Fanovana ny toetra mampiavaka ny olombelona
“TSY velona amin’ny fiadiana amin’ny ratsy fotsiny ny olombelona”, hoy ilay filôzôfa atao hoe Sir Isaiah Berlin. “Mivelona noho ny zava-kendrena manorina isam-batan’olona sy ny fitambaran’olona izy ireo.” Firy anefa no afaka mahita “zava-kendrena manorina” toy izany? Matetika aoka izany ny toetra mampiavaka ny olombelona no voasintona ho amin’izay tsy manorina sy manimba.
Any Grande-Bretagne, ohatra, ny herisetra dia nitombo 11 isan-jato vao haingana. “Ny asanay”, hoy ny praiminisitr’i Grande-Bretagne, “dia ny manandrana mitady hery misakana mba hahafahan’ny sivilizasiona lehibe handroso”. Kanefa, moa ve ny lalàna sy ny fanerena ara-politika, na dia natao noho ny antony manosika tsara toy inona aza, tena afaka manova tokoa ny fironan’ny olona hanao izay ratsy? Miteny ho azy ny fisian’ny tsy fanarahan-dalàna sy ny fitomboan’izany na dia eo aza ny lalàna manan-kery, ary na dia eo mihitsy aza ny fampiharan-dalàna amin’ny fomba henjana. Zavatra hafa mihoatra noho ny fisakanana avy amin’ny lalàna no ilaina. Ny toetra mampiavaka ny olona mihitsy no tsy maintsy ovana.
Mandray fomba fijerena ny fiainana araka ny marina sy araka ny tena izy ny Baiboly rehefa milazalaza ny lafin-toetra ratsin’ny olona. Ohatra, ny apostoly Paoly dia nanoratra tamin’ireo kristiana tahaka azy tany Galatia ny amin’ny “asa vetaveta, maloto ary tsy mendrika (...) Ny olona lasa mpifahavalo ary miady izy ireo; lasa mialona sy tezitra izy ireo ary (...) mitsiriritra, mimamo, manaram-po amin’ny filibana, ary manao zavatra hafa mitovy amin’izany”. Araka ny Today’s English Version izay voatonona eto, ireo fanao mampietry rehetra ireo dia “izay ataon’ny toetra mampiavaka ny olombelona”. — Galatiana 5:19-21.
Ny fototry ny zava-manahirana
Fandikan-teny malalaka anefa ny Today’s English Version, ary ny fitenenana hoe “izay ataon’ny toetra mampiavaka ny olombelona”, dia famoaboasana ihany izay tena nolazain’i Paoly. Ny teny grika hoe sarx nampiasain’i Paoly, dia midika hoe “nofo”, fa tsy “toetra mampiavaka ny olombelona”. Noho io antony io, ireo fandikan-teny ara-bakiteny dia miresaka eto ny amin’ny “asan’ny nofo” mba hampitana ny tenin’i Paoly amin’ny fomba marina amin’ny fitenintsika ankehitriny.a
Ny fitantaran’ny Baiboly ny amin’ny fidiran’ny ota teo amin’ny sehatr’olombelona dia mazava sady tsotra — raha ny marina, dia tsotra aoka izany ka mifidy ny tsy hino azy io ny ankamaroan’ny olona. Izao no nilazalazan’i Paoly azy: “Tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra”. (Romana 5:12) Eto i Paoly dia nanisy fitenenana ny amin’ny Genesisy, ilay boky voalohany ao amin’ny Baiboly, ary ny famoronana ny lehilahy voalohany, i Adama, sy ny vadiny, i Eva. Fantatra tsara ny amin’ny tsy fankatoavany an-tsitrapo. Noho izany dia nomelohina ho faty izy ireo. Ny taranany dia nandova ny tsy fahatanterahany ary koa ny fahafatesana. Noho izany àry, dia “samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra”. Noho io antony fototra io, ny toetra mampiavaka ny olombelona ankehitriny dia zara raha manome taratra matroka ny amin’ny toetra mampiavaka ny olombelona fony Andriamanitra namorona olombelona tanteraka tany am-boalohany. — Romana 3:23; Genesisy, toko faha-2 sy faha-3.
Toetra mampiavaka ny olombelona voaova!
Azo atao anefa ny mandresy ny maro amin’ireo lafin-toetra ratsy indrindra amin’ny toetra mampiavaka ny olombelona. Marina tokoa fa ny Baiboly dia milaza hoe afaka manova ny toetrantsika isika amin’ny heviny hoe manova ny maha-isika antsika. Amin’ny fomba ahoana? Noho ny fanampian’ny fanahy masin’Andriamanitra. — Romana 8:9.
Ao amin’ny taratasiny ho an’ny kristiana sahala aminy tany Kolosia, i Paoly dia nilaza izany toy izao: “Efa narianareo [ario, MN] ny toetra taloha mbamin’ny asany; ary efa notafinareo [tafio, MN] ny toetra vaovao, izay havaozina ho amin’ny fahalalana tsara araka ny endrik’Izay nahary azy”. Anisan’ireo fanaon’ny toetra taloha, dia tanisainy ny sasany amin’ny lafin-toetra izay manosika ny olona ho voasinton’izay manimba: fanirian-dratsy, fahatezerana, fiafonafonana, ary lolompo. — Kolosiana 3:5-10.
Rehefa nanoratra toy izany tamin’ny kristiana tany Efesosy i Paoly, dia nanonona indray ny ilàna “toetra vaovao”, izay lazainy fa “noforonina araka an’Andriamanitra amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana”. Novelabelariny ny fandinihana nataony tamin’ny filazana hoe: “Esory aminareo ny fo-lentika rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy ary ny lolompo rehetra; ary aoka samy halemy fanahy amin’ny namany avy hianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka”. — Efesiana 4:24, 31, 32.
Nijery ny zavatra araka ny tena izy ve ny tenin’i Paoly? Azo ovana tokoa ve ny maha-izy ny olona? Nahariharin’ny zava-nitranga fa tena nanao fiovana lehibe tokoa teo amin’ny fiainany ireo kristiana voalohany ireo. Tamin’ny naha-antokon’olona azy, dia niseho ho tafasaraka tamin’ny tontolo nanodidina azy izy ireo. I Justin le Martyr, mpanoratra tantara tamin’ny fanombohan’ny andro kristiana dia nanoratra hoe: “Izahay izay nifankahala sy nifandringana, ary, noho ny tsy fitoviam-pomba, dia tsy nety niara-niaina tamin’olona hafa foko, izao, hatramin’ny nisehoan’i Kristy, dia miara-miaina toy ny mpihavana amin’izy ireo, ary mivavaka ho an’ny fahavalonay, ary miezaka ny hampiaiky ireo mankahala anay tsy amin’antony mba hiaina mifanaraka amin’ireo fitsipika tanterak’i Kristy”.
Ahoana ny amin’izao andro izao? Moa ve mbola azo atao ihany ny manao fiovana lehibe toy izany eo amin’ny toetra mampiavaka ny olona iray? Eny! Asehon’ny ohatra an’aliny maro fa mbola misy fiovana manaitra mitranga. Iray amin’izany monja ilay manaraka eto.
Notezaina tao amin’ny iray amin’ireo toerana be taozava-baventy any Angletera i Stephen. Tsy nino an’Andriamanitra ny rainy. Teo amin’ny faha-12 taonany i Stephen dia nomelohina telo taona ho any amin’ny sekoly fitaizana zaza maditra. Niaiky ho namaky trano in-64 izy! Tsy ela dia veriny ny fanajana izay mety ho fahefana, ary arakaraka ny nahalehibeazany, dia niharatsy kokoa ny heloka vitany. Tafiditra tamin’izany ny famitahana, fimamoana, tsy fankatoavan-dalàna ary famelezana ny pôlisy, ka noho io fandikana lalàna farany io no nandefasana an’i Stephen tany am-ponja. Nanjary nahery setra be ny toetrany. “Tsy misy mihitsy heloka izay tsy hataon’ny olona iray tsy manaja an’Andriamanitra raha vao ampy halehibe ireo filany”, hoy izy.
Inona no afaka hanova mpanao heloka bevava mafy hatoka toy izany? Nanaiky fanampiana avy tamin’ny rahalahiny izay tonga iray tamin’ireo Vavolombelon’i Jehovah i Stephen tamin’ny farany. Rehefa avy nianatra ny Baiboly nandritra ny fe-potoana fohy i Stephen, dia nanomboka nitafy ny “toetra vaovao”. Tena nanaitra tokoa ny fiovana nataony. Ankehitriny, dimy taona atỳ aoriana, dia sambatra am-panambadiana izy ary mpikambana manana andraikitra ao amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah iray, izay anompoany amin’ny maha-mpikarakara momba ny asa.
Koa azo ovana àry ny toetra mampiavaka ny olombelona eo amin’ny lafiny isam-batan’olona. Kanefa, moa ve ny fahalemen’olombelona no hany antony mahatonga ‘fanimbana ny sivilizasiona ankehitriny?
“Ny Devoly ao amin’ny Soratra masina”
Nanoratra faminaniana niavaka mikasika izao “andro farany” izao ny apostoly Paoly. Naverina etsy amin’ny faritra voafefy etsy ambony ireo teny nataony. Mariho fa ny fitomboan’ny herisetra sy ny ratsy dia mahatonga “andro mahory”. Moa ve ny toetra mampiavaka ny olombelona irery no tompon’andraikitra amin’izany rehetra izany? — 2 Timoty 3:1.
Tsia, misy zavatra hafa, hery ratsy mitarika ho amin’ny loza izay mampiasa araka izay tiany ny fahalemen’olombelona. Toy ny ahitan’ny olona fa sarotra ny mino hoe nandova ota ny olombelona, dia hitan’izy ireo ho mafy toy izany koa ny manaiky fa misy hery ambony noho ny olombelona izay mitady hampiasa azy ireo araka izay tiany. Kanefa ny Baiboly dia milaza fa misy ny hery toy izany: i Satana Devoly.
Ny teny hoe “Devoly” (midika hoe “mpanendrikendrika”) dia miseho in-33 ao amin’ny Baiboly, ary ny hoe “Satana” (midika hoe “mpanohitra”) dia in-52. Ny ankamaroan’ireo firesahana ny aminy ireo dia mifandray amin’ilay persona ara-panahy ratsy iray ihany. Misy anefa mandà ny fisiana Satana ho persona iray, ka aleony miteny hoe: “Ny toetra mampiavaka ny olombelona miaraka amin’ny fironany mafy hanota no ilay devoly voalaza ao amin’ny Soratra masina”.b Mahaliana anefa fa, ao amin’ny fitantarana momba an’i Joba, mpanompon’i Jehovah nahatoky, ny soratra hebreo dia mampiasa ny fitenenana hoe has·Sa·tanʹ, ilay Satana, ary ao amin’ny Lioka 4:2, dia vakintsika fa ilay Devoly (Grika, ho di·aʹbo·los) no naka fanahy an’i Jesosy. (Joba 1:6). Ao amin’ireo ohatra roa ireo, dia misy persona manokana iray tondroina araka ny fitsipi-panoratana. Tsy tafiditra amin’izany ny toetra mampiavaka ny olombelona.
Nanampy teny mba hahatonga antsika hahatakatra ny halehiben’ny herin’i Satana ny apostoly Paoly rehefa nanoratra ho an’ny Efesiana ka niresaka ny amin’ireo “mpanjakan’izao fahamaizinana izao, (...) ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra.” (Efesiana 6:12). Miaraka amin’i Satana Devoly, ireo ‘mpanjaka’ ireo dia demonia, zavaboary ara-panahy ratsy tsy hita maso. Izy ireo dia “mamitaka izao tontolo izao”, amin’ny fanararaotana ny fahalavoan’ny olombelona araka izay farany azo atao. (Apokalypsy 12:9). Noho io antony io no nampirisihan’i Paoly mafy ny kristiana tsirairay “hifahatra amin’ny [hiorina mafy mba hahatohitra ny, MN] fanangolen’ny devoly”. Izy no tompon’andraikitra lehibe indrindra amin’ny fahasimban’ny olombelona hitantsika manodidina antsika. — Efesiana 6:11.
Fanarenana
I Petera, niara-belona tamin’i Paoly, dia manome toky antsika fa tsy ho eo amin’ny manodidina mandrakizay i Satana sy ny demoniany mba hamandrika ny taranak’olombelona. Hoy izy: “Kanefa isika araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ny fahamarinana”. (2 Petera 3:13) Eny tokoa, tsy ho ela izao, ny faharatsiana amin’ny endriny rehetra dia tsy ho anisan’ny sehatr’olombelona intsony. Haringana i Satana sy ireo demoniany. (Romana 16:20; Apokalypsy 20:1-3). Amin’izay tokoa, ny toetra mampiavaka ny olombelona dia hanome taratry “ny voninahitra avy amin’Andriamanitra”, ka ny fiainana mandrakizay no ho fahatsinjovan-javatra azo antoka ho an’ny fianakavian’olombelona. — Romana 3:23.
“Efa nilaza mandrakariva aho ary mbola hilaza mandrakariva”, hoy ny fanantitranteran’i Thomas Jefferson, prezidà amerikana, “fa ny fandalinana amim-paharisihana ilay Boky Masina dia hanome olom-pirenena tsara kokoa. (...) Mamokatra vahoaka tsara indrindra eo amin’izao tontolo izao ny Baiboly”. Araka ny efa hitantsika, dia azo ovana ny toetrantsika raha omentsika fahafahana hanan-kery eo amin’ny fiainantsika ny hafatra maherin’ny Baiboly. (Romana 12:2). Afaka mifidy ny hanatratra sy hanaraka izay mendri-kaja sy izay araka an’Andriamanitra isika. Ary mba hanatanjaka antsika amin’ny ezaka ataontsika mba hihatsara, dia afaka mifidy ny hiaraka amin’ireo izay maniry amim-pahatsorana ny hanao toy izany koa isika. (Hebreo 10:24, 25) Vonona ny hanampy anao amin’izay fomba rehetra azo atao ny Vavolombelon’i Jehovah. Nahoana raha mitady fifandraisana amin’izy ireny dieny izao!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ampitahao ny: Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao; Ny Baiboly katolika amin’ny fiteny malagasy; La Bible nataon’i A. Crampon; La Sainte Bible nataon’i J.N. Darby.
b Filazana finoana ofisialin’ny “Kristadelfianisma”, antokom-pinoana iray ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana.
[Efajoro, pejy 6]
“NY ANDRO FARANY” — Filazalazan’ny Baiboly
“Fa aoka ho fantatrao izao: fa any am-parany any [amin’ny andro farany, MN] dia hisy andro mahory. Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina, tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara, mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’Andriamanitra, manana ny endriky ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, nefa nandà ny heriny; ireny koa dia halaviro.” — 2 Timoty 3:1-5.
[Sary, pejy 7]
Tsy ho ela, ny toetra mampiavaka ny olombelona dia hanome taratra amin’ny fomba feno ny voninahitra avy amin’Andriamanitra