FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w15 15/11 p. 14-15
  • Tahafo i Jehovah ka Miezaha ho Tia Manome

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tahafo i Jehovah ka Miezaha ho Tia Manome
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • TENA TIA MANOME IZY
  • “Asa Goavana” no Miandry Antsika
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
  • Nameno ny Tsy Ampy ny Ambim-bavan’izy Ireo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Tena Tahin’i Jehovah Ireo Tia Manome
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Ahoana no Azontsika Anampiana ny Hafa Hahazo Izay Ilainy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
w15 15/11 p. 14-15
Vehivavy manao fanomezana amin’ny alalan’ny fitaovana elektronika

Tahafo i Jehovah ka Miezaha ho Tia Manome

ANDRIAMANITRA tia manome i Jehovah. (Jak. 1:17) Hita amin’ny zava-drehetra noforoniny izany, hatrany an-danitra ka hatretỳ an-tany. Feno kintana, ohatra, ny lanitra ary rakotra zava-maitso ny tany.—Sal. 65:12, 13; 147:7, 8; 148:3, 4.

Tena nankasitraka ny Mpamorona azy ny mpanao salamo, ka nanao hira hiderana azy. Vakio ny Salamo faha-104, ka jereo raha mitovy ny zavatra tsapanareo. Hoy izy: “Hihira ho an’i Jehovah aho mandritra ny androm-piainako, ary hihira fiderana ho an’Andriamanitro aho raha mbola velona koa.” (Sal. 104:33) Te hanao an’izany koa ve ianao?

TENA TIA MANOME IZY

Tian’i Jehovah halala-tanana toa azy isika. Nohazavainy koa hoe nahoana isika no tokony halala-tanana. Nasainy nanoratra ny apostoly Paoly hoe: “Anaro ny manankarena eto amin’ity tontolo ity, mba tsy hanambony tena, na hametraka ny fanantenany amin’ny harena tsy azo antoka, fa amin’Andriamanitra izay manome antsika be dia be ny zava-drehetra mba hifaliantsika. Anaro koa izy ireny mba hanao soa, sy hanan-karena amin’ny asa tsara, ho tia manome, ho vonon-kizara, ka hanana harena tsara tahiry ho an’ny tenany, izany hoe fototra tsara ho amin’ny hoavy. Amin’izay izy dia hifikitra mafy amin’ny tena fiainana.”—1 Tim. 6:17-19.

Nasongadin’i Paoly tao amin’ny taratasiny faharoa ho an’ny Korintianina ny toe-tsaina tokony hananana rehefa manome. Hoy izy: “Aoka ny tsirairay samy hanao araka izay fanapahan-keviny tao am-pony, tsy amin’alahelo na an-tery, fa ny mpanome amim-pifaliana no tian’Andriamanitra.” (2 Kor. 9:7) Nolazainy koa fa mahasoa ny manome. Mahazo izay ilainy mantsy ilay olona nomena zavatra, ary mahazo fitahiana maro ilay nanome.—2 Kor. 9:11-14.

Inona no porofo miavaka indrindra fa tia manome Andriamanitra? Hoy i Paoly rehefa namarana ny teniny: “Koa hisaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany maimaim-poana tsy hay lazaina!” (2 Kor. 9:15) Anisan’izany fanomezana izany ny zava-tsoa rehetra omeny ny vahoakany, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Tena sarobidy izany ka tsy misy teny mahalaza ny hatsarany.

Inona no hataontsika raha ankasitrahantsika izay efa nataon’i Jehovah sy ny Zanany, ary izay mbola hataony ho antsika? Azontsika atao ny manome ny fotoanantsika sy ny herintsika ary ny fananantsika, mba hampandrosoana ny fivavahana marina. Mety foana izay omentsika, na be na kely.—1 Tan. 22:14; 29:3-5; Lioka 21:1-4.

Fomba Fidin’ny Olona Sasany Anaovana Fanomezana ho An’ny Asa Maneran-tany

Maro ny olona ‘manokana vola’ hatao fanomezana, toy ny tamin’ny andron’ny apostoly Paoly, ary mandrotsaka izany ao amin’ny boatin’ny fiangonana misy soratra hoe “Asa Maneran-tany.” (1 Kor. 16:2) Alefan’ny fiangonana any amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah eo an-toerana ireny vola ireny isam-bolana. Azon’ny tsirairay alefa mivantana koa anefa ny fanomezana an-tsitrapo, ka alefa any amin’ny Biraon’ny Mpitahiry Vola, Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly eto Madagasikara (FI.MPI.BA.MA.), B.P. 116, 105 Ivato. Ireto avy ny karazana fanomezana azonao alefa mivantana:

FANOMEZANA TSY MISY FEPETRA

  • Vola avy ao amin’ny kaonty amin’ny banky ary alefa amin’ny alalan’ny Internet na amin’ny alalan’ny karatra fandoavam-bola. Azo atao amin’ny alalan’ny jw.org na amin’ny alalan’ny tranonkala hafa efa voafidy koa izany, any amin’ny sampana sasany.

  • Lelavola, firavaka, na zava-tsarobidy hafa. Ampiaraho amin’ny taratasy milaza hoe fanomezana tsy misy fepetra ilay izy. Antsoina hoe fanomezana tsy misy fepetra ny vola na zavatra omenao, rehefa tsy misy fepetra lazainao momba an’ilay izy.

FANOMEZANA VOLA MISY FEPETRA

  • Azonao atao ny manome vola misy fepetra. Afaka mametraka fepetra ianao, ohatra hoe haverina aminao ilay vola rehefa mangataka izany ianao.

  • Ampiaraho amin’ny taratasy milaza hoe fanomezana misy fepetra ilay izy.

FOMBA FANOMEZANA HAFA

Misy fomba tsotra koa azo anaovana fanomezana. Afaka manokana ampahany amin’ny zaridainanao na amin’ny taninao ianao, na mifidy biby vitsivitsy amin’ireo biby ompianao, na mifidy hazo fihinam-boa vitsivitsy eo amin’ny sahanao. Atokano foana izay vokatra azo amin’ilay tany, na biby, na hazo fihinam-boa. Amidio foana izany, ka izay vola azo dia arotsahy ao amin’ny boatin’ny fiangonana misy soratra hoe “Asa Maneran-tany.” Mbola misy fomba hafa koa anefa ireto:

Fanomezana isam-bolana: Hoy ny Baiboly: “Manomeza voninahitra an’i Jehovah amin’ireo zava-tsarobidy anananao sy amin’ny voaloham-bokatrao rehetra.” (Ohab. 3:9) Misy olona sasany manokana ampahany amin’ny karamany isam-bolana, mba harotsaka ao amin’ny boatin’ny fiangonana misy soratra hoe “Asa Maneran-tany.”

Fiantohana: Azo soratana amin’ny anaran’ny FI.MPI.BA.MA. ny vola avy amin’ny fifanekem-piantohana aina na ny fisotroan-dronono.

Kaonty any amin’ny banky: Azo soratana amin’ny anaran’ny FI.MPI.BA.MA. ny kaonty any amin’ny banky, na ny kaonty misy ny fisotroan-dronono. Azo atao koa anefa ny mifanaraka amin’ny banky hoe ny FI.MPI.BA.MA. no haka ny volanao ao amin’ilay kaonty, rehefa maty ianao. Tokony hatao mifanaraka amin’ny fepetra apetraky ny banky ireo rehetra ireo.

Trano sy tany: Azo atao fanomezana tsy misy fepetra ny trano sy tany azo amidy. Azo atao fanomezana misy fepetra koa anefa izany, ohatra hoe mbola ho fanananao ilay izy izao, na mbola tianao hipetrahana, fa rehefa maty ianao vao lasan’ny FI.MPI.BA.MA. ilay izy. Mifandraisa amin’ny biraon’ny sampana, alohan’ny hamindrana trano sy tany ho amin’ny anaran’ny FI.MPI.BA.MA.

Didim-pananana sy fanankinam-pananana: Azo ampandovaina fananana na vola ny FI.MPI.BA.MA., nefa tokony hisy didim-pananana ara-dalàna atao mba hampanan-kery an’ilay izy. Misy koa mahazo tombony amin’ny taniny na ny fananany hafa ankininy amin’ny olona na orinasa, ary tiany ny hizara ilay tombony amin’ny FI.MPI.BA.MA. Tokony hosoratany mazava tsara ao amin’ny fifanarahana ifanaovany amin’ilay olona na orinasa anefa izany. Mety hihena ny hetra aloanao, rehefa manasoa fikambanana ara-pivavahana ianao.

Raha mila fanazavana fanampiny ianao, dia manorata na miantsoa any amin’ny Biraon’ny Mpitahiry Vola.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara