-
Fialofana ahitana fiadanana ve ny tokantranonao?Ny Tilikambo Fiambenana—1989 | 1 Febroary
-
-
8. Torohevitra inona avy moa no sarobidy indrindra ho an’ny kristiana manambady?
8 Ary ireo kristiana efa manambady, inona no tokony hataon’izy ireny mba hahatonga ny tokantranony ho fialofana hahitana fiadanana? Miharihary fa zavatra maro, kanefa ilaina indrindra ny mampihatra ireo torohevitr’i Paoly voasoratra ao amin’ny Efesiana 5:21-33.
-
-
Fialofana ahitana fiadanana ve ny tokantranonao?Ny Tilikambo Fiambenana—1989 | 1 Febroary
-
-
Tokony “ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany” ny lehilahy manambady, toy ny hoe tenany ihany ravehivavy. Tsy misy zavatra ara-dalàna toy izany, satria ‘tonga nofo iray ihany ireo’? — Genesisy 2:24.
10. Araka ny 1 Timoty 5:8, inona no andraikitra tokony hiantsorohan’ny lehilahy kristiana manambady?
10 Ny lehilahy iray izay tia ny vadiny tahaka ny tenany dia hahay hitari-javatra eo amin’ny lafiny ara-panahy. Tompon’andraikitra amin’ny toe-piainana ara-panahin’ny fianakaviany izy. Tsy azony atao ara-drariny àry ny hamela ny zavatra fotsiny amin’izao. Hiahy tsara ny amin’ny tombontsoa ara-nofo sy ara-panahin’ny ankohonany manontolo izy. “Fa raha misy tsy mamelona ny azy, hoy i Paoly, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza.” — 1 Timoty 5:8.
11. Inona moa no torohevitra omen’i Paoly an’ireo vehivavy kristiana manambady?
11 Etsy an-daniny koa, dia betsaka ny zavatra azon’ny vehivavy kristiana iray atao mba hahatonga ny tokantranony ho fialofana hahitana fiadanana. Nanome izao torohevitra ara-tsindrimandrin’Andriamanitra izao ho an’ireo vehivavy i Paoly: “Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo tahaka ny anekena ny Tompo. Fa ny lahy no lohan’ny vavy, dia tahaka an’i Kristy koa no Lohan’ny fiangonana; ary Izy no mpamonjy ny tena. Fa tahaka ny aneken’ny fiangonana an’i Kristy no haneken’ny vavy ny lahy koa amin’ny zavatra rehetra. (...) Aoka (...) ny vavy hanaja [lalina, MN] ny lahy.” (Efesiana 5:22-24, 33). Izany ‘fanajana lalina’ izany dia manampy amin’ny fanaovana izay hahatonga ny tokantrano ho fialofana hahitana fiadanana. Izany dia mifanipaka tanteraka amin’ny fitiavana fahaleovan-tena sy fifaninanana asehon’ny vehivavy maro aoka izany ankehitriny, dia toe-tsaina manakorontana sy mampisamboaravoara tokantrano.
12. Ahoana no tokony hataon’ny vehivavy sy ny lehilahy kristiana manambady?
12 Tokony hanao zavatra amin’ny fomba hampitomboana ny fitiavana sy ny fanajana ny vehivavy sy ny lehilahy kristiana. Haneho fiheverana sy fitiavana ary fahamasahana ara-panahy ny lehilahy manambady. Fa ny vehivavy kosa dia hatahotra an’Andriamanitra ka hiseho hahay hiara-hiasa sy hahafinaritra. Takatra mora foana fa amin’ny fanaovana toy izany, dia hahatonga ny tokantranony ho fialofana hahitana fiadanana ny mpivady.
-