-
Ry Rahalahy, Miezaka ho Lasa Anti-panahy ve Ianareo?Ny Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2024 | Novambra
-
-
8. Ahoana avy no ahitana hoe ‘mahay mandanjalanja amin’izay zavatra fanaonao’ ianao sady “mahafehy tena”?
8 ‘Mahay mandanjalanja amin’izay zavatra fanaonao’ sy “mahafehy tena.” Midika izany hoe mahay mandanjalanja ianao amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainanao. Tafiditra amin’izany ny hoe tsy manao zavatra tafahoatra amin’ny resaka sakafo, fisotroana, fitafiana sy taovolo, ary ny fialam-boly. Tsy mpanaraka ny fomba fiainan’ny olona eo amin’izao tontolo izao ianao satria hoe izany no malaza. (Lioka 21:34; Jak. 4:4)
-
-
Ry Rahalahy, Miezaka ho Lasa Anti-panahy ve Ianareo?Ny Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2024 | Novambra
-
-
9. Inona no dikan’ny hoe “misaina tsara” sy hoe “tia filaminana”?
9 “Misaina tsara” ianao raha mahay mandinika rehefa misy zava-mitranga, ary mieritreritra ny torolalan’ny Baiboly rehefa manao an’izany. Efa nieritreritra lalina an’ireny torolalana ireny ianao, dia lasa lalin-tsaina sy mahataka-javatra. Tsy maika hanatsoaka hevitra ianao, fa miezaka mamantatra ny fanazavana rehetra ilainao aloha. (Ohab. 18:13) Lasa mahay mandanjalanja àry ianao rehefa manapa-kevitra, ary hita hoe mitovy fomba fijery amin’i Jehovah.
-
-
Ry Rahalahy, Miezaka ho Lasa Anti-panahy ve Ianareo?Ny Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2024 | Novambra
-
-
5. Ahoana no ampisehoanao hoe “tia ny tsara” ianao?
5 Mifantoka amin’ny toetra tsaran’ny olona ianao sady midera azy ireo amin’izany, raha “tia ny tsara.” Mahafaly anao koa ny manao zavatra tsara ho an’ny hafa. Mety hanao zavatra mihoatra an’izay takina aminao mihitsy aza ianao. (1 Tes. 2:8) Nahoana no tena ilain’ny anti-panahy io toetra io? Satria manokana fotoana be dia be hikarakarana ny ondry ao amin’ny fiangonana ry zareo, sady misahana andraikitra samihafa. (1 Pet. 5:1-3) Na izany aza anefa, dia mahatsapa ry zareo hoe kely ihany ny zavatra afoiny raha oharina amin’ny fifaliana azony rehefa manampy ny hafa izy.—Asa. 20:35.
6. Ahoana avy no azonao ampisehoana hoe “tia mandray vahiny” ianao? (Hebreo 13:2, 16; jereo koa ny sary.)
6 Hita hoe “tia mandray vahiny” ianao raha manao zavatra tsara ho an’ny hafa, anisan’izany ny olona tsy namanao akaiky. (1 Pet. 4:9) Miresaka momba ny olona tia mandray vahiny ny boky iray. Izao no lazainy: “Sokafany ho an’ny olona tsy fantany ny tranony sy ny fony.” Eritrereto àry izao: ‘Ahoana no ahafantaran’ny olona ahy amin’ny resaka fandraisam-bahiny?’ (Vakio ny Hebreo 13:2, 16.) Mizara an’izay ananany ny olona tia mandray vahiny. Manao an’izany amin’ny mahantra sy amin’ny olona miasa mafy izy, ohatra hoe amin’ny mpiandraikitra ny faritra sy ny mpandahateny mpitsidika.—Gen. 18:2-8; Ohab. 3:27; Lioka 14:13, 14; Asa. 16:15; Rom. 12:13.
Mpivady tia mandray vahiny, mampiantrano mpiandraikitra mpitety faritany sy ny vadiny (Fehintsoratra 6)
-