FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 11/07 p. 1
  • Mitondrà Tena Tahaka ny Hendry

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mitondrà Tena Tahaka ny Hendry
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
  • Mitovitovy Aminy
  • Efa Masaka Hojinjaina ny Vokatra!
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
  • Ilaina maika dia maika ny mpiasa betsaka kokoa hanao ny fijinjana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Mandraisa Anjara Feno Amin’ilay Asa Fijinjana Lehibe
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Faly Isika Miezaka Mafy Amin’ny Fanompoana An’i Jehovah!
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
km 11/07 p. 1

Mitondrà Tena Tahaka ny Hendry

1 ‘Nanaraka an’i Jesosy avy hatrany’ ireo mpanarato efatra, fa tsy nangataka andro, rehefa nasainy hanara-dia azy. (Matio 4:18-22) Tsy nitaredretra koa i Saoly avy any Tarsosy rehefa avy niova finoana sy nahiratra indray, fa “avy hatrany dia nitory [momba an’i Jesosy] tany amin’ny synagoga.” (Asa. 9:20) Mandroso foana ny fotoana ary tsy hiverina intsony. Tena mila ‘mitondra tena tahaka ny hendry’ àry isika, rehefa mampiasa ny fotoanantsika.—Efes. 5:15, 16.

2 Mety hitranga ny sampona: Mety ho afaka hanompo an’i Jehovah isika androany, nefa tsy ho toy izany intsony rahampitso. (Jak. 4:14) Mety ho azon-tsampona mantsy isika rehetra. (Mpit. 9:11) Mihamandroso taona koa isika, ary mbola tsy azo ihodivirana ny “andro mahory” aterak’izany. Tsy mahavita be amin’ny fanompoana an’i Jehovah, toy ny teo aloha, intsony isika noho izany. (Mpit. 12:1) Tsy fahendrena àry ny manemotra lava ny fotoana hanolorantsika tena ho an’Andriamanitra, na miandry ny fotoana mety indrindra vao hampitombo ny fanompoantsika. (Lioka 9:59-62) Nampiasa tamim-pahendrena ny fotoanany i Abrahama, ka nanokan-tena tanteraka ho an’i Jehovah. Niadana sy nilamin-tsaina àry izy rehefa antitra, sady “ela niainana” sy afa-po.—Gen. 25:8.

3 Kely sisa ny fotoana: Irintsika koa ny hampiasa amim-pahendrena ny fotoanantsika, satria “efa kely sisa ny fotoana tavela.” (1 Kor. 7:29-31) Horavana tsy ho ela ity tontolo tranainy ity. Kely sisa dia hifarana ny ‘fijinjana ny vokatry ny tany’, ka tsy ho afaka hanangona an’ireo olona toy ny ondry intsony isika. (Apok. 14:15) Tsy tokony havelantsika hanembantsembana ny fotoana anompoantsika àry ny fanahiana sy ny fanelingelenan’ity tontolo ity. (Lioka 21:34, 35) Ho afa-po tokoa isika amin’izay rehefa hitodika ny lasa, ka hahita fa tena nazoto nandray anjara tamin’ny asa fijinjana isika!

4 Tokony hanararaotra an’izay tombontsoam-panompoana rehetra mety ho azontsika atao isika. Aoka àry isika ho tapa-kevitra hanompo an’i Jehovah, araka izay fara herintsika, ‘raha mbola misy koa ny “anio.” ’ (Heb. 3:13) Asehontsika amin’izany fa tena hendry isika, satria “izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.”—1 Jaona 2:17.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara