Manompoa An’i Jehovah Amin’ny Tsy Fivadihana
“Ny olona tsy mivadika no hisehoanao [Jehovah] ho tsy mivadika”. — 2 SAMOELA 22:26, NW.
1. Ahoana no ataon’i Jehovah amin’ireo tsy mivadika aminy?
TSY ho voavaly amin’i Jehovah izay rehetra ataony amin’ny olony. (Salamo 116:12). Mahatalanjona toy inona moa ireo fanomezany ara-panahy sy ara-nofo mbamin’ny famindram-pony feno fitiavana! Fantatr’i Davida Mpanjaka teo amin’ny Isiraely fahiny, fa miseho ho tsy mivadika amin’ireo tsy mivadika aminy koa Andriamanitra. Nilaza izany i Davida tao amin’ny hira iray nataony “tamin’ny andro namonjen’i Jehovah azy tamin’ny tànan’ny fahavalony rehetra, indrindra fa tamin’ny tànan’i Saoly [Mpanjaka]”. — 2 Samoela 22:1.
2. Inona avy ny hevitra sasany aseho ao amin’ny hiran’i Davida voarakitra ao amin’ny 2Sa 22 2 Samoela toko faha-22?
2 Nanomboka ny hirany (mifanitsy amin’ny Sl 18 Salamo faha-18) i Davida tamin’ny fiderana an’i Jehovah amin’ny maha-“Mpamonjy” azy ho valin’ny vavaka natao. (2 Samoela 22:2-7). Avy eny amin’ny tempoliny any an-danitra, Andriamanitra dia nanao zavatra mba hamonjena io mpanompony tsy nivadika io tamin’ireo fahavalo nahery. (2Sa 22:8-19 Andininy faha-8-19). Tamin’izany no namalian-tsoa an’i Davida noho izy nanaraka lalana mahitsy sy nitandrina ny lalan’i Jehovah. (2Sa 22:20-27 Andininy faha-20-27). Manaraka izany, dia tanisaina ireo zavatra natao noho ny tanjaka nomen’Andriamanitra. (2Sa 22:28-43 Andininy faha-28-43). Farany i Davida dia nanonona ny famonjena azy tamin’ny fanomezan-tsinin’ireo olony sy tamin’ireo fahavalo hafa firenena, ary nisaotra an’i Jehovah ho Ilay “manao famonjen-dehibe ho an’ny mpanjaka voatendriny (...) ary mamindra fo amin’ny voahosony”. (2Sa 22:44-51 Andininy faha-44-51). Afaka mamonjy antsika koa i Jehovah raha manaraka lalana mahitsy isika ka miantehitra aminy mba hahazoana tanjaka.
Ny atao hoe tsy mivadika
3. Araka ny hevitry ny Soratra Masina, inona no atao hoe tsy mivadika?
3 Manome antsika izao toky izao ilay hiram-pamonjena nataon’i Davida: “Ny olona tsy mivadika no hisehoanao [Jehovah] ho tsy mivadika”. (2 Samoela 22:26, NW ). Ny mpamaritra anarana hebreo cha·sidhʹ no milaza “olona mahatoky”, na “olon’ny hatsaram-panahy miharo fitiavana”. (Salamo 18:25, NW, fanamarihana ambany pejy). Ny anarana hoe cheʹsedh dia manana hevitry ny hatsaram-panahy izay mifikitra amim-pitiavana amin-javatra iray mandra-pahatanteraky ny fikasany mifandray amin’io zavatra io. Mampiseho izany karazana hatsaram-panahy izany amin’ny mpanompony i Jehovah, toy ny anehoan’izy ireo izany aminy koa. Io tsy fivadihana marina sy masina io dia nadika hoe “hatsaram-panahy miharo fitiavana” sy hoe “fitiavana tsy mivadika”. (Genesisy 20:13, NW; 21:23, NW ). Ao amin’ny Soratra Grika Kristiana, ny hoe “tsy fivadihana” dia manana ny heviny hoe fahamasinana sy fanajana lalina, izay voalaza ao amin’ny anarana hoe ho·si·oʹtes sy ao amin’ny mpamaritra anarana hoe hoʹsi·os. Ny tsy fivadihana toy izany dia mahafaoka fahatokiana sy fifikirana, ary midika hoe voatokana ka manatontosa amim-pitandremana ny adidy rehetra amin’Andriamanitra. Ny hoe tsy mivadika amin’i Jehovah dia midika hoe miraiki-po aminy amim-pifikirana mafy aoka izany, dia fifikirana izay miasa toy dity mahery.
4. Ahoana no isehoan’ny tsy fivadihan’i Jehovah?
4 Aseho amin’ny fomba maro ny tsy fivadihan’i Jehovah. Ohatra, mampihatra ny didim-pitsarany amin’ny ratsy fanahy izy noho ny fitiavany tsy mivadika ny olony ary noho ny tsy fivadihany amin’ny rariny sy ny fahamarinana. (Apokalypsy 15:3, 4, NW; 16:5, NW ). Ny tsy fivadihana tamin’ny fanekena nataony tamin’i Abrahama dia nanosika azy hahari-po tamin’ireo Isiraelita. (2 Mpanjaka 13:23). Ireo tsy mivadika amin’Andriamanitra dia afaka miantehitra amin’ny fanampiany mandra-pifaran’ny fiainany mampiseho tsy fivadihana, ary afaka mahazo antoka fa hahatsiaro azy ireo izy. (Salamo 37:27, 28; 97:10). I Jesosy dia nohatanjahina tamin’ny fahalalana fa amin’ny maha-olon’Andriamanitra “tsy mivadika” Lehibe indrindra azy, dia tsy havela ao amin’ny Sheola ny fanahiny. — Salamo 16:10, NW; Asan’ny Apostoly 2:25, 27.
5. Koa satria tsy mivadika i Jehovah, inona no takiny amin’ny mpanompony, ary fanontaniana inona no hodinihina?
5 Koa satria tsy mivadika i Jehovah Andriamanitra, dia mitaky tsy fivadihana amin’ireo mpanompony izy. (Efesiana 4:24, NW ). Tsy maintsy ho tsy mivadika, ohatra, ireo lehilahy mba hahafenoany fepetra amin’ny fanendrena ho loholona ao amin’ny kongregasiona. (Titosy 1:8, NW ). Anton-javatra inona avy no tokony hanosika ny olon’i Jehovah hanompo azy amin’ny tsy fivadihana?
Fankasitrahana noho ireo zavatra nianarana
6. Ahoana no tokony ho fiheverantsika ireo zavatra nianarantsika tao amin’ny Soratra Masina, ary inona no tokony hotadidintsika mikasika izany fahalalana izany?
6 Ny fankasitrahana noho ireo zavatra nianarantsika tao amin’ny Soratra Masina dia tokony hanosika antsika hanompo an’i Jehovah amin’ny tsy fivadihana. Nampirisika an’i Timoty toy izao ny apostoly Paoly: “Mahareta amin’izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao, satria fantatrao izay nampianatra anao izany; fa hatry ny fony vao zaza hianao dia efa nahalala ny Soratra Masina izay nampaha-hendry anao ho amin’ny famonjena amin’ny finoana izay ao amin’i Kristy Jesosy”. (2 Timoty 3:14, 15). Tadidio fa ny fahalalana toy izany dia avy tamin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy malina”. — Matio 24:45-47, NW.
7. Ahoana no tokony ho fiheveran’ireo loholona ny sakafo ara-panahy omen’Andriamanitra amin’ny alalan’ny mpanompo mahatoky?
7 Ireo loholona voatendry indrindra no tokony hankasitraka ny sakafo ara-panahy mahavelona omen’Andriamanitra amin’ny alalan’ny mpanompo mahatoky. Taona maro lasa izay, dia nisy loholona sasany tsy nanana izany fankasitrahana izany. Nahamarika ny mpandinika iray fa ireo lehilahy ireo dia “nanakiana ireo lahatsoratra tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana, tsy naniry ny hanaiky azy io ho (...) fitaovana fampitan’Andriamanitra ny fahamarinana, fa nanandrana mandrakariva nitaona ny hafa hanaraka ny fomba fiheviny”. Ireo loholona tsy mivadika kosa anefa, dia tsy manandrana na oviana na oviana mitaona ny hafa mba handa izay sakafo ara-panahy omen’Andriamanitra amin’ny alalan’ny mpanompo mahatoky.
8. Ahoana raha tsy takatsika amin’ny fomba feno ny hevitra sasany ao amin’ny Soratra Masina aroson’ny mpanompo mahatoky sy malina?
8 Amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah vita fanoloran-tena antsika, dia tsy maintsy ho tsy mivadika aminy sy amin’ny fandaminany isika rehetra. Na oviana na oviana, dia tsy tokony hisaintsaina akory ny hiala amin’ny fahazavana mahatalanjon’Andriamanitra isika ka hanaraka ny lalan’ny mpivadi-pinoana izay mety hitarika ho amin’ny fahafatesana ara-panahy dieny izao, ary fandringanana amin’ny farany. (Jeremia 17:13). Ahoana anefa raha sarotra amintsika ny manaiky na mahatakatra amin’ny fomba feno ny hevitra sasany ao amin’ny Soratra Masina aroson’ny mpanompo mahatoky? Amin’izay dia aoka isika hiaiky amim-panetren-tena hoe taiza isika no nianatra ny fahamarinana, ary hangataka fahendrena amin’ny vavaka mba hiatrehana io fitsapana io mandra-pifaran’izany rehefa avoaka ny fanazavana sasany momba ilay raharaha. — Jakoba 1:5-8.
Ankasitraho ny firahalahiana kristiana
9. Ahoana no ampisehoan’ny 1 Jaona 1:3-6 fa tsy maintsy manana toe-tsaina feno fisakazaina ny Kristiana?
9 Ny fankasitrahana amin’ny fo ilay toe-tsaina feno fisakaizana misy ao amin’ny firahalahiana kristiana ananantsika dia manome antony mampahazoto hafa iray mba hanompoana an’i Jehovah amin’ny tsy fivadihana. Raha ny marina, ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra sy amin’i Kristy dia tsy afaka ny hahasoa ara-panahy raha tsy misy an’io toe-tsaina io. Nilaza tamin’ireo Kristiana voahosotra toy izao ny apostoly Jaona: “Izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo, mba hahazoanareo firaisana [“fisakaizana”, Diaglott] aminay koa; ary ny firaisanay dia amin’ny Ray sy amin’i Jesosy Kristy Zanany. (...) Raha hoy isika : Mananana firaisana aminy isika, kanefa mandeha amin’ny maizina, dia mandainga isika ka tsy manao ny marina”. (1 Jaona 1:3-6). Mihatra amin’ny Kristiana rehetra io fotopoto-pitsipika io, na manana fanantenana ny ho any an-danitra izy na ho etỳ an-tany.
10. Na dia toa sarotra tamin’i Eodia sy i Syntyke aza ny nandamina zava-nanahirana manokana iray, ahoana no fiheveran’i Paoly ireo vehivavy ireo?
10 Takina ny fiezahana mba hitanana toe-tsaina feno fisakaizana. Toa sarotra tamin’i Eodia sy i Syntyke izay vehivavy kristiana, ohatra, ny nandamina zava-nanahirana iray teo amin’izy roa. Noho izany dia nananatra mafy azy ireo i Paoly “mba hiray saina ao amin’ny Tompo”. Nanampy teny toy izao izy: “Mangataka aminao koa aho, ry ilay tena mpiara-miasa amiko, manampia azy roa vavy, fa niara-niasa fatratra tamiko teo amin’ny filazantsara izy, mbamin’i Klementa koa sy ny mpiara-miasa amiko sisa, izay voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainana”. (Filipiana 4:2, 3). Niady teo anilan’i Paoly sy ny hafa teo amin’ny filazantsara ireo vehivavy tia an’Andriamanitra ireo, ary nahazo antoka i Paoly fa izy ireo dia anisan’ireo “izay voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainana”.
11. Raha sendra zava-manahirana ara-panahy ny Kristiana tsy mivadika iray, inona no mety ny itadidiana azy ao an-tsaina?
11 Ny Kristiana dia tsy miravaka galona ho fampisehoana ny tombontsoa nananany tao anatin’ny fandaminan’i Jehovah sy ny fomba nanompoany azy tamin’ny tsy fivadihana. Raha manan-java-manahirana ara-panahy izy ireo, dia tsy ho fanehoam-pitiavana tokoa ny tsy hiraharahana ireo taona nanompoany an’i Jehovah tamin’ny tsy fivadihana! Azo inoana fa ilay nantsoina hoe “tena mpiara-miasa” dia rahalahy tsy nivadika iray izay naniry mafy ny hanampy ny hafa. Raha loholona ianao, moa ve ianao “tena mpiara-miasa”, vonona ny hanome fanampiana amin’ny fomba feno fangoraham-po? Enga anie isika rehetra hihevitra ny soa nataon’ireo mpiray finoana amintsika, toy izay ataon’Andriamanitra, ka hanampy azy ireny amim-pitiavana hitondra ny entany. — Galatiana 6:2; Hebreo 6:10.
Tsy misy toeran-kafa azo aleha
12. Rehefa nahatonga ny ‘maro tamin’ny mpianany nihemotra’ ny filazana nataon’i Jesosy, inona no toerana notanan’i Petera?
12 Ho voatosika hanompo an’i Jehovah amin’ny tsy fivadihana miaraka amin’ny fandaminany isika raha mitadidy fa tsy misy toeran-kafa azo aleha mba hahazoana fiainana mandrakizay. Rehefa nahatonga ny ‘maro tamin’ny mpianany nihemotra’ ny filazana nataon’i Jesosy, dia nanontany toy izao ny apostoliny izy: “Hianareo koa va mba te-hiala?” Namaly i Petera nanao hoe: “Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay? Hianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay. Ary izahay mino ka mahalala fa Hianao no Ilay Masin’Andriamanitra”. — Jaona 6:66-69.
13, 14. a) Nahoana ny Jodaisma tamin’ny taonjato voalohany no tsy nahazo sitraka tamin’Andriamanitra? b) Inona no nolazain’ny Vavolombelon’i Jehovah efa hatramin’ny ela iray mikasika ny fandaminan’Andriamanitra hita maso?
13 “Ny tenin’ny fiainana mandrakizay” dia tsy hita tao amin’ny Jodaisma tamin’ny taonjato voalohany am.f.i. Ny fahotana lehibe indrindra nataony dia ny fandavany an’i Jesosy ho ilay Mesia. Tsy nisy na dia iray aza tamin’ireo endrika nisehoan’ny Jodaisma niorina tanteraka tamin’ny Soratra Hebreo. Nanda ny fisian’ny anjely ireo Sadoseo sady tsy nino ny fitsanganan’ny maty. Na dia tsy niray hevitra taminy tamin’ireo lafiny ireo aza ny Fariseo, tamin-karatsiam-panahy, dia nataony tsy nanan-kery ny Tenin’Andriamanitra noho ireo fampianarana voatolotry ny razany izay tsy araka ny Soratra Masina. (Matio 15:1-11; Asan’ny Apostoly 23:6-9). Nanandevo ny Jiosy ireny fampianarana voatolotry ny razany ireny sady nanasarotra ny faneken’ny maro an’i Jesosy Kristy. (Kolosiana 2:8). Ny zotom-po ho an’ny ‘fampianarana voatolotry ny razana’ dia nahatonga an’i Saoly (Paoly) ho mpanenjika lozabe an’ireo mpanara-dia an’i Kristy, noho ny tsy fahalalany. — Galatiana 1:13, 14, 23.
14 Tsy nahazo sitraka tamin’Andriamanitra ny Jodaisma, fa notahin’i Jehovah kosa ilay fandaminana voaforon’ireo mpanara-dia ny Zanany — dia ‘olona nazoto indrindra tamin’ny asa tsara’. (Titosy 2:14). Mbola misy io fandaminana io, ary toy izao no nambaran’ny Vavolombelona hatramin’ny ela iray momba azy io: “Raha nisy zavatra tena lehibe tamiko, izany dia ny raharaha momba ny fitoerana ho akaiky ny fandaminana hita mason’i Jehovah. Ny fanandraman-javatra hitako taloha dia nampianatra ahy fa tsy mahasoa ny fianteherana amin’ny fomba fanjohian-kevitr’olombelona. Raha vantany vao tapaka ny amin’izay hevitra izay ny saiko, dia nanapa-kevitra ny hitoetra ho akaikin’ilay fandaminana mahatoky aho. Amin’ny fomba hafa ahoana moa no mety hahazoana sitraka sy fitahiana avy amin’i Jehovah?” Tsy misy toeran-kafa azo aleha mba hahazoana sitraka amin’Andriamanitra sy ny fiainana mandrakizay.
15. Nahoana no miara-miasa amin’ny fandaminan’i Jehovah hita maso sy ireo miantsoroka andraikitra ao anatin’izany?
15 Tokony hanosika antsika hiara-miasa amin’ny fandaminan’i Jehovah ny fontsika satria fantatsika fa izy io irery ihany no tarihin’ny fanahiny sady mampahafantatra ny anarany sy ny fikasany. Marina aloha fa tsy tanteraka ireo izay miantsoroka andraikitra eo aminy. (Romana 5:12). Kanefa dia “nirehitra ny fahatezeran’i Jehovah” tamin’i Arona sy i Miriama rehefa nanome tsiny an’i Mosesy izy ireo ary nanadino fa izy, fa tsy izy ireo, no nanankinan’Andriamanitra andraikitra. (Nomery 12:7-9). Amin’izao andro izao, ireo Kristiana tsy mivadika dia miara-miasa amin’ireo “mpitondra” satria izany no takin’i Jehovah. (Hebreo 13:7, 17). Ny porofon’ny tsy fivadihantsika dia mahafaoka ny fanatrehana ireo fivoriana kristiana tsy tapaka sy ny fanomezana valin-teny izay “mandrisika ny hafa ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara”. — Hebreo 10:24, 25, NW.
Aoka ianao hampahery
16. Ny faniriana hanao inona ho an’ny hafa no tokony hanosika antsika koa hanompo an’i Jehovah amin’ny tsy fivadihana?
16 Ny faniriana hampahery ny hafa dia tokony hanosika antsika koa hanompo an’i Jehovah amin’ny tsy fivadihana. Nanoratra toy izao i Paoly: “Ny fahalalana mampieboebo; fa ny fitiavana mampandroso [“mampahery”, NW ]”. (1 Korintiana 8:1). Koa satria misy karazam-pahalalana sasany mampieboebo ireo izay manana azy, dia azo antoka fa te hilaza i Paoly hoe ny fitiavana koa dia mampahery ireo izay maneho izany toetra tsara izany. Hoy ny boky iray nosoratan’ny Profesora Weiss sy English: “Ny olona izay manana fahaizana mitia dia mazàna tiana koa ho setrin’izany. Ny fahaizana manitatra ny fiahiana feno fitiavana sy ny fanehoana fiheverana eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainana (...) dia misy heriny manorina miavaka eo amin’ilay olona izay manitatra fihetseham-po toy izany sy eo amin’ny olona izay mandray izany, ka noho izany dia mitondra fahafinaretana ho an’ny andaniny roa.” Amin’ny fanehoana fitiavana, dia mampahery ny hafa sy ny tenantsika isika, araka ny voalaza tsy mivantana ao amin’ny tenin’i Jesosy hoe: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray”. — Asan’ny Apostoly 20:35.
17. Amin’ny ahoana ny fitiavana no mampahery, ary hanakana antsika tsy hanao inona izy io?
17 Ao amin’ny 1 Korintiana 8:1, i Paoly dia nampiasa ilay teny grika hoe a·gaʹpe, izay manondro fitiavana miorina amin’ny fotopoto-pitsipika. Mampahery izy io noho izy mahari-po sy tsara fanahy, mizaka sy miaritra ny zava-drehetra, ary noho izy tsy ho levona mihitsy. Manaisotra ny fihetseham-po manimba toy ny avonavona sy ny fialonana io fitiavana io. (1 Korintiana 13:4-8, NW ). Ny fitiavana toy izany dia hanakana antsika tsy hitaraina ny amin’ireo rahalahintsika izay tsy tanteraka sahala amintsika. Izy io dia hisakana antsika tsy ho tonga toy ireo “olona tsy tia an’Andriamanitra” izay “niditra an-tsokosoko” teo anivon’ireo Kristiana marina tamin’ny taonjato voalohany. Ireny olona ireny dia ‘tsy niraharaha ny fahalehibiazana ary niteny ratsy ireo manana voninahitra’, miharihary fa tamin’ny fitenenan-dratsy ny olona toy ireo mpiandraikitra kristiana voahosotra izay nomena voninahitra sasany. (Joda 3, 4, 8, NW ). Noho ny tsy fivadihana amin’i Jehovah, dia aoka isika tsy hanaiky na oviana na oviana ho resin’ny fakam-panahy hanao zavatra mitovy amin’izany.
Tohero ny Devoly!
18. Inona no irin’i Satana hatao amin’ny olon’i Jehovah, kanefa nahoana izy no tsy afaka manao izany?
18 Ny fahalalana fa maniry handrava ny firaisan-tsaina ananantsika amin’ny maha-olon’Andriamanitra i Satana, dia tokony hampitombo ny fahatapahan-kevitsika hanompo an’i Jehovah amin’ny tsy fivadihana. Tian’i Satana mihitsy ny hamono hahafaty ny olon’Andriamanitra rehetra, ary ireo mpanompon’ny Devoly eto an-tany indraindray dia mahafaty mpivavaka marina. Tsy hamela an’i Satana hamono azy rehetra anefa Andriamanitra. Maty i Jesosy mba ‘handringana amin’ny fahafatesana ilay manana ny herin’ny fahafatesana, dia ny Devoly’. (Hebreo 2:14). Voafetra indrindra ny faritra ahafahan’i Satana mampihatra ny fahefany hatramin’ny nandroahana azy avy tany an-danitra, taorian’ny nahatongavan’i Kristy ho Mpanjaka tamin’ny 1914. Ary amin’ny fotoana mety amin’i Jehovah, dia handringana an’i Satana sy ny fandaminany i Jesosy.
19. a) Fampitandremana inona momba ny fiezahana ataon’i Satana no nomen’ity gazety ity taona maro lasa izay? b) Mba hanalavirana ireo fandrik’i Satana, dia fitandremana inona no tokony hampiharintsika eo amin’ny fifandraisantsika amin’ireo mpiray finoana amintsika?
19 Indray mandeha dia nampitandrina toy izao ity gazety ity: “Raha afaka mitondra fikorontanana eo anivon’ny olon’Andriamanitra i Satana devoly, na afaka manao izay hampifanditra sy hampiady azy ireo, na manao izay hanehoany sy hampitomboany toetra feno fitiavan-tena izay hitarika ho amin’ny fandravana ny fitiavana ireo rahalahy, dia hahavita handrapaka azy ireo izy amin’izany.” (Ny Tilikambo Fiambenana [anglisy], 1 May 1921, pejy faha-134). Aoka isika tsy hamela ny Devoly handrava ny firaisan-tsaina ananantsika, angamba amin’ny fitaomana antsika hifanaratsy, na hiady amintsika samy isika. (Levitikosy 19:16). Enga anie i Satana tsy hahavoa antsika mihitsy ka isika indray no hanimba ireo izay manompo an’i Jehovah amin’ny tsy fivadihana na hanao izay hanasarotra ny fiainany. (Ampitahao amin’ny 2 Korintiana 2:10, 11.) Aoka kosa isika hampihatra ny tenin’i Petera manao hoe: “Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany; tohero izy, ka miorena tsara amin’ny finoana hianareo”. (1 Petera 5:8, 9). Amin’ny fanoherana an’i Satana, dia afaka mitana ny firaisan-tsaina mahasambatra ananantsika isika amin’ny maha-olon’i Jehovah. — Salamo 133:1-3.
Miantehera amim-bavaka amin’Andriamanitra
20, 21. Amin’ny ahoana ny fianteherana amim-bavaka amin’i Jehovah no mifandray amin’ny fanompoana azy amin’ny tsy fivadihana?
20 Ny fianteherana amim-bavaka amin’Andriamanitra dia hanampy antsika hanohy hanompo an’i Jehovah amin’ny tsy fivadihana. Rehefa hitantsika fa mamaly ny vavaka ataontsika izy, dia voasintona hanakaiky kokoa azy isika. Nampirisihina ny fianteherana amim-bavaka amin’i Jehovah Andriamanitra rehefa nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Tiako ny lehilahy rehetra hivavaka eny tontolo eny manandra-tànana masina, tsy amin’ny fahatezerana na amin’ny fifandirana”. (1 Timoty 2:8). Zava-dehibe toy inona moa, ohatra, ny hianteheran’ireo loholona amim-bavaka amin’Andriamanitra! Ny porofon’ny tsy fivadihana amin’i Jehovah toy izany rehefa manao fivoriana mba handinihana ny raharahan’ny kongregasiona, dia hanampy mba hisorohana ny ady hevitra tsy misy farany sy ny mety ho fipoahan’ny fahatezerana.
21 Ny fianteherana amim-bavaka amin’i Jehovah Andriamanitra dia manampy antsika hikarakara tombontsoa maro ao amin’ny fanompoana azy. Afaka niteny toy izao ny lehilahy iray izay nanompo an’i Jehovah tamin’ny tsy fivadihana nandritra ny am-polony taona maro: “Ny fahavononantsika hanaiky izay mety ho asa anendrena antsika ao amin’ny fandaminan’Andriamanitra maneran-tany, sy ny fijanonantsika ao amin’izany asa izany, tsy azo hozongozonina, dia mahatonga tsikim-pankasitrahan’Andriamanitra amin’ny ezaka amim-pahatsorana ataontsika. Na dia mety ho toa ambany aza ilay asa nanendrena, dia mazàna hita fa raha tsy eo ny fanatanterahana izany asa izany amim-pahatokiana, dia mety tsy ho vita ny asa lehibe maro hafa. Araka izany, raha manetry tena isika ary miahy mivantana ny amin’ny fanomezam-boninahitra ny anaran’i Jehovah fa tsy ny antsika, dia afaka mahazo antoka foana isika fa ‘hiorina tsara, tsy hiova, ary hahefa be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo.’ ” — 1 Korintiana 15:58.
22. Amin’ny ahoana ireo fitahiana maro omen’i Jehovah no tokony hisy akony eo amin’ny tsy fivadihantsika?
22 Na inona na inona ataontsika ao amin’ny fanompoana an’i Jehovah, dia mazava ho azy fa tsy ho voavalintsika aminy izay ataony amintsika. Toy inona moa ny tsy fananana ahiahy tsapantsika ao anatin’ny fandaminan’Andriamanitra, voahodidin’ireo sakaizany! (Jakoba 2:23). Nitahy antsika i Jehovah tamin’ny fanomezana firaisan-tsaina izay nitsiry avy tamin’ny fitiavan-drahalahy. Lalim-paka aoka izany izy io ka tsy azon’i Satana hongotana. Aoka àry isika hifikitra amin’ilay Raintsika any an-danitra izay tsy mivadika, ary hiara-miasa amin’ny olony. Aoka isika hanompo an’i Jehovah amin’ny tsy fivadihana hatramin’izao ka ho mandrakizay.
Ahoana no Havalinao?
◻ Inona no atao hoe tsy mivadika?
◻ Anton-javatra inona avy no tokony hanosika antsika hanompo an’i Jehovah amin’ny tsy fivadihana?
◻ Nahoana isika no tsy maintsy manohitra ny Devoly?
◻ Ahoana no ahafahan’ny vavaka manampy antsika ho mpanompon’i Jehovah tsy mivadika?
[Sary, pejy 23]
Ireo mpanompon’i Jehovah tsy mivadika dia tsy mamela ny Devoly, ilay Fahavalon’izy ireo toy ny liona, handrava ny firaisan-tsainy