FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w91 15/11 p. 18-23
  • Famoazana ‘hatsaram-po isan-karazany’

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Famoazana ‘hatsaram-po isan-karazany’
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • “Ataovy hatrany izay tsara”
  • Mihevitra ny hafa
  • “Aoka ho mpamindra fo hatrany ianareo”
  • Malala-tanana sy tia mandray vahiny
  • Filazana ny fahamarinana
  • Mambole hatsaram-po
  • Manaova ny Tsara Mandrakariva
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • Ny fahalehibeazana mahatalanjon’ny hatsaram-pon’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • “Tena Tsara Toetra ... Izy”
    Manatòna An’i Jehovah
  • Ny haben’ny hatsaram-pon’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
w91 15/11 p. 18-23

Famoazana ‘hatsaram-po isan-karazany’

“Ny vokatry ny mazava dia voaforon’ny hatsaram-po (...) isan-karazany.” — EFESIANA 5:9, MN.

1, 2. Antokon’olona roa inona no nisy hatramin’ny andro taloha, ary toy inona ny tsy fitovian’ny toerana misy azy ireo ankehitriny?

TAORIAN’NY fikomiana tany Edena, sahabo ho enina arivo taona lasa izay, ary avy eo indray, taorian’ny safodrano tamin’ny andron’i Noa, ny taranak’olombelona dia nizara ho antokon’olona, na fandaminana roa, ny iray voaforon’ireo izay nikely aina nanompo an’i Jehovah, ny faharoa dia ireo nanaraka an’i Satana. Mbola misy ve ireo fandaminana roa ireo? Azo antoka fa izany tokoa! Niresaka ny amin’ireo antokon’olona roa ireo i Isaia mpaminany ary nanambara mialoha ny ho toe-piainany amin’izao androntsika izao: “Fa, indro, ny aizina manarona ny tany, ary ny aizim-pito manarona ny firenena; fa aminao kosa no iposahan’i Jehovah, ary aminao no isehoan’ny voninahiny.” — Isaia 60:1, 2.

2 Eny, ny tsy fitoviana eo amin’ireo fandaminana roa ireo dia lehibe toy ny tsy fitoviana eo amin’ny maizina sy ny mazava. Ary toy ny hanintonan’ny tara-pahazavana iray ny olona very ao anatin’ny haizina, dia toy izany koa no nanintonan’ny hazavana avy amin’i Jehovah mamirapiratra eo anivon’ity tontolo maizina ity, olona tso-po an-tapitrisany maro ho amin’ny fandaminan’Andriamanitra, araka ny nanohizan’i Isaia ny teniny hoe: “Ny firenena [ondry hafa] manatona ny fahazavanao, ary ny mpanjaka [voahosotra mpandova ny fanjakana] mankeo amin’ny famirapiratan’ny fiposahanao.” — Isaia 60:3.

3. Amin’ny fomba ahoana avy no ampisehoan’ny kristiana ny voninahitr’i Jehovah?

3 Ahoana no ampisehoan’ny vahoakan’i Jehovah ny voninahiny? Voalohany aloha, dia mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra efa miorina izy ireo. (Marka 13:10). Mihoatra noho izany anefa fa, izy ireo dia manahaka an’i Jehovah, ilay ohatra tsara indrindra amin’ny hatsaram-po, ka amin’ny fitondrantenany izy ireo dia manintona ireo mpandefitra ho amin’ny mazava. (Efesiana 5:1). Hoy i Paoly: “Fa maizina hianareo fahiny, fa efa mazava ao amin’ny Tompo kosa ankehitriny. Mandehana hatrany tahaka ny zanaky ny mazava”. Nanohy toy izao izy: “Ny vokatry ny mazava dia voaforon’ny hatsaram-po sy ny rariny ary ny fahamarinana isan-karazany. Fantaro tsara hatrany izay ankasitrahan’ny Tompo; ary aza mandray anjara miaraka [aminy] amin’ny asan’ny maizina izay tsy mahavokatra”. (Efesiana 5:8-11, MN). Inona no tian’i Paoly holazaina tamin’ny hoe ‘hatsaram-po isan-karazany’?

4. Inona no atao hoe hatsaram-po, ary ahoana no ahitana izany eo amin’ny kristiana iray?

4 Araka ny nasehon’ilay lahatsoratra teo aloha, ny hatsaram-po dia toetra tsara na toe-pitondrantena tsara, fahatsaran-toetra. Nilaza i Jesosy fa i Jehovah irery ihany no tsara amin’ny heviny feno. (Marka 10:18). Na dia izany aza, dia afaka manahaka an’i Jehovah ny kristiana amin’ny fambolena hatsaram-po izay vokatry ny fanahy. (Galatiana 5:22, MN). Rehefa nanazava ny a·ga·thosʹ, teny grika midika hoe “tsara” ny Rakibolana manazava ireo teny ao amin’ny Testamenta Taloha sy Vaovao nataon’i Vine (anglisy), dia nilaza hoe: “[Izy io] dia milazalaza izay mahasoa eo amin’ny vokatra entiny, noho izy tsara eo amin’ny toetrany na eo amin’izay mahaforona azy.” Ny kristiana mamboly hatsaram-po àry dia sady ho tsara toetra no hanao ny tsara. (Ampitahao amin’ny Deoteronomia 12:28.) Halaviriny koa ireo zavatra mifanohitra amin’ny hatsaram-po, dia “ny asan’ny maizina izay tsy mahavokatra”. Ny ‘hatsaram-po isan-karazany’ notononin’i Paoly dia ireo fomba samy hafa ahafahan’ny kristiana mampiseho hatsaram-po. Inona no sasany amin’izy ireny?

“Ataovy hatrany izay tsara”

5. Inona no karazany iray amin’ny hatsaram-po, ary nahoana no tokony hamboly izany ny kristiana iray?

5 Nanisy fitenenana ny amin’ny karazany iray amin’ny hatsaram-po i Paoly ao amin’ny taratasiny ho an’ny Romana. Raha niresaka ny amin’ny fanekena ny “manam-pahefana ambony” izy, dia nanao hoe: “Ary ny tsy hatahotra ny fahefana va no tianao? Ataovy [hatrany, MN] ary izay tsara, dia hahazo dera avy aminy hianao”. Ny “tsara” izay nasiany fitenenana eto dia ny fankatoavana ireo lalàna sy fandaharana nataon’ny manam-pahefana tsy ara-pivavahana. Nahoana ny kristiana no tokony hanaiky azy ireny? Mba hanalavirana ny fifanoherana tsy amin’antony amin’ireo manam-pahefana, ka hankahatra fanasaziana amin’izany, ary — mbola zava-dehibe kokoa — mba hitanana fieritreretana madio eo anatrehan’Andriamanitra. (Romana 13:1-7). Na dia miaro voalohany indrindra ny fankatoavany an’i Jehovah aza ny kristiana iray, dia ‘manaja ny mpanjaka’ izy, tsy mikomy amin’ny manam-pahefana izay navelan’i Jehovah Andriamanitra hisy. (1 Petera 2:13-17). Amin’izany fomba izany, ny kristiana dia mpiara-monina tsara, olom-pirenena tsara, ary ohatra tsara.

Mihevitra ny hafa

6. a) Inona no lafiny hafa iray amin’ny hatsaram-po? b) Iza no lazain’ny Baiboly fa mendrika ny fiheverantsika?

6 Miseho ny hatsaram-pon’Andriamanitra amin’ny fanomezany ‘ranonorana avy eny amin’ny lanitra sy taon-jina’ ho an’ny mponina rehetra amin’ny tany. Izany dia miteraka ‘fahavokisana amin’ny hanina sy fifaliana’ ary mampiseho azy ho Andriamanitra feno fiheverana marina tokoa. (Asan’ny apostoly 14:17). Afaka manahaka azy isika amin’io lafiny io amin’ny fanehoana fiheverana ny hafa eo amin’ny zavatra madinika sy lehibe. Ho an’iza manokana indrindra? Nanisy fitenenana manokana ny amin’ireo loholona, “izay miasa mafy eo aminareo sy mitondra anareo ao amin’ny Tompo ary mananatra anareo” i Paoly. Nampirisika ny kristiana izy mba haneho aminy “fiheverana manokana ary mihoatra aza, ao amin’ny fitiavana, noho ny asan’izy ireo”. (1 Tesaloniana 5:12, 13, MN). Ahoana no ahafahantsika manao izany? Amin’ny fiaraha-miasa feno amin’izy ireo — ohatra, amin’ny fandraisana anjara amin’ny asa ilaina hatao ao amin’ny Efitrano Fanjakana. Na dia afaka manatona malalaka ny loholona mandrakariva aza isika mba hahazoana fanampiana rehefa ilaina izany, dia tsy tokony ho sarotiny amin’ny fomba tafahoatra. Amin’izay fomba rehetra azontsika atao kosa, dia miezaka isika ny hanamaivana ny entan’ireny mpiandry miasa mafy ireny, izay manana andraikitra ara-pianakaviana ny maro aminy, ho fanampin’ny anjara asany ao amin’ny kongregasiona.

7. Amin’ny fomba ahoana avy no azontsika anehoana fiheverana ny be taona?

7 Mendrika ny fiheverantsika koa ireo be taona ara-batana. Toy izao ny fandidiana manokana iray tao amin’ny Lalàn’i Mosesy: “Mitsangàna raha eo anatrehan’ny fotsy volo hianao, ka manajà ny tavan’ny anti-panahy, ary matahora an’Andriamanitrao: Izaho no Jehovah.” (Levitikosy 19:32). Ahoana no ahafahana mampiseho io fiheverana io? Ho hevitra tsara tokoa raha manolo-tena an-tsitrapo ireo tanora mba hanampy azy ireo amin’ny fiantsenana na amin’ny raharaha tsy maintsy atao hafa. Azon’ireo loholona atao ny mizaha amim-piheverana mba hahitana raha misy olona be taona mila fanampiana amin’ny fanatrehana ireo fivoriana. Any amin’ireo fivoriambe, ireo tanora matanjaka dia hanalavitra ny fanositosehana ireo be taona miadam-pamindra noho ny fitadiavana hisongona amim-pahamaikana, ary haneho faharetana izy ireo raha toa ny be taona iray somary mitaredretra rehefa maka toerana na maka sakafo.

8. Ahoana no azontsika anehoana fiheverana ny antokon’olona hafa iray mendrika izany, nosinganina ao amin’ny Baiboly?

8 Nanonona antokon’olona hafa mila fanehoam-piheverana koa ny mpanao salamo: “Sambatra izay mahatsiaro [manao zavatra amim-piheverana amin’ny, NW] ny malahelo”. (Salamo 41:1). Mety ho mora ny maneho fiheverana ny olona ambony na ny manan-karena, fa ahoana ny amin’ny malahelo na ny mahantra? Nilaza i Jakoba mpanoratra Baiboly fa ny fanehoana fiheverana mitovy amin’izy ireo, dia fitsapana ny fahamarinantsika sy ny fitiavana kristiana ananantsika. Enga anie isika handresy amin’izany fitsapana izany amin’ny fisehoana ho be fiheverana ny rehetra, tsy misy fijerena ny fari-piainany. — Filipiana 2:3, 4; Jakoba 2:2-4, 8, 9.

“Aoka ho mpamindra fo hatrany ianareo”

9, 10. Nahoana ny kristiana no tokony hamindra fo, ary ahoana no ahafahana mampiseho io karazana hatsaram-po io?

9 Misy karazana hatsaram-po fanampiny hita ao amin’ny fanoharana sasany nataon’i Jesosy. Tao amin’ny iray amin’ireny, i Jesosy dia niresaka ny amin’ny Samaritana iray sendra nahita lehilahy iray izay norobaina sy nokapohina mafy ary navela hiampatra teo an-dalana. Nandalo teo amin’ilay lehilahy naratra ny Levita iray sy ny mpisorona iray, tsy nety nanampy azy. Ilay Samaritana kosa dia nijanona ary namonjy azy, nanao mihoatra noho izay azo nampoizina fa nety. Ilay tantara dia antsoina matetika hoe ny fanoharana ny amin’ilay Samaritana tsara fanahy. Karazana hatsaram-po inona no nasehon’ilay Samaritana? Ny famindram-po. Rehefa nanontany ny mpihaino azy i Jesosy mba hamantatra izay niseho ho naman’ilay lehilahy naratra, dia nomena ny valiny marina hoe: “Ilay namindra fo taminy.” — Lioka 10:37, MN.

10 Ireo kristiana mamindra fo dia manahaka an’i Jehovah izay nambaran’i Mosesy tamin’ireo Isiraelita fa: “Andriamanitra mamindra fo Jehovah Andriamanitrao ka tsy hahafoy anao, na handringana anao, na hanadino ny fanekena tamin’ny razanao, izay efa nianianany taminy.” (Deoteronomia 4:31). Nasehon’i Jesosy ny fomba tokony hananan’ny famindram-pon’Andriamanitra heriny eo amintsika: “Aoka ho mpamindra fo [hatrany, MN] hianareo mba ho tahaka ny Rainareo, Mpamindra fo.” (Lioka 6:36). Ahoana no ahafahantsika mampiseho famindram-po? Araka ny nasehon’ilay fanoharana nataon’i Jesosy, ny fomba iray dia ny fahavononana hanampy ny mpiara-belona amintsika, na dia mety hitondra loza na zava-manahirana aza izany. Ny olona tsara iray dia tsy hinia tsy hahafantatra ny fahorian’ny rahalahiny raha manana fahafahana hanao zavatra mikasika izany ny tenany. — Jakoba 2:15, 16

11, 12. Araka ny fanoharana nataon’i Jesosy ny amin’ireo mpanompo, mahatafiditra inona ny famindram-po, ary ahoana no ahafahantsika mampiseho izany amin’izao andro izao?

11 Nasehon’ny fanoharana hafa iray nataon’i Jesosy fa ny hatsaram-po feno famindram-po dia mahatafiditra fahavononana hamela ny heloky ny hafa. Niresaka ny amin’ilay mpanompo izay nitrosa talenta iray alina tamin’ny tompony izy. Noho izy tsy nanan-kaloa, dia nitalaho famindram-po ilay mpanompo, ary dia navelan’ilay tompony tamin-katsaram-panahy izany trosa be nitentina denaria 60 000 000 izany. Lasa nivoaka anefa ilay mpanompo ary nahita mpanompo hafa iray izay nitrosa taminy denaria zato monja. Ilay mpanompo nahazo famelana dia nandefa tsy nisy indrafo tany an-tranomaizina ilay nitrosa, mandra-pahafahany nandoa. Mazava fa tsy olona tsara ilay mpanompo tsy namindra fo, ary rehefa ren’ilay Tompo izay nitranga, dia nampamoahiny izy. — Matio 18:23-35.

12 Ao anatin’ny toe-javatra mitovy amin’ny an’ilay mpanompo nahazo famelana isika. Nifototra tamin’ny soron’i Jesosy, i Jehovah dia namela ny trosam-pahotana be nataontsika. Azo antoka àry fa tokony ho vonona hamela ny hafa isika. Nilaza i Jesosy fa tokony ho vonona isika ny hamela “hatramin’ny impito amby fito-polo”, izany hoe tsy misy fetra. (Matio 5: 7; 6:12, 14, 15; 18:21, 22). Noho izany, ny kristiana iray mamindra fo dia tsy manao otri-po. Izy dia tsy hitahiry ao an-tsaina hatezerana noho ny nataon’ny hafa na handa tsy hiteny amin’ny namana kristiana iray noho ny lonilony. Ny tsy fisian’ny famindram-po toy izany dia tsy mariky ny hatsaram-po kristiana.

Malala-tanana sy tia mandray vahiny

13. Inona koa no tafiditra amin’ny hatsaram-po?

13 Miseho koa amin’ny fahalalahan-tanana sy ny fitiavana mandray vahiny ny hatsaram-po. Indray mandeha, dia nanatona an’i Jesosy ny lehilahy tanora iray mba haka torohevitra. Hoy izy: “Mpampianatra ô, inona no tsara hataoko hahazoako fiainana mandrakizay?” Nilaza taminy i Jesosy fa tokony hitandrina tsy tapaka ny didin’Andriamanitra izy. Eny, ny fankatoavana ny didin’i Jehovah dia lafiny iray amin’ny hatsaram-po. Nihevitra ilay lehilahy tanora fa efa nanao izany araka izay farany azony natao izy. Mazava fa, tamin’ireo namany, dia toa efa olona tsara izy, kanefa dia tsapany fa nisy zavatra tsy ampy taminy. Koa hoy i Jesosy hoe: “Raha tia ho tanteraka hianao, mandehana, amidio ny fanananao, ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra hianao; ary avia hanaraka Ahy.” (Matio 19:16-22). Niala tamin’alahelo ilay lehilahy tanora. Nanankarena be izy. Raha nanaraka ny torohevitr’i Jesosy izy, dia ho nampiseho fa tsy tia fatratra ny zavatra ara-nofo. Ary ho nahavita asa tsara nampiseho fahalalahan-tanana tsy nisy fitiavan-tena marina izy.

14. Torohevitra tsara dia tsara inona no nomen’i Jehovah sy Jesosy miaraka, mikasika ny fahalalahan-tanana?

14 Nampirisika ny Isiraelita mba halala-tanana i Jehovah. Izao ohatra, no vakintsika: “Omeo tokoa izy [ny namanao voan’ny fahantrana], ary aoka tsy halahelo ny fonao raha manome azy, satria izany zavatra izany no hitahian’i Jehovah Andriamanitrao anao amin’ny asanao rehetra sy amin’izay rehetra ataon’ny tànanao.” (Deoteronomia 15:10; Ohabolana 11:25). Nampirisika ny hanehoana fahalalahan-tanana toy izao ny tenan’i Jesosy Kristy: “Omeo, dia mba homena hianareo; fatra tsara sady ahintsana no afatratra ka mihoatra no homeny ho ao am-pofoanareo.” (Lioka 6:38). Ambonin’izany, dia tena nalala-tanana ny tenan’i Jesosy. Indray mandeha, dia nanokana fotoana izy mba hialana sasatra kely. Hitan’ny vahoaka izay nisy azy ary tonga nanatona azy izy. Tamim-pahalalahan-tanana, dia nohadinoin’i Jesosy ny fialan-tsasatra ary nandany hery ho an’ny vahoaka izy. Taorian’izay, dia naneho fitiavana nandray vahiny niavaka izy tamin’ny fanomezana sakafo ho an’izany vahoaka betsaka izany. — Marka 6:30-44.

15. Ahoana no namelan’ireo mpianatr’i Jesosy ohatra tena tsara tamin’ny fanehoana fahalalahan-tanana?

15 Tsy nivadika tamin’ny torohevitr’i Jehovah sy i Jesosy ny maro tamin’ireo mpianatr’i Jesosy fa nalala-tanana sy tia nandray vahiny tamin’ny fomba niharihary. Tamin’ireo andro voalohandohan’ny kongregasiona kristiana, dia maro be tamin’ireo tonga mba hankalaza ny Pentekosta tamin’ny taona 33 am.fan.ir., no nandre ny fitorian’ireo apostoly ary tonga mpino. Rehefa nijanona taorian’ilay fankalazana izy ireo mba hianatra misimisy kokoa, dia nihalany vatsy. Noho izany, ireo mpino teo an-toerana dia nivarotra ny fananany ary nanolotra ny vola mba hanohanana ireo rahalahiny vaovao ka hahafahan’izy ireo hanjary hiorina kokoa amin’ny finoana. Fahalalahan-tanana re izany! — Asan’ny apostoly 4:32-35; jereo koa Asan’ny apostoly 16:15; Romana 15:26.

16. Lazao ny sasany amin’ireo fomba izay ahafahantsika miseho ho tia mandray vahiny sy malala-tanana amin’izao andro izao.

16 Amin’izao andro izao, dia hita ny fahalalahan-tanana toy ny an’i Kristy sahala amin’izany rehefa manome fotoana sy vola ho an’ny kongregasiona eo an-toerana sy ho an’ny asa fitoriana maneran-tany ireo kristiana. Miharihary izany rehefa mandefa fanampiana ho an’ireo rahalahy mijaly noho ny loza araka ny natiora na noho ny ady izy ireo. Miseho izany rehefa karakaraina ny mpiandraikitra ny fizaran-tany mandritra ny fitsidihany ara-potoana. Na, rehefa asaina amim-pahalalahan-tanana ireo “kamboty ray” mba handray anjara miaraka amin’ny fianakaviana kristiana hafa amin’ny fialam-boly sy ny fianarana ny Baiboly fanaon’ny fianakaviana, izany koa dia fitiavana mampiantrano vahiny, fampisehoana ny hatsaram-po kristiana. — Salamo 68:5, MN.

Filazana ny fahamarinana

17. Nahoana no zava-tsarotra ny fanaovana sy ny filazana ny marina amin’izao androntsika izao?

17 Rehefa nilazalaza ny vokatry ny mazava i Paoly, dia nampifandraisiny tamin’ny rariny sy ny fahamarinana ny hatsaram-po, ary mety ny milaza fa ny fanaovana sy ny filazana ny marina dia karazany hafa iray amin’ny hatsaram-po. Ny olona tsara dia tsy milaza lainga. Na dia izany aza, ny filazana ny marina dia zava-tsarotra manokana amin’izao andro izao izay ahitana matetika aoka izany ny lainga. Misy olona maro mandainga rehefa mameno ny taratasy momba ny hetra. Mandainga ny amin’ny asa ataony ny mpiasa. Mampiasa fitaka amin’ny fandaingana ny mpianatra any am-pianarany sy any amin’ny fanadinana. Mandainga ireo mpanao raharaham-barotra rehefa manao fanekena. Mandainga ny ankizy mba handosirana sazy. Manimba amin’ny lainga ny lazan’ny hafa ireo mpifosafosa sompatra.

18. Ahoana no fiheveran’i Jehovah ireo mpandainga?

18 Maharikoriko an’i Jehovah ny lainga. Anisan’ireo zavatra “fito” izay halany ny “lela fandainga” sy “ny mamoaka lainga ho vavolombelona tsy marina”. (Ohabolana 6:16-19). “Ny mpandainga rehetra” dia alahatra miaraka amin’ny osa sy ny mpamono olona, ary ny mpijangajanga, izay tsy hanana ny anjara toerany ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra. (Apokalypsy 21:8). Fanampin’izany, dia izao no lazain’ny Ohabolana amintsika: “Izay mandeha amin’ny fahitsiany dia matahotra an’i Jehovah, fa izay miolakolaka amin’ny lalany kosa maniratsira Azy”. (Ohabolana 14:2, MN). Miolakolaka amin’ny lalany ny mpandainga iray. Noho izany, ny mpandainga iray dia manome porofon’ny faniratsirana an’i Jehovah. Fisainana mahatsiravina re izany! Aoka isika hilaza ny marina mandrakariva, na dia mitarika ho amin’ny fanitsiana antsika na ho amin’ny fatiantoka ara-bola ho antsika aza izany. (Ohabolana 16:6; Efesiana 4:25). Ireo izay milaza ny marina dia manahaka an’i Jehovah, ilay “Andriamanitry ny fahamarinana”. — Salamo 31:5.

Mambole hatsaram-po

19. Inona indraindray no hita eo amin’izao tontolo izao, manome taratry ny voninahitry ny Mpamorona?

19 Vao ‘karazany’ vitsivitsy monja amin’ny hatsaram-po izay tokony hambolen’ny kristiana ireo. Marina fa mampiseho hatsaram-po amin’ny ambaratonga sasany ny olona eo amin’izao tontolo izao. Ny sasany tia mandray vahiny ohatra, ary ny hafa mamindra fo. Marina tokoa fa ny nahatonga ilay fanoharana ny amin’ilay Samaritana tsara fanahy hiavaka aoka izany, dia ny niresahan’i Jesosy ny amin’ny tsy Jiosy iray naneho famindram-po kanefa nisy loholona tao amin’ny kongregasiona jiosy tsy nanao izany. Mendri-piderana noho izany marina tokoa ilay Mpamorona ny olona, satria mbola miseho ho azy eo amin’ny olona sasany ihany ny lafin-toetra toy izany na dia taorian’ny enina arivo taonan’ny tsy fahatanterahana aza.

20, 21. a) Nahoana ny hatsaram-pon’ny kristiana no hafa noho izay mety ho hatsaram-po hita eo amin’ny olona eo amin’izao tontolo izao? b) Ahoana no ahafahan’ny kristiana mamboly hatsaram-po, ary nahoana isika no tokony hitandrina amin’ny fanaovana izany?

20 Na dia izany aza, ho an’ny kristiana, ny hatsaram-po dia mihoatra noho ny toetra tsara iray izay mety hananany na tsy hananany fotsiny. Izy io dia toetra tsara izay tsy maintsy amboleny amin’ny lafiny rehetra, noho izy ireo tsy maintsy tonga mpanahaka an’Andriamanitra. Ahoana no hetezan’izany? Milaza amintsika ny Baiboly fa afaka mianatra ny hatsaram-po isika. “Ampianaro hatsaram-po aho”, hoy ny fivavaky ny mpanao salano tamin’Andriamanitra. Amin’ny fomba ahoana? Nanohy ny teniny toy izao izy: “Satria naneho finoana ny didinao aho”. Izao no nanampiny: “Tsara ianao ary manao ny tsara. Ampianaro ahy ny fitsipikao.” — Salamo 119:66, 68, NW.

21 Eny, raha mianatra ireo didin’i Jehovah isika ka mankatò izany, dia hamboly hatsaram-po. Tsarovy mandrakariva fa vokatry ny fanahy ny hatsaram-po. Raha mitady ny fanahin’i Jehovah amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fiarahana amin’ireo rahalahy kristiana, ary amin’ny fianarana ny Baiboly isika, dia ho azo antoka fa hahazo fanampiana mba hamboly io toetra tsara io. Ambonin’izany, dia mahery ny hatsaram-po. Afaka mandresy ny ratsy mihitsy aza izy io. (Romana 12:21). Iankinan’ny aina tokoa àry ny hanaovantsika ny tsara amin’ny olona rehetra, indrindra fa amin’ireo rahalahintsika kristiana. (Galatiana 6:10). Raha manao izany isika dia ho anisan’ireo izay manana “voninahitra sy laza ary fiadanana” izay ampanantenaina “ny olona rehetra izay manao ny tsara”. — Romana 2:6-11.

Ahoana no havalinao?

◻ Ahoana no ahafahantsika manao ny tsara hatrany raha ny amin’ireo manam-pahefana ambony?

◻ Iza, ankoatra ny hafa, no mendrika ny fiheverantsika?

◻ Amin’ny fomba ahoana avy no isehoan’ny hatsaram-po?

◻ Asa maneho fahalalahan-tanana sy fitiavana mandray vahiny inona avy no mampiavaka ny kristiana amin’izao andro izao?

◻ Ahoana no ahafahana mamboly hatsaram-po?

[Sary, pejy 20]

Endriny iray amin’ny hatsaram-po ny fiheverana ny hafa

[Sary, pejy 23]

Tamin’ny naha-Mpampianatra Lehibe azy, i Jesosy dia nanome tamim-pahalalahan-tanana avy amin’ny tenany

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara