FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g21 No. 1 p. 15
  • Afaka Mahita Torohevitra Tsara Ianao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Afaka Mahita Torohevitra Tsara Ianao
  • Mifohaza!—2021
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Tian’Andriamanitra handray soa amin’ny toroheviny ianao
  • Afaka mahita ny torohevitr’Andriamanitra ianao
  • Ahoana no Ihainoantsika An’Andriamanitra?
    Mihainoa An’Andriamanitra dia Hiaina Mandrakizay Ianao
  • Tena Misy ve Andriamanitra? Nahoana Ianao no Tokony Hamantatra Izany?
    Mifohaza!—2015
  • Ny Mety sy ny Tsy Mety: Safidy Tsy Maintsy Ataonao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2024
  • Fampianarana Marina Ankasitrahan’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
Hijery Hafa
Mifohaza!—2021
g21 No. 1 p. 15

Afaka Mahita Torohevitra Tsara Ianao

“Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra.” (2 Timoty 3:16) Nataon’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra tao an-tsain’ny mpanoratra Baiboly ny heviny.

MOMBAMOMBA NY BAIBOLY

  • Ampahana boky.

    66

    Isan’ny boky ao anatin’ny Baiboly.

  • Tanana manoratra ary misy hazavana eo amboniny.

    40

    Isan’ny olona nasain’Andriamanitra nanoratra ny Baiboly.

  • Famantarana ora.

    1513 T.K.

    Taona voalohany nanoratana ny Baiboly, izany hoe 3 500 taona mahery lasa izay.

  • Soratra sy litera amin’ny fiteny samihafa.

    3000 mahery

    Isan’ny fiteny azo amakiana ny Baiboly na ny ampahany aminy.

Tian’Andriamanitra handray soa amin’ny toroheviny ianao

“Izaho Jehovah no ... mampianatra anao mba hahitanao soa, Ilay mampandeha anao amin’ny lalana tokony halehanao. Raha mitandrina ny didiko tokoa mantsy ianao, dia ho toy ny renirano ny fiadananao ary ho toy ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao!”​—ISAIA 48:17, 18.

Ataovy hoatran’ny hoe ianao mihitsy no ilazan’Andriamanitra an’ireo. Tiany hilamin-tsaina sy ho sambatra mandrakizay ianao, ary afaka manampy anao amin’izany izy.

Afaka mahita ny torohevitr’Andriamanitra ianao

“Tsy maintsy hotorina any amin’ny firenena rehetra ... ny vaovao tsara.”​—MARKA 13:10.

Anisan’ny “vaovao tsara” ilay fampanantenan’Andriamanitra hoe tsy hijaly intsony ny olona, ho paradisa ny tany, ary hatsangana ny havantsika efa maty. Izany no torin’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany.

Nilamina ny Saiko Rehefa Namaky Baiboly Aho

“Mbola kely aho dia efa lasa saina hoe iza no Mpamorona. Hozy aho hoe ny firenena tsirairay ve dia samy hanana ny andriamaniny sy mpamorona azy! Dia tena faly aho nahita an’ilay resahin’ny Baiboly, ao amin’ny Romanina 3:29, hoe Andriamanitry ny firenena rehetra ilay tena Andriamanitra. Manana anarana koa izy, hoe Jehovah, dia tiany ho namany isika.”​—Rakesh.

Rakesh.
    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara