FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w90 15/2 p. 31
  • Fanontanian’ny mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Mitovitovy Aminy
  • Fijangajangana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Virjiny
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Fa Inona no Maharatsy ny Firaisana Alohan’ny Fanambadiana?
    Mifohaza!—2004
  • Fisaraham-panambadiana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
w90 15/2 p. 31

Fanontanian’ny mpamaky

▪ Nahoana ny Lalàn’Andriamanitra no milaza fa tsy maintsy manambady ny virijina tsy voafofo ny lehilahy Isiraelita iray izay nanana firaisana taminy ary tsy afaka misaraka aminy intsony?

Ao amin’ny Eksodosy 22:15, 16 sy ao amin’ny Deoteronomia 22:28, 29, no ahitantsika io lalàna io izay lazain’ny sasany fa tsy maneho fiheverana firy ny vehivavy. Raha ny marina, izany dia mamporisika ny lehilahy sy ny vehivavy hanana fari-pitondrantena ambony.

Mampiseho lalàna isan-karazany momba ny tokantrano ny Deoteronomia toko faha-22. Lazalazainy, ohatra, ny amin’ny toeran’ny lehilahy izay tsy tia ny vadiny intsony ary manambara fa tsy virijina izy fony nampakariny. Voalaza ao koa ny lalàn’Andriamanitra mikasika ny fanitsakitsaham-bady sy ny fisavihana. Izao no vakintsika avy eo:

“Raha misy lehilahy mahita zazavavy virijina, izay tsy voafofo ho vadin’olona, ka misavika azy sady mandry aminy, koa hita izy roroa, dia hanome sekely volafotsy dimam-polo ho an’ny rain-drazazavavy ralehilahy izay nandry taminy; ary hovadiny izy, satria efa nosavihiny sady nandriany: ary tsy azony hisaorana izy amin’ny andro rehetra hiainany.” — Deoteronomia 22:28, 29.

Nisy fandotoana sy fijangajangana teo. Raha mahatsiaro tena ho afaka manana firaisana amin’ny virijina ny lehilahy maty eritreritra iray, dia ilay vehivavy no matiantoka voalohany. Ankoatra ny mety hiterahany zazasary, dia hihem-bidy izy satria Isiraelita maro no mety tsy haniry hanambady azy noho izy efa tsy virijina intsony. Noho izany, inona no mety hanakana lehilahy tsy ho sahisahy ratsy amina virijina? Ny Lalàn’Andriamanitra, izay ‘masina, sady marina no tsara’. — Romana 7:12.

Nisy antony sasany namelan’ny Lalàn’i Mosesy ny lehilahy hisaraka amin’ny vadiny (Deoteronomia 22:13-19; 24:1; Matio 19:7, 8). Asehon’izay novakintsika tao amin’ny Eksodosy 22:15, 16 sy Deoteronomia 22:28, 29 anefa, fa foana ny fahafahana hisaraka rehefa nisy firaisana talohan’ny fanambadiana. Mety hanampy lehilahy (na virijina) hanohitra ny fakam-panahy hijangajanga izany. Ny lehilahy iray dia tsy afaka nanao hoe: ‘Tsara tarehy sady manintona izy; handany fotoana mahafinaritra miaraka aminy aho na dia tsy toa azy aza no iriko hampakarina.’ Mifanohitra amin’izany fa manakana ny faharatsiam-pitondrantena io Lalàna io, mahatonga izay ta-hanota hisaintsaina ny vokatra maharitra ateraky ny fijangajangana: tsy maintsy miara-mitoetra amin’ilay ankilany mandritra ny fiainany manontolo izy.

Feran’io Lalàna io koa ny zava-manahirana an’ireo zazasary. Izao no nolazain’Andriamanitra: “Ny zazasary tsy mahazo miditra ao amin’ny fiangonan’i Jehovah.” (Deoteronomia 23:3). Noho izany, rehefa tsy maintsy nampakatra ny virijina nolotoiny ny lehilahy iray, dia tsy nitondra zazasary teo amin’ireo Isiraelita ny fijangajangany.

Marina fa miaina amin’ny rafitra ara-tsosialy hafa noho ny an’ireo Isiraelita fahizay ny kristiana ankehitriny. Tsy eo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy intsony isika, anisan’izany io lalàna manery olon-droa nijangajanga hivady io. Na dia izany aza, dia tsy afaka hihevitra ny firaisana alohan’ny fanambadiana ho zavatra tsy misy antony isika. Tokony hisaina lalina izay mety ho vokatr’izany maharitra ny kristiana, toy ny nanaovan’ny Lalàna izany tamin’ny Isiraelita.

Ny fananana firaisana amin’olona tsy manambady iray dia manaisotra aminy ny zony hiditra ao amin’ny fanambadiana toy ny virijina madio (lahy na vavy). Manaisotra ny zon’izay mety ho vadin’izany olona izany koa ny firaisana alohan’ny fanambadiana, ny zo ananany hanambady kristiana madio. Ambonin’izany rehetra izany, dia tokony hofadina ny fijangajangana, satria lazain’Andriamanitra fa fanao ratsy izany; fahotana izany. Izao indrindra no nosoratan’ny apostoly: “Fa izao no sitrapon’Andriamanitra, dia ny hanamasinana anareo, hifadianareo ny fijangajangana.” — 1 Tesaloniana 4:3-6; Hebreo 13:4.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara