Fanati-piderana Mampifaly An’i Jehovah
‘Atolory ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra.’—Romana 12:1.
1. Inona no lazain’ny Baiboly ny amin’ny hoe nisy vidiny voafetra ihany ireo fanatitra teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy?
“NY LALÀNA, izay misy aloky ny zava-tsoa ho avy, fa tsy ny tena endrik’izany zavatra izany, dia tsy mba mahatanteraka ny olona manatona amin’izay fanatitra ateriny mandrakariva isan-taona.” (Hebreo 10:1). Eo dia hamafisin’ny apostoly Paoly sy asongadiny tsara, fa tsy nisy vidiny naharitra ny fanatitra rehetra natolotra teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy, raha ny famonjena ny olombelona no resahina.—Kolosiana 2:16, 17.
2. Nahoana no tsy very maina ny fiezahana hahatakatra ny fanazavana amin’ny an-tsipiriany ao amin’ny Baiboly, momba ireo fanatitra sy sorona notakin’ny Lalàna?
2 Midika ve izany fa tsy misy vidiny amin’ny Kristianina ankehitriny ilay fanazavana ao amin’ny Pentateuque, momba ny fanatitra sy ny sorona? Raha ny marina, dia vao haingana ireo olona voasoratra anarana ao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika any amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany no namaky manontolo ireo boky dimy voalohany ao amin’ny Baiboly, tao anatin’ny herintaona mahery kely. Niezaka mafy mba hamaky sy hahatakatra ny tsipiriany rehetra ny sasany. Very maina ve ny ezaka rehetra nataon’izy ireo? Tsy izany velively, satria “izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana amin’ny faharetana sy ny fiononana avy amin’ny Soratra Masina”. (Romana 15:4). Ny fanontaniana àry dia hoe: ‘Fianarana’ sy ‘fampiononana’ inona avy no azontsika raisina ao amin’ireo fanazavana maro be momba ny fanatitra sy ny sorona raketin’ny Lalàna ireo?
Ho fianarantsika sy fiononantsika
3. Inona no zavatra fototra ilaintsika?
3 Tsy takina amintsika ny hanolorana fanatitra ara-bakiteny araka ilay notakin’ny Lalàna. Na izany aza anefa, dia mbola tena mila mafy izay nataon’ny fanatitra ho an’ireo Isiraelita tamin’ny ambaratonga kely isika, dia ny hamelana ny fahotantsika sy ny hahazoantsika sitraka amin’Andriamanitra. Koa ahoana àry no ahafahantsika mahazo izany, satria tsy manolotra fanatitra ara-bakiteny intsony isika? Nanambara toy izao i Paoly, rehefa avy nanazava ny fetran’ny nety ho vitan’ny fanatitra biby: “Nony niditra tamin’izao fiainana izao [i Jesosy], dia nanao hoe: ‘Ny fanatitra alatsa-dra sy ny fanatitra hohanina tsy mba nilainao, fa tena no namboarinao ho Ahy; ny fanatitra odorana sy ny fanatitra noho ny ota tsy sitrakao; dia hoy Izaho: Inty Aho tonga—ao amin’ny horonam-boky no nanoratana Ahy—hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô’.”—Hebreo 10:5-7.
4. Ahoana no nampiharan’i Paoly ny Salamo 40:6-8 tamin’i Jesosy Kristy?
4 Naka teny avy tao amin’ny Salamo 40:6-8 i Paoly, ka nanazava fa tsy tonga mba hampaharitra ny “fanatitra alatsa-dra sy ny fanatitra hohanina”, mbamin’ny “fanatitra odorana sy ny fanatitra noho ny ota”, i Jesosy. Efa tsy nankasitrahan’Andriamanitra intsony ireny rehetra ireny tamin’ny fotoana nanoratan’i Paoly ilay taratasiny. Tonga kosa i Jesosy, nanana vatana namboarin’ilay Rainy any an-danitra, eny, vatana izay, tamin’ny lafiny rehetra, dia nifanandrify tamin’ilay namboarin’Andriamanitra fony izy namorona an’i Adama. (Genesisy 2:7; Lioka 1:35; 1 Korintiana 15:22, 45). Ny anjara asan’i Jesosy, tamin’ny naha Zanak’Andriamanitra lavorary azy, dia ny hoe ‘taranak’ilay’ vehivavy izy, araka ny nambara mialoha ao amin’ny Genesisy 3:15. Hanao zavatra mba ‘hanorotoroana ny lohan’i Satana’ i Jesosy, na dia ‘ho torotoro aza ny ombelahin-tongony’. Tamin’izany fomba izany no nahatongavany ho ilay fitaovana nomen’i Jehovah hamonjena ny taranak’olombelona, izay efa nandrandrain’ny olona nanam-pinoana, nanomboka tamin’ny andron’i Abela.
5, 6. Inona no fomba ambony kokoa azon’ny Kristianina anatonana an’Andriamanitra?
5 Hoy i Paoly, raha niresaka momba an’io anjara asa manokana notanan’i Jesosy io izy: “Izay tsy nahalala ota dia efa nataon[’Andriamanitra] ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao aminy kosa isika.” (2 Korintiana 5:21). Ilay teny hoe ‘natao ota’ dia azo adika koa hoe ‘natao fanatitra noho ny ota’. Hoy ny apostoly Jaona: “Izy no avotra noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an’izao tontolo izao koa.” (1 Jaona 2:2). Noho izany, dia nanana fomba vonjimaika nanatonana an’Andriamanitra ireo Isiraelita tamin’ny alalan’ireo fanatitra nataony, fa ny Kristianina kosa manana fototra ambony kokoa hanatonana an’Andriamanitra, dia ny soron’i Jesosy Kristy. (Jaona 14:6; 1 Petera 3:18). Raha maneho finoana ny sorom-panavotana nomen’Andriamanitra isika ka mankatò azy, dia ho azo avela koa ny fahotantsika, ka hahazo sitraka amin’Andriamanitra sy handray ny fitahiany isika. (Jaona 3:17, 18). Tsy loharanom-pampiononana ve izany? Ahoana anefa no azontsika ampisehoana fa mino ilay sorom-panavotana isika?
6 Rehefa avy nanazava ny apostoly Paoly fa manana fototra ambony kokoa hanatonana an’Andriamanitra ny Kristianina, dia nanoritra fomba telo azontsika ampisehoana ny finoantsika sy ny fankasitrahantsika ilay fandaharana feno fitiavana nataon’Andriamanitra izy, araka ny vakintsika ao amin’ny Hebreo 10:22-25. Ilay fananaran’i Paoly dia niantefa indrindra indrindra tamin’ireo “hiditra amin’ny fitoerana masina”, izany hoe ireo Kristianina voahosotra nantsoina ho any an-danitra. Na izany aza anefa, dia azo antoka fa mila mandinika ireo tenin’i Paoly ara-tsindrimandry ny olombelona rehetra, raha maniry handray soa amin’ny sorom-panavotan’i Jesosy.—Hebreo 10:19.
Manolora fanatitra madio sy tsy misy loto
7. a) Nahoana ny Hebreo 10:22 no manome taratr’izay natao rehefa nanolotra fanatitra? b) Inona no tsy maintsy natao mba hahazoana antoka fa azon’Andriamanitra nekena ny fanatitra iray?
7 Voalohany, dia nampirisika an’ireo Kristianina toy izao i Paoly: “Aoka isika hanatona amin’ny fo marina sy amin’ny fahatokiana be avy amin’ny finoana, manana fo voadio ho afaka amin’ny fieritreretana ratsy sy tena voasasa tamin’ny rano madio”. (Hebreo 10:22). Ilay fomba fiteny ampiasaina eo dia mazava fa manome taratr’izay natao rehefa nanolotra fanatitra nahazatra teo ambanin’ny Lalàna. Tena mety izany, satria mba hahatonga ny fanatitra iray ho azo ekena, dia tsy maintsy ho noho ny antony manosika tsara no nanolorana azy, ary tsy maintsy zavatra nadio sy tsy nisy loto no natolotra. Ny biby natao fanatitra dia omby na ondry na osy, izany hoe avy tamin’ny biby madio, ary “tsy misy kilema”. Raha vorona no natao fanatitra, dia tsy maintsy domohina na zana-boromahailala. Raha feno ireo fepetra ireo, dia tokony “hahazoany fankasitrahana izany, hanaovana fanavotana ho azy”. (Levitikosy 1:2-4, 10, 14; 22:19-25). Ny fanatitra hohanina dia sady tsy nisy lalivay no tsy nisy tantely. Ny lalivay na leviora mantsy dia mariky ny fahasimbana, ary ny tantely, izay azo inoana fa ranom-boankazo narihitra, dia mora mahatonga zavatra hiotrika ka hiova (fermenté). Rehefa natolotra teo ambonin’ny alitara ireo fanatitra, na biby izany na voan-javatra, dia nasiana sira, izay miaro zavatra tsy ho simba.—Levitikosy 2:11-13.
8. a) Inona no notakina tamin’ny olona nanao fanatitra? b) Ahoana no ahafahantsika manao izay hahazoana antoka fa ankasitrahan’i Jehovah ny fanompoam-pivavahantsika?
8 Ahoana ny amin’ilay olona nanao fanatitra? Nambaran’ny Lalàna fa tsy maintsy nadio sy tsy nisy loto izay rehetra tonga teo anatrehan’i Jehovah. Ny olona iray izay nanjary naloto na inona na inona antony, dia tsy maintsy nanolotra fanatitra noho ny ota na fanati-panonerana aloha, mba hananany toerana madio indray teo anatrehan’i Jehovah. Amin’izay vao nety ho nankasitrahan’Andriamanitra ny fanatitra dorana na ny fanati-pihavanana nataony. (Levitikosy 5:1-6, 15, 17). Takatsika àry ve ny maha zava-dehibe ny hihazonana toerana madio hatrany eo anatrehan’i Jehovah? Raha irintsika hankasitrahan’Andriamanitra ny fanompoam-pivavahantsika, dia tsy maintsy mailaka manitsy izay rehetra fandikana ny lalàn’Andriamanitra isika. Tokony ho mailaka isika hanararaotra ireo fomba nomen’Andriamanitra mba hahazoana fanampiana, dia “ireo loholon’ny kongregasiona” sy ilay “avotra noho ny fahotantsika”—Jesosy Kristy.—Jakoba 5:14, NW; 1 Jaona 2:1, 2.
9. Inona no fahasamihafana lehibe eo amin’ny fanatitra natao ho an’i Jehovah sy ireo natolotra ho an’ireo andriamani-diso?
9 Nantitranterina ny hahafahana amin’izay rehetra mety ho loto, ary izany, raha ny marina, no fahasamihafana lehibe teo amin’ny fanatitra natolotra ho an’i Jehovah sy ny fanatitra ho an’ireo andriamani-diso, izay natolotry ny olona teo amin’ireo firenena nanodidina ny Isiraely. Manamarika toy izao ny loharanon-kevitra iray raha niresaka an’io lafiny nampiavaka ireo fanatitra tao amin’ny Lalàn’i Mosesy io: “Azontsika marihina fa tsy misy ifandraisana amin’ny fanaovana sikidy na ny filazana ny hoavy amin’ny alalan’ny fambara [izy ireny]; tsy misy fahataitairana ara-pivavahana, na fandratrana tena, na fivarotan-tena masina, ary voarara tanteraka ireo fombafomba momba ny fahavokarana manaitra ny filan’ny nofo sy feno filibana; tsy misy olombelona atao sorona; tsy misy fanatitra ho an’ny maty.” Manintona ny saina ho amin’izao zavatra iray loha izao izany rehetra izany: Masina i Jehovah, ka tsy manala tsiny na mankasitraka ny fahotana na ny faharatsiana na inona na inona. (Habakoka 1:13). Tsy maintsy madio sy tsy misy loto eo amin’ny lafiny ara-batana sy ara-pitondran-tena ary ara-panahy ny fanompoam-pivavahana sy ny fanatitra atolotra an’i Jehovah.—Levitikosy 19:2; 1 Petera 1:14-16.
10. Mifanaraka amin’ny fananaran’i Paoly voarakitra ao amin’ny Romana 12:1, 2, fandinihan-tena manao ahoana no tokony hataontsika?
10 Rehefa heverina izany, dia tokony handini-tena isika eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainantsika, mba hahazoana antoka fa ankasitrahan’i Jehovah ny fanompoantsika azy. Tsy tokony hihevitra na oviana na oviana isika hoe raha mbola mandray anjara amin’ireo fivoriana kristianina sy ny fanompoana isika, dia tsy zava-dehibe izay ataontsika eo amin’ny fiainantsika manokana. Tsy tokony hihevitra koa isika fa ny fandraisantsika anjara amin’ny asa kristianina dia manafaka antsika ka tsy mila manaraka ny lalàn’Andriamanitra eo amin’ny lafiny hafa amin’ny fiainantsika intsony isika. (Romana 2:21, 22). Tsy afaka manantena ny fitahian’Andriamanitra sy ny fankasitrahany isika, raha misy zavatra tsy madio sy maloto eo imasony avelantsika handoto ny fisainantsika na ny zavatra ataontsika. Tadidio izao tenin’i Paoly izao: “Mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany. Ary aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina.”—Romana 12:1, 2.
Manolora fanati-piderana amin’ny fonao rehetra
11. Inona no voafaoka amin’ilay teny hoe “fanambarana ampahibemaso”, voalaza ao amin’ny Hebreo 10:23?
11 Rehefa nanoratra ho an’ny Hebreo i Paoly, dia nanintona ny saina ho amin’izao lafiny tena lehibe iray amin’ny fanompoam-pivavahana marina izao, nony avy eo: “Aoka hohazonintsika mafy ny [fanambarana ampahibemaso, NW ] ny fanantenana mba tsy hihozongozonany (fa mahatoky Ilay efa nanao ny teny fikasana)”. (Hebreo 10:23). Ilay teny hoe “fanambarana ampahibemaso” dia midika ara-bakiteny hoe “fiekena”, ary niresaka ny amin’ny “fanati-piderana” koa i Paoly. (Hebreo 13:15, NW ). Izany dia mampahatsiahy antsika ny amin’ilay karazana fanatitra natolotry ny olona toa an’i Abela sy i Noa ary i Abrahama.
12, 13. Niaiky ny amin’ny inona ny Isiraelita iray rehefa nanolotra fanatitra dorana, ary inona no azontsika atao mba hanehoana toe-tsaina mitovy amin’izany?
12 Rehefa nanolotra fanatitra dorana ny Isiraelita iray, dia nataony ‘an-tsitrapo teo anatrehan’i Jehovah’ ilay izy. (Levitikosy 1:3, NW ). Tamin’ny alalan’ny fanatitra toy izany no nanaovany an-tsitrapo fanambarana ampahibemaso, na fiekena, fa nandrotsaka fitahiana tondraka sy naneho hatsaram-panahy niharo fitiavana tamin’ny vahoakany i Jehovah. Tsarovy fa ny lafiny iray nampiavaka ny fanatitra dorana dia noho izy io nodorana manontolo teo ambonin’ny alitara, ary sary nety tsara ho mariky ny fifikirana sy ny fanoloran-tena tanteraka izany. Torak’izany koa fa mampiseho ny finoantsika ny sorom-panavotana sy ny fankasitrahantsika an’io fandaharana io isika rehefa manolotra an-tsitrapo sy amin’ny fontsika rehetra, ‘fanati-piderana ho an’i Jehovah, dia ny vokatry ny molotra’.
13 Ny Kristianina dia tsy manolotra fanatitra ara-bakiteny, na biby izany na legioma. Na izany aza anefa, dia tena manana andraikitra hitory ny vaovao tsara momba ilay Fanjakana sy hanao mpianatr’i Jesosy Kristy, izy ireo. (Matio 24:14; 28:19, 20). Manararaotra ny fahafahana handray anjara amin’ny fanambarana ampahibemaso ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra ve ianao, mba ho olona maro kokoa no ho afaka hahalala ireo zava-mahatalanjona tahirizin’Andriamanitra ho an’ny olombelona mankatò? Mandany an-tsitrapo ny fotoananao sy ny herinao ve ianao mba hampianarana ny olona liana sy hanampiana azy ireny ho tonga mpianatr’i Jesosy Kristy? Tena mahafaly an’Andriamanitra ny fandraisantsika anjara amin-jotom-po amin’ny fanompoana, izay toy ny hanitra ankasitrahana avy amin’ny fanatitra dorana.—1 Korintiana 15:58.
Mifalia amin’ny fiarahana amin’Andriamanitra sy ny olona
14. Inona no ifanitsian’ny tenin’i Paoly ao amin’ny Hebreo 10:24, 25 amin’ilay hevitra nofonosin’ny fanati-pihavanana?
14 Farany, dia nanintona ny saina ho amin’ny fifandraisantsika amin’ny Kristianina hafa, eo am-panompoantsika an’Andriamanitra, i Paoly. “Aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara; aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon’ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro.” (Hebreo 10:24, 25). Ny teny hoe “hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara” sy ny hoe “fiarahantsika miangona”, ary ny hoe “mifananara”, dia samy mampahatsiahy antsika izay nataon’ny fanati-pihavanana teo amin’ny Isiraely, ho an’ny vahoakan’Andriamanitra.
15. Fifanitsiana inona no hitantsika eo amin’ny fanatitra fiombonana sy ny fivoriana kristianina?
15 Ny teny hoe “fanatitra fiombonana” (NW ) dia adika hoe “fanati-pihavanana” indraindray. Ny teny hebreo adika eto hoe “fihavanana”, dia amin’ny endriny milaza maro, izay angamba midika hoe ahazoana fihavanana amin’Andriamanitra sy amin’ireo mpiara-mivavaka, ny fandraisana anjara amin’ny fanatitra toy izany. Manamarika toy izao mahakasika ny fanatitra fiombonana ny manam-pahaizana iray: “Fotoana nahafinaritra niarahana tamin’ilay Andriamanitry ny Fanekena izany, raha ny marina. Tao anatin’izany tokoa mantsy, dia sady nanetry tena mba ho tonga Vahinin’ny Isiraely tamin’ilay sakafo natao fanatitra izy, no Mpandray azy ireo foana ho vahininy koa.” Mampahatsiahy antsika izao fampanantenan’i Jesosy izao izany: “Na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny anarako, dia ao afovoany Aho.” (Matio 18:20). Isaky ny manatrika fivoriana kristianina isika, dia mandray soa avy amin’ilay fiarahana mampandroso, sy ilay fampianarana mampahery, ary ilay hevitra hoe eo amintsika i Jesosy Kristy Tompo. Mahatonga ny fivoriana kristianina ho tena fotoam-pifaliana sy manatanjaka finoana tokoa izany.
16. Raha atao an-tsaina ny sorona fiombonana, inona no mahatonga ny fivoriana kristianina ho tena mahafaly?
16 Tamin’ny sorona fiombonana na fanati-pihavanana, dia natolotra ho an’i Jehovah avokoa ny sabora rehetra, izay nodorana ho fofona teo ambonin’ny alitara. Tsy inona akory izany fa ny sabora manodidina ny tsinay, ireo voa, ny saron’aty, ary ny takiba, mbamin’ny hofak’ondry. (Levitikosy 3:3-16). Noheverina ho ampahany be otrikaina indrindra sy tsara indrindra amin’ny biby, ny sabora. Sary nampiseho ny fanomezana ny tsara indrindra ho an’i Jehovah, ny fanolorana azy io teo ambonin’ny alitara. Izao no mahatonga ny fivoriana kristianina ho tena mahafaly: Tsy vitan’ny hoe mandray fampianarana fotsiny isika fa manolotra fiderana ho an’i Jehovah koa. Manao izany isika, rehefa miezaka amim-panetren-tena, nefa araka izay fara herintsika koa, mba handraisana anjara, ka hihira amin-kafanam-po, sy hihaino amim-pitandremana, ary hanome valin-teny rehefa azo atao izany. “Miderà an’i Jah ianareo, ry olona!” (NW ), hoy ny fihiakan’ny mpanao salamo. “Mihirà fihiram-baovao ho an’i Jehovah, ny fiderana Azy eo amin’ny fiangonan’ny olona masina.”—Salamo 149:1.
Misy fitahiana tondraka avy amin’i Jehovah miandry antsika
17, 18. a) Fanatitra lehibe inona no nataon’i Solomona tamin’ny fitokanana ny tempoly tao Jerosalema? b) Fitahiana inona avy no azon’ny olona, noho ilay fombafomba natao tamin’ny nitokanana ny tempoly?
17 Tamin’ny fitokanana ny tempoly tao Jerosalema, tamin’ny volana fahafito tamin’ny taona 1026 al.f.i., i Solomona Mpanjaka dia nanolotra ‘zavatra hatao fanatitra teo anatrehan’i Jehovah’, dia “fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina ary ny saboran’ny fanati-pihavanana”. Omby 22 000 sy ondry 120 000 tamin’ny fitambarany, no natao fanatitra tamin’io fotoana io, ankoatra izay natolotra tamin’ny fanatitra hohanina.—1 Mpanjaka 8:62-65.
18 Azonao an-tsaina ve ny fandaniana sy ny halehiben’ny asa tafiditra tamin’ny fombafomba goavana toy izany? Miharihary anefa fa be lavitra noho ny lany, ireo fitahiana azon’ny Isiraely. Tamin’ny faran’ilay lanonana, dia “nampodin[’i Solomona] ny olona, ary nisaotra andriana izy, dia lasa nandeha ho any an-dainy avy, sady faly no ravoravo ny fony noho ny soa rehetra nataon’i Jehovah tamin’i Davida mpanompony sy ny Isiraely olony”. (1 Mpanjaka 8:66). Marina tokoa fa, araka ny nilazan’i Solomona azy, dia “ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena, ary tsy azon’ny fisasarana ampiana izany”.—Ohabolana 10:22.
19. Inona no azontsika atao mba hahazoana fitahiana lehibe avy amin’i Jehovah, dieny izao sy ho mandrakizay?
19 Amin’izao androntsika izao, ilay “aloky ny zava-tsoa ho avy” dia efa nosoloana ilay “tena endrik’izany zavatra izany”. (Hebreo 10:1). I Jesosy Kristy, izay Mpisoronabe lehibe nasehon’ny tandindona, dia efa niditra tany an-danitra ka nanolotra ny vidin’ny ran’ny tenany mba hanavotana an’ireo rehetra maneho finoana ny sorona nataony. (Hebreo 9:10, 11, 24-26). Miorina amin’io sorona lehibe io, sy amin’ny fanolorantsika amin’ny fo rehetra fanati-piderana madio sy tsy misy loto ho an’Andriamanitra, dia afaka mandeha mandroso koa isika, ‘sady faly no ravoravo fo’, eo am-pibanjinana mialoha ireo fitahiana tondraka avy amin’i Jehovah.—Malakia 3:10.
Ahoana no Havalinao?
• Fampianarana sy fampiononana inona avy no azontsika raisina avy amin’ilay fanazavana ao amin’ny Lalàna, mahakasika ny sorona sy ny fanatitra?
• Inona no fepetra takina voalohany mba hankasitrahana ny fanatitra iray, ary inona no hevitr’izany ho antsika?
• Inona no azontsika atolotra, izay azo oharina amin’ny fanatitra dorana natao an-tsitrapo?
• Amin’ny lafiny inona avy ny fivoriana kristianina no azo ampitahaina amin’ny fanati-pihavanana?
[Sary, pejy 18]
Nomen’i Jehovah mba hamonjena ny taranak’olombelona ny sorom-panavotan’i Jesosy
[Sary, pejy 20]
Mba hankasitrahan’i Jehovah ny fanompoantsika, dia tsy maintsy afaka amin’izay rehetra mety ho loto isika
[Sary, pejy 21]
Miaiky ampahibemaso ny amin’ny hatsaram-pon’i Jehovah isika rehefa mandray anjara amin’ny fanompoana