FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • re toko 20 p. 119-129
  • Vahoaka Be Tsy Tambo Isaina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Vahoaka Be Tsy Tambo Isaina
  • Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Azo antoka hoe iza ny vahoaka be
  • Any an-danitra sa eto an-tany?
  • Hira fiderana eran’izao rehetra izao
  • Miseho ny vahoaka be
  • Fitahiana ho an’ny vahoaka be
  • Ataovy azo antoka ny fiantsoana anao
  • Iza Ilay “Vahoaka Be”?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2019
  • Olona Betsaka eo Anoloan’ny Seza Fiandrianan’i Jehovah
    Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
  • Olona Betsaka eo Anoloan’ny Seza Fiandrianan’i Jehovah
    Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
  • Olona Betsaka Manao Fanompoana Masina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
Hijery Hafa
Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
re toko 20 p. 119-129

Toko 20

Vahoaka Be Tsy Tambo Isaina

1. Iza no antokon’olona hitan’i Jaona, taorian’ny fanisiana tombo-kase an’ireo 144 000?

MIRESAKA momba ny iray amin’ireo fahitana mampientam-po indrindra ahariharin’ny Soratra Masina i Jaona, rehefa avy nanazava ny fanisiana tombo-kase an’ireo 144 000. Tsy maintsy ho dibo-kafaliana izy rehefa nilaza momba izany, nanao hoe: “Taorian’izany, dia nahita aho, ary indro, nisy vahoaka be tsy tambo isaina, avy tamin’ny firenena sy foko sy vahoaka ary fiteny rehetra, nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana sy teo anatrehan’ny Zanak’ondry, nanao akanjo fotsy lava, ary nisy sampana palmie teny an-tanany.” (Apokalypsy 7:9) Hisy antokon’olona hafa ho voavonjy tokoa, ankoatra ny Israely ara-panahy 144 000, noho ny fihazonana ny rivotra efatra. Tsy iza izany fa ny vahoaka be iraisam-pirenena avy amin’ny fiteny samihafa.—Apokalypsy 7:1.

2. Iza ireo vahoaka be, araka ny nolazain’ireo mpivaofy teny, ary ahoana koa no niheveran’ny Mpianatra ny Baiboly azy ireo taloha?

2 Nolazain’ireo mpivaofy teny fa olona tsy Jiosy niova ho Kristianina io vahoaka be io, na Kristianina maty maritiora ho any an-danitra. Na ny Mpianatra ny Baiboly taloha aza dia nihevitra azy ireo ho antokon’olona faharoa ho any an-danitra. Izao mantsy no lazain’ny Fandaharam-potoanan’Andriamanitra, Boky I tamin’ny Fianarana ny Soratra Masina, tamin’ny 1886: “Tsy mahazo seza fiandrianana izy ireo, sady tsy ho tahaka ny endrik’Andriamanitra. Hateraky ny fanahy ihany izy ireo amin’ny farany, saingy ambany kokoa ny voninahiny. Voahosotra izy ireo, nefa resin’ny toe-tsain’izao tontolo izao, ka tsy nanao sorona ny fiainany.” Izao koa no nohazavain’ny Fahazavana, Boky Voalohany, tamin’ny 1930: “Ny vahoaka be dia ireo olona tsy nanaiky ilay fanasana mba ho vavolombelona be zotom-po ho an’ny Tompo.” Nolazaina fa mihevitra ny tenany ho olo-marina izy ireo, ary mahalala ny fahamarinana, nefa tsy nitory firy. Ho any an-danitra ihany izy ireo, saingy sokajy ambany kokoa no misy azy, ka tsy hiara-manjaka amin’i Kristy.

3. a) Inona no fanantenan’ny olona tso-po sasany, izay nanjary nazoto nitory? b) Ahoana no nanazavan’ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1923 ilay fanoharana momba ny ondry sy ny osy?

3 Nanjary nazoto nitory anefa ny sasany tamin’ireo naman’ny voahosotra, tatỳ aoriana. Tsy naniry ho any an-danitra izy ireo. Milaza ny fanantenan’izy ireo kosa ilay lahateny ho an’ny besinimaro, izay nasongadin’ny vahoakan’i Jehovah tamin’ny 1918 hatramin’ny 1922. Ny lohatenin’izy io tamin’ny voalohany dia hoe: “Nifarana Izao Tontolo Izao, ka Olona An-tapitrisany Velona Ankehitriny no Tsy ho Faty Mihitsy.”a Tsy ela taorian’izay, dia nohazavain’ny Tilikambo Fiambenana 15 Oktobra 1923 ny fanoharan’i Jesosy momba ny ondry sy ny osy. (Matio 25:31-46) Hoy izy io: “Ny ondry dia olona avy amin’ny firenena rehetra. Tsy nateraky ny fanahy izy ireo, nefa tia fahamarinana, ary manaiky an’i Jesosy Kristy ho Tompo, sady mitady sy manantena fiainana tsara kokoa eo ambany fitondrany.”

4. Ahoana no nampahazava kokoa ny fahamarinana momba ireo olona ho eto an-tany tamin’ny 1931 sy 1932 ary 1934?

4 Nanazava ny Ezekiela toko faha-9 ny Fanamarinana, Boky Voalohany, tamin’ny 1931. Nilaza izy io fa ny ondry ao amin’ilay fanoharana tetsy ambony ihany ireo olona nasiana marika teo amin’ny handriny, mba hotsimbinina amin’ny faran’ity tontolo ity. Resahin’ny Fanamarinana, Boky Fahatelo, navoaka tamin’ny 1932, ny momba an’i Jonadaba, lehilahy tsy Israelita, izay nahitsy fo. Nandeha tamin’ny kalesin’i Jeho mpanjakan’ny Israely izy, mba hijery ny zotom-pony tamin’ny fandringanana ny mpanompo sampy. (2 Mpanjaka 10:15-17) Hoy ilay boky: “Misy olona mifanandrify amin’i Jonadaba ankehitriny, dia ireo vahoaka tsara sitrapo eto an-tany mandritra ny fanaovan’i Jeho ny asa [fanambarana ny didim-pitsaran’i Jehovah]. Tsy miaraka amin’ny fandaminan’i Satana izy ireo, fa miandany amin’ny fahamarinana, sady ho anisan’ireo hotsimbinin’ny Tompo mandritra ny Hara-magedona, sy harovany mandritra izany fotoan-tsarotra izany, ary homeny fiainana mandrakizay eto an-tany. Ireo no ‘ondry.’ ” Nolazain’ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1934 fa tokony hanolo-tena ho an’i Jehovah sy hatao batisa ireo Kristianina manantena ny ho eto an-tany ireo. Mbola nihanazava hatrany anefa ny fahamarinana momba azy ireo.—Ohabolana 4:18.

5. a) Iza ny vahoaka be, araka ny nolazaina tamin’ny 1935? b) Inona no nitranga, rehefa nasain’i J. Rutherford nitsangana izay manantena ny hiaina mandrakizay eto an-tany, tamin’ny 1935?

5 Kely sisa dia hazava tanteraka ny Apokalypsy 7:9-17! (Salamo 97:11) Nilaza foana Ny Tilikambo Fiambenana fa antenainy “hamelombelona sy hahasoa” an’ireo Jonadaba ny fivoriambe hatao ny 30 Mey ka hatramin’ny 3 Jona 1935 tany Washington, any Etazonia. Nitranga tokoa izany! Nanao an’ilay lahateny nandrisika hoe “Ny Vahoaka Be”, teo anatrehan’ny mpanatrika 20 000 teo ho eo i J. Rutherford, izay nitarika ny asa fitoriana eran-tany tamin’izany. Nanome porofo avy ao amin’ny Soratra Masina izy fa ny ondry hafa ankehitriny ihany ireo vahoaka be ao amin’ny Apokalypsy 7:9. Nilaza toy izao izy, tao amin’ilay lahateny: “Iangaviana ireo rehetra manantena hiaina mandrakizay eto an-tany mba hitsangana.” Maro tamin’ny mpanatrika no nitsangana, ka hoy izy: “Indro ny vahoaka be!” Nangina tampoka aloha ny rehetra, ary niara-nihoraka mafy avy eo. Faly tokoa ireo voahosotra toa an’i Jaona, sy ireo Jonadaba! Vavolombelona 840 no natao batisa ny ampitson’io, ka anisan’ny vahoaka be ny ankamaroany.

Azo antoka hoe iza ny vahoaka be

6. a) Nahoana no azontsika antoka fa Kristianina vita fanoloran-tena sy manantena hiaina mandrakizay eto an-tany ny vahoaka be? b) Inona no dikan’ny akanjo fotsin’ny vahoaka be?

6 Ahoana no ahasahiantsika milaza fa ny vahoaka be dia Kristianina vita fanoloran-tena, manantena ny hiaina mandrakizay ao amin’ny tany vaovao? Efa hitan’i Jaona tamin’ny fahitana fa ‘novidina ho an’Andriamanitra, avy tamin’ny foko sy fiteny sy vahoaka ary firenena rehetra’ ireo olona ho any an-danitra. (Apokalypsy 5:9, 10) Avy amin’ny firenena rehetra koa ny vahoaka be, nefa tsy ho any an-danitra. Tsy voafetra toy ny Israelin’Andriamanitra ny isan’izy ireo, ary tsy misy olona mahalala izay ho isany. Nofotsiany tamin’ny ran’ny zanak’ondry ny akanjony. Midika izany fa marina eo anatrehan’i Jehovah izy ireo, satria mino ny soron’i Jesosy. (Apokalypsy 7:14) Manofahofa sampana palmie koa izy ireo, ho fiderana an’ilay Mesia Mpanjakany.

7, 8. a) Inona no tsaroan’i Jaona rehefa nahita ny vahoaka be nanofahofa sampana palmie izy? b) Inona no dikan’ilay hoe manofahofa sampana palmie ny vahoaka be?

7 Tsy maintsy ho tonga tao an-tsain’i Jaona tamin’ilay fahitana ny zava-nitranga tamin’ilay herinandro farany niainan’i Jesosy teto an-tany, izany hoe 60 taona mahery talohan’izay. Nitangorona hitsena an’i Jesosy niditra tany Jerosalema ny vahoaka, tamin’ny 9 Nisana taona 33. “Naka sampana palmie ireo, ka nandeha nitsena azy ary niantsoantso hoe: ‘Mba vonjeo re! Mahazo fitahiana ilay tonga amin’ny anaran’i Jehovah, eny, ilay mpanjakan’ny Israely!’ ” (Jaona 12:12, 13) Manofahofa sampana palmie sy miantsoantso koa ny vahoaka be, ao amin’ilay fahitana. Midika izany fa tena faly izy ireo manaiky an’i Jesosy ho Mpanjaka voatendrin’i Jehovah.

8 Nampahatsiahy an’i Jaona ny Fetin’ny Trano Rantsankazo teo amin’ny Israely fahiny koa ireo sampana palmie sy ny antsoantson’ny vahoaka be. Izao no didin’i Jehovah momba io fety io: “Ary amin’ny andro voalohany dia makà voan’ny hazo tsara tarehy, dia sampan-drofia sy rantsan’ny hazo mikirindro ary hazomalahelo amoron’ny renirano, ho anareo; dia mifalia hafitoana eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitrareo hianareo.” Mariky ny fifaliana ny fampiasana sampana palmie. Nampahatsiahy ny Israelita ilay trano rantsankazo fa navotan’i Jehovah tany Ejipta ny vahoakany, ka nipetraka tao anaty tranolay tany an-tany efitra. Nandray anjara tamin’ilay fety ny “vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena.” ‘Nifaly tokoa’ ny Israely rehetra.—Levitikosy 23:40; Deoteronomia 16:13-15.

9. Inona no antsoantsom-pifaliana ataon’ny vahoaka be?

9 Mety àry raha manofahofa sampana palmie ny vahoaka be, na dia tsy anisan’ny Israely ara-panahy aza. Faly mantsy izy ireo milaza fa avy amin’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry ny fandresena sy ny famonjena. Hoy i Jaona: “Ary niantsoantso mafy tsy an-kijanona izy ireo, nanao hoe: ‘Ny famonjena dia azontsika avy amin’Andriamanitsika, izay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana, sy avy amin’ny Zanak’ondry, ka manana adidy aminy isika.’ ” (Apokalypsy 7:10) Avy amin’ny foko samy hafa ny vahoaka be, nefa miray saina manao ilay ‘antso mafy.’ Ahoana no anaovan’izy ireo izany, nefa tsy mitovy ny fireneny sy ny fiteniny?

10. Ahoana no ahafahan’ny vahoaka be miara-manao ‘antso mafy’, nefa samy hafa ny fireneny sy ny fiteniny?

10 Anisan’ilay hany fandaminana iraisam-pirenena tena miray saina ankehitriny ny vahoaka be. Samy manaraka ny toro lalan’ny Baiboly izy ireo na aiza na aiza tany misy azy, fa tsy hoe samy manao izay tiany. Tsy miditra amin’ny fihetsiketsehana fitiavan-tanindrazana na fanonganam-panjakana izy ireo, satria efa ‘nanefy ny sabany ho fangady.’ (Isaia 2:4) Tsy mizarazara ho sekta izy ireo, ka tsy mitory hafatra mifanohitra toy ny ataon’ny Kristianisma Anarana. Tsy ny mpitondra fivavahana irery koa no asain’izy ireo midera an’Andriamanitra. Tsy milaza izy ireo hoe avy amin’ny fanahy masina ny famonjena azy, satria tsy Andriamanitra telo izay iray no ivavahany. Samy miantso ny anaran’i Jehovah izy ireo any amin’ny tany 235, sady miteny ny fiteny madio, izany hoe ny fahamarinana. (Zefania 3:9) Eken’izy ireo ampahibemaso fa ny famonjena azy dia avy amin’i Jehovah, Andriamanitry ny famonjena, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, Solontena Lehibe Indrindra ampiasainy.—Salamo 3:8; Hebreo 2:10.

11. Hazavao fa manampy ny vahoaka be ireo fahaizana teknika ankehitriny mba hanamafisana ny antso ataony.

11 Vao mainka mafy kokoa ny antson’ny vahoaka be miray saina, vokatry ny fampiasana ireo fahaizana teknika ankehitriny. Tsy misy fivavahana hafa, ankoatra ny azy ireo, miezaka mamoaka boky fianarana Baiboly amin’ny fiteny 400 mahery, satria izy ireo ihany no te hitory hafatra iray ho an’ny olona rehetra eran-tany. Namboarina mba hanatontosana izany, teo ambany fitarihan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ny Fandaharana Elektronika Mandrindra ny Fisehon’ny Soratra sy Sary Amin’ny Fiteny Maro (MEPS). Ampiasain’ny vahoakan’i Jehovah any amin’ny toerana 125 mahery eran-tany izao ny MEPS, ka miara-mivoaka indroa isam-bolana amin’ny fiteny 138 Ny Tilikambo Fiambenana. Miara-mivoaka amin’ny fiteny maro koa ny boky toy ity. Mizara boky an-jatony tapitrisa isan-taona, amin’ny fiteny fampiasan’ny olona ny Vavolombelon’i Jehovah, izay anisan’ny vahoaka be ny ankamaroany. Manjary afaka mianatra ny Tenin’Andriamanitra àry ny olona avy amin’ny foko sy fiteny rehetra, ka manampy ny vahoaka be manao ilay antso mafy.—Isaia 42:10, 12.

Any an-danitra sa eto an-tany?

12, 13. Inona no dikan’ny hoe ‘mitsangana eo anoloan’ny seza fiandrianana’ ny vahoaka be?

12 Ahoana no ahalalantsika fa tsy any an-danitra ny vahoaka be, na dia ‘mitsangana eo anoloan’ny seza fiandrianana’ aza? Misy porofo maro manamarina izany. Ilay teny grika (e·noʹpi·on) nadika hoe ‘eo anoloana’ dia midika ara-bakiteny hoe “eo imaso.” Ampiasaina imbetsaka izy io mba hanondroana olona eto an-tany ‘eo anatrehan’i’ Jehovah na ‘eo imasony.’ (1 Timoty 5:21; 2 Timoty 2:14; Romanina 14:22; Galatianina 1:20) Izao no nolazain’i Mosesy tamin’i Arona, raha mbola tany an-tany efitra ny Israelita: “Lazao amin’ny fiangonana, dia ny Zanak’Isiraely rehetra, hoe: Manatòna eo anatrehan’i Jehovah; fa efa reny ny fimonomononanareo.” (Eksodosy 16:9) Tsy nila nentina nankany an-danitra ny Israelita mba hitsanganany teo anatrehan’i Jehovah. (Ampitahao amin’ny Levitikosy 24:8.) Tany an-tany efitra ihany izy ireo, fa nitsangana teo imason’i Jehovah, ary i Jehovah kosa nampifantoka ny sainy tamin’izy ireo.

13 Izao koa no vakintsika: “Rehefa tonga ny Zanak’olona amin’ny voninahiny, ... dia hangonina eo anatrehany ny firenena rehetra.” Tsy ho any an-danitra ny olona rehetra, rehefa ho tanteraka io faminaniana io. Azo antoka fa tsy hankany an-danitra ireo “ho any amin’ny fandringanana mandrakizay.” (Matio 25:31-33, 41, 46) Eo imason’i Jesosy kosa ny olombelona, ary mifantoka amin’ny fitsarana azy ireo izy. Lazaina hoe ‘mitsangana eo anoloan’ny seza fiandrianana sy eo anatrehan’ny Zanak’ondry’ àry ny vahoaka be, satria eo imason’i Jehovah sy Kristy Jesosy Mpanjaka izy ireo, ary mahazo ny fankasitrahany.

14. a) Iza no lazaina hoe “manodidina an’ilay seza fiandrianana” sy ‘eo amin’ny Tendrombohitra Ziona’ any an-danitra? b) Nahoana no tsy mpisorona ny vahoaka be, na dia manompo ‘ao amin’ny tempoly’ aza?

14 Voalaza fa “manodidina an’ilay seza fiandrianana” misy an’i Jehovah sy ‘eo amin’ny Tendrombohitra Ziona’ any an-danitra, ny anti-panahy 24, na ireo voahosotra 144 000. (Apokalypsy 4:4; 14:1) Tsy mpisorona kosa ny vahoaka be, ka tsy mahazo toerana ambony toy izany. Marina fa lazain’ny Apokalypsy 7:15 hoe manompo an’Andriamanitra “ao amin’ny tempoliny” izy ireo. Tsy ao amin’ny Masina Indrindra, na ny efitra anatiny ao amin’ny tempoly, anefa izy ireo. Eo an-tokotanin’ilay tempoly ara-panahy kosa izy ireo, izany hoe eto an-tany. Ny teny grika (na·osʹ) nadika hoe “tempoly” dia matetika no mahafaoka ilay toerana manontolo natao hanompoana an’i Jehovah. Ny tempoly ara-panahy ankehitriny kosa dia mahafaoka ny fandaharana atao any an-danitra sy eto an-tany.—Ampitahao amin’ny Matio 26:61; 27:5, 39, 40; Marka 15:29, 30; Jaona 2:19-21.

Hira fiderana eran’izao rehetra izao

15, 16. a) Inona no nitranga tany an-danitra, rehefa niseho ny vahoaka be? b) Ahoana no fihetsiky ny anjely, isaky ny misy fikasan’i Jehovah aharihary? d) Ahoana no andraisantsika anjara amin’ilay hira fiderana?

15 Tsy ny vahoaka be ihany no mihira fiderana an’i Jehovah. Hoy i Jaona: “Ary ny anjely rehetra nijoro nanodidina ny seza fiandrianana sy ny anti-panahy ary ny zavamananaina efatra, ka niankohoka teo anoloan’ny seza fiandrianana sady nivavaka tamin’Andriamanitra, nanao hoe: ‘Amena! Ho an’Andriamanitsika mandrakizay mandrakizay anie ny dera sy ny voninahitra sy ny fahendrena sy ny fisaorana sy ny haja sy ny hery ary ny tanjaka! Amena.’ ”—Apokalypsy 7:11, 12.

16 “Niara-nihira [ireo anjely masina rehetra], ary nihoby avokoa ireo zanak’Andriamanitra”, tamin’i Jehovah namorona ny tany. (Joba 38:7) Azo antoka fa mihira fiderana toy izany ny anjely, isaky ny misy fikasan’i Jehovah aharihary. Nidera an’i Jesosy sy Jehovah Andriamanitra koa ny anjely rehetra tany an-danitra, rehefa nihira mafy ho fiderana ny Zanak’ondry ireo anti-panahy 24, izany hoe ireo 144 000 nahazo toerana any an-danitra. (Apokalypsy 5:9-14) Tena faly ireo anjely ireo, rehefa nahita ny fahatanterahan’ny fikasan’i Jehovah tamin’ny nananganana ny voahosotra mahatoky mba ho any an-danitra. Vao mainka faly izy ireo, ka nihira fiderana, rehefa niseho ny vahoaka be. Fotoan-dehibe ho an’ny mpanompon’Andriamanitra rehetra tokoa ny andron’ny Tompo. (Apokalypsy 1:10) Mahazo tombontsoa koa isika eto an-tany, satria mandray anjara amin’ilay hira fiderana an’i Jehovah, amin’ny alalan’ny fitoriana ny Fanjakany!

Miseho ny vahoaka be

17. a) Inona no fanontaniana napetraky ny iray tamin’ireo anti-panahy 24, ary inona no mety ho dikan’ilay hoe nahalala ny valiny izy io? b) Oviana no naharihary ny valin’ny fanontanian’ilay anti-panahy?

17 Niezaka foana ny Kristianina voahosotra, nanomboka tamin’ny andron’ny apostoly Jaona ka hatramin’ny andron’ny Tompo, mba hamantatra hoe iza ny vahoaka be. Nametraka fanontaniana mifandray amin’izany tamin’i Jaona àry ny iray tamin’ireo anti-panahy 24, na voahosotra efa any an-danitra. “Noho izany, dia hoy ny anti-panahy iray tamiko: ‘Iza moa ireo manao akanjo fotsy lava ireo, ary avy taiza izy ireo?’ Koa namaly azy avy hatrany aho hoe: ‘Ianao no mahalala, tompoko.’ ” (Apokalypsy 7:13, 14a) Mahalala ny valiny sady afaka nilaza izany tamin’i Jaona tokoa io anti-panahy io. Mety hidika izany fa ampiasaina mba hampita ny fahamarinana amintsika ireo voahosotra efa any an-danitra. Tsy maintsy nandinika ny zavatra nataon’i Jehovah teo anivon’izy ireo kosa ny voahosotra teto an-tany mba hamantarana hoe iza ny vahoaka be. Noraisiny avy hatrany ny fanazavana nahariharin’i Jehovah tamin’ny fotoana voatondrony, tamin’ny 1935.

18, 19. a) Inona no fanantenana nantitranterin’ny voahosotra tamin’ny 1920 ka hatramin’ny 1930 tany ho any, nefa inona no fanantenan’ny maro tamin’ireo nanaiky ny hafatra? b) Fantatra tamin’ny 1935 hoe iza ny vahoaka be. Inona no dikan’izany mahakasika ny 144 000? d) Inona no asehon’ny tatitra momba ny Fahatsiarovana?

18 Nantitranterin’ny voahosotra tao amin’ireo boky sy gazety ary tamin’ny fitoriana, ny fanantenana ho any an-danitra, tamin’ny 1920 ka hatramin’ny 1930 tany ho any. Toa mbola nangonina ireo 144 000 tamin’izany. Maro tamin’ireo nanaiky ny hafatra sy nazoto nitory anefa no naniry ny hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa an-tany. Tsy maniry ho any an-danitra izy ireo, satria tsy izany no fiantsoana azy. Tsy anisan’ny ondry vitsy izy ireo, fa anisan’ny ondry hafa. (Lioka 12:32; Jaona 10:16) Fantatra tamin’ny 1935 àry fa izy ireo no vahoaka be. Midika izany fa efa ho tapitra ny fanangonana an’ireo 144 000 tamin’izay.

19 Manamarina an’izany ve ny tatitra voaray? Eny. Vavolombelona 59 047 no nitory eran-tany, tamin’ny 1938. Ny 36 732 tamin’ireo no nihinana sy nisotro ny mofo sy divain’ny Fahatsiarovana, satria nanantena ho any an-danitra. Nihena hatrany ny isan’izy ireo, satria maty ny ankamaroany. Kristianina 8 524 monja no nihinana sy nisotro ny mofo sy divain’ny Fahatsiarovana tamin’ny 2005, izany hoe 0,05 isan-jaton’ireo mpanatrika 16 390 116 eran-tany.

20. a) Inona no nolazain’i J. Rutherford nandritra ny Ady Lehibe II, momba ny vahoaka be? b) Inona no manaporofo fa tena be tokoa ilay vahoaka be?

20 Niezaka mafy i Satana tamin’ny Ady Lehibe II, mba hampijanona ny fanangonana ny vahoaka be. Voafetra ny asan’i Jehovah tany amin’ny tany maro. Nilaza toy izao i J. Rutherford tamin’ireny fotoan-tsarotra ireny, taloha kelin’ny nahafatesany tamin’ny Janoary 1942: “Toa tsy ho be araka ny noeritreretina ilay ‘vahoaka be.’ ” Tsy izany anefa no fitarihan’Andriamanitra! Nahatratra 176 456 ny Vavolombelona nitory eran-tany tamin’ny 1946, ary anisan’ny vahoaka be ny ankamaroany. Tamin’ny 2005, dia 6 390 022 ny Vavolombelona nanompo an’i Jehovah tany amin’ny tany 235. VAHOAKA BE tokoa izany! Mbola mihabetsaka hatrany anefa izy ireo.

21. a) Nahoana ny fanangonana ny vahoakan’Andriamanitra mandritra ny andron’ny Tompo no mifanaraka tanteraka amin’ny fahitan’i Jaona? b) Inona avy no anisan’ny faminaniana lehibe nanomboka tanteraka?

21 Mifanaraka tanteraka amin’ny fahitan’i Jaona àry ny fanangonana ny vahoakan’Andriamanitra mandritra ny andron’ny Tompo. Ny sisa tamin’ny 144 000 aloha no nangonina, ary ny vahoaka be avy eo. Mitanjozotra hanaraka ny fivavahana marina amin’i Jehovah ny olona avy amin’ny firenena rehetra ‘atỳ am-parany’, araka ny faminanian’i Isaia. Tena faly isika mankasitraka ny famoronan’i Jehovah “lanitra vaovao sy tany vaovao.” (Isaia 2:2-4; 65:17, 18) Ataon’Andriamanitra ankehitriny ny “fanangonana indray ao amin’i Kristy ny zava-drehetra, na ny zavatra any an-danitra na ny eto an-tany.” (Efesianina 1:10) Ireo voahosotra mpandova ilay Fanjakana any an-danitra no “zavatra any an-danitra”, ary nofidiny nandritra ireo taonjato nanomboka tamin’ny andron’i Jesosy izy ireo. Ny vahoaka be anisan’ny ondry hafa kosa no voalohany amin’ireo ‘zavatra eto an-tany.’ Ho sambatra mandrakizay ianao, raha manompo an’Andriamanitra mifanaraka amin’ny fandaharana nataony.

Fitahiana ho an’ny vahoaka be

22. Inona no fanazavana hafa azon’i Jaona momba ny vahoaka be?

22 Nahazo fanazavana hafa avy amin’Andriamanitra i Jaona, momba ilay vahoaka be: “Ary hoy izy [ilay anti-panahy] tamiko: ‘Ireo no avy tamin’ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry. Izany no antony ijoroany eo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra. Ary manao fanompoana masina ho azy andro aman’alina ao amin’ny tempoliny izy ireo. Ary Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana dia hamelatra ny tranolainy eo ambonin’izy ireo.’ ”—Apokalypsy 7:14b, 15.

23. Inona ilay fahoriana lehibe hahatafavoaka velona ny vahoaka be?

23 Efa nilaza i Jesosy fa hamarana ny fanatrehany ny “fahoriana lehibe izay mbola tsy nisy toa azy hatramin’ny niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony.” (Matio 24:21, 22) Havotsotr’ireo anjely ny rivotra efatry ny tany, natao handravana ny tontolon’i Satana, rehefa tanteraka io faminaniana io. I Babylona Lehibe, na ny fivavahan-diso rehetra, no ho rava voalohany. Hovonjen’i Jesosy amin’ny faran’ilay fahoriana ny sisa amin’ireo 144 000 eto an-tany, miaraka amin’ny vahoaka be.—Apokalypsy 7:1; 18:2.

24. Inona no tokony hataon’ny vahoaka be mba hahatafavoaka velona azy?

24 Inona no tokony hataon’ny vahoaka be mba hahatafavoaka velona azy? Milaza ilay anti-panahy hoe “ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry.” Midika izany hoe mino an’i Jesosy ho Mpanavotra izy ireo, nanolo-tena ho an’i Jehovah sy nanaporofo izany tamin’ny batisa anaty rano, ary tsara fitondran-tena, ka manana “feon’ny fieritreretana madio.” (1 Petera 3:16, 21; Matio 20:28) Madio sy marina eo imason’i Jehovah àry izy ireo, ary miezaka “tsy ho voapentimpentin’izao tontolo izao.”—Jakoba 1:27.

25. a) Nahoana ny vahoaka be no lazaina hoe ‘manao fanompoana masina ho an’i Jehovah andro aman’alina ao amin’ny tempoliny’? b) Inona no dikan’ny hoe ‘mamelatra ny tranolainy eo ambonin’ireo’ tia azy i Jehovah?

25 Vavolombelon’i Jehovah mazoto koa izy ireo, ka “manao fanompoana masina ho azy andro aman’alina ao amin’ny tempoliny.” Anisan’io vahoaka be vita fanoloran-tena io ve ianao? Raha izany, dia manana tombontsoa hanompo an’i Jehovah tsy tapaka ianao, ao amin’ny tokotanin’ilay tempoly ara-panahy lehibe eto an-tany. Ny vahoaka be ankehitriny no manatontosa ny ampahany lehibe indrindra amin’ny fitoriana, eo ambany fitarihan’ny voahosotra. Manana adidy hafa izy ireo, nefa ana hetsiny aminy no miezaka manao ny asan’ny mpisava lalana. Afaka mifaly anefa ianao, anisan’ny vahoaka be vita fanoloran-tena, na manompo manontolo andro toa azy ireo na tsia. Ambara fa marina sy sakaizan’Andriamanitra mantsy ianao, sady raisiny tsara ao amin’ny tranolainy, satria manana finoana sy maneho izany amin’ny ataonao. (Salamo 15:1-5; Jakoba 2:21-26) ‘Mamelatra ny tranolainy eo ambonin’ireo’ tia azy àry i Jehovah, ka miaro azy ireo, toy ny olona tia mandray vahiny.—Ohabolana 18:10.

26. Inona koa no fitahiana azon’ny vahoaka be?

26 Hoy indray ilay anti-panahy: “Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo, ary tsy hamely azy ny masoandro na ny hafanana mandoro, satria ny Zanak’ondry, izay eo afovoan’ny seza fiandrianana, dia hiandry azy ireo toy ny ataon’ny mpiandry ondry, ka hitarika azy ho any amin’ny loharanon’ny ranon’aina. Ary hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny masony.” (Apokalypsy 7:16, 17) Tia mandray vahiny tokoa i Jehovah! Inona anefa no tena dikan’ireo teny ireo?

27. a) Inona no faminanian’i Isaia misy itovizana amin’ny tenin’ilay anti-panahy? b) Inona no manaporofo fa tamin’ny fiangonana kristianina tamin’ny andron’i Paoly no tanteraka voalohany io faminanian’i Isaia io?

27 Ity misy faminaniana hafa mitovy amin’io: “Izao no lazain’i Jehovah: Tamin’ny taona fankasitrahana no nihainoako Anao. Ary tamin’ny andro famonjena no namonjeko Anao ... Tsy ho noana na hangetaheta izy, ary tsy hamely azy ny hainandro migaingaina na ny masoandro; fa Izay mamindra fo aminy no hitarika azy, ary any amin’ny loharano miboiboika no hitondrany azy.” (Isaia 49:8, 10; jereo koa ny Salamo 121:5, 6.) Nilaza ny ampahan’io faminaniana io ny apostoly Paoly, ary nampihatra izany tamin’ny “andro famonjena” nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33. Izao no nosoratany: “Fa hoy izy [Jehovah]: ‘Tamin’ny fotoana fankasitrahana no nihainoako anao, ary tamin’ny andro famonjena no nanampiako anao.’ Indro, izao indrindra no fotoana fankasitrahana. Indro, izao no andro famonjena.”—2 Korintianina 6:2.

28, 29. a) Ahoana no nahatanterahan’ny tenin’i Isaia tamin’ny taonjato voalohany? b) Ahoana no nahatanterahan’ny Apokalypsy 7:16 tamin’ny vahoaka be? d) Inona no hitranga, rehefa tarihina ho amin’ny “loharanon’ny ranon’aina” ny vahoaka be? e) Nahoana ny vahoaka be no hiavaka amin’ny olombelona rehetra?

28 Ahoana no nahatanterahan’ilay fampanantenana hoe tsy ho noana na hangetaheta intsony izy ireo, sady tsy hamely azy ny hafanana? Tena noana sy nangetaheta ara-bakiteny ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, indraindray. (2 Korintianina 11:23-27) Nanan-karena tamin’ny lafiny ara-panahy anefa izy ireo. Nahazo sakafo ara-panahy be dia be izy ireo, ka tsy noana na nangetaheta intsony. Tsy namely azy ireo koa ny hafanana mandoro, na ny fahatezeran’i Jehovah, rehefa noravana ny tontolo jiosy tamin’ny taona 70. Mitovy amin’izany koa ny fahatanterahan’ny Apokalypsy 7:16 amin’ny vahoaka be ankehitriny. Mahazo sakafo ara-panahy be dia be izy ireo, miaraka amin’ny Kristianina voahosotra.—Isaia 65:13; Nahoma 1:6, 7.

29 Marina fa mety hisy zavatra hafoinao na fitsapana hiaretanao amin’izao andro faran’ny tontolon’i Satana izao. Mbola “hihoby” na hanana fifaliana anaty ihany anefa ianao, raha anisan’ny vahoaka be. (Isaia 65:14) Toy ny hoe efa ‘mamafa ny ranomaso rehetra amin’ny masonao’ sahady i Jehovah. Tsy hampahatahotra anao intsony ny “masoandro”, na ny fanamelohan’Andriamanitra. Tsy ho voan’ilay “hafanana” mandoro, na ny tsy fankasitrahan’i Jehovah, koa ianao, rehefa havotsotra ireo rivotra efatry ny fandringanana. Hotarihin’ilay Zanak’ondry ianao aorian’izay, mba handray soa feno avy amin’ny “loharanon’ny ranon’aina”, dia ireo fandaharana rehetra ataon’i Jehovah mba hahazoanao fiainana mandrakizay. Hanjary ho lavorary tsikelikely ianao, noho ny finoanao ny ran’ny Zanak’ondry. Hiavaka amin’ny olombelona rehetra ny vahoaka be, satria ho anisan’ireo “an-tapitrisany” tsy nandia fahafatesana mihitsy! Ho voafafa tanteraka ny ranomaso amin’ny masonao.—Apokalypsy 21:4.

Ataovy azo antoka ny fiantsoana anao

30. Inona no fahitana mahafinaritra ambaran’i Jaona amintsika, ary iza no “mahajoro”?

30 Mahafinaritra tokoa ny fahitana ambaran’i Jaona amintsika! Eo amin’ny seza fiandrianany i Jehovah, ary miara-midera azy ny mpanompony rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany. Takatry ny mpanompony eto an-tany fa tombontsoa miavaka ny mandray anjara amin’io hira fiderana io. Efa hanatanteraka ny didim-pitsarana i Jehovah sy Kristy Jesosy, ka ho re ilay feo hoe: “Tonga ny andro lehiben’ny fahatezeran’izy ireo, ka iza no mahajoro?” (Apokalypsy 6:17) Inona no valin’izany? Olona vitsy monja no “mahajoro”, na ho tafavoaka velona. Tsy iza izany fa ireo sisa amin’ny 144 000 nasiana tombo-kase izay mety ho mbola eto an-tany, sy ny vahoaka be anisan’ny ondry hafa.—Jeremia 35:19; 1 Korintianina 16:13.

31. Inona no tokony ho vokatry ny fahatanterahan’ny fahitan’i Jaona eo amin’ny Kristianina voahosotra sy ny vahoaka be?

31 Miezaka mafy àry ny Kristianina voahosotra mba ‘hahazoany ny lokan’ny fiantsoana avy any ambony, izany hoe ny fiantsoan’Andriamanitra amin’ny alalan’i Kristy Jesosy.’ (Filipianina 3:14) Takatr’izy ireo tsara fa tsy maintsy hiaritra mafy izy ireo mandritra izao andro farany izao. (Apokalypsy 13:10) Efa nanompo an’i Jehovah nandritra ny taona maro be izy ireo, ka mihazona mafy ny finoany, sady faly satria “voasoratra any an-danitra” ny anarany. (Lioka 10:20; Apokalypsy 3:5) Fantatry ny vahoaka be koa fa ireo “miaritra hatramin’ny farany [ihany] no hovonjena.” (Matio 24:13) Afaka ny ho tafavoaka velona amin’ny fahoriana lehibe ny vahoaka be, nefa tsy maintsy miezaka ny hadio sy hazoto hatrany.

32. Koa satria antokon’olona roa ihany no ‘hahajoro’ amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah, iza àry no tsy maintsy manao zavatra haingana?

32 Tsy misy porofo milaza hoe misy antokon’olona hafa ankoatra ireo roa ireo ‘hahajoro’ amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah. Hanao ahoana àry ireo olona an-tapitrisany manaja ny soron’i Jesosy isan-taona? Manatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesany mantsy izy ireo, nefa mbola tsy nanolo-tena ho an’i Jehovah na natao batisa, na mazoto manompo azy. Ahoana koa ireo nazoto fahiny, saingy namela ny fony ‘hovesaran’ny fanahiana eo amin’ny fiainana’? Enga anie izy rehetra ireo ho tonga saina, ka hiambina hatrany mba ‘ho afa-mandositra izany zava-drehetra tsy maintsy ho tonga izany, ary ho afaka hitsangana eo anatrehan’ny Zanak’olona.’ Kely sisa ny fotoana!—Lioka 21:34-36.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aprily 1918, pejy 98.

[Efajoro, pejy 119]

Andriamanitra no Milaza ny Hevitry ny Teny

Efa am-polony taona ireo voahosotra toa an’i Jaona no niezaka namantatra hoe iza ny vahoaka be, nefa tsy nahita fanazavana nahafa-po. Nahoana? Mamaly izany ny tenin’i Josefa nahatoky hoe: ‘Tsy avy amin’Andriamanitra ve ny filazana ny hevitry ny nofy [na ny teny]?’ (Genesisy 40:8) Rahoviana sy amin’ny fomba ahoana no anazavan’Andriamanitra ny fahatanterahan’ny faminaniany? Manao izany izy matetika rehefa kely sisa dia ho tanteraka izy ireny, na eo an-dalam-pahatanterahana. Azon’ny mpanompony tsara ny hevitr’izy ireny amin’izay. Ampiany hahatakatra an’ireo faminaniana isika, “ho fianarantsika, mba hananantsika fanantenana amin’ny alalan’ny fiaretantsika sy ny fampiononana avy ao amin’ny Soratra Masina.”—Romanina 15:4.

[Efajoro, pejy 124]

Ny vahoaka be dia

▪ avy amin’ny firenena sy foko sy vahoaka ary fiteny rehetra

▪ mitsangana eo anoloan’ny seza fiandrianan’i Jehovah

▪ manasa sy mamotsy ny akanjony amin’ny ran’ny Zanak’ondry

▪ milaza fa avy amin’i Jehovah sy Jesosy ny famonjena

▪ tafavoaka velona avy amin’ny fahoriana lehibe

▪ manompo an’i Jehovah andro aman’alina ao amin’ny tempoliny

▪ tian’i Jehovah, ka arovany sy karakarainy

▪ tarihin’i Jesosy ho amin’ny loharanon’ny ranon’aina

[Sary, pejy 121]

[Sary, pejy 127]

Avy amin’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry ny famonjena ny vahoaka be

[Sary, pejy 128]

Hotarihin’ny Zanak’ondry ho amin’ny loharanon’ny ranon’aina ny vahoaka be

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara