FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w97 15/6 p. 3
  • Ny Baiboly — Boky Tsy Manam-paharoa

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Baiboly — Boky Tsy Manam-paharoa
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanahy, avy Amin’ny
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Avy amin’Andriamanitra tokoa ve ny Baiboly?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Iza no nanoratra ny Baiboly?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Mampahafantatra Antsika Momba ny Fikasany Andriamanitra
    Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra?
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
w97 15/6 p. 3

Ny Baiboly — Boky Tsy Manam-paharoa

Nantsoina hoe ny boky be mpividy indrindra eo amin’izao tontolo izao izy io, ary ara-drariny izany. Vakina sy ankamamina mihoatra noho ny boky hafa rehetra ny Baiboly. Hatramin’izao, dia tombanana ho efatra arivo tapitrisa no aely aminy (izy manontolo na amin’ny ampahany), amin’ny fiteny maherin’ny 2 000.

Mbola mahaliana lavitra noho ny isan’ny indray mivoaka amin’ny Baiboly anefa ny filazany fa Andriamanitra no loharanony. “Ny Soratra rehetra dia ara-tsindrimandrin’Andriamanitra”, hoy ny nosoratan’i Paoly, apostoly kristiana. (2 Timoty 3:16, NW ). Inona no dikan’izany? Midika ara-bakiteny hoe “nofofonin’Andriamanitra” ilay teny hoe “ara-tsindrimandrin’Andriamanitra” (grika: the·oʹpneu·stos). Midika hoe “fanahy” (esprit) ny teny grika iray hoe pneuʹma mifandray amin’izy io. Noho izany, ilay filazana dia hoe ny fanahy masin’Andriamanitra no nanosika mpanoratra olombelona, izany hoe nofofonin’ny fanahy masina izy ireo, raha azo atao ny milaza izany, mba ho azo antsoina marina hoe ny Tenin’Andriamanitra, fa tsy tenin’olona, ilay vokatra farany azo. Eny tokoa, maro amin’ireo nianatra ny Baiboly no zendana noho ny firindrany manontolo, ny fahamarinany ara-tsiansa, ny filazana ny marina sy ny fahatsorana nasehon’ireo mpanoratra, ary ny zava-dehibe indrindra dia ireo faminaniany tanteraka — nampiaiky mpamaky misaina an-tapitrisany maro izany rehetra izany fa avy amin’ny loharano ambony kokoa noho ny olombelona io boky io.a

Tamin’ny fomba ahoana anefa no nitarihan’Andriamanitra akaiky ny fanoratana ny Baiboly? Misy milaza fa nataony soratononina ny teny tsirairay ao amin’ny Baiboly. Ny hafa milaza fa ireo hevitra ihany, fa tsy ireo teny, hita ao amin’ny Baiboly, no nomeny ara-tsindrimandry. Raha ny marina anefa, dia tsy azo ferana ho iray monja ny fomba nanomezana tsindrimandry, satria Andriamanitra ‘nampiteny ny mpaminany tamin’ny razana fahiny tamin’ny fanao samy hafa’. (Hebreo 1:1; ampitahao amin’ny 1 Korintiana 12:6.) Ao amin’ny lahatsoratra manaraka, dia hodinihintsika ireo fomba nitenenan’Andriamanitra tamin’ny olona 40 teo ho eo, izay nanoratra ny Baiboly.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Mba hahazoana fanazavana misimisy kokoa, dia jereo ny pejy faha-53-54, sy faha-98-161 ao amin’ilay boky hoe Ny Baiboly — Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara