Varavarankely Mampiseho ny ao Am-bohoka
AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY AOSTRALIA
IREO fizahana efa lasa lavitra atao mialoha ny fiterahana dia ahafahan’ny dokotera amin’izao fotoana izao mamantatra amin’ny fomba marina kokoa hatrany ireo kilema maro, ara-batana na ara-tsaina, mety hananan’ny zaza iray ao am-bohoka. Anisan’ny fitaovana be mpampiasa indrindra ny feo tsy re tsaika (ultrason) sy ny amniocentèse.
Ny feo tsy re tsaika dia fomba tsy ikasihana ny vatana, fomba izay mampiasa onjam-peo tsy re manana hatetika anabo, mba hamoahana ny sarin’ilay zaza ao am-bohoka eo amin’ny ordinatera. Tafiditra amin’ny amniocentèse ny fakana amin’ny serengy ny santionan’ny ranondoha, ilay ranoka ilomanosan’ilay zaza ao am-bohoka, sy ny fitsapana azy io mba hahitana ireo marika simika manondro takaitra eo amin’ilay tsaika, toy ny trisomie 21, ohatra.
Nampidirina teo amin’ny fiaraha-monina toy ny vongam-bato natoraka kamory io karazana teknolojia ara-pitsaboana io, izay mifandray amin’ny fanalana zaza fantenana, ka miteraka onja lehibe eo amin’ny ranon’ny fitsipika mifehy ny fitsaboana.a Mampalahelo fa tsy filazan-kevitra mafy orina mba handaminana ireo raharaha iadian-kevitra ara-pitondran-tena sy ara-pitsipika mifehy, ny rafitra misy ny zavatra heverin’itỳ tontolo itỳ ho sarobidy, sady toa misy itoviana kokoa amin’ny zahatra iray very lalana atopatopan’ny onja mikapokapoka mafy.
Misongona ny fanavaozan-dalàna, any amin’ny tany sasany, ny fanalana zaza fantenana, izay ampirisihan’ny teknolojia. Tao amin’ny fanadihadiana 13 natao tany Etazonia nandritra ny fe-potoana vao haingana naharitra 15 taona, dia tsy niova teo amin’ny 75 ka hatramin’ny 78 isan-jato ny isan’ireo nanome valin-teny izay nino fa ny vehivavy bevohoka iray dia tokony hanana zo araka ny lalàna mba hanala zaza iray ananana porofo mahery fa manan-takaitra be. Any amin’ny tany sasany, “ny fahasembanana voambara mialoha” dia ampy mba hanomezan-dalana ny fanalana zaza.
Teto Aostralia, vao haingana izay, ny reny iray dia nahita fahombiazana tamin’ny fitoriana ny dokoterany mba hahazoana onitra, satria teo am-piandohan’ny fitondrany vohoka, dia tsy nanao izay hamantarana ilay kitrotro alemana izy io. Afaka mitarika ho amin’ny fahasembanana lehibe eo amin’ilay zaza ao am-bohoka io aretina io, rehefa azo eo am-piandohan’ny fitondrana vohoka. Nilaza ilay reny fa nanesotra taminy ny fahafahany hanala ilay zanany ny fanaovan’ny dokoterany tsirambina.
Nilaza toy izao i Jennifer Fitzgerald, mpikaroka momba ny lalàna, rehefa nanazava ireo vokatr’io raharaha io araka ny lalàna sy ny fitsipika mifehy, tao amin’ny lahatsoratra iray tao amin’ny Queensland Law Society Journal tamin’ny Aprily 1995: “Izy [ilay vehivavy bevohoka] dia tsy vitan’ny hoe mila manapa-kevitra hoe: ‘Maniry hanan-janaka ve aho?’, fa tsy maintsy manapa-kevitra koa izy hoe: ‘Karazana zaza manao ahoana no iriko?’ ” Fahasembanana inona anefa, hoy ny fanontanian’i Fitzgerald, no manome antony ampy mba hanaovana fanalana zaza araka ny lalàna? “Molotra sima, lanilany simaka, maso njola, trisomie 21, spina-bifida, ve?” Any amin’ny faritra sasany amin’izao tontolo izao, dia ny maha-lahy na vavy an’ilay zaza izany, indrindra raha vavy izy!
“Tsy fikasika” ao am-bohoka ve?
Raha mbola mivelatra eo imason’ny mpahay siansa ny fitambaran’ny tarazo (génome) ao amin’ny olombelona, ary manjary mikiraosikaopy mampiseho ny ao am-bohoka, raha ny marina, ny varavarankely mampiseho ny ao am-bohoka, hanao ahoana ilay zaza ao am-bohoka? Hosinganina mba hesorina ve ireo izay tsy manan-takaitra kokoa? Eny tokoa, mihamandroso ho amin’ny fanalana zaza betsaka kokoa, fa tsy vitsy kokoa, ny fironana tao anatin’ny am-polony taona faramparany. Miatrika an’io alon-drano lava be io sy ny roatran’ny ady ara-pitsarana aterak’izany — toy ilay raharaha ara-pitsarana voalaza teo aloha kokoa — ireo dokotera ka manahy. Takatra fa izany dia mety hanery azy ireo hampiasa fomba vao mainka iarovan-tena kokoa eo anoloan’ny fitsaboana, toy ny fitakiana ny hanaovana fizahana sasany, tsy hoe mba hahasoa an’ilay reny sy ilay zaza loatra, fa mba hiarovany ny tenany. Manoratra i Fitzgerald fa vokatr’izany, “ny isan’ireo fizahana mialoha ny fiterahana dia azo inoana fa hitombo, ary noho izany, [dia hitombo koa] ny isan’ireo fanalana zaza fantenana”. Izany, hoy ny teny nanampiny, dia hampiditra “rafitra mila hitovy amin’ny fanavakavahan-tsaranga [hindoa], izay ahatongavan’ireo ‘tsy fikasika’ ho ‘fanary’ ”.
Ary ahoana raha miteraka zaza sembana ny reny iray rehefa nomena ny fahafahana rehetra — ary angamba nampirisihina mihitsy aza — hanala azy io? “Angamba ho avy ny fotoana”, hoy i Fitzgerald, “izay hilazana amin’ny ray aman-dreny fa tsy afaka manantena fanampiana izy ireo eo amin’ny fanomezana izay ilain’ireo zanany sembana, satria nifidy ny hiteraka ilay zaza izy ireo na dia afaka nanala azy io aza.”
Tsy tokony hodian-tsy hita ilay hafatra ampitain’ny fanalana zaza fantenana amin’ireo olona sembana eo amin’ny fiaraha-monina misy antsika. Rehefa manala ny zaza ao am-bohoka ny fiaraha-monina iray noho ny takaitran’izy io, hahatonga an’ireo olona sembana hahatsiaro tena ho toy ny enta-mavesatra kokoa ho an’ny hafa ve izany? Hanasarotra kokoa ny fizakan’izy ireo ilay fiheveran-tena ho tsy mendrika mety ho efa ao aminy ve izany?
Mifanentana amin’ilay toetoetra lazalazain’ny Baiboly momba ny olona miaina amin’ny “andro farany” ho an’itỳ tontolo ratsy itỳ, ilay hoe manary zaza ao am-bohoka ny fiaraha-monina maoderina, toy ny mpiasa manary tapa-bokatra misy tsininy eo amin’ny fitohitohizam-pamokarana. Nambaran’izy io mialoha fa amin’ny ambaratonga lehibe, ny olona dia tsy hanana “firaiketam-po voajanahary”. (2 Timoty 3:1-5, NW ). Ilay teny grika hoe aʹstor·goi, nadika hoe ‘tsy manana firaiketam-po voajanahary’, dia manondro ilay fehy voajanahary ananan’ireo mpianakavy amin’izy samy izy, toy ny fitiavana ananan’ny reny iray amin’ny zanany.
“Ahilangilana sy ampitambolimbolenin’ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra” ny olona tsy misy family eto amin’itỳ tontolo itỳ, ka hita porofo fa mampiseho fifanoherana miavaka amin’ireo izay manaraka ny Tenin’Andriamanitra azo antoka izy ireo. (Efesiana 4:14). Toy ny vatofantsiky ny aina, ny Baiboly dia mitana antsika ho mafy orina sy tsy mangozohozo ara-pitondran-tena eo amin’ny ranomasina misamboaravoara. (Ampitahao amin’ny Hebreo 6:19.) Noho izany, na dia eken’ny Kristiana aza fa mety hamoaka tsy nahy fanjary tsaika na tsaika sembana be ny vehivavy iray, ilay eritreritra fotsiny hoe handinika akaiky ny ao am-bohoka mba hahitana raha salama tsara ny zaza iray mba hihazonana azy, dia maharikoriko azy ireo tanteraka.b — Ampitahao amin’ny Eksodosy 21:22, 23.
Manamafy ny fahatapahan-kevitry ny Kristiana iray mba hihazona tsy fivadihana ilay fampanantenan’Andriamanitra fotoana iray ‘tsy hisian’ny mponina hilaza hoe: Marary aho’. (Isaia 33:24; 35:5, 6). Eny, na dia eo aza ireo fahasahiranana amin’izao fotoana izao ho an’ireo sembana sy ireo sorona ataon’ireo izay mikarakara azy ireny, dia “hisy soa ho an’izay matahotra an’Andriamanitra”. — Mpitoriteny 8:12.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny fanalana zaza fantenana dia ilay fanao amin’ny fanalana zaza iray, noho izy io tsy manana ny toetra irin’ny rainy na ny reniny (na izy roa).
b Tsy midika akory izany, mazava ho azy, hoe tsy hety ny hanaovan’ny Kristiana iray fizahana mba hamantarana ny fahasalaman’ny zaza iray ao am-bohoka. Mety hisy antony ara-pitsaboana maromaro azo ekena araka ny Soratra Masina, mahatonga ny dokotera iray hanoro hevitra ny hanaovana izany. Na dia izany aza, ny fizahana sasany dia mety hampidi-doza an’ilay zaza, koa ho fahendrena ny hiresahana amin’ny dokotera momba izany. Aorian’ny fizahana toy izany, raha hita fa manana takaitra lehibe ilay zaza, dia mety hiharan’ny fanerena hanala ilay zaza ny ray aman-dreny kristiana any amin’ny tany sasany. Ho fahendrena, noho izany, ny hiomanana hanohana ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly.