-
Ry Ray Aman-dreny, Ataovy Izay ‘Hampahahendry ny Zanakareo ho Amin’ny Famonjena’Ny Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2017 | Desambra
-
-
Ary mbola zazakely ianao dia efa nahalala ny Soratra Masina [izany hoe ny Soratra Hebreo], izay nampahahendry anao ho amin’ny famonjena, amin’ny alalan’ny finoana an’i Kristy Jesosy.” (2 Tim. 3:14, 15) Mariho fa nilaza i Paoly hoe 1) nahalala ny Soratra Masina i Timoty, 2) resy lahatra tamin’ny zavatra nianarany dia nino, ary 3) lasa hendry ho amin’ny famonjena, amin’ny alalan’ny finoana an’i Kristy Jesosy.
4. Inona avy ny boky na bokikely na zavatra hafa manampy anao hampianatra ny zanakao? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)
4 Azo antoka fa tianareo hahalala ny Soratra Masina ny zanakareo. Efa manana ny Soratra Hebreo sy ny Soratra Grika isika izao. Afaka mianatra momba an’ireo olona sy zava-nitranga voaresaka ao, na dia ny ankizy kely aza. Be dia be ny boky sy bokikely ary video avoakan’ny fandaminan’i Jehovah mba hanampiana ny ankizy. Inona amin’ireny no misy amin’ny fiteninareo? Tadidio fa mila mahafantatra an’izay lazain’ny Baiboly ny zanakareo raha te hifandray tsara amin’i Jehovah.
-
-
Ry Ray Aman-dreny, Ataovy Izay ‘Hampahahendry ny Zanakareo ho Amin’ny Famonjena’Ny Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2017 | Desambra
-
-
HENDRY KA MENDRIKA HAHAZO FAMONJENA
11, 12. Inona no atao hoe fahendrena, ary nahoana isika no afaka milaza fa tsy ny taonan’ny olona fotsiny no amaritana hoe matotra izy na tsia?
11 Hitantsika teo fa nahalala ny Soratra Masina i Timoty, ary tena resy lahatra hoe marina ny zavatra nampianarina azy. Nilaza koa anefa i Paoly hoe ‘nampahahendry azy ho amin’ny famonjena’ ny Soratra Masina. Inona no tiany holazaina?
12 Hazavaina ao amin’ny boky Fandalinana ny Soratra Masina fa ny hoe fahendrena ao amin’ny Baiboly, dia midika hoe “fahaizana mampiasa ny fahalalana sy ny fahiratan-tsaina mba hamahana olana, hisorohana loza, hanatratrarana tanjona na hampirisihana ny hafa hanao toy izany koa. Mifanohitra ny fahendrena sy ny hadalana.” Milaza ny Baiboly fa “latsa-paka ao am-pon’ny zaza ny hadalana.” (Ohab. 22:15) Ny olona manana fahendrena àry no atao hoe matotra. Tsy ny taonany fotsiny anefa no amaritana hoe matotra izy na tsia. Matotra ny olona iray rehefa matahotra an’i Jehovah sy vonona hankatò ny didiny.—Vakio ny Salamo 111:10.
13. Ahoana no ahitana hoe hendry ny tanora iray ka mendrika hahazo famonjena?
13 Toy ny hoe ‘atopatopan’ny onja sy aveziveziny’ etsy sy eroa ny olona tsy matotra. Tsy hoatr’izany kosa ny ankizy matotra, fa mahavita mifehy ny faniriany ary tsy mora taomin’ny namany. (Efes. 4:14) Efa manazatra ny ‘fahaizany misaina hanavaka ny tsara sy ny ratsy’ izy. (Heb. 5:14) Hita hoe mihamatotra izy satria mahay manapa-kevitra, na dia rehefa tsy hitan’ny ray aman-dreniny na ny olon-dehibe hafa aza. (Fil. 2:12) Tena ilaina izany fahendrena izany mba hahazoana famonjena. (Vakio ny Ohabolana 24:14.) Inona àry no azonao atao mba hanampiana ny zanakao hanana fahendrena? Ataovy fantany tsara ny fitsipiky ny Baiboly arahinao. Tokony ho hitany amin’izay lazainao sy ataonao koa izany.—Rom. 2:21-23.
Nahoana ny ray aman-dreny no tokony hiezaka foana hanampy ny zanany? (Fehintsoratra 14-18)
14, 15. a) Inona no tokony hosaintsainin’ny ankizy te hatao batisa? b) Ahoana no azonao atao mba hampisaintsainana ny zanakao hoe mahasoa ny mankatò an’i Jehovah?
14 Tsy ampy ny miteny amin’ny zanakao hoe inona no tsara ary inona no ratsy. Mila ampisaintsainina izy dia anontaniana, ohatra, hoe: ‘Nahoana no raran’ny Baiboly ny zavatra sasany mety hahafinaritra antsika? Nahoana ianao no resy lahatra fa mahasoa anao foana ny mankatò ny toro lalan’ny Baiboly?’—Isaia 48:17, 18.
15 Misy zavatra hafa tena tokony hasainao eritreretin’ny zanakao koa, raha te hatao batisa izy: Fantany tsara ve ny andraikitry ny Kristianina, ary vonona hanao an’izany ve izy? Hainy ve hoe inona ny soa ho azony ary inona no tsy maintsy hiaretany? Nahoana no azo lazaina hoe betsaka lavitra noho ny zavatra hiaretany ny soa ho azony? (Mar. 10:29, 30) Azo inoana fa ho tonga ao an-tsainy izany rehefa vita batisa izy. Aleo anefa dieny mbola tsy vita batisa izy, dia efa misaintsaina tsara an’izany. Ampio izy hieritreritra tsara an’ireo fitahiana ho azony raha mankatò izy, ary ny voka-dratsiny raha tsy mankatò izy. Azo antenaina kokoa amin’izay hoe ho resy lahatra izy fa mahasoa azy foana ny manaraka an’izay lazain’ny Baiboly.—Deot. 30:19, 20.
-