanome voninahitra an’i Jehovah. (1 Kor. 10:31) Mandravaka ny fampianarany mihitsy aza isika rehefa manao izany, izany hoe manaporofo fa tsara ny zavatra ampianariny antsika. (Tit. 2:10) Matetika mantsy no misy olona diso hevitra momba an’i Jehovah sy momba antsika, nefa lasa niova rehefa nahita antsika nifanampy. Nasian’ny vehivavy iray soratra, ohatra, teo am-baravarany hoe: “Tsy Mila Vavolombelon’i Jehovah.” Nisy rivo-doza anefa tany amin’ny faritra nisy azy, indray mandeha. Voamariny tamin’izay fa nisy olona nifanampy nanamboatra trano simba teo ampitan’ny tranony. Nitazatazana azy ireo foana izy nandritra ny andro vitsivitsy, ka hitany fa tena mifankatia izy ireo. Nanatona teny àry izy mba hanontany hoe iza ireo olona ireo. Gaga be izy hoe Vavolombelon’i Jehovah ry zareo. Hoy izy: “Hay izaho nitsaratsara anareo fotsiny hatramin’izay!” Inona no vokany? Nesoriny ilay soratra teo am-baravarany.

10, 11. a) Inona ny porofo fa karakaraintsika tsara ny mpiray finoana amintsika rehefa tra-boina? b) Inona ny bokikely navoaka mba hanampiana ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky? (Jereo ilay hoe “Bokikely Manamora ny Asan’ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky.”)

10 Faharoa, te hikarakara tsara ny mpiray finoana amintsika isika. (2 Kor. 9:12a) Rehefa misy mpiray finoana amintsika iharan-doza, dia midodododo mankany isika mba hanampy azy. “Vatana iray ihany” mantsy isika rehetra, ka “raha mijaly ny rantsambatana iray, dia miara-mijaly aminy ny rantsambatana rehetra.” (1 Kor. 12:20, 26) Be dia be ny rahalahy sy anabavy manajanona avy hatrany ny asany, dia manangona an’izay zavatra mety hilaina any amin’ilay toerana nisy loza, ary mandeha haingana mankany. Tia sady mangoraka an’ireo mpiray finoana aminy tra-boina mantsy izy ireo. (Jak. 2:15, 16) Nisy tsunami, ohatra, tany Japon, tamin’ny 2011. Nandefa taratasy tany amin’ny Komitim-paritra Momba ny Fanorenana tany Etazonia àry ny Betelan’i Etazonia hoe sao dia mba misy “rahalahy vitsivitsy efa za-draharaha” afaka mankany Japon. Nisy Efitrano Fanjakana rava mantsy tany, ka nila naorina indray. Herinandro vitsivitsy monja, dia mpiasa an-tsitrapo efa ho 600 no nisoratra anarana, sady nilaza daholo hoe izy ihany no handoa ny saran-dalany! Hoy ny Betelan’i Etazonia: “Tena tsy nampoizinay ilay izy!” Rehefa nanontanian’ny rahalahy tany Japon ny mpiasa an-tsitrapo iray hoe nahoana izy no nankany, dia hoy izy: “Vatana iray ihany ange isika e! Rehefa mijaly ianareo dia mijaly koa izahay.” Manao vivery ny ainy mihitsy aza indraindray ireny mpiasa an-tsitrapo ireny, satria tena tiany ny mpiray finoana aminy.c—1 Jaona 3:16.

Vavolombelon’i Jehovah any Soisa manomana zavatra halefa ho an’ny mpiara-mivavaka aminy tra-boina, tamin’ny 1946

Soisa, 1946

NANAMPY TRA-BOINA TANY AN-TANY HAFA

VAO vita kelikely ny Ady Lehibe II tamin’ny Septambra 1945, dia nilaza ny Rahalahy Knorr fa hisy fandaharana hatao mba “hanampiana ny rahalahy sahirana any Eoropa afovoany.” Tamin’io isika no nanomboka nanampy tra-boina tany an-tany hafa.

Nanangona akanjo sy sakafo be dia be ny Vavolombelon’i Jehovah tany Kanada sy Etazonia ary tany an-tany hafa, nandritra ny herinandro vitsivitsy. Nalamin-dry zareo tsara ilay izy, ary nalefany ho an’izay Vavolombelona sahirana, nanomboka tamin’ny Janoary 1946. Ireto avy ny tany nandefasana izany: Angletera, Alemaina, Aotrisy, Belzika, Boligaria, Chine, Danemark, Failandy, Frantsa, Gresy, Holandy, Hongria, Italia, Norvezy, Philippines, Polonina, Romania, ary Tsekoslovakia.

Nitohy nandritra ny roa taona sy tapany izany, ary tamin’ny Aogositra 1948 vao najanona. Rahalahy sy anabavy 85 000 teo ho eo no nandefa sakafo 300 taonina mahery sy akanjo 450 taonina teo ho eo ary kiraro 124 000 mahery, ho an’ny mpiray finoana taminy tany amin’ny tany potiky ny ady. Hoy Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1949: “Tena hita hoe tia ny mpiray finoana aminy ny rahalahy rehetra. Hita koa hoe te hanome voninahitra ny Tompo izy ireo. Tiany hahavita hanompo an’i Jehovah foana mantsy ny mpiara-manompo aminy ka nampiany, ary tena faly izy ireo nanao izany.” Nahazo voninahitra i Jehovah tamin’izay. Nahazo izay nilainy koa ireo Vavolombelona sahirana, ary vao mainka niray saina ny vahoakan’i Jehovah.

11 Mampiaiky ny olona tsy Vavolombelona koa ny zavatra ataontsika amin’ny fotoana toy ireny. Nisy loza, ohatra, tany Arkansas, any Etazonia, tamin’ny 2013. Nilaza ny gazety iray fa tonga dia nanampy an’izay rahalahy sy anabavy tra-boina tany ny Vavolombelon’i Jehovah. Hoy izy io: “Efa voarindra tsara ny zavatra ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa misy loza, ka hainy tsara ny manampy ny mpiara-mivavaka aminy.” Tena marina mihitsy ny tenin’i Paoly hoe mikarakara tsara ny mpiray finoana amintsika isika.

12-14. a) Nahoana ny tra-boina no mila ampiana hitory sy hivory haingana? b) Inona no nolazain’ny Kristianina sasany, ka mampiseho fa ilaina ny mivory sy mitory foana, na dia tra-boina aza?

12 Fahatelo, tiantsika hiverina haingana hivory sy hitory ilay tra-boina. Nilaza i Paoly fa hanao “fisaorana maro be ho an’Andriamanitra” ilay olona rehefa avy ampiana. (2 Kor. 9:12b) Tsy aleo àry ve ampiana haingana izy mba ho afaka hitory sy hampianatra indray? Izany mantsy no zavatra tsara indrindra azony atao raha te hisaotra an’i Jehovah izy. (Fil. 1:10) Hoy Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1945: ‘Hitan’i Paoly fa hevitra mety ilay hoe manangona vola hanampiana ny Kristianina tra-boina. Tsy dia ho sahirana be izy ireo amin’izay, ka ho afaka hitory sady hazoto kokoa hanao izany.’ Mbola izany koa no tanjontsika hatramin’izao. Tiantsika hiverina hitory avy hatrany ny rahalahy sy anabavy tra-boina. Hampahery azy izany sady ho afaka hampahery ny mpiara-monina aminy izy.—Vakio ny 2 Korintianina 1:3, 4.

13 Maro ny rahalahy sy anabavy tra-boina nahatsapa an’izany. Nomena an’izay zavatra tena nilainy izy ireo ka afaka nitory indray, ary nampahery azy ireo izany. Hoy ny rahalahy iray: “Soa ihany izahay mianakavy fa nandeha nanompo. Variana nampahery olona izahay, dia hadinodinonay ny olana nanjo anay.” Hoy ny anabavy iray: “Tsy nitebiteby be intsony aho rehefa nandeha nanompo, dia tsy nibahana be tao an-tsaiko ilay hoe ravarava daholo ny zavatra manodidina ahy.” Hoy koa ny anabavy iray hafa: “Tsy afa-nanoatra izahay indraindray, nefa lasa natanja-tsaina rehefa nandeha nitory. Vao mainka mantsy izahay nino fa tena hisy ny tontolo vaovao, arakaraka ny niresahanay an’ilay izy.”

14 Mila mivory haingana koa ny rahalahy sy anabavy tra-boina. Nisy tsunami, ohatra, tany amin’ny faritra nisy an’i Kiyoko, anabavy 60 taona latsaka kely, ka tsy nanana na inona na inona intsony izy afa-tsy ny akanjo teny an-kodiny sy ny kapany. Very hevitra àry izy. Nisy anti-panahy niteny taminy anefa hoe: ‘Andao hanao fivoriana ihany, dia ao anaty fiarako ilay izy no hatao.’ Nitantara i Kiyoko hoe: “Ilay anti-panahy sy ny vadiny, dia izaho sy ny rahavavy iray no tao. Tsotra aloha ilay fivoriana e! Nahagaga anefa fa hoatran’ny hadinoko tampoka teo ilay tsunami. Lasa nilamina be ny saiko. Niaiky aho tamin’izay hoe tena ilaina ny mivory.” Hoy koa ny anabavy iray tra-boina nefa nivory avy hatrany: “Tsy ho nahavita niaritra aho raha tsy nivory!”—Rom. 1:11, 12; 12:12.

Inona avy ny soa azo rehefa mifanampy?

15, 16. a) Inona ny soa azon’ny Kristianina tany Korinto sy tany an-toeran-kafa noho izy ireo nanampy tra-boina? b) Mbola mahasoa ve ny manampy tra-boina? Hazavao.

15 Nanampy an’ireo Kristianina tany Jerosalema koa ny Kristianina tany Korinto sy tany an-toeran-kafa. Nohazavain’i Paoly fa nahasoa azy ireo izany. Hoy izy: “Mitalaho ho anareo izy ireo [ny Kristianina jiosy tany Jerosalema] ary maniry mafy hahita anareo, noho ny halehiben’ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa asehon’Andriamanitra aminareo.” (2 Kor. 9:14) Nivavaka ho an’ny Kristianina tany Korinto àry ny Kristianina jiosy tany Jerosalema sady te hahita mafy azy ireo, na dia tsy Jiosy toa azy aza ny sasany. Nalala-tanana taminy mantsy ry zareo.

16 Mahasoa àry ny manampy tra-boina, na taloha na ankehitriny. Hoy ihany ilay Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1945: ‘Lasa tena miray saina ny vahoakan’Andriamanitra rehefa mifanampy.’ Izany mihitsy no tsapan’izay efa nanampy tra-boina. Nanampy tra-boina tamin’ny tondra-drano iray, ohatra, ny anti-panahy iray. Hoy izy: “Lasa mpinamana be izahay.” Hoy koa ny anabavy iray, rehefa avy nampian’ny mpiray finoana taminy: “Hoatran’ny hoe efa any amin’ny Paradisa sahady isika, satria manana mpiray finoana tena tia antsika.”—Vakio ny Ohabolana 17:17.

17. a) Nahoana no azo lazaina hoe tanteraka ny Isaia 41:13 rehefa manampy an’izay mpiray finoana tra-boina isika? b) Milazà ohatra manaporofo hoe manome voninahitra an’i Jehovah sy lasa miray saina isika rehefa mifanampy. (Jereo koa ilay hoe “Mifanampy ny Vavolombelon’i Jehovah Eran-tany.”)

17 Misy soa hafa koa azon’ny Kristianina tra-boina, ary hafakely ilay izy. Nampanantena i Jehovah hoe: “Izaho Jehovah Andriamanitrao no mitantana anao amin’ny tananao ankavanana, eny, izaho Ilay milaza aminao hoe: ‘Aza matahotra fa hanampy anao aho.’ ” (Isaia 41:13) Hoy ny anabavy iray tra-boina: “Kivy be aho nahita hoe feno zavatra rava nanodidina ahy. Toy ny hoe nitantana ahy anefa i Jehovah, satria naniraka mpiara-manompo hanampy ahy. Tena niavaka ny zavatra nataon-dry zareo, ka tsy hitako izay hilazana azy.” Nisy horohoron-tany be koa tany amin’ny faritra iray hafa, ary izao no nosoratan’ny anti-panahy roa: ‘Nampalahelo be ilay izy, nefa nahatsapa ny fiangonanay hoe nampian’i Jehovah. Ny mpiray finoana taminay no nasainy nanao izany. Tamin’ny bokin’ny fandaminana foana taloha no nahalalanay hoe mifanampy ny vahoakan’i Jehovah rehefa misy loza, fa izao ny masonay mihitsy no mahita.’

Peter Johnson mandray anjara amin’ny fanorenana trano hivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah

NANOVA NY FIAINANY ILAY IZY

AFAKA manampy tra-boina na dia ny tanora aza, ary mety hisy vokany tsara aminy izany. Vao 18 taona, ohatra, i Peter Johnson, tamin’izy nanomboka nanampy tra-boina, tamin’ny 1974. Hoy izy: “Faly be mihitsy ry zareo, dia izaho koa faly satria nanampy azy. Nisy vokany be tamiko ilay izy. Vao mainka aho te hanompo an’i Jehovah, sady te hanao izay fara heriko mihitsy.” Lasa mpisava lalana i Peter taorian’izay. Niasa tao amin’ny Betela izy avy eo, ary lasa anisan’ny Komitim-paritra Momba ny Fanorenana tatỳ aoriana. Hoy izy: “Iny izaho nanampy tra-boina voalohany iny no nanova ny fiainako.” Tanora àry ve ianao? Nahoana raha manao hoatran’i Peter, ka manampy tra-boina? Mety hanova ny fiainanao izany, satria mety homen’i Jehovah tombontsoa maro ianao!

Ianao koa ve mba te hanampy tra-boina?

18. Inona no azonao atao raha te ho mpanampy tra-boina ianao? (Jereo koa ilay hoe “Nanova ny Fiainany Ilay Izy.”)

18 Mahatsiaro ho sambatra ny rahalahy sy anabavy manampy tra-boina. Te ho lasa mpanampy tra-boina àry ve ianao? Ny mpanorina Efitrano Fanjakana mazàna no tendrena hanao izany. Mitenena àry amin’ny anti-panahy hoe te hameno fangatahana ho mpanorina efitrano ianao. Nanoro hevitra koa ny anti-panahy iray efa zatra manampy tra-boina hoe: “Aza tonga dia mandeha manampy any amin’ny toerana nisy loza, raha tsy efa notendren’ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky hanao izany ianao.” Hilamina tsara amin’izay ny zavatra atao any.

19. Inona no ataon’ny rahalahy sy anabavy maro ka manaporofo fa tena mpianatr’i Kristy izy ireo?

19 Nandidy antsika ‘hifankatia’ i Kristy. Mankatò an’izany isika ka manampy an’izay mpiray finoana tra-boina. Izany koa no porofo fa tena mpianatr’i Kristy isika. (Jaona 13:34, 35) Sambatra isika manana rahalahy sy anabavy be dia be vonona hanampy, rehefa misy tra-boina ny vahoakan’ilay Fanjakana. Lasa mahazo voninahitra i Jehovah noho izany.

a Ampiantsika koa anefa matetika, na dia ny olona tsy Vavolombelon’i Jehovah aza.—Gal. 6:10.

b Anisan’izany ny asan’ny mpanampy amin’ny fanompoana. Nampiasa teny grika hoe diakônôs i Paoly, mba hilazana ny “mpanampy amin’ny fanompoana.”—1 Tim. 3:12.

c Jereo ilay lahatsoratra hoe “Fanampiana Ireo Mpianakavintsika ao Amin’ny Finoana any Bosnia”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra 1994, pejy 23-27.

Mino ve Ianao fa Tena Misy ny Fanjakan’Andriamanitra?

  • Nahoana no hoe fanompoana masina ny manampy ny mpiray finoana tra-boina?

  • Inona avy ny tanjontsika rehefa manampy azy ireny?

  • Inona ny soa azontsika rehefa mifanampy isika?

  • Nahoana no hoe mankatò ny didin’i Jesosy ao amin’ny Jaona 13:34 isika rehefa manampy tra-boina?

MIFANAMPY NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH ERAN-TANY

AFRIKA AFOVOANY SY ANDREFANA

Nisy adim-poko tany Rwanda tamin’ny 1994, ka 800 000 teo ho eo no maty. Lasa nisy korontana koa tany an-tany hafa tany Afrika Afovoany vokatr’izany, ka be dia be no nitsoa-ponenana, ary feno hipoka ny toby nasiana azy ireo. Nanampy ny Vavolombelon’i Jehovah tany àry ny Vavolombelona tany Belzika sy Frantsa ary Soisa, ka nandefa akanjo, fanafody, tranolay, sakafo, ary zavatra hafa 300 taonina teo ho eo. Herinandro vitsivitsy monja, dia voarain’ireo rahalahy tany Afrika ireo rehetra ireo.

Matetika koa no misy ady an-trano sy mosary ary aretina any Afrika. Misy dokotera sy mpitsabo mpanampy folo avy any Frantsa àry tonga matetika any, mba hikarakara ny mpiray finoana aminy. Rahalahy sy anabavy 10 000 mahery no notsaboin’izy ireo, tato anatin’ny roa taona monja. Rehefa mahita ny zava-bitan’izy ireo ny olona, dia miaiky hoe hafa mihitsy ny fivavahantsika. Nitantara ny mpitsabo mpanampy iray hoe: “Manaja anay ny olona sady miteny hoe: ‘Vavolombelon’i Jehovah ireo. Hanampy ny mpiara-mivavaka aminy no alehan-dry zareo atỳ.’ ” Mahazo voninahitra koa i Jehovah. Izao, ohatra, no tenin’ny anabavy iray rehefa avy nikarakara azy ny mpitsabo mpanampy iray: “Misaotra rahavavy, dia misaotra koa Jehovah ô!”

Mifanampy koa ny rahalahy any Afrika rehefa sendra loza hafa. Nisy lozam-piarakodia, ohatra, tany Nizeria tamin’ny 2012, ka Vavolombelona 13 tao amin’ny fiangonana kely iray no maty. Nisy 54 koa naratra mafy. Rahalahy sy anabavy maro no nifandimby nikarakara ny maratra tsirairay tany amin’ny hopitaly, na andro na alina, ary ny komitin’ny vonjy rano vaky no nandamina izany. Tsikaritry ny marary iray tsy Vavolombelona hoe tena voakarakara tsara ireo Vavolombelona naratra, ka nitelefaonina ny pasiterany izy hoe: “Tsisy nitsidika ahy mihitsy ny mpiangona ao amintsika. Ny Vavolombelon’i Jehovah anefa ato, mifankatia sady mifanampy. Tongava atỳ dia ho hitanao!”

Marina fa nalahelo be izay sisa tavela tao amin’ilay fiangonana. Lasa natanja-tsaina anefa izy ireo, satria hitany hoe tena tia azy ny mpiray finoana aminy. Lasa nanompo bebe kokoa mihitsy aza ny sasany rehefa nahita hoe nokarakaraina tsara ireo naratra. Nisy 35 ny mpitory tao amin’ilay fiangonana kely, talohan’ilay loza. Lasa 60 anefa izy ireo, herintaona taorian’izay.

AOSTRALIA

Nisy tondra-drano tany amoron-tsirak’i Queensland tamin’ny 2013, ka Vavolombelona 70 no tra-boina. Difotry ny rano, ohatra, ny tranon’i Mark sy Rhonda, ka tsy maintsy nankany amin’ny trano ho an’ny tra-boina izy ireo sy ny zanany vavy. Feno hipoka ilay izy, ka “na ny hipetrahana aza tsisy fa tsy maintsy nitsangana”, hoy i Rhonda. Nahasorena be koa tao amin’ilay toerana. Tsy vitan’izay fa nisy helikoptera niaka-nidina teo akaiky teo, ka nankarenin-tsofina. Nitebiteby be i Rhonda, ka nanontany ny vadiny hoe: “Dia ahoana no hataontsika?” Nivavaka mafy tamin’i Jehovah àry i Mark. Hoy i Rhonda: ‘Antsasak’adiny teo ho eo taorian’izay, dia iny fa nisy aotomobilina tonga, dia nisy ranadahy telo nivoaka avy tao. Niteny taminay ry zareo hoe: “Andao fa efa misy rahalahy handray anareo.” Nihetsi-po be mihitsy izahay. Tsy haiko ny milaza an’ilay izy. Tena tia anay ny fandaminan’i Jehovah.’

Mpiasa an-tsitrapo 250 mahery no tonga tany mba hanampy an’izay tra-boina. Hoy ny rahalahy iray zokiolona: “Taitra be izahay mivady fa nisy rahalahy sy anabavy maromaro tonga tao aminay, dia nanala ny fakofako rehetra tao. Tena niasa be ry zareo. Tsy ho hadinonay mihitsy ny nataon-dry zareo.”

BREZILA

Nisy tany nihotsaka sy tondra-drano tany Santa Catarina, tamin’ny 2008, ka 80 000 teo ho eo no tra-boina. Hoy ny lehilahy iray: “Hoatran’ny tsunami ilay izy, fa tsy rano be no tamy avy any fa fotaka be sy hazo be dia be.” Tany amin’ny Efitrano Fivoriambe ny Vavolombelona sasany no nandeha. Hoy i Márcio, mpiambina an’ilay efitrano: “Tsy maintsy nitsoaka haingana ry zareo, ka tsy nanana afa-tsy izay teny an-kodiny. Ny akanjony amin’io feno fotaka tanteraka!” Hoy ny anabavy iray: “Rava tao anatin’ny indray mipy maso ny tranonay. Tsy zakanay ny nijery an’ilay izy. Nisy ranadahy sy rahavavy be dia be anefa nampahery anay. Tsy hohadinoiko mihitsy ny nataon-dry zareo. Tena tia anay ry zareo. Nianarako koa hoe aleo miezaka manompo an’i Jehovah fa tsy manankim-po amin’ny fananana.”

Vavolombelon’i Jehovah mandamina sy mizara fanomezana ho an’ny tra-boina, tany Brezila

Efitrano Fivoriambe any Santa Catarina, any Brezila. Natoby tao daholo ny entana rehetra ho an’ny tra-boina, tamin’ny 2009

Nisy tany nihotsaka avy any an-tendrombohitra koa tany akaikin’i Rio de Janeiro, ka rakotry ny fotaka daholo ny trano teny an-tsisin’ilay tendrombohitra. Mateti-pitranga izany. Nanapa-kevitra àry ny rahalahy any fa hanangana Komitin’ny Vonjy Rano Vaky azo antsoina foana. Efa misy rahalahy maromaro eny akaiky eny asaina miantso azy io. Vao maharay antso ilay komity, dia maniraka mpiasa an-tsitrapo any amin’ilay toerana. Mitondra kamiao misy hoe “Fanampiana avy Amin’ny Vavolombelon’i Jehovah” ry zareo. Efa samy manana ny asany izy rehetra, ary samy manao akanjo ahalalana azy hoe Vavolombelon’i Jehovah. Karakarainy izay maratra, ary manampy azy ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly. Efa mitondra fanafody, akanjo, sakafo, rano, ary zavatra hanadiovana ry zareo. Manala fotaka ao anaty trano koa izy ireo. Asa be mihitsy ilay izy. Fotaka efatra kamiao be izao, ohatra, no nesorina tao amin’ny trano iray, vao haingana, ary mpiasa an-tsitrapo 60 vao nahafaka an’ilay izy!

AHOANA NO ATAO DIENY MBOLA TSY MISY LOZA?

Ny biraon’ny sampana no asain’ny Filan-kevi-pitantanana miandraikitra an’izany, ka izy ireo no manome toromarika ny anti-panahy sy ny mpiandraikitra mpitety faritany hoe inona tokony hatao dieny mbola tsy misy loza, ary ahoana no hatao rehefa misy loza. Tokony ho efa ananan’ny anti-panahy, ohatra, ny adiresy sy nomeraon-telefaonin’ny mpitory rehetra ao amin’ny fiangonana.

ARY AHOANA REHEFA TONGA NY LOZA?

  1. Anti-panahy mampahery fianakaviana Vavolombelona

    Mitady ny mpitory rehetra ny anti-panahy

  2. Ataony tatitra any amin’ny anti-panahy mpandrindra izay zavatra hitany

  3. Fomba ifampiresahan’ny anti-panahy mpandrindra amin’ny mpiandraikitra mpitety faritany sy ny rahalahy mpiandraikitra hafa ary ny biraon’ny sampana

    Ny anti-panahy mpandrindra indray no handefa ilay tatitra any amin’ny mpiandraikitra mpitety faritany sy izay rahalahy hafa efa notendren’ny sampana hiandraikitra an’izany

  4. Sakafo sy rano ho an’ny tra-boina

    Tonga dia omena izay ilainy ilay tra-boina, ohatra hoe sakafo sy rano ary trano vonjimaika. Ampaherezina koa izy, ary tsaboina raha mila izany

  5. Rahalahy vitsivitsy mandinika tatitra momba ny zavatra ilain’ny tra-boina

    Manao tatitra any amin’ny Komitin’ny Mpandrindra ao amin’ny Filan-kevi-pitantanana ny sampana hoe inona no vokatr’ilay loza, ary inona no ilaina

  6. Olona mizara zavatra ho an’ny tra-boina

    Omena izay zavatra mbola ilainy ny tra-boina ary ampiana ho tafarina indray. Ohatra hoe amboarina ny tranony. Ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky no miandraikitra izany

  7. Fiaramanidina eny amin’ny lanitra

    Mandinika an’ilay tatitra ny Komitin’ny Mpandrindra, ary mandefa mpiasa an-tsitrapo avy any an-tany hafa mba hanampy an’ireo tra-boina, raha ilaina izany

BOKIKELY MANAMORA NY ASAN’NY KOMITIN’NY VONJY RANO VAKY

Ilay bokikely hoe Inona no Ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah Rehefa Misy Loza? (anglisy)

NISY bokikely hoe Inona no Ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah Rehefa Misy Loza? (anglisy) navoaka tamin’ny Jona 2013. Natao ho an’ny manam-pahefana any Etazonia izy io, izany hoe izay manam-pahefana manara-maso ny zavatra atao hanampiana ny tra-boina. Hazavaina ao ny zavatra sasany efa nataontsika nanomboka tamin’ny 1946, mba hanampiana ny mpiray finoana amintsika tra-boina. Misy sary ahitana koa ao hoe taiza avy no efa nanaovantsika izany. Hoy ny anti-panahy iray miandraikitra ny fanampiana tra-boina: “Omen’ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky an’io bokikely io izay manam-pahefana any amin’ny toerana matetika tratran’ny loza, dieny mbola tsy misy loza. Tsy manahirana amin’izay ny mangataka alalana ho any amin’ilay toerana, satria efa fantatr’izy ireo mialoha hoe ahoana no ataontsika rehefa misy loza.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara