FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Araho Izay Lazain’ny Feon’ny Fieritreretanao
    Ny Tilikambo Fiambenana—2007 | 15 Oktobra
    • Araho Izay Lazain’ny Feon’ny Fieritreretanao

      “Madio ny zava-drehetra amin’ny olona madio, fa amin’ny olona voaloto sy tsy manam-pinoana kosa, dia tsy misy madio.”—TITOSY 1:15.

      1. Inona no nataon’i Paoly mba hanampiana ireo fiangonana tany Kreta?

      NOSAMBORINA ny apostoly Paoly rehefa nahavita dia misionera telo. Nalefa tany Roma izy tatỳ aoriana, ary nogadraina nandritra ny roa taona. Nitsidika ny nosy Kreta niaraka tamin’i Titosy izy, taorian’ny nanafahana azy. Izao no nosoratany ho an’i Titosy, tatỳ aoriana: “Ny namelako anao tany Kreta, dia ny hanitsianao ireo zavatra tsy nety sy ny hanendrenao anti-panahy.” (Titosy 1:5) Nasainy nanampy ny olona sasany tany Kreta i Titosy, satria tsy niasa tsara ny feon’ny fieritreretan’izy ireo.

      2. Inona no olana tsy maintsy nalamin’i Titosy tany amin’ny nosy Kreta?

      2 Noresahin’i Paoly tamin’i Titosy ny fepetra takina amin’ny anti-panahin’ny fiangonana. Nolazainy koa fa maro tamin’ny Kristianina tany Kreta no “tsy manaiky hofehezina, mpanao resaka tsy misy fotony ary mpamitaka.” “Mahatonga ankohonana manontolo hivadika” izy ireo, satria “mampianatra zavatra tsy tokony hampianarina.” Nila ‘nananatra azy ireny hatrany’ i Titosy. (Titosy 1:10-14; 1 Timoty 4:7) Nilaza i Paoly fa “voaloto” ny saina sy ny feon’ny fieritreretan’izy ireo. Midika hoe misy tasy, ilay teny nampiasain’i Paoly eo. (Titosy 1:15) Jiosy angamba ny sasany tamin’ireo lehilahy ireo, satria ‘nifikitra tamin’ny famorana.’ Tsy misy olona manao toy izany intsony ankehitriny, kanefa afaka mianatra zavatra betsaka momba ny feon’ny fieritreretana isika, rehefa mandinika ny torohevitra nomen’i Paoly an’i Titosy.

      Voaloto ny feon’ny fieritreretan’izy ireo

      3. Inona no nosoratan’i Paoly ho an’i Titosy momba ny feon’ny fieritreretana?

      3 Mariho ny tenin’i Paoly, tamin’izy niresaka momba ny feon’ny fieritreretana. “Madio ny zava-drehetra amin’ny olona madio, fa amin’ny olona voaloto sy tsy manam-pinoana kosa, dia tsy misy madio, fa samy voaloto na ny sainy na ny feon’ny fieritreretany. Milaza ampahibemaso ho mahafantatra an’Andriamanitra izy ireny, kanefa mandà azy amin’ny ataony.” Nila niova tokoa ny Kristianina sasany tany Kreta, mba “hatanjaka amin’ny finoana.” (Titosy 1:13, 15, 16) Tsy hain’izy ireo mantsy ny nanavaka ny madio sy ny tsy madio, satria tsy niasa tsara ny feon’ny fieritreretany.

      4, 5. Inona no nataon’ny Kristianina sasany tany Kreta, ary inona no vokatr’izany teo amin’izy ireo?

      4 Efa nilaza tamin’ny fiangonana rehetra ny filan-kevi-pitantanana, folo taona mahery talohan’izay, fa tsy takina amin’izay te ho tonga Kristianina intsony ny famorana. (Asan’ny Apostoly 15:1, 2, 19-29) Mbola ‘nifikitra tamin’ny famorana’ anefa ny Kristianina sasany tany Kreta. Nanda an-kitsirano ny fanapahan-kevitry ny filan-kevi-pitantanana izy ireo, ary ‘nampianatra zavatra tsy tokony hampianarina.’ (Titosy 1:10, 11) Nanana hevi-diso izy ireo, ary nampirisika ny olona hankatò ny Lalàna momba ny sakafo sy ny fombafomba fidiovana. Nitarin’izy ireo mihitsy aza angamba ny zavatra nolazain’ny Lalàna, toy ny nataon’ireo Jiosy tamin’ny andron’i Jesosy. Nampirisihin’izy ireo koa ny hafa hanaraka izay voalazan’ny angano jiosy sy ny didy nataon’olombelona.—Marka 7:2, 3, 5, 15; 1 Timoty 4:3.

      5 Nanimba ny feon’ny fieritreretan’izy ireo izany toe-tsaina izany, ka nanjary tsy hainy intsony ny nanavaka ny mety sy ny tsy mety. Nilaza i Paoly fa ‘tsy misy zavatra madio amin’ny olona voaloto sy tsy manam-pinoana.’ Simba ny feon’ny fieritreretany ka tsy azo ianteherana intsony. Niditra tamin’ny fiainan’ny Kristianina manokana koa izy ireo, ary nitsara azy ireo tamin’ny safidy nataony, na dia miankina amin’ny feon’ny fieritreretan’ny tsirairay aza ilay izy. Noheverin’izy ireo ho maloto ny zavatra tsy maloto akory. (Romanina 14:17; Kolosianina 2:16) Nilaza ho mahafantatra an’Andriamanitra izy ireo, kanefa tsy hita tamin’ny zavatra nataony izany.—Titosy 1:16.

      “Madio ny zava-drehetra   amin’ny olona madio”

      6. Inona avy ireo karazan’olona roa noresahin’i Paoly?

      6 Inona no soa raisintsika avy amin’ny zavatra nosoratan’i Paoly ho an’i Titosy? Mariho izao fifanoheran-javatra izao: “Madio ny zava-drehetra amin’ny olona madio, fa amin’ny olona voaloto sy tsy manam-pinoana kosa, dia tsy misy madio, fa samy voaloto na ny sainy na ny feon’ny fieritreretany.” (Titosy 1:15) Tsy te hilaza akory i Paoly hoe madio sy azo atao avokoa ny zava-drehetra, ho an’ny Kristianina madio fitondran-tena. Resahiny any amin’ny taratasy hafa mantsy fa “tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra” ny mpijangajanga, ny mpanompo sampy, ny olona mifandray amin’ny fanahy ratsy, sy ny sisa. (Galatianina 5:19-21) Niresaka karazan’olona roa fotsiny àry i Paoly teo, dia ny olona madio fitondran-tena sady mifandray tsara amin’Andriamanitra, sy ny olona tsy mba toy izany.

  • Araho Izay Lazain’ny Feon’ny Fieritreretanao
    Ny Tilikambo Fiambenana—2007 | 15 Oktobra
    • Feon’ny fieritreretana sy fanapahan-kevitra samy hafa

      9. Ahoana no tokony hiheverantsika ny fanapahan-kevitry ny hafa, raha mahakasika ny lafin-javatra “madio” ilay izy?

      9 Inona anefa no tian’i Paoly holazaina amin’ilay hoe “madio ny zava-drehetra amin’ny olona madio”? Ireo Kristianina manana fomba fisaina sy feon’ny fieritreretana mifanaraka amin’ny fitsipik’Andriamanitra no noresahin’i Paoly. Fantatr’izy ireo fa mety tsy hitovy ny fanapahan-kevitry ny tsirairay, amin’ny lafin-javatra tsy raran’Andriamanitra mivantana, izany hoe tsy misy toromarika mazava avy amin’ny Baiboly. Tsy manameloka ny hafa amin’ny fanapahan-keviny izy ireo amin’ny zavatra tsy raran’Andriamanitra, satria heveriny ho “madio” izany.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara