Fanontanian’ny mpamaky
◼ Mety ve ny hanatsoahan-kevitra avy amin’ny fanazavana nomena momba ny fankasitrahan’Andriamanitra fa azon’ny kristiana atao ny miresaka amin’ny olona iray noheveriny nandritra ny fotoana kelikely ho “namana ankasitrahana”, nefa tsy maintsy nohalaviriny rehefa avy eo noho ny fitondrantena ratsiny?
Izany indrindra no izy. Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 febroary 1989 dia namelabelatra ireo antony araka ny Baiboly tokony hanovan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fomba fiheverany ireo olona tsy vita batisa mandray anjara amin’ny fanompoana ampahibemaso miaraka aminy. Teo aloha, ny Vavolombelona dia niantso an’ireny olona ireny hoe “namana ankasitrahana”. Raha nandika ireo lalàn’Andriamanitra ny anankiray tamin’izy ireny ary tsy nibebaka, dia nampandrenesina ny amin’izany ireo mpikambana ao amin’ny kongregasiona ary nanalavitra ny fifaneraserana taminy sy ny firesahana taminy.
Araka ny nasehon’ireo fanazavana nomena vao haingana, ny Baiboly dia mitaky ny hanaovana fandaharam-pifehezana toy izany amin’olona vita batisa izay manao ratsy ka tsy mibebaka (1 Korintiana 5:11-13; 2 Jaona 9-11). Na dia izany aza, ny olona iray tsy vita batisa dia tsy miantsoroka andraikitra mitovy amin’ny olona vita batisa (Lioka 12:48). Noho izy tsy vita batisa, dia tsy nankasitrahan’Andriamanitra izy ary, noho izany, dia tsy azo ampiharina aminy ny fandaharam-pandroahana. Raha fintinina, hatreo izy dia olon’izao tontolo izao, ka afaka mitondra azy toy izany ny kristiana.
Inona izao no holazaina ny amin’ny olona iray nekena nandritra ny fotoana kelikely ho “namana ankasitrahana”, kanefa noho ny fitondrantenany ratsy, dia tsy mahafeno intsony ireo fepetra takina mba handraisana anjara amin’ny fanompoana ampahibemaso? Koa satria tsy voaroaka izy, dia tokony hoheverina ho toy ny olon’izao tontolo izao izy, ary toy izany izya. Marina fa, araka ny torohevitry Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 febroary 1989, pejy faha-19, dia tokony hiseho ho malina ireo kristiana mahatoky eo amin’ny fifandraisany amin’io olona tsy vita batisa io. Fantatr’izy ireo fa nety ho ninia nandika ireo fepetra takin’Andriamanitra izy io. Hieritreritra àry ireo kristiana matotra alohan’ny hanapahan-kevitra ny hifanerasera aminy. Amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra, noho ireo torohevitr’Andriamanitra, dia ho azon’izy ireo atao ny hamantatra hoe hatraiza no maha-tsara ny hanaovana izany. Azo atao, ohatra, ny mieritreritra ireo izay hita ao amin’ny 1 Korintiana 15:33 sy ao amin’ny Ohabolana 13:20 ka manontany tena hoe: ‘Fifandraisana manao ahoana no mety ny hitanako azy amin’olona iray eo amin’izao tontolo izao izay tsy manaja ireo fotopoto-pitsipika kristiana?’ Raha tsikaritr’ireo loholona fa mety hampidi-doza ho an’ny mpikambana sasany ao amin’ny kongregasiona ny olona toy izany, dia afaka mampitandrina azy ireny manokana izy ireo.
Rehefa mandeha ny fotoana, ny olona tsy vita batisa iray izay “namana nankasitrahana” taloha dia mety hampiseho fibebahana sy haniry handray soa amin’ny fianarana Baiboly indray (Asan’ny apostoly 26:20). Afaka miresaka amin’ireo loholona ao amin’ny kongregasiona iarahany izy, ka raha hita fa mety izany, dia hanao fandaharana ireo mba hisian’olona hiara-mianatra ny Baiboly aminy. Hampiharina koa io fandaharana io, raha toa, any aoriana, ka tsy mahafeno intsony ireo fepetra takina amin’ny mpitory tsy vita batisa ny olona iray ary maneho fibebahana atỳ aoriana. Amin’ny ankapobeny, dia ilainy ny miresaka amin’ireo loholona roa nikarakara ny raharahany fony izy nandika lalàna na amin’ny mpiandraikitra roa hafa notendren’ny kolejin’ny loholona.
Nanazava Ny Tilikambo Fiambenana fa hafa noho izany no hita amin’ny ray aman-dreny manana zanaka tsy ampy taona ao an-tranony — zanaka izay ananany ara-dalàna ny andraikitra hanome izay ilainy ara-nofo (Efesiana 6:1-4). Manome ho an’ny ray aman-dreny adidy hampianatra sy hitari-dalana ny zanany tokoa ny Soratra Masina. Ireo ray aman-dreny, (na ilay mpino amin’izy mivady) àry dia afaka manapa-kevitra ny hiara-mianatra ny Baiboly manokana amin’ilay zanany tsy ampy taona nanota na ny hampiditra azy ao amin’ny fandaharam-pianaram-pianakaviana sy fiaraha-midinika araka ny Baiboly.
Araka izany, ireo hevitra navoaka vao haingana tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana dia mitarika antsika hanova ny fomba fisainantsika sy fanaovantsika zavatra, ary izany dia mifanaraka amin’ny Soratra Masina, izay mahasoa “ho fitaizana amin’ny fahamarinana”. — 2 Timoty 3:16, 17.
◼ Araka ny Titosy 1:6, moa ve ireo zanaky ny kristiana iray tokony ho vita batisa daholo mba hahatonga an’io kristiana io hahafeno ireo fepetra takina amin’ny loholona?
Ao amin’ny toko voalohany amin’ny taratasiny ho an’i Titosy, dia tanisain’ny apostoly Paoly ireo fepetra takina amin’ny lehilahy izay miantsoroka ny raharahan’ny loholona ao anatin’ny kongregasiona. Ny anankiray amin’ireo fepetra ireo dia ny hoe ‘tsy hanan-tsiny [tsy hanana antony tokony hiampangana azy, MN ] izy ary hanana zanaka mino’.
Tsy tokony hotsoahina avy amin’izany fa tokony ho vita batisa daholo ireo zanaky ny loholona iray, satria mety ho mbola kely dia kely ny sasany. Rehefa mamaky ny Titosy 1:6, dia mety ny hanatsoahan-kevitra fa ny zanaka tsy ampy taonan’ny loholona iray dia tokony ho vita batisa na hianatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, hanaiky izany, hampihatra azy sy handroso ho amin’ny batisa, raha mbola mandray soa amin’ny fahamendreham-pianakaviana izy ireo (1 Korintiana 7:14). Tokony hanao ny zavatra rehetra ny olona iray mba hahatongavan’ireo zanany ho mpianatra “tsy mpanaram-po amin’ny ratsy na ho maditra”b.
Voavaka tsara kokoa ny hevitr’io andininy io rehefa heverina ny fampiasan’ny Baiboly ny teny hoe “mino”. Mazava ho azy fa tsy azo atao ny hino zavatra maro (Asa. 26:27, 28; 2 Tesaloniana 2:3, 11; Jakoba 2:19). Na dia izany aza, ao amin’ny Soratra Masina, ny teny hoe “mino” dia manondro matetika indrindra izay manaiky ny kristianisma sy atao batisa (Asan’ny apostoly 8:13; 18:8; jereo koa 19:1-5). Rehefa atao batisa indrindra ny olona iray no mampiseho fa mino izy. — Asan’ny apostoly 2:41, 44; 4:4, 32.
Mety ho mbola tsy ampy fahamasahana eo amin’ny lafiny ara-batana, ara-pihetseham-po na ara-panahy ireo zanaky ny loholona iray mba hatao batisa. Mifanaraka amin’ny Titosy 1:6 anefa, dia “mino” izy ireny raha mandroso ho amin’ny batisa araka izay amelan’ny taonany sy ny fahaizany azy ireo hanao izany.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Raha toa ny olona iray ao anatin’izany tarehin-javatra izany ka tsy mahalala izao fanovana izao, dia ho fanehoana hatsaram-po aminy ny hanoroana hevitra azy mba hijery ireo lahatsoratra ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana ireo.
b Jereo koa Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 aogositra 1972, pejy faha-480.