Ny tenanao ihany ve ny sampinao?
Tsy tsapan’ny olona sasany akory fa manao ny tenany ho sampy izy ireo. Izany no hazavain’ny Baiboly ao amin’ny Efesiana 5:5 manao hoe: “Fa fantatrareo marimarina fa samy tsy manana lova eo amin’ny fanjakan’i Kristy sy Andriamanitra na ny mpijangajanga rehetra, na ny olom-betaveta, na ny olona mierina (mpanompo sampy izany).” (Kolosiana 3:5; ampitahao amin’ny Galatiana 5:19-21). Mety ho tonga eo anelanelan’ny olona iray sy Andriamanitra ny faniriana ara-nofo. Milaza ny amin’ireny olona ireny i Paoly fa “ny kibony no andriamaniny.” (Filipiana 3:18, 19). Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia manana Andriamanitra hafa noho i Jehovah izy, amin’ny fametrahana ny fanirian’ny tenany manokana amin’ny toerana voalohany. Manakana ny olona iray tsy hiditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra ny fitondrantena toy izany. (1 Korintiana 6:9, 10). Misy antony tsara àry izany hanarahana ireto tenin’ny apostoly Paoly ireto: “Koa amin’izany, ry malala, mandosira ny fanompoan-tsampy.” — 1 Korintiana 10:14.