FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • uw toko 23 p. 176-183
  • Tadidio Tsara ao An-tsaina ny Andron’i Jehovah

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tadidio Tsara ao An-tsaina ny Andron’i Jehovah
  • Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Mitoera ho mailo hahita ireo fisehoan-javatra mahatanteraka ilay famantarana
  • Fanavahana ny olona
  • Inona no mbola eo anoloantsika?
  • Tadidio Tsara ny Andron’i Jehovah
    Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
  • Rahoviana no ho tonga ny fandringanana an’izao tontolo izao voalazan’ny faminaniana
    Ny Tena Fiadanana sy Filaminana—Avy Aiza no Hiaviany?
  • Ireo andro faran’izao fandehan-javatra ratsy izao
    Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
  • Mbola haharitra fotoana toy inona ny fandehan-javatra ankehitriny?
    Ny Fomba Hahavelomanao ao Amin’ny Tany Vaovao Iray
Hijery Hafa
Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
uw toko 23 p. 176-183

Toko 23

Tadidio Tsara ao An-tsaina ny Andron’i Jehovah

1. a) Fony ianao nianatra voalohany fa efa akaiky ny fanafahana avy amin’ireo alahelo amin’izao fandehan-javatra tranainy izao, nanao ahoana ny fihetsikao? b) Fanontaniana inona avy momba izany no tokony hodinihintsika amim-pitandremana?

TSY isalasalana fa ny iray amin’ireo zavatra voalohany nianaranao tamin’ny fianaranao ny Baiboly dia hoe efa akaiky izao ny fanafahana amin’ireo alahelo rehetra eo amin’ny fiainana ao anatin’ny fandehan-javatra ankehitriny. (Lioka 21:28, NW ). Nanjary nahatakatra ianao fa ny fikasan’Andriamanitra dia ny hahatongavan’ny tany manontolo ho Paradisa. Tsy hisy intsony ny heloka bevava, ny ady, ny aretina ary ny fahafatesana. Ary na dia ireo maty aza dia ho velona indray. Fahatsinjovan-javatra manafana ny fo tokoa izany! Ny fahakekezan’izany rehetra izany dia nohamafisin’ny porofo fa efa nanomboka tamin’ny 1914 ny fanatrehana tsy hita mason’i Kristy amin’ny maha-Mpanjaka manapaka azy, ary koa fa hatramin’izay dia efa ao anatin’ny andro faran’ity tontolo ratsy ity isika. Moa ve ny fahalalanao izany niteraka fiovana teo amin’ny fiainanao? Moa ve ny fomba fiainanao tena mampiseho fa miaiky ny amin’ny fahakekezan’izany “andron’i Jehovah” izany ianao?

2. a) Rahoviana no ho tonga ny “andron’i Jehovah”? b) Nahoana no nahasoa ny tsy nampahafantaran’i Jehovah “izany andro na ora izany”?

2 Mampiseho mazava ny Soratra Masina fa ny “taranaka” izay nahita ny fiandohan’ny fanatrehan’i Kristy dia hahita koa ny “andro lehiben’i Jehovah”, izay hampiharany didim-pitsarana amin’izay rehetra manao ny tsy rariny. (Matio 24:34; Zef. 1:14-2:3). Efa tena mihamandroso taona izao io “taranaka” io. Ny Baiboly anefa tsy manondro ny daty marina hahatongavan’i Jesosy Kristy mba hampihatra ny didim-pitsaran’i Jehovah amin’ny fandehan-javatr’i Satana eto an-tany. “Fa ny amin’izany andro na ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjely any an-danitra, ary na dia ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany.” (Marka 13:32). Tena nahasoa tokoa izany. Tamin’ny fomba ahoana? Izany dia nanampy mba hampiharihariana ny ao am-pon’ny olona. Raha misy olona tsy tena tia marina an’i Jehovah, dia hirona hampihemotra ny ‘androny’ ao an-tsainy izy ireo ka hitodika ho amin’ny fikatsahan-javatra tsy ara-pivavahana izay ironan’ny fony. I Jehovah dia tsy manaiky ho mpanompony afa-tsy ireo izay tia azy marina ka mampiseho izany amin’ny fanompoana azy amin’ny fo rehetra, tsy misy firaharahana ny amin’ny fotoana hahatongavan’ny faran’ity fandehan-javatra ratsy ity. Tsy mihatra amin’ireo izay matimaty na mihatsaravelatsihy ny fankasitrahan’Andriamanitra sy ny an’ny Zanany. — Apok. 3:16; Sal. 37:4; 1 Jaona 5:3.

3. Inona no nolazain’i Jesosy ho fampitandremana antsika momba io raharaha io?

3 Rehefa nanome teny fampitandremana ho an’ireo tia an’i Jehovah i Jesosy dia nanao hoe: “Mitandrema, miambena, ka mivavaha; fa tsy fantatrareo izay hihavian’ny fotoana.” (Marka 13:33-37). Mampirisika antsika izy mba tsy hamela ny fihinanana sy ny fisotroana na ny “fanahiana eo amin’ny fiainana” hitana ny saintsika amin’ny fomba tafahoatra, hany ka ho hadinontsika ny fahamaikan’ny fotoana. — Lioka 21:34-36, NW; Matio 24:37-42.

4. Araka ny nohazavain’i Petera, inona moa no hoentin’ny “andron’i Jehovah”?

4 Tatỳ aoriana, ny apostoly Petera dia nanoro hevitra an’ireo rehetra manam-pinoana marina mba ‘hiandry sy hitadidy tsara ao an-tsaina ny fanatrehan’ny andron’i Jehovah, izay handevona ny lanitra mirehitra afo ary hampiempo ireo tenan-javatra mahamay fatratra’. Ny fahakekezan’ny “andron’i Jehovah” dia zava-misy izay tsy tokony hohamaivanin’iza na iza amintsika. Ny lanitra hita maso voaforon’ireo fitondram-panjakana sy ny fitambaran’olona ratsy fanahy, tsy ho ela dia hosoloana “lanitra vaovao sy (...) tany vaovao” hataon’Andriamanitra. Ireo “tenan-javatra” rehetra miaraka amin’ny fandehan-javatr’izao tontolo izao ankehitriny — ny fihetsiny tsy tia fiankinana, ny fomba fiainany maloto ara-pitondran-tena sy tia fatratra ny zavatra ara-nofo — dia hofaranana ao amin’ny fandravana mahamay amin’ny “andron’i Jehovah”. (2 Pet. 3:10-13, NW ). Mila ny mitoetra ho mailo isika, noho ny fahatakarana fa ireo fisehoan-javatra handrava izao tontolo izao ireo dia mety hanomboka na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona. — Matio 24:44.

Mitoera ho mailo hahita ireo fisehoan-javatra mahatanteraka ilay famantarana

5. a) Firy amin’ny valin-teny nomen’i Jesosy an’ilay fanontaniana voarakitra ao amin’ny Matio 24:3 moa no nihatra tamin’ny faran’ny fandehan-javatra jiosy? b) Ny fizarana inona avy amin’ny valin-teniny moa no mifantoka amin’ireo fisehoan-javatra nanomboka tamin’ny 1914?

5 Rehefa heverina indrindra ny fotoana iainantsika izao, dia tokony ho fantatsika tsara ireo tsipirian-javatra mahaforona ilay famantarana ka mampahafantatra fa miaina amin’ny “andro farany”, na ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”, isika. Mba hamakiana ilay famantarana araka ny tokony ho izy, dia tsy maintsy mitadidy ao an-tsaina isika fa, fony i Jesosy namaly ny fanontanian’ireo mpianany, voarakitra ao amin’ny Matio 24:3 (NW ), ny zavatra sasany nolazainy dia nihatra tamin’ny faran’ny fandehan-javatra jiosy tamin’ny taonjato voalohany, fa ny fampiharana azy lehibe kosa dia nahatratra lavitra atỳ aorian’izany. Izay nolazainy eo amin’ny andininy faha-4 ka hatramin’ny faha-22 dia nanana fahatanterahana kely teo anelanelan’ny taona 33 sy 70 am.f.i. Kanefa io faminaniana io dia manana fahatanterahana lehibe kokoa amin’izao androntsika izao ka mampahafantatra ny fe-potoana nanomboka tamin’ny 1914 ho ny fotoan’ny ‘fanatrehan’i Kristy sy ny fifaranan’ny fandehan-javatra’. (Ary koa Marka 13:5-20, NW, sy Lioka 21:8-24, NW ). Ny Matio 24:23-28 dia milaza izay hitranga nanomboka tamin’ny taona 70 am.f.i. ka hatramin’ny fotoan’ny fanatrehan’i Kristy. (Ary koa Marka 13:21-23). Raha ny amin’ireo zavatra hitranga voalaza manomboka eo amin’ny 24:29 ka hatramin’ny faran’ny toko faha-25 amin’ny Matio kosa, izy ireo dia manondro ny fe-potoana nanomboka tamin’ny 1914. — Ary koa Marka 13:24-37 sy Lioka 21:25-36.

6. a) Nahoana ny tenantsika manokana no tokony handinika akaiky tsara ny fomba anatanterahan’ireo zava-miseho ankehitriny ‘ilay famantarana’? b) Valio ireo fanontaniana eo amin’ny faran’ity fehintsoratra ity mba hampisehoana fa tanteraka nanomboka tamin’ny 1914 ‘ilay famantarana’.

6 Ny tenantsika manokana dia tokony handinika akaiky tsara ireo zava-miseho ankehitriny izay mahatanteraka ‘ilay famantarana’. Ny fampifandraisantsika azy ireo amin’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly dia hanampy antsika hitadidy “tsara ao an-tsaina” ny andron’i Jehovah. Izany koa dia hahatonga antsika hahay handresy lahatra rehefa mampitandrina ny hafa momba ny fahakekezan’ny “andro famalian’Andriamanitsika” isika. (Isaia 61:1, 2). Amin’ny fitadidiana ireo zava-kendrena ireo ao an-tsaina, dia jereo indray ireto lafiny samihafa amin’‘ilay famantarana’ ireto.

Tamin’ny fomba tsy misy ohatra izany ahoana no nahatanterahan’ny ‘fitsanganan’ny firenena hamely firenena sy fanjakana hamely fanjakana’, nolazaina mialoha, nanomboka tamin’ny 1914? Inona no nitranga tamin’ireo volana faramparany ka mbola nanampy ho an’izany fahatanterahany izany?

Nanao ahoana ny fiantraikan’ny mosary teo amin’ny tany na dia eo aza ny fahalalana ara-tsiansa amin’izao taonjato faha-20 izao?

Tena nisy naha-hafa ny habetsahan’ny fitrangan’ireo horohoron-tany amin’ny tany samy hafa ve nanomboka tamin’ny 1914?

Tamin’ny 1918, areti-mandringana inona no naka ain’olona mihoatra lavitra noho ilay ady lehibe? Na dia eo aza ny fahalalana ara-pitsaboana, aretina inona avy no mbola miely patrana toy ny areti-mifindra?

Inona no porofo hitanao fa tena reraka tokoa ny fon’ny olona noho ny fahatahorany, araka ny nolazaina mialoha ao amin’ny Lioka 21:26?

Inona no mampiaiky anao fa ireo toe-piainana voalaza ao amin’ny 2 Timoty 3:1-5 dia tsy hoe fomba fiaina hita efa hatramin’izay fotsiny, fa mihamafy kosa ka mihamahatratra ambaratonga mahatsiravina hatrany arakaraka ny androsoantsika hanakaiky ny fiafaran’ny andro farany?

Fanavahana ny olona

7. a) Fisehoan-javatra hafa inona koa, voalaza ao amin’ny Matio 13:36-46, no nampifandraisin’i Jesosy tamin’ny fifaranan’ny fandehan-javatra? b) Inona no hevitr’io fanoharana io?

7 Misy fisehoan-javatra lehibe hafa koa nampifandraisin’i Jesosy mazava tamin’ny fahataperan’ny fandehan-javatra. Ny iray amin’izany dia ny fanavahana ny “zanaky ny Fanjakana” amin’ny “zanak’ilay ratsy”. Niresaka momba izany tao amin’ny fanoharany momba ny tanimbary iray namafazan’ny fahavalo iray tsimparifary i Jesosy. Ilay “vary” ao amin’ilay fanoharany dia mampiseho ireo Kristiana marina voahosotra. Ireo “tsimparifary” kosa dia ireo Kristiana sandoka. Amin’ny fahataperan’ny fandehan-javatra, ireo “tsimparifary” — izany hoe ireo mihambo ho Kristiana kanefa hita ho “zanak’ilay ratsy” satria mifikitra amin’ilay tontolo izay i Satana no mpanapaka eo aminy — dia avahana amin’ireo “zanaky ny fanjakan[’Andriamanitra]” ary atokana ho amin’ny fandringanana. (Matio 13:36-43). Tena nitranga tokoa ve izany?

8. a) Taorian’ny Ady Lehibe Faharoa, fanavahana lehibe an’ireo rehetra mihambo ho Kristiana inona moa no niseho? b) Ahoana no nanaporofoan’ireo Kristiana marina voahosotra fa tena “zanaky ny fanjakana” tokoa izy ireo?

8 Taorian’ny Ady Lehibe Voalohany, dia tena nisy tokoa fanavahana lehibe ny olona rehetra nihambo ho Kristiana, mba hahaforona kilasy roa: 1) Ny klerjin’ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana sy ireo mpanara-dia azy, izay sady nanohana mafy ny Fikambanam-pirenena (ny Fandaminan’ny Firenena Mikambana ankehitriny), no mbola mifikitra amin’ny fanindrahindrany ny fireneny ihany. 2) Ireo Kristiana marina voahosotra izay voafetra ihany ny isany tamin’io fe-potoana taorian’ny ady io, ary nanome ny fanohanany feno ny Fanjakana Mesianikan’Andriamanitra. Tamin’ny fanohanany an-karihary ireo fitondram-panjakan’izao tontolo izao ho ny fitaovana hahatratrarana ny fiadanana sy ny filaminana, irỳ kilasy voalohany dia nampiseho mazava fa tsy Kristiana marina ny tenany. (Jaona 17:16). Mifanohitra amin’izany kosa, ireo mpanompon’i Jehovah dia nampahafantatra araka ny tena izy ny Fikambanam-pirenena ho ilay “fahavetavetan’ny fandravana” resahina ao amin’ny Matio 24:15. Niseho ho ny “zanaky ny fanjakan[’Andriamanitra]” marina izy ireo, ka nanomboka nitory “ny vaovao tsaran’ilay fanjakana (...) tamin’ny tany onenana manontolo”. (Matio 24:14, NW ). Inona avy no vokany?

9. Inona no vokatra voalohan’io asa fitoriana ilay Fanjakana io?

9 Voalohany aloha, dia teo ny fanangonana ireo sisa tamin’ny “olom-boafidy”, dia ireo Kristiana voahosotry ny fanahy. Na dia miparitaka any amin’ireo firenena aza izy ireo, toy ny hoe any amin’ny “vazan-tany efatra”, teo ambanin’ny fitarihan’ireo anjely dia nampidirina tao anatin’ny fandaminana iray miray saina izy.

10. a) Fanavahana fanampiny inona no natao, ary mifanaraka amin’ny faminaniana inona? b) Inona no hevitry ny fahatanterahan’ireo faminaniana ireo?

10 Avy eo, araka ny nolazain’i Jesosy mialoha, dia nanomboka nanavaka ny olona amin’ny firenena rehetra izy, “tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy”. Io asa io, izay tarihin’i Kristy avy any amin’ny seza fiandrianany any an-danitra, dia mitohy mandraka androany, ary voakasik’izany koa ny tenanao. Ny ankamaroan’ny olona dia mandà amim-panamavoana ny Fanjakan’Andriamanitra sy ireo ‘zanak’izy io voahosotry ny fanahy’, ka noho izany dia hatokana ho amin’ny “fandringanana mandrakizay, NW” ao amin’ny fahafatesana. Ho an’ireo hafa kosa, dia manolotra ny fanasana mba handova ny faritra eto an-tanin’ny Fanjakany ka hanana fahatsinjovana fiainana mandrakizay, ny Tompo. Ireo olona oharina amin’ny ondry ireo dia niaraka tamin’ireo “zanaky ny fanjakana” voahosotra, na dia iharan’ny fanenjehana amin-kalozana aza ireo. (Matio 25:31-46). Manampy azy ireo amim-pahatokiana hampahafantatra ilay hafatra iankinan’ny aina momba ilay Fanjakana izy ireo. Misy olona betsaka miisa ho an-tapitrisany maro mandray anjara amin’io asa io. Re hatrany amin’ny faran’ny tany ny hafatra momba ilay Fanjakana. Midika ho inona izany fisehoan-javatra izany? Fa tena efa akaikin’ny faran’ireo “andro farany” isika izao, ary koa fa efa antomotra ny “andron’i Jehovah”.

Inona no mbola eo anoloantsika?

11. Mbola misy zavatra tokony hatao ve eo amin’ny asa fitoriana alohan’ny hahatongavan’ny “andron’i Jehovah”?

11 Mbola misy faminaniana tokony ho tanteraka ve alohan’ny hanombohan’ny andron’i Jehovah lehibe sady mahatahotra? Eny! Mbola tsy vita ny fanavahana ny olona miorina amin’ny raharaha momba ilay Fanjakana. Any amin’ny tany sasany nisian’ny fanoherana nahery vaika nandritra ny taona maro, ankehitriny dia mpianatra vaovao sesehena no jinjaina. Ary na dia any amin’ireo tany andavan’ny olona ny vaovao tsara aza, dia voaro ny rariny sy ny famindram-pon’i Jehovah noho ny asa fanambarana ataontsika. Koa aoka àry isika tsy hikely soroka hanao ilay asa! Manome toky antsika i Jesosy fa, rehefa vita izy io, dia “ho tonga ny farany”. — Matio 24:14.

12. a) Araka ny asehon’ny 1 Tesaloniana 5:2, 3, fisehoan-javatra mendrika ny homarihina inona no mbola tokony hitranga? b) Hidika ho inona ho antsika izany?

12 Ny faminaniana lehibe hafa iray koa ao amin’ny Baiboly dia milaza hoe: “Raha misy olona manao hoe: [fiadanana sy filaminana, NW ], dia hanjo azy tampoka ny fandringanana, toy ny fahararian’ny vehivavy raha miteraka, ka tsy ho afa-mandositra mihitsy izy.” (1 Tes. 5:2, 3). Izay endrika isehoan’izany fanambarana ny amin’ny “fiadanana sy filaminana” izany dia mbola ho hita eo. Kanefa izy io dia tsy hidika velively hoe nahavita nandamina marina ireo zava-manahirana ny olombelona ireo mpanapaka eo amin’izao tontolo izao. Ireo izay “mitadidy tsara ao an-tsaina” ny andron’i Jehovah dia tsy ho voafitak’izany fanambarana izany. Fantatr’izy ireo fa, aorian’izany avy hatrany, dia ho avy “tampoka ny fandringanana”.

13. Fisehoan-javatra inona avy no hanaraka avy hatrany ny fanambarana hoe “fiadanana sy filaminana”, ary hanao ahoana ny filaharan’ny fisehoan’izy ireo?

13 Voalohany aloha, araka ny asehon’ny Soratra Masina, ireo mpanapaka ara-politika, manerana ny tany manontolo mihitsy, dia hiodina hamely an’i Babylona Lehibe, ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso, ary handringana azy. (Apok. 17:15, 16). Tena mendrika homarihina fa dieny ankehitriny aza dia efa misy fihetsika feno fankahalana miseho, indrindra fa eo anatrehan’ireo fivavahana ao amin’ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana. Efa mampihatra fitaomana mahery ao amin’ny Fandaminan’ny Firenena Mikambana sahady ireo fitondram-panjakana tsy tia fivavahana. Ary raha ny amin’ny olona amin’ny ankapobeny any amin’ireo tany fantatra ho mpivavaka, dia mandà ny fivavahan’ny razany ny maro be amin’izy ireo. Midika ho inona izany rehetra izany? Fa efa akaiky ny fanafoanana ny fivavahan-diso rehetra. Aorian’izay, rehefa hiodina hamely amim-pihantsiana sy amin’ny heriny rehetra ireo izay manohana ny fiandrianan’i Jehovah ireo firenena, ny fahatezeran’Andriamanitra dia hamely ireo fitondram-panjakana ara-politika sy ireo mpanohana azy, ka handringana azy rehetra ireo tanteraka. Ary farany, dia i Satana mihitsy sy ireo demoniany no hatsipy any amin’ny lavaka tsy hita noanoa, ka ho voasakana tanteraka tsy ho afa-mampihatra ny fitaomany amin’ny olombelona. Tena ho ny “andron’i Jehovah” tokoa amin’izay, dia ilay andro hanandratana ny anarany. — Ezek. 38:18, 22, 23; Apok. 19:11–20:3.

14. Nahoana no tsy hampiseho fahendrena ny fanjohiana hevitra fa mbola ho ela ny andron’i Jehovah?

14 Tena ho tonga ara-potoana tsara izy io, araka ny fandaharam-potoanan’Andriamanitra. Tsy ho diso aoriana ny fahatongavan’izy io. (Hab. 2:3, NW ). Tadidio fa ny fandringanana an’i Jerosalema tamin’ny taona 70 am.f.i. dia tonga haingana, tamin’ny fotoana tsy nanampoizan’ireo Jiosy azy, tamin’ny fotoana niheveran’izy ireo fa efa lasa ny loza. Ary ahoana ny amin’i Babylona fahizay? Nahery izy io, feno toky, nimanda. Kanefa dia lavo tao anatin’ny indray alina monja izy io. Toy izany koa, fa ho “tampoka ny fandringanana” hamely ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny. Rehefa tonga izany, dia enga anie isika ho tafaray ao amin’ny fanompoam-pivavahana marina, noho isika nitadidy ‘tsara tao an-tsaina’ ny andron’i Jehovah.

Famerenana

● Nahoana no tena zava-dehibe ny fitadidiana “tsara ao an-tsaina” ny andron’i Jehovah? Ahoana no ahafahantsika manao izany?

● Amin’ny ahoana no maha-voakasika antsika manokana amin’ilay fanavahana ny olona atao amin’izao andro izao?

● Inona no mbola eo anoloantsika, alohan’ny hanombohan’ny andron’i Jehovah? Koa inona àry no tokony hataontsika manokana?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara