FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w97 1/1 p. 26-29
  • Aoka Isika Hankahala ny Ratsy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Aoka Isika Hankahala ny Ratsy
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fihazonana ny kongregasiona ho madio
  • Vokany tsy azo ialana
  • Rehefa manota ny Kristiana iray vita fanoloran-tena
  • Ahoana ny amin’ny mpametaveta ankizy?
  • Famantarana ny Fahalemena sy ny Haratsiam-panahy ary ny Fibebahana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Mamela Heloka dia Mamela Heloka Tokoa i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Ekeo Foana ny Fananaran’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Nanota Tamin’ny Fanahy Masina ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
w97 1/1 p. 26-29

Aoka Isika Hankahala ny Ratsy

ANDRIAMANITRA masina i Jehovah. Tamin’ny andro fahiny, izy dia “ny Iray Masin’ny Isiraely”, ary tamin’ny naha-izany azy dia nitaky ny hahadiovan’ny Isiraely sy tsy hahavoaloto azy, izy. (Salamo 89:18). Nilaza toy izao tamin’ilay vahoaka nofidiny izy: “Ho masina hianareo, satria masina Aho.” (Levitikosy 11:45). Na iza na iza naniry “hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah”, dia tsy maintsy ho ‘nadio tanana sy nahitsy fo’. (Salamo 24:3, 4). Nidika mihoatra noho ny fanalavirana tsotra fotsiny ny fanotana izany. Nidika ho “fankahalana ny ratsy” izy io. — Ohabolana 8:13.

Tamim-pitiavana, dia nanorina lalàna be tsipiriany i Jehovah mba hahafahan’ny Isiraely hahafantatra sy hanalavitra ny fanaovan-dratsy. (Romana 7:7, 12). Nisy toro lalana hentitra momba ny fari-pitondran-tena ireny lalàna ireny. Nampahafantarina ho fandoto ara-panahy tsy masina avokoa ny fanitsakitsaham-bady, ny firaisan’ny samy lehilahy na ny samy vehivavy, ny firaisana amin’ny havana akaiky, sy ny firaisana amin’ny biby. (Levitikosy 18:23; 20:10-17). Nofongorana tsy ho eo amin’ny firenen’ny Isiraely ireo meloka ho nikororosy fitondran-tena toy izany.

Rehefa nanjary “ny Isiraelin’Andriamanitra” ny kongregasionan’ireo Kristiana voahosotra, dia naorina ho azy ireo koa ny fari-pitsipika ara-pitondran-tena mitovy amin’izany. (Galatiana 6:16). Tsy maintsy ‘nankahala ny ratsy’ koa ny Kristiana. (Romana 12:9). Nihatra tamin’izy ireo koa izao tenin’i Jehovah tamin’ny Isiraely izao: “Ho masina hianareo, satria masina Aho”. (1 Petera 1:15, 16). Tsy tokony hanimba ara-pitondran-tena ny kongregasiona kristiana ny fanao tsy masina toy ny fijangajangana, ny fanitsakitsaham-bady, ny firaisan’ny samy lehilahy na ny samy vehivavy, ny firaisana amin’ny biby, sy ny firaisana amin’ny havana akaiky. Tsy havela hiditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra ireo mandà tsy hitsahatra amin’ny fanaovan-javatra toy izany. (Romana 1:26, 27; 2:22; 1 Korintiana 6:9, 10; Hebreo 13:4). Amin’izao “andro farany” izao, dia mihatra amin’ny “ondry hafa” izany fari-pitsipika izany. (2 Timoty 3:1, NW; Jaona 10:16). Ho vokany, dia mahaforona vahoaka madio sy salama ny Kristiana voahosotra sy ny ondry hafa, ka afaka mitondra ny anaran’ilay Andriamanitr’izy ireo, amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah azy. — Isaia 43:10.

Fihazonana ny kongregasiona ho madio

Mifanohitra amin’izany fa manala tsiny ny karazana fahalotoam-pitondran-tena rehetra izao tontolo izao. Na dia hafa noho izany aza ny Kristiana marina, dia tokony tsy hanadino fa maro amin’izay manompo an’i Jehovah ankehitriny no anisan’izao tontolo izao taloha. Misy maro izay, talohan’ny nahafantarany an’ilay Andriamanitsika masina, dia tsy nahita antony tsy hanaranam-po tamin’ireo faniriana sy nofinofin’ny nofony mpanota, ka nanao izay danin’ny kibony tao amin’ny ‘fanaranam-po tamin’ny ratsy’. (1 Petera 4:4). Hoy ny apostoly Paoly, taorian’ny nilazalazany ny amin’ireo fanao maharikorikon’ny olona nikororosy fitondran-tena teo amin’ireo firenena: “Efa mba toy izany ihany ny sasany aminareo”. Na dia izany aza, dia nanohy ny teniny toy izao izy: “Saingy efa voasasa hianareo, efa nohamasinina hianareo, efa nohamarinina hianareo, tamin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompo sy tamin’ny Fanahin’Andriamanitsika.” — 1 Korintiana 6:11.

Fanambarana mampionona re izany! Na inona na inona nataon’ny olona iray teo amin’ny fiainany tany aloha tany, dia miova izy rehefa misy heriny eo amin’ny fony ny vaovao tsara be voninahitra momba an’i Kristy. Maneho finoana izy ary manolo-tena ho an’i Jehovah Andriamanitra. Manomboka eo izy dia manana fomba fiaina madio ara-pitondran-tena, voasasa madio eo imason’Andriamanitra. (Hebreo 9:14). Voavela ireo fahotana nataony taloha, ary afaka “miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha” izy.a — Filipiana 3:13, 14; Romana 4:7, 8.

Namela heloka an’i Davida nibebaka noho ny vonoan’olona sy ny fanitsakitsaham-bady nataony i Jehovah, ary namela heloka an’i Manase nibebaka noho ny fanompoan-tsampy niharo fahalotoam-pitondran-tena sy ny fandatsahan-dra be dia be nataony, izy. (2 Samoela 12:9, 13; 2 Tantara 33:2-6, 10-13). Tena afaka ny ho velom-pankasitrahana marina isika fa vonona hamela heloka antsika koa izy raha mibebaka sy manatona azy amim-pahatsorana sy amim-panetren-tena isika. Na dia namela heloka an’i Davida sy Manase aza anefa i Jehovah, dia tsy maintsy nizaka ny vokatry ny fanotany ireo lehilahy roa ireo — dia izy ireo sy ny Isiraely. (2 Samoela 12:11, 12; Jeremia 15:3-5). Mitovy amin’izany koa fa na dia mamela ny heloky ny mpanota mibebaka aza i Jehovah, dia mety hisy vokany tsy azo ialana ny zavatra nataon’izy ireo.

Vokany tsy azo ialana

Ohatra, ny lehilahy iray izay manana fomba fiaina manaram-po izaitsizy amin’ny fahalotoam-pitondran-tena ka voan’ny SIDA, dia mety hanaiky ny fahamarinana sy hiova tanteraka ka ho tonga hatramin’ny fanoloran-tena sy ny batisa. Izao dia Kristiana madio ara-panahy, manana fifandraisana amin’Andriamanitra sy fanantenana mahatalanjona momba ny hoavy izy, nefa mbola voan’ny SIDA. Mety ho fatin’io aretina io izy amin’ny farany, vokany mampalahelo nefa tsy azo ialana, vokatry ny fitondran-tenany taloha. Ho an’ny Kristiana sasany, dia mety haharitra amin’ny fomba hafa ny vokatry ny fahalotoam-pitondran-tena lehibe nataony taloha. Mandritra ny taona maro aorian’ny batisany, angamba mandritra ny androm-piainany sisa ao anatin’itỳ fandehan-javatra itỳ, dia mety ho tsy maintsy miady amin’ny fahamaimaizan’ny nofony hiverina amin’ny fomba fiainany maloto ara-pitondran-tena taloha izy. Noho ny fanampian’ny fanahin’i Jehovah, dia maro no mahavita manohitra. Tsy maintsy manao ady tsy an-kijanona anefa izy ireo. — Galatiana 5:16, 17.

Tsy manota ny olona toy izany raha mbola mahafehy ny fahamaimaizany. Raha lehilahy anefa izy dia mety hanapa-kevitra amim-pahendrena ny tsy ‘hiezaka handroso’ ho amin’ny andraikitra ao amin’ny kongregasiona raha mbola tsy maintsy miady mafy amin’ny fironana maherin’ny nofony. (1 Timoty 3:1, NW ). Nahoana? Satria fantany fa ametrahan’ny kongregasiona fitokiana ireo loholona. (Isaia 32:1, 2; Hebreo 13:17). Takany fa akana hevitra ny amin’ny raharaha maro mahakasika fiainan’olona manokana ireo loholona ary tsy maintsy mandamina tarehin-javatra saro-pady. Sady tsy ho fanehoana fitiavana sy fahendrena no sady tsy araka ny antonona ny hiezahan’ny olona iray izay miady tsy an-kijanona amin’ny faniriana maloton’ny nofo, handroso ho amin’ny toerana misy andraikitra toy izany. — Ohabolana 14:16; Jaona 15:12, 13; Romana 12:1.

Ho an’ny lehilahy iray izay nametaveta ankizy talohan’ny nanaovana batisa azy, dia mety hisy vokany hafa. Rehefa mianatra ny fahamarinana izy, dia mibebaka ary miova tanteraka, ka tsy mitondra io fahotana mandoza io ho ao anatin’ny kongregasiona. Mety hanao fandrosoana tsara dia tsara izy avy eo, handresy tanteraka ny fironan-dratsiny, ary hirona ‘hiezaka handroso’ ho amin’ny toerana misy andraikitra ao amin’ny kongregasiona mihitsy aza. Ahoana anefa raha mbola tsy mety lefy ilay laza ratsiny eo amin’ny fiaraha-monina hoe mpametaveta ankizy izy taloha? Moa ve izy ‘tsy hanan-tsiny, ho tsara laza amin’izay eny ivelany, [tsy hahitana antony hiampangana azy, NW ]’? (1 Timoty 3:1-7, 10; Titosy 1:7). Tsia. Noho izany, dia tsy hanana ny toetra ilaina ho amin’ny tombontsoa ao amin’ny kongregasiona izy.

Rehefa manota ny Kristiana iray vita fanoloran-tena

I Jehovah dia mahatakatra fa malemy isika ary mety ho latsaka amin’ny fahotana na dia aorian’ny batisa aza. Nanoratra toy izao ho an’ny Kristiana tamin’ny androny ny apostoly Jaona: “Izany zavatra izany no soratako aminareo mba tsy hanotanareo. Ary raha misy manota, dia manana Solovava ao amin’ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina; ary Izy no avotra noho fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an’izao tontolo izao koa.” (1 Jaona 2:1, 2). Eny, miorina amin’ny soron’i Jesosy, i Jehovah dia hamela ny heloky ny Kristiana vita batisa izay latsaka tamin’ny fahotana — raha tena mibebaka sy mandao ny lalan-dratsiny tokoa izy ireo.

Hita tao amin’ny kongregasiona tany Korinto tamin’ny taonjato voalohany ny ohatra iray ny amin’izany. Nandre fijangajangana tamin’ny havana akaiky tao amin’io kongregasiona vao niforona io ny apostoly Paoly, ka nanome toromarika mba horoahina ilay lehilahy nanao izany. Tatỳ aoriana, dia nibebaka ilay nanota, ka nampirisika ilay kongregasiona mba handray azy indray i Paoly. (1 Korintiana 5:1, 13; 2 Korintiana 2:5-9). Araka izany, tamin’ny alalan’ny hery manasitrana ananan’ny hatsaram-panahin’i Jehovah miharo fitiavana, sy ny hasarobidin’ny sorom-panavotan’i Jesosy, dia nodiovina tamin’ny fahotany ilay lehilahy. Mety hitranga ny zavatra mitovy amin’izany amin’izao andro izao. Eto indray koa anefa, na dia mibebaka aza ny olona iray vita batisa izay nanao fahotana lehibe ary voavela heloka eo imason’i Jehovah, dia mety mbola hisy vokany mitohy ny fahotany. — Ohabolana 10:16, 17; Galatiana 6:7.

Ohatra, raha mijangajanga ny ankizivavy iray vita fanoloran-tena, dia mety hanenina tongotra aman-tanana ny amin’ny zavatra nataony ary amin’ny farany dia mety hody indray ny fahasalamany ara-panahy noho ny fanampian’ny kongregasiona. Ahoana anefa raha bevohoka izy noho ny fitondran-tenany naloto? Amin’izay dia tsy azo ialana ny nanovan’ilay zavatra nataony ny fiainany manontolo. Ny lehilahy iray nanitsakitsa-bady dia mety hibebaka ka tsy ho voaroaka. Manana antony araka ny Soratra Masina hisaraham-panambadiana aminy anefa ilay vadiny tsy manan-tsiny, ary mety ho izany no hofidiny. (Matio 19:9). Raha izany no ataon’izy io, dia hizaka ny vokany lehibe nateraky ny fahotany ilay lehilahy mandritra ny androm-piainany sisa, na dia navelan’i Jehovah heloka aza. — 1 Jaona 1:9.

Ahoana ny amin’ny lehilahy iray izay tsy nanam-pitiavana ka nisara-panambadiana tamin’ny vadiny mba hanambady vehivavy hafa? Angamba izy hibebaka any aoriana ka horaisina indray ao amin’ny kongregasiona. Arakaraka ny fandehan’ny fotoana, dia mety hanao fandrosoana sy “handroso haingana ho amin’ny fahamatorana” izy. (Hebreo 6:1, NW ). Kanefa, raha mbola tsy manambady ilay vadiny voalohany, dia tsy hanana ny toetra ilaina hanompoana eo amin’ny toerana misy andraikitra ao amin’ny kongregasiona izy. Tsy “manam-bady tokana” izy satria tsy nanana zo araka ny Soratra Masina hisaraka tamin’ilay vadiny voalohany. — 1 Timoty 3:2, 12.

Moa ve izany tsy antony mahery tokony hambolen’ny Kristiana fankahalana ny ratsy?

Ahoana ny amin’ny mpametaveta ankizy?

Ahoana raha mametaveta ankizy ny Kristiana iray olon-dehibe vita batisa? Moa ve ilay nanota ratsy toetra aoka izany ka tsy hamela heloka azy na oviana na oviana i Jehovah? Tsy voatery ho izany. Nilaza i Jesosy fa ny ‘fitenenan-dratsy ny fanahy masina’ no tsy hahazoana famelan-keloka. Ary nilaza i Paoly fa tsy misy fanatitra noho ny ota intsony ho an’ny olona iray izay zatra manota an-tsitrapo na dia mahalala ny fahamarinana izao aza. (Lioka 12:10; Hebreo 10:26, 27, NW ). Na aiza na aiza anefa ao amin’ny Baiboly dia tsy misy milaza fa tsy azo avela heloka ny Kristiana iray olon-dehibe izay nametaveta ankizy — na natao tamin’ny havana akaiky izany na tsia. Eny tokoa, azo sasana ho madio ny fahotany raha mibebaka amim-pahatsorana avy amin’ny fo izy ka manova tanteraka ny fitondran-tenany. Kanefa, dia mety ho tsy maintsy mbola miady mafy amin’ny fironan-dratsin’ny nofo novolen’ny tenany izy. (Efesiana 1:7). Ary mety hisy vokany izay tsy azony ialana amin’izany.

Miankina amin’ny lalàn’ny tany misy azy, dia azo inoana fa mety ho voatery haiditra am-ponja na hiatrika sazy hafa avy amin’ny Fanjakana ilay nametaveta. Tsy hiaro azy amin’izany ny kongregasiona. Ambonin’izany, ilay lehilahy dia nampiharihary fahalemena lehibe izay tsy maintsy hasiana fiheverana manomboka eo. Raha hita fa toa mibebaka izy, dia hampirisihina hanao fandrosoana ara-panahy, handray anjara amin’ny fanompoana eny amin’ny saha, hanana anjara amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika sy anjara tsy natao hampianarana ao amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana, mihitsy aza. Tsy midika anefa izany fa hanana ny toetra ilaina ho amin’ny toerana misy andraikitra ao amin’ny kongregasiona izy. Inona avy ireo antony araka ny Soratra Masina ny amin’izany?

Voalohany aloha, dia tsy maintsy “mahafehy tena” ny loholona iray. (Titosy 1:8, NW ). Marina aloha fa tsy misy na iza na iza amintsika manana fifehezan-tena tonga lafatra. (Romana 7:21-25). Ny Kristiana iray olon-dehibe vita fanoloran-tena, izay latsaka tamin’ny fahotana, dia ny fametavetana ankizy, anefa, dia mampiharihary fahalemen’ny nofo tsy araka ny natiora. Ny zavatra hita hatramin’izay dia nampiseho fa ny olon-dehibe iray toy izany dia azo inoana fa mety hametaveta ankizy hafa. Marina aloha fa tsy izay rehetra mpametaveta ankizy no mamerina ilay fahotana, nefa maro no manao izany. Ary ny kongregasiona dia tsy afaka mamaky ny ao am-po ka hilaza hoe iza no mety hametaveta ankizy indray ary iza no mety tsy hanao izany. (Jeremia 17:9). Noho izany, izao torohevitr’i Paoly ho an’i Timoty izao dia mihatra amin-kery manokana amin’ny olon-dehibe vita batisa izay nametaveta ankizy: “Aza malaky mametra-tànana amin’olona na iza na iza, ary aza miombona ota amin’ny sasany”. (1 Timoty 5:22). Ho fiarovana an’ireo zanatsika, ny lehilahy iray fantatra ho nametaveta ankizy dia tsy manana ny toetra ilaina ho amin’ny toerana misy andraikitra ao amin’ny kongregasiona. Ambonin’izany, dia tsy afaka ny ho mpisava lalana na hanao fanompoana manontolo andro manokana hafa, na inona na inona, izy. — Ampitahao amin’ny fotopoto-pitsipika ao amin’ny Eksodosy 21:28, 29.

Mety hanontany ny sasany hoe: ‘Moa ve ny sasany tsy nanao karazam-pahotana hafa sy toa nibebaka nefa namerina ny fahotany indray tatỳ aoriana?’ Eny, efa nitranga izany, kanefa dia misy anton-javatra hafa tokony hoheverina. Raha toa, ohatra, ny olona iray ka mandrokidroky olon-dehibe hafa iray hanao fitondran-tena maloto, dia tokony ho afaka hanohitra ny fandrokidrokiany ilay olon-dehibe. Mora lavitra ny mamitaka, manao izay hahasanganehana, na mampihorohoro ankizy. Miresaka ny amin’ny tsy fahampiam-pahendrena eo amin’ny ankizy ny Baiboly. (Ohabolana 22:15; 1 Korintiana 13:11). Nampiasa ny ankizy ho ohatra ny amin’ny tsy fananan-tsiny feno fanetren-tena i Jesosy. (Matio 18:4; Lioka 18:16, 17). Tafiditra amin’ny tsy fananan-tsinin’ny ankizy ny hoe tsy ampy tanteraka ny fanandraman-javatra azony. Ny ankamaroan’ny ankizy dia tsotra be, dodona ny hampifaly, ka noho izany dia mora voan’ny fametavetan’ny olon-dehibe fetsy iray izay fantany sy itokiany. Noho izany, ny kongregasiona dia manana andraikitra eo anatrehan’i Jehovah mba hiaro ny ankizy ao aminy.

Ny ankizy voaofana tsara dia mianatra mankatò sy manaja ny ray aman-dreniny sy ireo loholona ary ny olon-dehibe hafa. (Efesiana 6:1, 2; 1 Timoty 5:1, 2; Hebreo 13:7). Ho fahavetavetana manafintohina raha toa ny iray amin’ireo olon-dehibe manam-pahefana ireo ka mampiasa amin’ny fomba ratsy ny fitokiana tsy misy tsiny ananan’ny ankizy aminy mba hanangolena na hanerena azy hanaiky hanao firaisana. Ireo novetavetaina tamin’izany fomba izany dia matetika no miady mafy an-taonany maro mba handresena ny fikorontanana ara-pihetseham-po aterak’izany. Noho izany, dia iharan’ny famaizana sy fameperana henjana avy amin’ny kongregasiona ny mpametaveta ankizy. Tsy ny toerana tanany amin’ny maha-olon-dehibe manana fahefana azy akory no tokony hahina fa ny fahadiovana tsy misy tomika ananan’ny kongregasiona kosa. — 1 Korintiana 5:6; 2 Petera 3:14.

Raha mibebaka amim-pahatsorana ny mpametaveta ankizy iray, dia hanaiky fa fahendrena ny fampiharana ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly. Raha tena mianatra mankahala marina ny ratsy izy, dia haharikoriko azy izay nataony ka hiady mafy izy mba hanalavitra ny famerenana ilay fahotany. (Ohabolana 8:13; Romana 12:9). Fanampin’izany, dia azo antoka fa hisaotra an’i Jehovah izy noho ny halehiben’ny fitiavany, izay vokatr’izy io no mbola ahafahan’ny mpanota nibebaka toa azy, manolotra fanompoam-pivavahana amin’ilay Andriamanitsika masina sy manantena ny ho anisan’“ny olona mahitsy” honina mandrakizay eto an-tany. — Ohabolana 2:21.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo ny “Fanontanian’ny Mpamaky” tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 May 1996.

[Teny notsongaina, pejy 28]

Na dia mamela ny heloky ny mpanota mibebaka aza i Jehovah dia mety hisy vokany tsy azo ialana ny zavatra nataon’izy ireo

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara