FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w98 15/3 p. 12-17
  • Fanoloran-tena sy Fahalalahana Hanao Safidy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanoloran-tena sy Fahalalahana Hanao Safidy
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanokanana ho an’ilay “Andriamanitry ny Isiraely”
  • Fanokanana ny “Isiraelin’Andriamanitra”
  • Fampiasana amim-pahendrena ilay fahafahana nomen’Andriamanitra
  • Ny ho mpanompon’iza no fidinao?
  • Mianatra ny hahita soa
  • Teraka teo Anivon’ny Firenena Voafidin’Andriamanitra Izy Ireo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Miaina Mifanaraka Amin’ny Fanoloran-tenanao ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Fiainana “Isan-andro” Mifanaraka Amin’ny Fanoloran-tenantsika
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Nahoana Ianao no Mila Manokan-tena ho An’i Jehovah?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
w98 15/3 p. 12-17

Fanoloran-tena sy Fahalalahana Hanao Safidy

“Ho amin’ny fahafahana no nanafahan’i Kristy antsika”. — GALATIANA 5:1.

1. Mihatra amin’inona indrindra ilay teny hebreo sy grika nadika hoe “fanokanana”, “fitokanana”, na “fanamasinana”?

MAMPIASA teny hebreo sy grika maromaro ireo mpanoratra ny Baiboly, mba hampitana ilay hevitra hoe voavaka na voatokana ho amin’ny zava-kendrena masina. Ao amin’ny Baiboly sasany, ireo teny ireo dia adika amin’ny teny toy ny hoe “fanokanana”, “fitokanana”, na “fanamasinana”. Indraindray ireo teny ireo dia ampiasaina mifandray amin-javatra naorina — mazàna ny Tempolin’Andriamanitra tao Jerosalema fahizay, sy ny fanompoam-pivavahana natao tao. Mahalana vao ampiasaina amin-javatra tsy ara-pivavahana ireo teny ireo.

Fanokanana ho an’ilay “Andriamanitry ny Isiraely”

2. Nahoana i Jehovah no azo nantsoina ara-drariny hoe “Andriamanitry ny Isiraely”?

2 Nafahan’Andriamanitra tamin’ny fanandevozan’ny Egyptiana, ny Isiraelita, tamin’ny 1513 al.f.i. Tsy ela taorian’izay, dia natokany ho vahoakany manokana izy ireo, ka noraisiny hifandray aminy, tamin’ny alalan’ny fanekena iray. Izao no nolazaina tamin’izy ireo: “Ankehitriny, raha hankatò amin’ny fomba hentitra ny feoko ianareo ary hitandrina ny fanekeko tokoa, amin’izay ianareo dia azo antoka fa ho tonga fananako manokana eo amin’ny vahoaka hafa rehetra, satria ahy ny tany manontolo.” (Eksodosy 19:5, NW; Salamo 135:4). Noho i Jehovah nanao ny Isiraelita ho fananany manokana, dia azo nantsoina ara-drariny hoe “Andriamanitry ny Isiraely”, izy. — Josoa 24:23.

3. Nahoana i Jehovah no tsy nizaha tavan’olona fony nifidy ny Isiraely ho vahoakany?

3 Tsy nizaha tavan’olona akory i Jehovah fony nanao ny Isiraelita ho vahoakany voatokana, satria niahy tamim-pitiavana an’ireo tsy Isiraelita koa izy. Nanome toromarika ny vahoakany toy izao izy: “Raha misy mivahiny aminao eo amin’ny taninareo, aza manao sarotra aminy. Ny vahiny eo aminareo dia hataonareo tahaka ny tompon-tany aminareo ihany ka ho tianao tahaka ny tenana[o]; fa efa mba vahiny tany amin’ny tany Egypta hianareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.” (Levitikosy 19:33, 34). Taonjato maro tatỳ aoriana, dia voasoritra tsara tao an-tsain’ny apostoly Petera ilay fomba fiheveran’Andriamanitra. Niaiky toy izao izy: “Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra; fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” — Asan’ny Apostoly 10:34, 35.

4. Inona avy ireo fepetra nifandraisan’Andriamanitra sy ny Isiraely, ary niaina nifanaraka tamin’izany ve ireo Isiraelita?

4 Mariho koa fa nisy fepetra ny fahatongavana ho vahoakan’Andriamanitra voatokana. Raha nankatò tamin’ny fomba hentitra ny feon’Andriamanitra sy nitandrina ny fanekeny ihany izy ireo vao tonga ‘fananany manokana’. Nampalahelo fa tsy nahafeno ireo fepetra ireo ny Isiraelita. Rehefa avy nanda ilay Mesia nirahin’Andriamanitra izy ireo tamin’ny taonjato voalohany am.f.i., dia namoy ilay toerana nisy tombontsoa nananany. Tsy “Andriamanitry ny Isiraely” intsony i Jehovah. Ary tsy vahoakan’Andriamanitra voatokana intsony ireo Isiraelita ara-nofo. — Ampitahao amin’ny Matio 23:23.

Fanokanana ny “Isiraelin’Andriamanitra”

5, 6. a) Inona no tian’i Jesosy holazaina tamin’ireo teniny ara-paminaniana ao amin’ny Matio 21:42, 43? b) Oviana ary tamin’ny fomba ahoana no nisian’ny “Isiraelin’Andriamanitra”?

5 Midika ve izany fa tsy manana vahoaka voatokana izao i Jehovah? Tsia. Raha nanonona tenin’ny mpanao salamo i Jesosy Kristy, dia nanambara mialoha toy izao: “Tsy mbola novakinareo va ny teny ao amin’ny Soratra Masina hoe: ‘Ny vato izay nolavin’ny mpanao trano, dia izy no efa natao fehizoro; avy tamin’i Jehovah izao ka mahagaga eo imasontsika’? Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hesorina aminareo ny fanjakan’Andriamanitra ka homena izay firenena mahavokatra ny voany.” — Matio 21:42, 43.

6 Ny kongregasiona kristiana no hita fa “firenena mahavokatra ny voany”. Nandritra ny fandalovany teto an-tany, dia nifidy ireo ho tonga mpikambana voalohany tamin’izy io, i Jesosy. Tamin’ny andro Pentekosta 33 am.f.i. anefa, dia ny tenan’i Jehovah Andriamanitra mihitsy no nanorina ny kongregasiona kristiana tamin’ny fandatsahana ny fanahiny masina teo amin’ireo mpikambana voalohany niisa tokony ho 120. (Asan’ny Apostoly 1:15; 2:1-4). Araka ny nosoratan’ny apostoly Petera tatỳ aoriana, dia tamin’izay no nahatongavan’io kongregasiona vao niforona io ho “taranaka voafidy, ‘fanjakà-mpisorona, firenena masina’, olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany”. Voafidy mba haninona? Mba ‘hilazan’izy ireo ny hatsaran’ilay niantso azy hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga’. (1 Petera 2:9). Izao ireo mpanara-dia an’i Kristy voahosotry ny fanahin’Andriamanitra, dia firenena voatokana, “Isiraelin’Andriamanitra”. — Galatiana 6:16.

7. Hanana inona ireo anisan’ny Isiraelin’Andriamanitra, ary inona, noho izany, no nasaina nohalaviriny?

7 Na dia “olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany” aza ireo mpikambana ao amin’ilay firenena masina, dia tsy handevozina akory izy ireo. Mifanohitra amin’izany aza, fa hanana fahafahana lehibe kokoa izy ireo raha oharina amin’izay nananan’ny Isiraely ara-nofo, firenena voatokana. Izao no nampanantenain’i Jesosy an’ireo ho tonga anisan’io firenena vaovao io: “Ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.” (Jaona 8:32). Nohazavain’ny apostoly Paoly fa nafahana tamin’ireo zavatra notakina tao amin’ny faneken’ny Lalàna, ny Kristiana. Mahakasika izany, dia nanariny toy izao ny mpiray finoana taminy tany Galatia: “Ho amin’ny fahafahana no nanafahan’i Kristy antsika; ka tomoera tsara, fa aza mety hohazonin’ny zioga fanandevozana intsony.” — Galatiana 5:1.

8. Amin’ny lafiny inona ny fandaharana kristiana no manome ho an’ny olona fahafahana lehibe kokoa noho izay hita teo ambanin’ny faneken’ny Lalàna?

8 Tsy sahala amin’ny Isiraely ara-nofo fahiny ny Isiraelin’Andriamanitra, fa nankatò ireo zavatra notakin’ny fanokanana azy, mandraka androany. Tsy tokony hahagaga izany, satria ireo anisan’izy io dia nifidy an-tsitrapo ny hankatò. Raha nanjary voatokana hatrany am-pahaterahany ireo anisan’ny Isiraely ara-nofo, dia tonga toy izany noho ny safidy kosa ireo anisan’ny Isiraelin’Andriamanitra. Araka izany, ny fandaharana kristiana dia mifanohitra amin’ny faneken’ny Lalàna jiosy izay nampihatra an-tery tamin’ny isam-batan’olona ny fanokanana, tsy nisy famelana azy ireo hanao safidy malalaka.

9, 10. a) Ahoana no nanehoan’i Jeremia fa hisy fiovana mahakasika ny fanokanana? b) Nahoana ianao no milaza fa tsy anisan’ny Isiraelin’Andriamanitra avokoa ny Kristiana vita fanoloran-tena rehetra amin’izao andro izao?

9 Nilaza mialoha ny amin’ny fiovana mahakasika ny fanokanana i Jeremia mpaminany, rehefa nanoratra hoe: “Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hanaovako fanekena vaovao amin’ny taranak’Isiraely sy ny taranak’i Joda, nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin’ny razany tamin’ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin’ny tany Egypta; fa izy ireny dia nivadika ny fanekeko, nefa Izaho no vadiny, hoy Jehovah. Fa izao no fanekena hataoko amin’ny taranak’Isiraely. Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko sady hosoratako ao am-pony; ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko.” — Jeremia 31:31-33.

10 Noho izy ireo manana ny lalàn’Andriamanitra “ao an-tsainy”, azo lazaina hoe voasoratra “ao am-pony”, dia voatosika hiaina mifanaraka amin’ilay fanokanana azy, ireo anisan’ny Isiraelin’Andriamanitra. Ny antony manosika azy ireo dia mahery kokoa noho ny an’ireo Isiraelita ara-nofo izay voatokana hatrany am-pahaterahany, fa tsy noho ny safidiny. Amin’izao andro izao, maneran-tany, dia misy olona dimy tapitrisa mpiara-mivavaka amin’ny Isiraelin’Andriamanitra. Manana an’io antony manosika mahery hanao ny sitrapon’Andriamanitra io izy ireo, toy ilay asehon’ny Isiraelin’Andriamanitra. Nanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah Andriamanitra mba hanao ny sitrapony toy izany koa, izy ireo. Na dia tsy manana fanantenana ny hiaina any an-danitra toy ny Isiraelin’Andriamanitra aza ireny olona ireny, dia faly izy ireo manantena ny hiaina mandrakizay eo amin’ny tany hotapahin’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra. Mampiseho ny fankasitrahany ny Isiraely ara-panahy izy ireo, amin’ny fanohanany amim-paharisihana an’ireo mpikambana vitsy sisa tavela amin’izy io, eo amin’ny fanatanterahan’izy ireo ilay asa nanendrena azy ‘hilaza ny hatsaran’ilay niantso azy ireo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga’.

Fampiasana amim-pahendrena ilay fahafahana nomen’Andriamanitra

11. Noforonina hanana fahaizana hanao inona ny olona, ary ahoana no tokony hampiasany azy io?

11 Namorona ny olombelona hankamamy fahafahana, Andriamanitra. Nomeny azy ireo ny fahaizana hanao safidy malalaka. Nampiasa ny fahalalahany hanao safidy ny mpivady olombelona voalohany. Tsy nisy fahendrena sy fitiavana anefa ny safidy iray nataony ka nahatonga zava-doza ho an’ny tenany sy ho an’ny taranany. Na izany aza, dia mampiseho mazava tsara izany fa tsy manery mihitsy an’ireo zavaboary manan-tsaina mba hanao zavatra mifanohitra amin’ny antony lalina manosika azy, na ny faniriany, i Jehovah. Ary satria “ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’Andriamanitra”, ny hany fanoloran-tena azony ekena dia ilay miorina amin’ny fitiavana, ilay atao an-tsitrapo sy amim-pifaliana, ilay miorina amin’ny safidy malalaka. (2 Korintiana 9:7). Rehefa mety ho karazany hafa dia tsy azo ekena.

12, 13. Nahoana i Timoty no azo atao modely, raha ny amin’ny fitaizan-janaka araka ny tokony ho izy, ary nitarika tanora maro hanao inona ny ohatra navelany?

12 Manaiky tanteraka io zavatra takina io ny Vavolombelon’i Jehovah ka mampirisika hanolotra ny tena ho an’Andriamanitra, fa tsy manery na iza na iza mihitsy hanao izany fanoloran-tena izany, eny fa na dia amin’ny zanany naterany aza. Mifanohitra amin’ny fiangonana maro, dia tsy manao batisa ny zanany mbola kely, ny Vavolombelona, satria amin’izany dia toy ny hoe azo atao ny manery azy ireny hanolo-tena, tsy misy fanaovana safidy manokana. Ny modely araka ny Soratra Masina tokony harahina dia ilay narahin’i Timoty, lehilahy tanora. Tamin’ny naha-olon-dehibe azy, dia izao no nolazain’ny apostoly Paoly taminy: “Mahareta amin’izay zavatra nianaranao sy [nandresen-dahatra, NW ] anao, satria fantatrao izay nampianatra anao izany; fa hatry ny fony vao [zazakely, NW ] hianao dia efa nahalala ny Soratra Masina, izay mampahahendry anao ho amin’ny famonjena amin’ny finoana izay ao amin’i Kristy Jesosy.” — 2 Timoty 3:14, 15.

13 Tsara homarihina fa nahafantatra ireo soratra masina i Timoty noho izy nampianarina izany hatry ny fony vao zazakely. Nandresy lahatra azy — fa tsy nanery azy — hino ireo fampianarana Kristiana, ny reniny sy ny renibeny. (2 Timoty 1:5). Ho vokatr’izany, dia hitan’i Timoty fa fanehoam-pahendrena ny fahatongavana ho mpanara-dia an’i Kristy, ka noho izany, dia nifidy manokana ny fanoloran-tena kristiana izy. Amin’ny andro ankehitriny, dia an’aliny maro ireo tanora lahy sy vavy, manana ray aman-dreny Vavolombelon’i Jehovah, nanaraka io ohatra io. (Salamo 110:3). Tsy nanao izany ny hafa. Raharaha mahakasika ny safidy manokana izy io.

Ny ho mpanompon’iza no fidinao?

14. Inona no lazain’ny Romana 6:16 amintsika mahakasika ny fahafahana tanteraka?

14 Tsy misy olombelona afaka tanteraka. Ny fahafahan’ny olon-drehetra dia voafetran’ireo lalàna fizika, toy ny lalàn’ny sinton’ny tany. Tsy misy afa-maina izay tsy miraharaha izany. Mitovy amin’izany koa eo amin’ny lafiny ara-panahy, tsy misy olona afaka tanteraka. Nanjohy hevitra toy izao i Paoly: “Tsy fantatrareo va fa raha manolo-tena ho mpanompo hianareo na ho an’iza na ho an’iza, dia mpanompon’izay [ankatoavinareo, NW ], na ny ota ho amin’ny fahafatesana, na ny [fankatoavana, NW ] ho amin’ny fahamarinana?” — Romana 6:16.

15. a) Ahoana no iheveran’ny olona ny hoe tonga mpanompo, kanefa miafara amin’ny fanaovana inona ny ankamaroan’izy ireo? b) Fanontaniana inona avy no tsara apetratsika amin’ny tenantsika?

15 Tsy mahafinaritra ny ankamaroan’ny olona ilay hevitra hoe tonga mpanompon’olona. Eo amin’izao tontolo izao ankehitriny anefa, ny zava-misy dia izao: Matetika ny olona no manaiky hampiasain’ny sasany araka izay tiany sy taominy an-kolaka amin’ny fomba maro dia maro, ka amin’ny farany izy ireo dia manao tsy satry izay tian’ny hafa hataony. Ny indostrian’ny dokam-barotra sy ny tontolon’ny fialam-boly, ohatra, dia mikely aina manery ny olona ho ao anatin’ny lasitra iray, ka manorina fari-pitsipika harahin’izy ireo. Ireo fikambanana ara-politika sy ara-pivavahana dia manao izay hanohanan’ny olona ny heviny sy ny zava-kendreny, tsy amin’ny alalan’ny fanaporofoan-kevitra mampiaiky foana anefa, fa matetika amin’ny fanairana ny fitiavana firaisan-kina sy tsy fivadihana. Koa satria nomarihin’i Paoly fa ‘mpanompon’izay ankatoavintsika’ isika, dia tsara raha manontany tena toy izao ny tsirairay amintsika: ‘Mpanompon’iza moa aho? Iza no manan-kery lehibe indrindra eo amin’ny fanapahan-kevitro sy ny fomba fiainako? Ireo anisan’ny klerjy mpivavaka be ve, sa ireo mpitarika ara-politika, sa ireo tremalahy, sa ireo olo-malaza eo amin’ny fialam-boly? Iza no ankatoaviko — Andriamanitra sa olona?’

16. Amin’ny heviny ahoana ny Kristiana no mpanompon’Andriamanitra, ary ahoana no tsara iheverana an’izany fanompoana izany?

16 Tsy mihevitra ny fankatoavana an’Andriamanitra ho fanitsakitsahana ny fahafahany manokana, ny Kristiana. Mampiasa an-tsitrapo ny fahafahana ananany izy ireo, araka ny fomban’i Jesosy Kristy, ilay Modelin’izy ireo, ka ampifanarahiny amin’ny sitrapon’Andriamanitra ny faniriany manokana sy ireo zavatra omeny ny laharam-pahamehana. (Jaona 5:30; 6:38). Miezaka manana ny “sain’i Kristy” izy ireo, ka manaiky azy ho Lohan’ny kongregasiona. (1 Korintiana 2:14-16; Kolosiana 1:15-18). Izany dia be itoviana amin’ny vehivavy iray izay manambady ka miara-miasa an-tsitrapo amin’ilay lehilahy tiany. Raha ny marina, ny fitambaran’ireo Kristiana voahosotra dia resahina ho toy ny virjiny voafofo hampakarin’i Kristy. — 2 Korintiana 11:2; Efesiana 5:23, 24; Apokalypsy 19:7, 8.

17. Nifidy ho tonga inona ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra?

17 Na ho any an-danitra, na ho eto an-tany ny fanantenany, ny Vavolombelon’i Jehovah tsirairay dia nanolo-tena manokana ho an’Andriamanitra mba hanao ny sitrapony sy hankatò azy ho Mpanapaka. Ho an’ny Vavolombelona tsirairay, ny fanoloran-tena dia safidy manokana ho tonga mpanompon’Andriamanitra fa tsy hitoetra ho mpanompon’olona. Izany dia mifanaraka amin’ny torohevitry ny apostoly Paoly manao hoe: “Olom-boavidy hianareo, ka aza mety ho andevon’olona.” — 1 Korintiana 7:23.

Mianatra ny hahita soa

18. Rahoviana vao mahafeno fepetra hatao batisa ny olona iray mety ho tonga Vavolombelona?

18 Alohan’ny hahafahan’ny olona iray ho tonga Vavolombelon’i Jehovah, dia tsy maintsy mahafeno fepetra araka ny Soratra Masina izy. Mandinika amim-pitandremana ireo loholona, rehefa mamaritra ny hoe mahazo marina ny hevitr’izay tafiditra amin’ny fanoloran-tena kristiana ve ny olona iray mety ho tonga Vavolombelona. Tena maniry ho tonga Vavolombelon’i Jehovah tokoa ve izy? Vonona ny hiaina mifanaraka amin’izay voafaoka amin’izany ve izy? Raha tsy izany, dia tsy mahafeno fepetra hatao batisa izy.

19. Nahoana no tsy misy antony tokony hanakianana olona iray nanapa-kevitra ho tonga mpanompon’Andriamanitra vita fanoloran-tena?

19 Raha mahafeno ny fepetra rehetra anefa ny olona iray, nahoana izy no hokianina raha nanapa-kevitra manokana ny hanaiky hotaomin’Andriamanitra sy ny Teniny ara-tsindrimandry? Tsy azo ekena kokoa ve ny manaiky ny fitaoman’Andriamanitra noho ny fitaoman’olona? Sa tsy mahasoa kokoa izany? Tsy mihevitra izany ny Vavolombelon’i Jehovah. Miombon-kevitra tanteraka amin’ny tenin’Andriamanitra nosoratan’i Isaia toy izao, izy ireo: “Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no nampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin’ny làlana tokony halehanao.” — Isaia 48:17.

20. Amin’ny lafiny inona avy ny fahamarinana ara-baiboly no manafaka ny olona?

20 Ny fahamarinana ara-baiboly dia manafaka ny olona tsy hino foto-pampianarana ara-pivavahana diso, toy ny fampijaliana mandrakizay ao amin’ny afobe. (Mpitoriteny 9:5, 10). Izy io kosa dia mahatonga ny fon’izy ireo ho feno fankasitrahana an’ilay tena fanantenana ho an’ny maty — ny fitsanganana amin’ny maty izay nanjary azo natao noho ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy. (Matio 20:28; Asan’ny Apostoly 24:15; Romana 6:23). Ny fahamarinana ara-baiboly dia manafaka ny olona amin’ny fahakiviana vokatry ny fianteherana amin’ireo fampanantenana ara-politika izay matetika no kobaka am-bava fotsiny. Mahadibo-kafaliana ny fon’izy ireo kosa izy io, rehefa fantatr’izy ireo fa efa manapaka sahady any an-danitra ny Fanjakan’i Jehovah, ka tsy ho ela dia hanapaka ny tany manontolo. Ny fahamarinana ara-baiboly dia manafaka ny olona amin’ireo fanao izay manintona ny nofo mpanota, kanefa dia manala baraka an’Andriamanitra sady vidina lafo dia lafo, noho ny vokatra entiny, toy ny fifandraisana simba sy aretina ary fahafatesana aloha be. Raha fintinina, dia mahasoa lavitra ny fahatongavana ho mpanompon’Andriamanitra, raha oharina amin’ny hoe mpanompon’olona. Raha ny marina, ny fanoloran-tena ho an’Andriamanitra dia hitondra soa “amin’izao andro ankehitriny izao (...) ary amin’ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay”. — Marka 10:29, 30.

21. Ahoana no iheveran’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fanoloran-tena ho an’Andriamanitra, ary inona no fanirian’izy ireo?

21 Tsy tonga anisan’ny firenena iray izay efa voatokana hatrany am-pahaterahany toy ny Isiraelita fahiny akory, ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao. Anisan’ny kongregasiona voaforon’ny Kristiana vita fanoloran-tena, ny Vavolombelona. Tonga toy izany ny Vavolombelona tsirairay vita batisa, noho izy nampiasa isam-batan’olona ny fahalalahana hanao safidy, rehefa nanolo-tena. Tsy azo lavina fa, ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah, ny fanoloran-tena dia miteraka fifandraisana mafana ananan’ny tena manokana amin’Andriamanitra. Ny fanompoana azy an-tsitrapo no toetra mampiavaka izany fifandraisana izany. Maniry hitana amin’ny fo manontolo io fifandraisana mahafaly io izy ireo, amin’ny fifikirana mafy mandrakizay amin’ilay fahafahana izay nanafahan’i Jesosy Kristy azy ireo.

Ahoana no Havalinao?

◻ Nahoana Andriamanitra no tsy nizaha tavan’olona fony nifidy ny Isiraely ho tonga “fananany manokana”?

◻ Nahoana ianao no milaza fa tsy mahatonga famoizana fahafahana ny fanoloran-tena kristiana?

◻ Inona avy ireo soa entin’ny fanoloran-tena ho an’i Jehovah Andriamanitra?

◻ Nahoana no tsara kokoa ny tonga mpanompon’i Jehovah raha oharina amin’ny hoe mpanompon’olona?

[Sary, pejy 15]

Niankina tamin’ny nahaterahana ny fanokanana ho an’Andriamanitra, teo amin’ny Isiraely fahiny

[Sary, pejy 16]

Miankina amin’ny safidy ny fanoloran-tena kristiana

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara