Ampiofano Izy Ireo Raha Mbola Zazakely
ASEHON’NY fikarohana maoderina fa “misy vokany eo amin’ny vatan’ireo tsaika ny feo”. Ireo mpikaroka ao amin’ny Oniversiten’i Caroline Avaratra dia “nahita fa rehefa avy namaky teny tamin’ny zanany tao am-bohoka ireo reny, dia nisy vokany teo amin’ireo zaza menavava izany rehefa novakina taminy indray ny andalan-teny”, hoy ny Winnipeg Free Press. Rehefa mamaky teny amin’ny feo avo ny vehivavy raha mbola bevohoka, izany dia mety handray anjara tokoa amin’ny fandentehana ao amin’ilay zaza ireo toetra sarobidy ara-pitondran-tena. Milaza ny Baiboly fa ‘nahafantatra ny Soratra Masina raha mbola zazakely’, i Timoty. (2 Timoty 3:14, 15, NW ). Miharihary fa ny reniny sy ny renibeny dia nahatakatra ny hasarobidin’ny fampiofanana azy raha mbola zazakely, ka azo inoana mihitsy fa izy io dia nahafaoka ny famakian-teny tamin’ny feo avo.
Ny famakian-teny no “fahaizana eo amin’ny fiainana mahery indrindra ananantsika eo amin’ny fitambaran’olona amin’izao andro izao”, hoy ilay mpanoratra atao hoe Jim Trelease. Ny fahaizana miteny sy ny voambolana dia ampitomboina amin’ny alalan’ny famakian-teny amin’ny feo avo.
Fahendrena ny manomboka mamaky teny amin’ny feo avo, fara faharatsiny raha vantany vao manomboka miresaka amin’ny zanakao kely ianao. Na dia mbola tsy hahazo ny hevitr’izay lazainao aza ny zaza mbola tsy teraka na ny zaza menavava amin’ny voalohany, ireo soa maharitra mety ho azo dia mendrika ny hatao. Hoy ny Ohabolana 22:6: “[Ampiofano, NW ] amin’izay lalana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany.”
Inona no azonao vakina, izay sady azo ampiasaina no mahasoa? Vakio amin’ny feo avo isan’andro amin’ny zanakao ny Baiboly. Afa-tsy izany koa, dia vakio ireo zavatra vita an-tsoratra hafa misy vidiny, toy ny Henoy Ilay Mpampianatra Lehibe, Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly, Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany, ary ireo lahatsoratra ao amin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!
Marina fa mitaky fotoana ny fanomezana avy amin’ny tenanao amin’izany fomba izany, kanefa fotoana nolanina tsara izany. Fomba iray azo tsapain-tanana hampisehoana izany fa miahy sady tia ny zanakao ianao.