FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Fampianarana Mahasoa ho An’ny Fotoan-tsarotra Misy Antsika
    Ny Tilikambo Fiambenana—1994 | 15 Aprily
    • Na dia mihevitra aza ianao fa fantatrao tsara izy ireo, dia araho akaiky izao ireo teny ara-paminaniana ao amin’ny 2 Timoty 3:1-5 (NW). Hoy ny nosoratan’i Paoly: “Aoka ho fantatrao izao, fa amin’ny andro farany dia hisy fotoan-tsarotra tsy mora setraina.

  • Fampianarana Mahasoa ho An’ny Fotoan-tsarotra Misy Antsika
    Ny Tilikambo Fiambenana—1994 | 15 Aprily
    • Jereo ny 2Ti 3:1 andininy voalohany. Hoy ny nolazain’i Paoly mialoha: “Amin’ny andro farany dia hisy fotoan-tsarotra tsy mora setraina.” “Andro farany” inona? Efa nisy andro farany maro, toy ireo andro faran’i Pompéi fahiny, na ireo andro faran’ny mpanjaka iray na fianakaviana manapaka iray. Na ny Baiboly aza dia manonona andro farany maromaro, toy ireo andro faran’ny fandehan-javatra jiosy. (Asan’ny Apostoly 2:16, 17). I Jesosy anefa dia nametraka fototra ho antsika mba hahatakarantsika fa “ny andro farany” nasian’i Paoly fitenenana dia manondro ny androntsika.

      16. Tarehin-javatra inona amin’izao androntsika izao no nambara mialoha tamin’ilay fanoharana ny amin’ny vary sy ny tsimparifary?

      16 Nanao izany i Jesosy tao amin’ny fanoharana iray momba ny vary sy ny tsimparifary. Nafafy tao amin’ny saha iray ireo, ka navela hitombo miaraka. Nilaza izy fa ny vary sy ny tsimparifary dia samy mampiseho olona: ny Kristiana marina sy ny sandoka. Miresaka ny amin’io fanoharana io isika, satria izy io dia manamafy fa hisy fe-potoana lava handalo alohan’ny fifaranan’ny fandehan-javatra ratsy manontolo. Rehefa tonga izany fifaranany izany, dia hisy zavatra iray hiroborobo. Inona izany? Ny fivadiham-pinoana, na ny fiodinana amin’ny Kristianisma marina, izay namokatra faharatsiana be dia be. Misy faminaniana ara-baiboly maro hafa manamarina fa izany dia hitranga mandritra ny andro faran’ny fandehan-javatra ratsy. Izany no misy antsika, amin’ny fifaranan’ny fandehan-javatra. — Matio 13:24-30, 36-43.

      17. Filazana mifanitsy inona no omen’ny 2 Timoty 3:1-5 mikasika ny fifaranan’ny fandehan-javatra?

      17 Hitanao ve ny hevitr’izany? Ny 2 Timoty 3:1-5 (NW) dia manome antsika filazana mifanitsy amin’izany fa hoe mandritra ny fifaranan’ny fandehan-javatra, na ny andro farany, dia ho ratsy ny vokatra hanodidina ny Kristiana. Tsy nilaza akory i Paoly fa ireo zavatra 19 notanisainy no ho fomba lehibe indrindra hanaporofoana fa efa tonga ny andro farany. Nampitandrina kosa izy ny amin’izay tsy maintsy iadiantsika mandritra ny andro farany. Ny 2Ti 3:1 andininy voalohany dia miresaka momba ny “fotoan-tsarotra tsy mora setraina”. Io teny io dia avy amin’ny fiteny grika, ary midika ara-bakiteny hoe “fotoana voatondro lozabe”. (Kingdom Interlinear). Tsy manaiky ve ianao fa ny hoe “lozabe” dia milaza tsara izay atrehintsika amin’izao andro izao? Io teny ara-tsindrimandry io dia manohy manome fahaiza-manavaka avy amin’Andriamanitra mikasika izao androntsika izao.

      18. Amin’inona no tokony hifantohantsika eo am-pianarana ny teny ara-paminaniana nataon’i Paoly?

      18 Ny fahalianantsika mikasika io faminaniana io dia tokony hamela antsika hamantatra ireo ohatra mampalahelo mampiseho fa tena sarotra, na lozabe, tokoa ny fe-potoana misy antsika. Tsarovy ireo votoatin-kevitra fototra roa: 1) hamantatra ireo zava-manahirana izay mahatonga ny fotoana misy antsika ho tsy mora sy hahita ny fomba hanalavirana azy ireo; 2) hanaraka ireo fampianarana izay tena azo ampiharina marina sady afaka manampy antsika hanana fiainana tsaratsara kokoa. Koa, tsy hanamafy ireo lafiny ratsy isika, fa hifantoka kosa amin’ireo fampianarana izay afaka manampy antsika sy ny fianakaviantsika amin’izao fotoana tsy mora setraina izao.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara