FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g93 8/4 p. 28-29
  • Tsy Natao ho An’ny Kristiana ny Teny Ratsy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tsy Natao ho An’ny Kristiana ny Teny Ratsy
  • Mifohaza!—1993
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahoana no miely aoka izany?
  • Ny fiheveran’Andriamanitra ny teny ratsy
  • Ialao ny teny ratsy!
  • Tena manimba tokoa ve ny teny ratsy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • “Tsy Misy Teny Ratsy Mihitsy ny Fiteninay”
    Mifohaza!—2005
  • Tena Tsy Mety ve ny Miteny Ratsy?
    Manontany ny Tanora
  • Ny andron’ny teny ratsy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
Hijery Hafa
Mifohaza!—1993
g93 8/4 p. 28-29

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Tsy Natao ho An’ny Kristiana ny Teny Ratsy

NOMEN-TSINY ny tompon’andraikitra iray tao amin’ny radio BBC any Pays de Galles noho izy io nanda tsy hanesotra “teny nanafintohina” tao amin’ny fanadinadinana lehilahy iray mpandry amin’ny lehilahy. Araka ny mpitondra teny iray ao amin’ny BBC voatonona tao amin’ny gazety The Guardian, io lehilahy mpandry amin’ny lehilahy io dia nampiasa “fitenenana faran’izay nivantambantana mba hilazana ireo zavatra ataon’ny olona ka mety hahavoan’ny SIDA azy”. Ambonin’izany, ny 22 isan-jaton’ny fandaharana narahi-maso nandritra ny tapa-bolana tao amin’ny chaînes-na televiziona britanika efatra dia nisy “teny ratsy, ompa ary/na fitenenan-dratsy”.

Mampiharihary fifanoherana lehibe eo amin’ny fihetsika ny zavatra mahakasika filazam-baovao toy ireny. Ho an’ny olona maro dia manafintohina ary maharikoriko ny resaka miharo teny ratsy. Ny hafa kosa dia mahita izany ho marevaka sy manavanana fotsiny, ho tsy mampaninona velively. Kanefa, moa ve tokony hanana toerana ao amin’ny fomba fitenin’ny Kristiana izay mankamamy ny fifandraisany amin’Andriamanitra sy amin’ny mpiara-belona aminy ny teny ratsy?

Nahoana no miely aoka izany?

Ny teny ratsy dia “izay rehetra mety ho karazana fiteny maloto mahazatra”. Ny fitenenan-dratsy, ny fanompana sy ny fanozonana dia voafaoka ao amin’io famaritana io. Mampiseho fahatezerana mafy sy fanamelohana amin’ny vava ratsy mihitsy aza ny teny ratsy. Nilaza i Mary Marshall, mpanoratra ny boky Origins & Meanings of Oaths & Swear Words fa “anisan’ny fiteny matetika kokoa ny ompa sy ozona fa tsy fanoratra”. Kanefa dia boky maro misy tantara foronina no feno teny ratsy.

Nahoana no miely aoka izany ny teny ratsy? Manandrana mameno ny banga amin’ny teny ratsy maro be ny olona tsy manana afa-tsy voambolana voafetra ihany. Ny hafa indray mampiasa teny ratsy ho fanamafisana. Mazàna ny teny ratsy dia faritana ho mifandray amin’ny fihetseham-po toy ny fahasorenana sy ny fahadisoam-panantenana ary ny hatezerana. Tsy azo lavina fa rehefa miatrika toe-javatra mandreraka toy ireo ny olona dia maro no mamela teny ratsy hiloaka ny vavany ho toy ny “fanamaivanana ny fihetseham-po nokobonina”. Nanamarika ilay mpikaroka atao hoe Marshall fa ny firaketany an-tsoratra misy ireo ompa amin’ny teny anglisy alahatra araka ny abidy dia feno tokoa eo amin’ny tapany voatokana ho an’ireo teny manomboka amin’ny renisoratra mipoapoaka sy misioka.

Na dia mety ho toa manamaivamaivana ny fihetseham-po aza ny fanompana dia maro no mahita fa ny teny ratsy dia miteraka teny ratsy. Nahoana no izany? Mampiredareda ny afon’ny fihetseham-po ny teny maloto. Ohatra, tao anatin’ny fifanjevoan’ny fifamoivoizana goavana tao amin’ny renivohitra iray atsy Afrika Andrefana, dia nitsambikina avy tao amin’ny fiarany ny mpamily iray nisafoaka mba hanatona mpamily hafa iray izay namela ny fiarany hisakan-dalana. Rehefa nitombo ny fahatezerana dia nipololotra ny teny maloto ary ny tsirairay dia samy niezaka nanao nihoatra noho ilay iray hafa tamin’ny teny famingavingana. Namoaka ny lohany tany ivelan’ny fiarany ny mpamily hafa tafahitsoka teo koa ary nampirisika ireo mpifanandrina hiteny zavatra ratsy kokoa ihany.

Mety hitarika ho amin’ny ompa vary raraka ny teny famingavingana mampietry olona. Mety ho tafiditra amin’izany ireo teny mampitovy ilay olona amin’ny biby iray na bibikely iray mihitsy aza, ny fanamarihana manala baraka momba ny ray aman-drenin’ilay olona na ny firazanany mampisalasala, ao koa ireo teny manintona ny saina ho amin’ny toetoetra ara-batana sasany, ary izay mety hanafintohina kokoa aza dia ireo teny vetaveta sy sakrilezy ary teny mahamenatra momba ny maha-lahy sy maha-vavy.

Ny fiheveran’Andriamanitra ny teny ratsy

Tena marina fa fanaovan-dratsy lehibe ny fampiasana amin’ny fomba ratsy ny anaran’Andriamanitra. Milaza toy izao ny Eksodosy 20:7: “Aza manonona foana ny anaran’i Jehovah Andriamanitrao”. Kanefa nahatandindomin-doza ny fifandraisan’ny mpivavaka tamin’i Jehovah ve ny fandikana io toromarika io? Eny; manohy toy izao ny Lalàna: “Fa tsy hataon’i Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany.”

Mba hanazavana ny maha-zava-dehibe ny fankatoavana io baiko io, ny Baiboly dia mitantara ady iray teo amin’ny Isiraelita iray sy ny lehilahy hafa iray. “Niteny ratsy ny Anarana (...) ka nanozona” ity farany. Ahoana no nitsaran’Andriamanitra ilay tarehin-javatra? Namoaka izao didy izao izy: “Fa izay miteny ratsy ny anaran’i Jehovah dia hatao maty mihitsy”. (Levitikosy 24:10-16). Na dia tsy manome antsipiriany voafaritra tsara ny amin’izany teny ratsy izany aza ny Soratra Masina, io ohatra io dia mampiharihary kosa ny fiheveran’Andriamanitra ny teny sy fihetsika tsy misy fanajana.

Ny Soratra Grika Kristiana dia manambara mialoha fa amin’ny androntsika dia “hisy andro mahory. Fa ny olona (...) miteny ratsy [Grika: blaʹsphe·moi] , (...) ireny koa dia halaviro”. (2 Timoty 3:1, 2, 5). Milaza mihoatra noho ny hevitra hoe teny tsy maneho fanajana ny zavatra atao ho masina, ny teny grika bla·sphe·miʹa. Raha ny marina, ny tena heviny dia mahatafiditra izay teny ratsy sy manala baraka rehetra ka mandratra ny olon-kafa.

Ny olona izay mpiteny ratsy dia mampiharihary “ny toetra taloha” izay ampirisihana mba ‘harian’ny’ Kristiana toy ny fitafiana iray maimbo tsy misy ilana azy intsony.a Manoro hevitra toy izao ny apostoly Paoly: “Esory koa izao rehetra izao, dia fahatezerana, fiafonafonana, lolompo, fitenenan-dratsy, teny mahamenatra avy amin’ny vavanareo.” “Esory aminareo ny fo-lentika rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy ary ny lolompo rehetra”. (Kolosiana 3:8, 9; Efesiana 4:31). Mariho koa ambonin’izany fa ireo manevateva sy manototra teny ratsy ny hafa ka lazalazain’i Paoly ho “mpiteny ratsy” dia tafiditra ho anisan’ireo olona “tsy marina [izay] tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra”. — 1 Korintiana 6:9, 10, NW.

Ialao ny teny ratsy!

Ny fitiavana amim-pahatsorana an’Andriamanitra dia hanosika ny Kristiana hanao izay hahazoana sitraka Aminy. (1 Jaona 5:3). Toy ny anehoan’Andriamanitra fiahiana ny olombelona rehetra no anirian’ny Kristiana hanome taratry ny fihetseham-po mitovy amin’izany eo amin’ny fihetsiny amin’ny hafa. Amin’izany fomba izany no hankatoavany ireo didy roa lehibe indrindra, dia ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana. (Matio 22:37-39). Noho izany, dia “aoka isika rehetra samy hitady izay hahafaly ny namantsika amin’izay hahasoa sy hampandroso azy”. (Romana 15:2). Koa manontania tena hoe: ‘Ireo teny fidiko ve manafintohina sa mampandroso?’

Ekena aloha fa tsy ho mora ny hanadiovan’ny olona iray ny fitenenany raha toa ka fahazarana latsa-paka tao aminy ny fitenenan-dratsy. Kanefa azo atao izy io, raha misy fanampiana. Afaka manampy olona iray hanova ny modelim-pitenenana arahiny ny fanahin’Andriamanitra. Kanefa tsy maintsy vonona ny hanorina voambolana feno teny tsara aloha ilay olona — ary avy eo dia hampiasa azy io tsy tapaka. — Romana 12:2.

Nampitandrina i Solomona Mpanjaka fa ‘ny lela izay miteny ratsy dia hofongorana’. Koa aza avela handoto ny fitenenanao àry ny loton’ny teny ratsy. Mikendre kosa mba ho tonga olona izay mahafantatra ny zavatra madio tokony hotenenina, ka hilaza izany amin’ny fomba mahafinaritra! — Ohabolana 10:31, 32, Today’s English Version; Kolosiana 4:6.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Mariho ny Efesiana 5:3, 4, izay anomezan’ny teny manodidina heviny eo amin’ny maha-lahy sy maha-vavy ny fitenenana hoe “resaka fahadalana” sy “voso-dratsy”. Araka izany, ny teny vetaveta sy vazivazy momba ny maha-lahy sy maha-vavy dia tsy natao ho an’ny Kristiana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara