FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Fankasitrahana Ireo ‘Lehilahy Natolotra ho Fanomezana’
    Ny Tilikambo Fiambenana—1999 | 1 Jona
    • Nananatra ireo mpikambana tao amin’ny kôngregasiôna tany Tesalonika toy izao i Paoly, rehefa nanoratra ho azy ireo: ‘Ekeo izay mikely aina eo aminareo sy mitondra anareo amin’ny Tompo ary mananatra anareo,

  • Fankasitrahana Ireo ‘Lehilahy Natolotra ho Fanomezana’
    Ny Tilikambo Fiambenana—1999 | 1 Jona
    • (1 Tesaloniana 5:12, 13). Tsy mahalaza tsara an’ireo loholona be fandavan-tena tokoa ve ny hoe “mikely aina”, noho izy ireo miezaka tsy amim-pitiavan-tena hanampy antsika? Diniho vetivety ny enta-mavesatra zakain’ireny rahalahy malala ireny.

      15 Raim-pianakaviana ny ankamaroan’izy ireo, ka tsy maintsy miasa mba hamelomana ny ankohonany. (1 Timoty 5:8). Raha manan-janaka ilay loholona, dia mila manokana fotoana ho an’ireo zanany ireo sy maneho fiheverana azy ireo. Mety hila hanampy ny zanany hanao ny entimodiny izy, ary koa handamina fotoana handanian’izy ireo ny herin’ny fahatanorany amin’ny fialam-boly mahasoa. (Mpitoriteny 3:1, 4). Ny zava-dehibe indrindra, dia mikarakara izay ilain’ny ankohonany eo amin’ny lafiny ara-panahy izy, ka mitarika fianaram-pianakaviana tsy tapaka, miara-miasa amin’ny mpianakaviny eo amin’ny fanompoana eny amin’ny saha, ary mitondra azy ireo mamonjy fivoriana kristianina. (Deoteronomia 6:4-7; Efesiana 6:4). Aoka tsy hohadinointsika fa ankoatra ireo andraikitra iombonan’ny ankamaroantsika ireo, dia manana adidy hafa koa ny loholona: fanomanana ny anjarany amin’ny fivoriana, fanaovana fitsidihan’ny mpiandry, fikarakarana izay hahasoa ara-panahy ny kôngregasiôna, ary rehefa ilaina izany, dia eo koa ny fikarakarana raharaha ara-pitsarana. Ny sasany mbola manana andraikitra fanampiny mifandray amin’ny fivoriamben’ny fizaran-tany, ny fivoriamben’ny distrika, ny fanorenana Efitrano Fanjakana, ary ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly. Tena “mikely aina” tokoa ireny rahalahy ireny!

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara