FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • be fian. 15 p. 131-p. 134 feh. 4
  • Fisehoana Ivelany Tsara

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fisehoana Ivelany Tsara
  • Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahoana no Zava-dehibe ny Fiakanjontsika sy ny Paozintsika?
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Mampiseho Fanajana An’Andriamanitra ny Fitafiana Mendrika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
  • Manome Voninahitra An’Andriamanitra ve ny Fiakanjonao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
  • Mampiharihary ny maha-ianao anao ny fisehoanao ivelany
    Ny Fahatanoranao—Ny Fomba Handraisan-tsoa Be Indrindra avy Amin’izany
Hijery Hafa
Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
be fian. 15 p. 131-p. 134 feh. 4

LESONA 15

Fisehoana Ivelany Tsara

Inona no ilainao hatao?

Manao fitafiana madio sy milamina ary maotina. Mitandrina tsara ny fijoronao sy fipetrakao. Tokony hihogo tsara ny volonao.

Nahoana izany no tena ilaina?

Arakaraka ny fisehoanao ivelany no hitsaran’ny olona ny finoanao kristianina sy ilay fomba fiaina arahinao.

MILAZA zavatra be dia be momba anao ny fisehoanao ivelany. I Jehovah mijery ny fo, fa ny olona kosa mazàna no “mijery ny miseho eo ivelany”, ka mitsara ny hafa avy amin’izany. (1 Sam. 16:7) Ho hitan’ny hafa fa manaja ny tenanao ianao, rehefa madio sy mahava-tena. Ho vonona kokoa ny hihaino anao izy. Hahazo laza tsara koa ilay fandaminana soloanao tena sy ilay Andriamanitra ivavahanao, raha mety tsara ny fitafianao.

Toro lalana tokony harahina. Tsy mametra fitsipika aman-dalàna be dia be momba ny fisehoana ivelany ny Baiboly. Toro lalana voalanjalanja tsara, izay hanampy antsika handray fanapahan-kevitra tsara, kosa no omeny. Ny ‘hanaovantsika ny zavatra rehetra ho voninahitr’Andriamanitra’ no lehibe indrindra amin’izany. (1 Kor. 10:31) Toro lalana inona avy àry no azo ampiharina, raha ny amin’ny fisehoantsika ivelany?

Voalohany aloha, ny Baiboly dia mampirisika antsika hanana vatana sy fitafiana madio. Tao amin’ny Lalàn’i Jehovah ho an’ny Isiraely fahiny, dia nisy fepetra momba ny fahadiovana. Ohatra, tsy maintsy nandro sy nanasa ny akanjony tamin’ny fotoana efa voafaritra mialoha ny mpisorona, rehefa nanao ny raharahany. (Lev. 16:4, 24, 26, 28) Tsy eo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy ny Kristianina, nefa mbola manan-kery ihany ireo toro lalana raketin’izy io. (Jaona 13:10; Apok. 19:8) Rehefa ho any amin’ny toeram-pivavahana na ho eny amin’ny fanompoana indrindra isika, no tokony hadio ny vatantsika sy ny fitafiantsika ary tsy hisy fofona ny vavantsika. Raha tsy izany, dia ho sorena amintsika ny hafa. Tokony hanome ohatra tsara ny amin’io ireo manao anjara na lahateny na fampisehoana eo anoloan’ny fiangonana. Mariky ny fanajantsika an’i Jehovah sy ny fandaminany ny fitandremantsika ny fisehoantsika ivelany.

Faharoa, ny Baiboly dia mananatra antsika ho maotina sy hahonon-tena. Nampirisika ny vehivavy kristianina ny apostoly Paoly mba ‘hiravaka amin’ny fahamaotinana sy ny fahononan-tena, fa tsy amin’ny volo mirandrana sy ny volamena, na vato soa, na fitafiana sarobidy, fa araka izay mahamendrika ny vehivavy manaiky ny fivavahana amin’Andriamanitra.’ (1 Tim. 2:9, 10) Tokony haneho fahamaotinana sy fahononan-tena eo amin’ny fomba fiakanjony sy fihaingony koa ny lehilahy.

Tsy manafintohina ny hafa tsy amin’ny antony ny olona maotina. Tsy misarika be loatra ny sain’ny hafa ho amin’ny tenany koa izy. Mahay mitandrina, na mahay mifidy kosa ny hoe mahonon-tena. Manaja ny fomba fihevitr’Andriamanitra momba ny tsara sy ratsy, ka mahay mandanjalanja tsara, ny olona maneho ireo toetra ireo. Tsy misakana antsika tsy hihaingo akory ireo toetra ireo. Raha maneho azy ireo kosa isika, dia ho malina ka hihevitra ny hafa, ary tsy hanaraka fomba fiakanjo sy fihaingo miraratra loatra. (1 Jaona 2:16) Tokony hanaraka ireo toro lalana ireo isika, na any amin’ny toeram-pivavahantsika, na eny amin’ny fanompoana, na rehefa manao zavatra hafa. Tokony haneho fahamaotinana sy fahononan-tena na dia ny akanjo fitondra andavanandro aza. Hanana fahafahana hitory tsy ara-potoana isika any an-tsekoly na any am-piasana. Na dia mety ho tsy akanjo fitondra any amin’ny fivoriana sy fivoriambe aza no anaovantsika any, dia mbola tokony hadio sy hilamina ary ho maotina ihany ny fitafiantsika.

Marina fa tsy mitovy daholo ny fomba fitafintsika, ary tsy angatahina amintsika izany. Tsy mitovy ny zavatra tian’ny olona, ary tsy misy maharatsy izany. Tokony harahina foana anefa ny toro lalana ao amin’ny Baiboly.

Nasehon’ny apostoly Petera fa zava-dehibe kokoa noho ny taovolo sy ny akanjo ny “toetra miafina ao am-po.” (1 Pet. 3:3, 4) Rehefa feno fitiavana, fifaliana, fiadanana, hatsaram-panahy ary finoana miorina tsara, ny fontsika, dia ireo toetra ireo no ho fitafiantsika ara-panahy. Ireo no tena manome voninahitra an’Andriamanitra.

Fahatelo, ny Baiboly dia mampirisika antsika hanana fisehoana ivelany mendrika. Manonona ny hoe “fitafiana mahamendrika” ny 1 Timoty 2:9. Ny fihaingoan’ny vehivavy no resahin’ny apostoly Paoly eo, nefa mihatra amin’ny lehilahy koa io toro lalana io. Milamina sy tsy mikorontana ny zavatra mendrika. Afaka miseho ho milamina tsara foana isika, na manankarena na tsia.

Ny volontsika no anisan’ny voalohany hitan’ny hafa eo amintsika. Tokony ho mendrika izy io, na hoe hilamina tsara. Miankina amin’ny fanao eo an-toerana sy ny toetra nolovana ny taovolon’ny olona. Manome torohevitra momba ny taovolo, izay manisy fiheverana an’ireo zavatra roa ireo, ny apostoly Paoly, ao amin’ny 1 Korintiana 11:14, 15. Kanefa, rehefa toa asehon’ny taovolon’ny lehilahy iray fa te hitovy amin’ny vehivavy izy, na ny mifanohitra amin’izany, dia mifanipaka amin’ny toro lalan’ny Baiboly izany.—Deot. 22:5.

Hita ho madio sy milamina ny lehilahy miharatra tsara. Any amin’ny tany sasany, dia heverina ho mendri-kaja ny volombava kely eo ambonin’ny molotra; ary tokony hihazona azy io ho voahety tsara izay manao izany.

Fahefatra, tsy tokony hahitana fitiavana an’izao tontolo izao sy ny fombany ny fisehoantsika ivelany. Nampitandrina toy izao ny apostoly Jaona: “Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin’izao tontolo izao.” (1 Jaona 2:15-17) Fanirian-dratsy maro no mampiavaka ity tontolo ity. Anisan’ireo notononin’i Jaona ny filan’ny nofo mpanota sy ny fampideraderana ny fananan’ny tena. Mampitandrina amin’ny toe-tsaina tia fikomiana, na ny tsy fankatoavana ny manam-pahefana, koa ny Soratra Masina. (Ohab. 17:11; Efes. 2:2) Matetika no hita eo amin’ny fomba fiakanjo sy fihaingon’ny olona ireo faniriana sy fihetsika ireo. Ny fisehoany ivelany àry dia tsy maotina, mihantsy, marevaka loatra, tsy milamina, tsy voatandrina na misavoritaka. Tsy manaraka fomba tsy kristianina toy izany isika mpanompon’i Jehovah.

Tsy ity tontolo ity no tokony hotahafinao na havelanao hifehy ny fomba fiakanjonao sy fihaingonao, fa ny ohatra tsara dia tsaran’ireo lehilahy sy vehivavy matotra ara-panahy anisan’ny fiangonana kristianina! Tsara raha mandinika ny fiakanjon’ireo efa mahafeno fepetra hanao lahateny ny zatovolahy manantena ny ho tonga mpandahateny toy izany. Afaka maka fianarana avy amin’ny ohatr’ireo nanao ny fanompoana tamim-pahatokiana efa hatramin’ny taona maro ny rehetra.—1 Tim. 4:12; 1 Pet. 5:2, 3.

Fahadimy, mba hahafantarana izay fitafiana mety na tsy mety, dia tokony hotadidintsika fa na i “Kristy aza tsy nitady izay hahafaly ny tenany.” (Rom. 15:3) Ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra no zavatra voalohany indrindra nahin’i Jesosy. Napetrany talohan’ny zavatra tian’ny tenany manokana koa ny fanampiana ny hafa. Raha toa ka manafintohina ny olona eo amin’ny faritanintsika ny fomba fiakanjontsika, inona no tokony hataontsika? Hanampy antsika hanapa-kevitra amim-pahendrena ny fanahafana ny fanetren-tena nasehon’i Kristy. Hoy koa ny apostoly Paoly: “Tsy manao izay mahatafintohina izahay na amin’inona na amin’inona.” (2 Kor. 6:3) Noho izany, dia vonona ny hamela taovolo na haingo sasany izay mety hanakatona ny fon’ny olona tiantsika hitoriana, isika.

Fijoro sy fipetraka. Tafiditra amin’ny fisehoana ivelany tsara koa ny fomba fijoro sy fipetraka mety. Marina fa tsy mitovy daholo ny fomba fanetsehantsika ny vatantsika, ary tsy mitady ny hanaraka fomba iray ihany isika. Kanefa, araka ny fampiasan’ny Baiboly azy, ny hoe mijoro tsara dia mitory fahamendrehana sy fijerena lafy tsaran-javatra. (Lev. 26:13; Lioka 21:28) Na izany aza, dia mety hisy rahalahy na anabavy tsy afaka mijoro mahitsy, na mila miankina amin-javatra, noho ny asany nahatonga azy hiondrika nandritra ny taona maro, na noho ny taonany efa mandroso, na noho ny aretina. Asaina mijoro tsara anefa ireo afaka, raha mbola azony atao koa, rehefa miteny amin’ny hafa. Raha tsy izany, dia mety hoheverina ho tsy miraharaha izy na miala tsiny satria hoe manelingelina. Toy izany koa, tsy hoe tsy mety akory ny mametraka ny tanana eo ambonin’ny polipitra tsindraindray. Mazàna anefa no tian’ny mpanatrika kokoa, raha tsy miankina amin’ny polipitra ny mpandahateny.

Fitaovana milamina tsara. Tsy ny tenantsika ihany no tokony hadio sy hilamina, fa ny fitaovana ampiasaintsika eny amin’ny fanompoana koa.

Diniho ny Baibolinao. Tsy isika rehetra no afaka mividy Baiboly vaovao, rehefa nihasimba ny antsika. Na izany aza, na hafiriana na hafiriana nananantsika ny Baibolintsika, dia tokony ho hita fa nikojakoja tsara azy io isika.

Misy fomba maro azo andaminana ny ao anaty kitapontsika, nefa tokony hilamina tsara izy io. Moa ve ianao efa nahita taratasy nilatsaka avy tao amin’ny Baibolin’ny mpitory iray handeha hamaky andinin-teny tamin’ny tompon-trano, na angamba avy tao amin’ny Baibolin’ny mpandahateny iray handeha hanao lahateny? Voahelingelina ny sainao tamin’izay, sa tsy izany? Raha manelingelina àry ny taratasy tahirizina ao anaty Baiboly, dia ho tsara kokoa angamba raha tahirizinao any amin’ny toerana hafa izy ireny, raha tianao hilamina tsara ny fitaovanao. Tadidio koa fa heverin’ny olona any amin’ny firenena sasany ho tsy fanehoam-panajana ny mametraka ny Baiboly na boky ara-pivavahana hafa amin’ny tany.

Tokony ho zava-dehibe amintsika ny fananana fisehoana ivelany tsara. Mitsara antsika araka ny fisehoantsika ivelany koa ny hafa. Ny antony voalohany hitandremantsika tsara azy io anefa, dia noho isika maniry “hampahamendrika ny fampianaran’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, amin’ny zavatra rehetra.”—Tit. 2:10.

METY VE NY FISEHOANAO IVELANY?

  • Madio ve?

  • Maotina sy maneho fahaiza-mifidy ve?

  • Milamina tsara ve?

  • Mety hampiseho fitiavana an’izao tontolo izao ve?

  • Misy zavatra mety hanafintohina ve?

  • Mihogo tsara ve ny volonao?

FANAZARAN-TENA: Indray mandeha isan’andro mandritra ny herinandro, na inona na inona zavatra kasainao hatao, dia apetraho amin’ny tenanao ireo fanontaniana eo ambanin’ny hoe “Mety ve ny Fisehoanao Ivelany?”, eo amin’ny pejy faha-132.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara