Vakio ny Tenin’Andriamanitra ary Manompoa Azy Amin’ny Fahamarinana
“Ampianaro ny làlanao aho, Jehovah ô, dia handeha amin’ny fahamarinanao aho”. — SALAMO 86:11.
1. Amin’ny fotony, dia inona no nolazain’ny nomerao voalohany amin’itỳ gazety itỳ momba ny fahamarinana?
MANDEFA fahazavana sy fahamarinana i Jehovah (Salamo 43:3, NW ). Omeny antsika koa ny fahaizana mamaky ny Teniny, ny Baiboly, sy ny fahaizana mianatra ny fahamarinana. Ny nomerao voalohany tamin’itỳ gazety itỳ (anglisy) — tamin’ny Jolay 1879 — dia nilaza hoe: “Ny fahamarinana, mitovy amin’ny voninkazo kely tsotra iray eo amin’ny tany ngazan’ny fiainana, dia voahodidina sy saika voagejan’ny firobonan’ny ahidratsin’ny lainga. Raha mahita azy io ianao, dia tsy maintsy miambina mandrakariva. Raha mahita ny hakantony ianao, dia tsy maintsy manilika ireo ahidratsin’ny lainga sy ireo tsilon’ny fitompoan-teny fantatra. Raha maniry hanana azy io ianao, dia tsy maintsy midina ambany mba hahazoana azy. Aza mianina amin’ny voninkazon’ny fahamarinana iray. Raha ampy ny anankiray dia efa tsy ho nisy hafa intsony. Manangòna mandrakariva, mitadiava bebe kokoa.” Ny famakiana sy ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra dia mahatonga antsika ho afaka hahazo fahalalana araka ny marina sy handeha amin’ny fahamarinany. — Salamo 86:11.
2. Rehefa namaky ny Lalàn’Andriamanitra tamin’ireo Jiosy tany Jerosalema fahiny i Ezra sy olon-kafa koa, dia inona no vokany?
2 Taorian’ny naha-voaorina indray ny mandan’i Jerosalema tamin’ny 455 al.f.i., dia namaky ny Lalàn’Andriamanitra tamin’ireo Jiosy i Ezra mpisorona sy olon-kafa koa. Izany dia narahin’ny Andro Firavoravoana Fitoerana Amin’ny Trano Rantsankazo sy narahin’ny fiekena fahotana sy ny fanaovana “fanekena mafy” iray. (Nehemia 8:1–10:1). Izao no vakintsika: “Novakiny mazava ny teny tao amin’ny bokin’ny lalàn’Andriamanitra, sady nohazavainy tsara ny heviny, ka dia azon’ny olona tsara ny teny novakina.” (Nehemia 8:8). Misy manome soso-kevitra hoe tsy nahazo tsara ny fiteny hebreo ireo Jiosy ka nolazaina indray tamin’ny fomba hafa tamin’ny fiteny aramiana ilay izy. Ilay soratra anefa dia tsy milaza fanazavana momba ny fitenenana fotsiny. I Ezra sy olon-kafa koa dia nanazava tamim-pitandremana ny Lalàna mba hahafahan’ny vahoaka hahatakatra sy hampihatra ireo fotopoto-pitsipiny. Ireo zavatra vita an-tsoratra sy ireo fivoriana kristiana koa dia natao mba ‘hanazavana tsara ny hevitry’ ny Tenin’Andriamanitra. Manao toy izany koa ireo loholona voatendry izay “mahay mampianatra”. — 1 Timoty 3:1, 2; 2 Timoty 2:24.
Soa maharitra
3. Inona avy ireo soa sasany azo raisina avy amin’ny famakiana ny Baiboly?
3 Rehefa miara-mamaky ny Baiboly ireo fianakaviana kristiana, dia azo inoana fa mandray soa maharitra. Manjary mahafantatra tsara ny lalàn’Andriamanitra izy ireo ary mianatra ny fahamarinana momba ireo foto-pampianarana sy faminaniana ary foto-kevitra hafa. Rehefa voavaky ny ampahany iray ao amin’ny Baiboly, dia mety hanontany ilay loham-pianakaviana hoe: Ahoana no tokony ho fiantraikan’izany eo amintsika? Amin’ny fomba ahoana izy io no mifandray amin’ireo fampianarana hafa ao amin’ny Baiboly? Ahoana no ahafahantsika mampiasa ireo hevitra ireo rehefa mitory ny vaovao tsara? Mahazo fahaiza-mahataka-javatra lehibe kokoa ny fianakaviana iray rehefa mamaky ny Baiboly, raha toa izy ireo manao fikarohana amin’ny fampiasana ny Index des publications de la Société Watch Tower, na indeksa hafa. Azo jerena ka andraisan-tsoa ireo boky roa Insight on the Scriptures.
4. Ahoana no tsy maintsy nampiharan’i Josoa ilay toromarika voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Josoa 1:8?
4 Afaka mitarika antsika eo amin’ny fiainana ireo fotopoto-pitsipika izay notovozina tao amin’ny Soratra Masina. Ambonin’izany, ny famakiana sy ny fianarana ny ‘Soratra Masina dia mampahendry antsika ho amin’ny famonjena’. (2 Timoty 3:15). Raha mamela ny Tenin’Andriamanitra hitarika antsika isika, dia tsy hitsahatra handeha amin’ny fahamarinany ary ho tanteraka ny faniriantsika marina. (Salamo 26:3; 119:130). Kanefa dia mila mikatsaka fahatakarana hevi-javatra isika, toy ny nataon’i Josoa, mpandimby an’i Mosesy. Tsy tokony hiala tamin’ny vavany ilay “bokin’ny lalàna”, ary tsy maintsy namaky azy io andro aman’alina izy. (Josoa 1:8). Ny tsy famelana ilay “bokin’ny lalàna” hiala tamin’ny vavany dia nidika fa i Josoa dia tsy tokony hitsahatra hilaza tamin’ny hafa ireo zavatra mitondra fahalalana voalazany. Ny famakiana ny Lalàna andro aman’alina dia nidika fa tsy maintsy nisaintsaina azy io, nianatra azy io i Josoa. Ny apostoly Paoly dia nampirisika toy izany koa an’i Timoty mba “hihevitra” — hisaintsaina — ny amin’ny fitondran-tenany sy ny fanompoany ary ny fampianarany. Tamin’ny naha-loholona kristiana an’i Timoty, dia nila nitandrina manokana izy mba ho fakan-tahaka ny fiainany ary mba hampianatra ny fahamarinana araka ny Soratra Masina izy. — 1 Timoty 4:15.
5. Inona no ilaina raha ta hahita ny fahamarinan’Andriamanitra isika?
5 Harena tsy hay tombanana ny fahamarinan’Andriamanitra. Ny fahitana azy io dia mitaky fangadiana, fikarohana amim-pikirizana ny Soratra Masina. Amin’ny maha-toy ny ankizy mpianatr’ilay Mpampianatra Lehibe antsika ihany, no mahatonga antsika hahazo fahendrena sy hanjary hahatakatra ny hevitry ny tahotra miharo fanajana an’i Jehovah. (Ohabolana 1:7; Isaia 30:20, 21, NW ). Mazava ho azy fa tokony hanaporofo zavatra araka ny Soratra Masina isika. (1 Petera 2:1, 2). Ireo jiosy tany Beria dia nanana toe-tsaina “tsara noho ny tao Tesalonika; satria nandray ny teny tamin’ny zotom-po indrindra ireo ka nandinika ny Soratra Masina isan-andro, na marina izany [nolazain’i Paoly izany], na tsia”. Nanaovana teny fiderana fa tsy nokianina ireo Beriana noho ny nanaovan’izy ireo izany. — Asan’ny Apostoly 17:10, 11.
6. Nahoana i Jesosy no afaka nilaza fa tsy nahasoa ny Jiosy sasany ny fandinihana ny Soratra Masina?
6 Nilaza tamin’ny Jiosy sasany toy izao i Jesosy: “Dinihinareo ny Soratra Masina, satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy. Kanefa tsy mety manatona Ahy hianareo hanananareo fiainana.” (Jaona 5:39, 40). Nandinika ny Soratra Masina izy ireo noho ny zava-kendrena mety — dia ny hitarihan’izy io azy ireo ho amin’ny fiainana. Marina tokoa fa ny Soratra Masina dia nirakitra faminaniana mesianika izay nanondro an’i Jesosy ho ny fitaovana hahazoana fiainana. Nanda azy anefa ireo Jiosy. Koa tsy nitondra soa ho azy ireo àry ny fandinihana ny Soratra Masina.
7. Inona no ilaina mba hitomboana amin’ny fahatakarana ny hevitry ny Baiboly, ary nahoana?
7 Mba hitomboana amin’ny fahatakarantsika ny hevitry ny Baiboly, dia mila ny fitarihan’ny fanahy na hery miasan’Andriamanitra, isika. “Ny fanahy mamantatra ny zavatra rehetra, na dia ny zavatra lalin’Andriamanitra aza” mba hamoahana ny heviny. (1 Korintiana 2:10, NW ). Ireo Kristiana tany Tesalonika dia tsy maintsy ‘nanao izay hahazoana antoka ny amin’ireo zavatra rehetra’ tao amin’izay mety ho faminaniana reny. (1 Tesaloniana 5:20, 21, NW ). Rehefa nanoratra ho an’ny Tesaloniana i Paoly (tokony ho tamin’ny 50 am.f.i.), dia ny Filazantsaran’i Matio ihany no hany tapany tamin’ny Soratra Grika efa voasoratra. Koa ireo Tesaloniana sy ireo Beriana dia afaka nanao izay hahazoana antoka ny amin’ireo zavatra rehetra, azo inoana fa tamin’ny fampitahana tamin’ny Septante dikan-teny grika amin’ny Soratra Hebreo. Nila namaky sy nianatra ny Soratra Masina izy ireo, ary toy izany koa isika.
Tena zava-dehibe ho an’ny rehetra
8. Nahoana ireo loholona voatendry no tokony hiavaka eo amin’ny fahalalana ny Baiboly?
8 Tokony hiavaka eo amin’ny fahalalana ny Baiboly ireo loholona voatendry. Tsy maintsy “mahay mampianatra” ary tsy maintsy “mitana mafy ny teny marina”, izy ireo. Tsy maintsy ‘nampiasa tsara ny tenin’ny fahamarinana’, i Timoty izay mpiandraikitra. (1 Timoty 3:2; Titosy 1:9; 2 Timoty 2:15, NW ). Nampianatra azy ny soratra masina raha mbola zazakely i Eonika reniny sy i Loisa renibeny, nampiditra tsikelikely tao aminy ny “finoana tsy mihatsaravelatsihy”, na dia tsy mpino aza ny rainy. (2 Timoty 1:5; 3:15, NW ). Tsy maintsy mitaiza ny zanany “ao amin’ny lalàm-pifehezana sy fanabeazana ara-tsaina izay an’i Jehovah” ireo ray mpino, ary ireo loholona izay ray indrindra indrindra dia tsy maintsy manana “zanaka mino izay tsy mba ampangaina ho mpanaram-po amin’ny ratsy na ho maditra”. (Efesiana 6:4, NW; Titosy 1:6). Na toy inona àry na toy inona toe-javatra misy antsika, dia tokony hihevitra ho zava-dehibe ny ilana hamaky sy hianatra ary hampihatra ny Tenin’Andriamanitra isika.
9. Nahoana no mianatra ny Baiboly miaraka amin’ireo Kristiana toy ny tena?
9 Tokony hianatra ny Baiboly miaraka amin’ireo mpiray finoana amintsika koa isika. Nirin’i Paoly ny hifampiresahan’ireo Kristiana tesaloniana ny amin’ny torohevitra nomeny. (1 Tesaloniana 4:18). Mba hampaharanitra ny fahatakarantsika ny hevitry ny fahamarinana, dia tsy misy tsara kokoa noho ny fiarahana amin’ireo mpianatra be fandavan-tena hafa eo amin’ny fandinihana ny Soratra Masina. Marina ilay ohabolana hoe: “Ny vy maharanitra ny vy, toy izany, ny olona maharanitra ny tarehin’ny sakaizany.” (Ohabolana 27:17). Mety hanjary ho harafesenina ny fitaovana vy raha tsy ampiasaina sy ranitina hatrany. Toy izany koa fa mila mivory tsy tapaka sy mifandranitra isika amin’ny fizarana fahalalana izay azontsika avy amin’ny famakiana sy ny fianarana ary ny fisaintsainana ny Teny fahamarinan’Andriamanitra. (Hebreo 10:24, 25, NW ). Ambonin’izany, dia fomba iray ahazoana antoka izany fa mandray soa avy amin’ireo tsela-pahazavana ara-panahy isika. — Salamo 97:11; Ohabolana 4:18.
10. Inona ny dikan’ny hoe mandeha amin’ny fahamarinana?
10 Eo amin’ny fianarantsika ny Soratra Masina, dia afaka mivavaka amin’ny fomba mety tsara amin’Andriamanitra toy ny nataon’ny mpanao salamo toy izao isika: “Ampandehano ny fahazavanao sy ny fahamarinanao; aoka hitarika ahy ireo”. (Salamo 43:3). Raha maniry ny hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra isika, dia tsy maintsy mandeha amin’ny fahamarinany. (3 Jaona 3, 4). Izany dia mahafaoka fanarahana ireo zavatra takiny sy fanompoana azy amim-pahatokiana sy amim-pahatsorana. (Salamo 25:4, 5; Jaona 4:23, 24). Isika dia tsy maintsy manompo an’i Jehovah amin’ny fahamarinana, araka izay voambara ao amin’ny Teniny sy voazava ao amin’ireo zavatra vita an-tsoratry ny “mpanompo mahatoky sy malina”. (Matio 24:45-47, NW ). Mitaky fahalalana araka ny marina ny Soratra Masina izany. Ahoana àry no tokony hamakiantsika sy hianarantsika ny Tenin’Andriamanitra? Moa ve isika tokony hanomboka hamaky azy io hatrany amin’ny Genesisy toko voalohany, andininy voalohany, ka asesy ireo boky 66? Eny, ny Kristiana rehetra izay manana ny Baiboly manontolo amin’ny fiteniny dia tokony hamaky azy io manomboka amin’ny Genesisy ka hatramin’ny Apokalypsy. Ary ny zava-kendrentsika amin’ny famakiana ny Baiboly sy ireo zavatra vita an-tsoratra kristiana dia tokony ho ny fampitomboana ny fahatakarantsika ny hevitry ny fitambaran’ny fahamarinana sesehena ao amin’ny Soratra Masina, izay nataon’i Jehovah ho azo raisina amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky”.
Vakio amin’ny feo avo ny Tenin’Andriamanitra
11, 12. Nahoana no mahasoa ny fampamakiana amin’ny feo avo ny Baiboly any amin’ireo fivoriana?
11 Mety hamaky teny mangina isika rehefa irery. Tamin’ny andro fahiny anefa, dia natao tamin’ny feo avo ny famakian-teny samirery. Raha teo am-pitaingenana ny kalesiny ilay ionoka etiopiana, dia nandre azy namaky tao amin’ny faminanian’i Isaia, i Filipo evanjelisitra, noho izany antony izany. (Asan’ny Apostoly 8:27-30). Ny teny hebreo adika hoe “mamaky” tany am-boalohany dia nidika hoe “miantso”. Koa tsy tokony hokivina tsy hanonona amin’ny feo avo ny teny tsirairay àry ireo izay, amin’ny voalohany, dia tsy mahay mamaky mangina mba hahazoana ny hevitry ny vakiteny. Ny zava-dehibe dia ny hianarana ny fahamarinana amin’ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra voasoratra.
12 Mahasoa ny fampamakiana ny Baiboly amin’ny feo avo any amin’ireo fivoriana kristiana. Nampirisika mafy toy izao an’i Timoty mpiara-miasa taminy, ny apostoly Paoly: “Tandremo ny famakian-teny [ampahibemaso, NW ], ny fananarana, ny fampianarana.” (1 Timoty 4:13, izahay no manao sora-mandry.) Hoy i Paoly tamin’ireo Kolosiana: “Rehefa voavaky atỳ aminareo ity epistily ity, dia asaovy hovakina ao amin’ny fiangonan’ny Laodikiana koa; ary vakionareo kosa ilay avy amin’ny Laodikiana.” (Kolosiana 4:16). Ary hoy ny Apokalypsy 1:3: “Sambatra izay mamaky [amin’ny feo avo, NW ] sy ny mihaino ny tenin’ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ao anatiny, fa antomotra ny andro.” Noho izany, ny mpanao lahateny ampahibemaso iray dia tokony hamaky andinin-teny avy ao amin’ny Baiboly mba hanohanana izay lazainy amin’ny kongregasiona.
Fomba fianarana araka ny foto-kevitra
13. Inona no fomba ahitam-pandrosoana indrindra eo amin’ny fianarana ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly, ary inona no afaka manampy antsika hahita ny toeran’ireo andinin-teny?
13 Ny fianarana araka ny foto-kevitra no fomba ahitam-pandrosoana indrindra eo amin’ny fianarana ireo fahamarinana araka ny Soratra Masina. Manamora ny fahitana ny toeran’ireo andinin-teny izay mifandray amin’ny foto-kevitra sasany ny konkordansa izay manao lisitra araka ny abidy ireo teny ao amin’ny Baiboly ao anatin’ny teny manodidina azy, araka ny boky sy ny toko ary ny andininy. Ary azo ampifandrindrana ny andinin-teny toy izany satria tsy manohitra ny tenany ilay Loharanon’ny Baiboly. Tamin’ny fanahiny masina, dia nanome tsindrimandry lehilahy 40 teo ho eo izy mba hanoratra ny Baiboly nandritra ny fe-potoana naharitra taonjato 16, ka ny fianarana azy io araka ny foto-kevitra dia fomba fianarana ny fahamarinana mandaitra hatramin’ny ela.
14. Nahoana no mianatra ny Soratra Hebreo sy Grika miaraka?
14 Ny fankasitrahantsika ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly dia tokony hanosika antsika hamaky sy hianatra ireo Soratra Grika Kristiana miaraka amin’ny Soratra Hebreo. Izany dia hampiseho ny fomba ifandraisan’ny Soratra Grika amin’ny fikasan’Andriamanitra ary hanazava ireo faminaniana ao amin’ny Soratra Hebreo. (Romana 16:25-27; Efesiana 3:4-6; Kolosiana 1:26). Tena manampy amin’io lafiny io ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao. Izy io dia nomanin’ny mpanompon’Andriamanitra vita fanoloran-tena izay nanararaotra ilay fahalalana mitombo azo raisina momba ny soratra ao amin’ny Baiboly tany am-boalohany ary koa momba ny zava-nitranga ara-tantara nanodidina azy io sy ireo fomba fitenenany manokana. Tena zava-dehibe koa ireo boky fianarana ny Baiboly omen’i Jehovah amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy malina”.
15. Ahoana no hanaporofoanao fa mety ny maka teny avy etsy sy eroa ao amin’ny Baiboly?
15 Mety hisy hilaza hoe: ‘Ireo zavatra vita an-tsoratrareo dia maka teny an’arivony maro avy ao amin’ny Baiboly, kanefa nahoana no singantsinganinareo etsy sy eroa izy ireny?’ Rehefa maka teny avy etsy sy eroa ao amin’ireo boky 66 amin’ny Baiboly ireo zavatra vita an-tsoratra, dia mampiasa vavolombelona ara-tsindrimandry maromaro ho loharanon-kevitra mba hanaporofoana ny maha-marina ny fampianarana iray. Nampiasa io fomba fampianarana io ny tenan’i Jesosy. Rehefa nanao ny Toriteniny teo An-tendrombohitra izy, dia naka teny 21 avy tao amin’ny Soratra Hebreo. Io lahateny io dia mirakitra teny telo nalaina avy ao amin’ny Eksodosy, roa avy ao amin’ny Levitikosy, iray avy ao amin’ny Nomery, enina avy ao amin’ny Deoteronomia, iray avy ao amin’ny Mpanjaka Faharoa, efatra avy ao amin’ny Salamo, telo avy ao amin’ny Isaia, ary iray avy ao amin’ny Jeremia. Tamin’ny fanaovana izany, moa ve i Jesosy ‘nanandrana nanaporofo na inona na inona fotsiny’? Tsia, satria ‘nampianatra toy izay manana fahefana izy, fa tsy tahaka ny mpanora-dalàna’. Izany no izy satria i Jesosy nanohana ny fampianarany tamin’ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra voasoratra. (Matio 7:29). Nanao toy izany koa ny apostoly Paoly.
16. Teny araka ny Soratra Masina inona avy no nalain’i Paoly ao amin’ny Romana 15:7-13?
16 Ao amin’ilay andalan-teny hita ao amin’ny Romana 15:7-13, i Paoly dia naka teny avy ao amin’ny fizarana telo amin’ny Soratra Hebreo — ny Lalàna sy ny Mpaminany ary ny Salamo. Nasehony fa hankalaza an’Andriamanitra ny Jiosy sy ny Jentilisa, ary noho izany dia tokony handray tsara ireo olona avy amin’ny firenena rehetra ny Kristiana. Hoy i Paoly: “Mifandraisa hianareo tahaka ny nandraisan’i Kristy anareo koa ho voninahitr’Andriamanitra. Fa lazaiko fa Kristy efa tonga mpanompon’ny voafora noho ny fahamarinan’Andriamanitra hahatò ny teny fikasana tamin’ny razana, mba hankalazan’ny jentilisa an’Andriamanitra koa noho ny famindrampo, araka ny voasoratra [ao amin’ny Salamo 18:49] hoe: ‘Izany no hiderako Anao any amin’ny jentilisa sy hankalazako ny anaranao’. Ary hoy koa Izy [ao amin’ny Deoteronomia 32:43]: ‘Miravoravoa, ry jentilisa, mbamin’ny olony’. Ary koa [ao amin’ny Salamo 117:1]: ‘Miderà an’i Jehovah, ry jentilisa rehetra, ary aoka hankalaza Azy ny firenena rehetra’. Ary hoy koa Isaia [11:1, 10]: ‘Hisy Solofon’i Jese, dia Ilay hitsangana hanapaka ny jentilisa: Izy no hitokian’ny jentilisa’. Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin’ny finoanareo, mba hitomboanareo amin’ny fanantenana noho ny herin’ny Fanahy Masina.” Tamin’io fomba manaraka foto-kevitra io, dia nasehon’i Paoly ny fomba fakana andinin-teny mba hanaporofoana ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly.
17. Mifanaraka amin’ny ohatra tany aloha inona no hakan’ny Kristiana teny avy etsy sy eroa ao amin’ny Baiboly iray manontolo?
17 Ny taratasin’i Petera ara-tsindrimandry voalohany dia mirakitra teny 34 nalaina avy tao amin’ny boky folo ao amin’ny Lalàna sy ny Mpaminany ary ny Salamo. Ao amin’ny taratasiny faharoa i Petera dia maka teny inenina avy ao amin’ny boky telo. Ny Filazantsaran’i Matio dia manana teny 122 nalaina avy tao amin’ny Genesisy ka hatrany amin’ny Malakia. Ao amin’ireo boky 27 ao amin’ny Soratra Grika, dia misy teny 320 nalaina mivantana avy tao amin’ny Genesisy ka hatramin’ny Malakia, ary koa fanisiana firesahana hafa ny amin’ny Soratra Hebreo. Mifanaraka amin’ilay ohatra tany aloha navelan’i Jesosy sady narahin’ireo apostoliny, rehefa manao fianarana araka ny foto-kevitra mahakasika foto-kevitra iray ao amin’ny Soratra Masina ny Kristiana amin’ny andro maoderina, dia maka teny avy etsy sy eroa ao amin’ny Baiboly iray manontolo izy ireo. Mety indrindra izany amin’izao “andro farany” izao izay ahatanterahan’ny ankamaroan’ny Soratra Hebreo sy Grika. (2 Timoty 3:1, NW ). Mampiasa ny Baiboly toy izany ao amin’ireo zavatra vita an-tsorany ny “mpanompo mahatoky”, saingy tsy manampy ny Tenin’Andriamanitra na manaisotra avy ao mihitsy izy. — Ohabolana 30:5, 6; Apokalypsy 22:18, 19.
Mandehana amin’ny fahamarinana mandrakariva
18. Nahoana isika no tokony ‘handeha amin’ny fahamarinana’?
18 Tsy tokony hanaisotra na inona na inona avy ao amin’ny Baiboly isika, satria ny fitambaran’ireo fampianarana kristiana sesehena ao amin’ny Tenin’Andriamanitra dia “ny fahamarinana” na “ny fahamarinan’ny filazantsara”. Ny tsy fivadihana amin’io fahamarinana io — izany hoe ny ‘fandehanana’ aminy — dia tena zava-dehibe hahazoana famonjena. (Galatiana 2:5; 2 Jaona 4; 1 Timoty 2:3, 4). Koa satria ny Kristianisma no “làlan’ny fahamarinana”, dia tonga “mpiara-miasa amin’ny fahamarinana” isika amin’ny fanampiantsika ny hafa eo amin’ny fampandrosoana ny tombontsoan’izy io. — 2 Petera 2:2; 3 Jaona 8.
19. Ahoana no ahafahantsika manohy “mandeha araka ny fahamarinana”?
19 Raha ta hanohy ‘handeha araka ny fahamarinana’ isika, dia tsy maintsy mamaky ny Baiboly sy manararaotra ny fanampiana ara-panahy izay omen’Andriamanitra amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky”. (3 Jaona 4). Enga anie isika hanao izany mba hahasoa ny tenantsika sy mba ho afaka hampianatra ny hafa momba an’i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy ary ny fikasan’Andriamanitra. Ary aoka isika ho velom-pisaorana noho ny fanahin’i Jehovah manampy antsika hahatakatra ny hevitry ny Teniny sy hahomby eo amin’ny fanompoana azy amin’ny fahamarinana.
Ahoana no Valin-teninao?
◻ Inona avy no soa maharitra sasany avy amin’ny famakiana ny Baiboly?
◻ Nahoana no mianatra ny Baiboly miaraka amin’ireo mpiray finoana?
◻ Nahoana no mety ny maka teny avy amin’ny toerana maro samihafa manerana ny Baiboly manontolo?
◻ Inona ny dikan’ny hoe “mandeha amin’ny fahamarinana”, ary ahoana no ahafahantsika manao toy izany?
[Sary, pejy 17]
Ry ray aman-dreny, ampianaro ny Soratra Masina ny zanakareo
[Sary, pejy 18]
Tao amin’ny Toriteniny teo An-tendrombohitra, dia naka teny avy amin’ny tapany maro samihafa tao amin’ny Soratra Hebreo, i Jesosy