Tadidinao ve izany?
Moa ve ianao namaky tamim-pitandremana ireo foto-kevitra navoaka vao haingana tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana? Raha izany no izy, dia mety ho afaka hahatsiaro ireto hevitra manaraka ireto ianao:
◻ Amin’ny heviny ahoana moa no ampiasan’i Paoly ny teny hoe “Mpanalalana” rehefa manisy fitenenana ny amin’i Jesosy izy ao amin’ny 1 Timoty 2:5, 6?
Ao amin’ireo andinin-teny ireo, i Paoly dia mampiasa ny teny grika mésitês nadika hoe “mpanalalana”, izay teny manana heviny ara-pitsarana, noho izany dia tsy mampiasa io teny io amin’ny heviny malalaka ampiasana azy amin’ny fiteny maro be izy. Noho izany, i Paoly dia tsy milaza an’i Jesosy ho Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olombelona rehetra. Manisy fitenenana ny amin’i Kristy kosa izy ho toy ny Mpanalalana ara-pitsarana ny amin’ny fanekena vaovao, izay nanome fototra hahafahan’ireo mpanara-dia azy voahosotra hiara-hanjaka aminy ao amin’ny Fanjakany any an-danitra (2 Korintiana 5:1, 5; Efesiana 1:13, 14; Hebreo 8:7-13). — 15/11/89, pejy faha-30, 31.
◻ Ao amin’ny Matio 25:34, inona no tian’i Jesosy holazaina rehefa miteny amin’ny ondry izy hoe: “Mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao.”
Tsy milaza an’i Jesosy fa ireo ondry ireo dia hiara-hanjaka aminy any an-danitra. Ny ondry dia handova kosa ny faritr’ilay Fanjakana eto an-tany voavoatra ho azy ireo ‘hatramin’ny nanorenana izao tontolo izaon’ny olombelona azo avotana. Amin’izany izy ireo dia tonga zanak’ilay ‘Rainy mandrakizay’, dia Jesosy Kristy Mpanjaka, eto an-tany (Isaia 9:6, 7). — 1/12/89, pejy faha-20.
◻ Moa ve hilain’ireo sisa voahosotra ny mbola ho velona eto an-tany mba handray ireo olo-mahatoky izay maty talohan’ny taona 33 amin’ny fanisan-taona iraisana ka hatsangana amin’ny maty?
Tsia, tsy hilainy izany. Maro be amin’ny olona betsaka izay ho tafita velona amin’ny fahoriana lehibe no mahazo fampiofanana mba hiantsorohana ny andraikitra ara-pandaminana. Noho izany, dia ho afaka hikarakara izany toe-javatra izany sy hampahafantatra an’ireo hatsangana amin’ny maty ny “tany vaovao” hotarihin’ny “lanitra vaovao” izy ireo. (2 Petera 3:13.) — 1/12/89, pejy faha-20, 21.
◻ Inona avy moa ireo zavatra tafiditra mba ‘hahavoavonjy’? (Asan’ny apostoly 16:30)
Ny zavatra takina voalohany dia ny hoe: “Minoa an’i Jesosy Tompo dia hovonjena hianao.” (Asan’ny apostoly 16:31). Izany dia mahafaoka ny fananana fahalalana marina ny amin’ny fikasan’Andriamanitra sy ny fomba hamonjeny. Aorian’izany dia tokony haneho finoana an’i Jesosy Kristy ho Fiasana lehibe indrindra ho amin’ny famonjena (Jaona 3:16; Titosy 2:14). Izany dia mametraka ny kristiana ho eo amin’ny toeram-pamonjena, kanefa izao dia tokony haharitra amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra izy ary hanohy hifikitra amin’ireo fepetra rehetra takin’Andriamanitra mandritra ny andro sisa hiainany. Amin’izay ihany izy vao hovonjena mba hiaina mandrakizay (Matio 24:13). — 15/12/89, pejy faha-7.
◻ Tamin’ny ahoana moa ny finoan’i Noa no nanameloka izao tontolo izao? (Hebreo 11:7)
Ny fankatoavan’i Noa sy ireo asany marina dia nampiseho fa azon’ireo hafa ankoatra ny tenany sy ny fianakaviany natao ny ho tafita velona tamin’ny safodrano raha vonona ny hanova ny fomba fiainany izy ireo. Na dia teo aza ny faneren’ny nofony tsy tanteraka, izao tontolo izao nanodidina azy sy ny Devoly, dia noporofoin’i Noa fa azo natao ny nanana fiainana nankasitrahan’Andriamanitra. — 1/1/90, pejy faha-11.
◻ Nahoana moa isika no tokony hitandrina na dia ny amin’ny resadresa-poana kely fotsiny aza?
Mety hanao fanamarihana tsy natao handratra na iza na iza isika, kanefa izany resadresaka toa tsy mampaninona izany dia mety handratra rehefa averimberina, ampitomboina na aolana, hany ka manimba ny lazan’ilay olona resahina, manala aminy ny anarany tsara (Ohabolana 20:19). — 15/1/90, pejy faha-13.
◻ Inona avy moa ny tombontsoa azo rehefa ‘zioga antonona’ ny an’ny mpivady?
Ny lehilahy sy ny vadiny dia afaka ny hifampahery raha ny amin’ny fanompoany an’Andriamanitra. Afaka hitodika any amin’ny Soratra Masina koa izy ireo mba hitari-dalana azy amin’ny fandaminana ny tsy fifanarahany. — 1/2/90, pejy faha-20.
◻ Ahoana no mety hanampian’ny Didy Folo antsika amin’izao andro izao?
Ireo dia mampiharihary ny fomba fijerin’i Jehovah zavatra sady mampahatsiahy ny adidintsika mba ho tia an’Andriamanitra sy ny namantsika (Matio 22:37-39; 2 Timoty 3:16, 17). — 15/2/90, pejy faha-5, 6.
◻ Inona moa ireo toe-javatra telo nitenenan’Andriamanitra ka nandrenesan’i Jesosy sy ny hafa azy?
Ny voalohany dia tamin’ny fotoana nanaovan’i Jaona batisa an’i Jesosy (Matio 3:17); ny faharoa dia fony Jesosy niova tarehy teo anatrehan’i Jakoba sy Jaona ary Petera (Matio 17:5); ary ny fahatelo dia tamin’ny 10 Nisana, efatra andro talohan’ny nahafatesan’i Jesosy rehefa ren’ny olona nitsangana teo amin’ny tempoly ny feon’Andriamanitra (Jaona 12:28). — 1/3/90, pejy faha-8.