FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w99 15/12 p. 19-24
  • Aoka Isika ho Naman’izay Mino

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Aoka Isika ho Naman’izay Mino
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Manehoa fifampitokisana
  • Fampiasana araka ny mety ny Tenin’Andriamanitra
  • Oha-pinoana lazalazaina amin’ny fomba velombelona
  • Ny fomba hanatanjahana kokoa ny finoana
  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-35 — Habakoka
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
  • Matokia An’i Jehovah dia Hiaina Mandrakizay Ianao!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2018
  • Mbola Haharitra Hafiriana ny Ratsy Fanahy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Faly ao Amin’ilay Andriamanitry ny Famonjena Antsika
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
w99 15/12 p. 19-24

Aoka Isika ho Naman’izay Mino

“Isika (...) naman’izay mino ho amin’ny famonjena ny fanahy.” — HEBREO 10:39.

1. Nahoana no azo lazaina fa sarobidy ny finoan’ny mpanompo mahatokin’i Jehovah tsirairay?

AMIN’NY fotoana manaraka hankanesanao any amin’ny Efitrano Fanjakana feno mpivavaka amin’i Jehovah, dia miatoa kely, ka jereo ireo manodidina anao. Eritrereto ireo fomba maro anehoan’izy ireo finoana. Mety hahita zokiolona nanompo an’Andriamanitra efa hatramin’ny am-polony taona maro ianao, tanora manohitra isan’andro ny fitaoman’ireo mitovy taona aminy, ary ray aman-dreny miasa mafy mba hitaiza zanaka matahotra an’Andriamanitra. Eo koa ireo loholon’ny kôngregasiôna sy ireo mpanampy amin’ny fanompoana, izay miantsoroka andraikitra maro. Eny, mety hahita rahalahy sy anabavy ara-panahy amin’ny sokajin-taona rehetra ianao — rahalahy sy anabavy izay miezaka handresy vato misakana maro samihafa mba hanompoana an’i Jehovah. Sarobidy tokoa ny finoan’ny tsirairay! — 1 Petera 1:7.

2. Nahoana no mahasoa antsika amin’izao andro izao ny torohevitr’i Paoly ao amin’ny Hebreo toko faha-10 sy faha-11?

2 Nahatakatra ny maha zava-dehibe ny finoana ny apostoly Paoly, ary vitsy, raha misy, ny olombelona tsy lavorary nahatakatra izany tsara kokoa noho izy. Raha ny marina, dia nomarihiny fa mitarika ho amin’ny “famonjena ny fanahy” ny tena finoana. (Hebreo 10:39). Fantatr’i Paoly anefa fa iharam-panafihana ny finoana no sady mety hihena tsikelikely, eto amin’ity tontolo tsy manam-pinoana ity. Nanahy mafy ny amin’ireo Kristianina hebreo tao Jerosalema sy Jodia, izay niady mafy mba hiaro ny finoany, izy. Eo am-pijerentsika ampahany sasany amin’ny Hebreo toko faha-10 sy faha-11, dia aoka homarihintsika ireo fomba nampiasain’i Paoly mba hanatanjahana ny finoan’izy ireo. Eo am-panaovana izany, dia ho hitantsika ny fomba azontsika anorenana finoana matanjaka kokoa ao amintsika sy ao amin’ireo manodidina antsika.

Manehoa fifampitokisana

3. Amin’ny ahoana ny tenin’i Paoly hita ao amin’ny Hebreo 10:39 no mampiseho fa natoky an’ireo rahalahiny sy anabaviny tao amin’ny finoana izy?

3 Ny zavatra voalohany azontsika marihina, dia ny toe-tsaina nijery lafy tsaran-javatra nananan’i Paoly teo anoloan’ny mpamaky ny taratasiny. Hoy ny nosoratany: “Fa isika tsy mba naman’izay mihemotra ho amin’ny [fandringanana, NW ], fa naman’izay mino ho amin’ny famonjena ny fanahy.” (Hebreo 10:39). Nanantena i Paoly fa hanao zavatra faran’izay tsara, fa tsy zavatra faran’izay ratsy, ireo Kristianina hafa nahatoky. Mariho koa fa nampiasa ilay teny hoe “isika” izy. Olo-marina i Paoly. Na izany aza anefa, dia tsy nampietry an’ireo mpamaky ny taratasiny izy, ka hoe nametraka ny tenany ho olo-marina lavitra noho izy ireo. (Ampitahao amin’ny Mpitoriteny 7:16.) Nampidiriny kosa ho anisan’izy ireo ny tenany. Nasehon’i Paoly fa natoky tamim-pahatsorana izy hoe samy hiatrika vato misakana mahakivy, izay efa hita nanangasanga, izy sy ireo Kristianina nahatoky namaky ny taratasiny, ary samy handa amin-kerim-po tsy hihemotra ho amin’ny fandringanana, ka samy ho hita ho naman’izay mino.

4. Noho ny antony inona avy no nahatonga an’i Paoly hatoky an’ireo mpiray finoana taminy?

4 Ahoana no nahafahan’i Paoly nanana izany fatokisana izany? Nanakimpy ny masony tamin’ny kileman’ireo Kristianina hebreo ve izy? Mifanohitra amin’izany fa nanome azy ireo torohevitra voafaritra tsara izy, mba hanampiana azy ireo handresy ny fahalemeny ara-panahy. (Hebreo 3:12; 5:12-14; 6:4-6; 10:26, 27; 12:5). Na izany aza, dia nisy antony marim-pototra roa, fara fahakeliny, nahatonga an’i Paoly hatoky ny rahalahiny. 1) Nanahaka an’i Jehovah i Paoly, ka niezaka nijery ny vahoakan’Andriamanitra araka ny fomba fijerin’i Jehovah azy ireo, tsy teo amin’ny kileman’izy ireo ihany, fa teo amin’ny toetra tsaran’izy ireo koa, sy teo amin’ny fahafahan’izy ireo hisafidy hanao izay tsara, amin’ny hoavy. (Salamo 130:3; Efesiana 5:1). 2) Nino tanteraka ny herin’ny fanahy masina i Paoly. Fantany fa tsy misy vato misakana na fahalemen’olombelona na inona na inona, afaka misakana an’i Jehovah tsy hanome “hery mihoatra noho ny mahazatra” ho an’ny Kristianina rehetra miezaka hanompo azy amim-pahatokiana. (2 Korintiana 4:7, NW; Filipiana 4:13). Koa ny fatokisan’i Paoly an’ireo rahalahiny sy anabaviny àry, dia tsy hoe diso toerana, na tsy nihevitra ny zava-nisy, na nijery an-jambany lafy tsaran-javatra fotsiny. Nisy fototra mafy ilay izy, ary niorina tamin’ny Soratra Masina.

5. Ahoana no ahafahantsika manahaka ilay fatokisana nananan’i Paoly, ary inona no azo inoana fa ho vokany?

5 Azo antoka fa nifindra tamin’ny hafa ilay fatokisana nananan’i Paoly. Tsy maintsy ho nidika ho zavatra betsaka tamin’ilay kôngregasiôna tao Jerosalema sy Jodia ny hoe niteny tamin’izy ireo tamin’ny fomba nampahery aoka izany i Paoly. Teo anatrehan’ny fanazimbana nahakivy sy ny tsy firaikana feno fanambonian-tena nasehon’ireo Jiosy mpanohitra, dia nanampy an’ireo Kristianina hebreo mba ho tapa-kevitra tao am-pony ny ho naman’izay mino, izany tenin’i Paoly izany. Afaka manao toy izany ve isika samy isika, amin’izao andro izao? Rehefa mijery ny hafa ny tena, dia mora erỳ ny tsy mahita afa-tsy kilema sy lafin-toetra hafahafa, izay mahafeno lisitra lava be. (Matio 7:1-5). Vao mainka ho afaka hifanampy anefa isika raha manamarika sy mihevitra ho sarobidy ilay finoana tsy manam-paharoa ananan’ny tsirairay. Noho ny fampaherezana toy izany, dia azo inoana kokoa fa hitombo ny finoana. — Romana 1:11, 12.

Fampiasana araka ny mety ny Tenin’Andriamanitra

6. Avy taiza no nakan’i Paoly ireo teny notononiny voarakitra ao amin’ny Hebreo 10:38?

6 Nampitombo ny finoan’ireo mpiray finoana taminy koa i Paoly, tamin’ny nampiasany tamim-pahakingana ny Soratra Masina. Izao, ohatra, no nosoratany: “Ary ‘ny oloko marina dia ho velon’ny finoana;’ fa raha mihemotra izy, dia tsy sitraky ny fanahiko.” (Hebreo 10:38). Nanonona ny tenin’i Habakoka mpaminany i Paoly teto.a Azo inoana fa nahafantatra tsara ireo teny ireo ny mpamaky ny taratasin’i Paoly, dia ireo Kristianina hebreo izay nahalala tsara ireo boky ara-paminaniana. Ny tanjon’i Paoly dia ny hanatanjaka ny finoan’ireo Kristianina tao Jerosalema sy ny teny akaikiny, tany amin’ny taona 61 am.f.i tany ho any. Raha izany tanjona izany no heverina, dia tena nety tsara ny nifidianan’i Paoly ny ohatr’i Habakoka. Nahoana?

7. Oviana i Habakoka no nandrakitra an-tsoratra ny faminaniany, ary nanao ahoana ny toe-piainana tany Joda tamin’izany fotoana izany?

7 Miharihary fa 20 taona mahery kely monja talohan’ny nandravana an’i Jerosalema tamin’ny 607 al.f.i. no nanoratan’i Habakoka ny bokiny. Tao amin’ny fahitana iray, dia hitan’ilay mpaminany ireo Kaldeanina (na Babylonianina), “firenena masiaka sady mirehidrehitra”, manafika tampoka an’i Joda sy mandrava an’i Jerosalema, sady mipaoka olona sy firenena. (Habakoka 1:5-11). Izany loza izany anefa dia efa nambara mialoha nanomboka tamin’ny andron’i Isaia, taonjato iray mahery talohan’izay. Tamin’ny andron’i Habakoka, dia nandimby an’i Josia mpanjaka tsara i Joiakima, ka niroborobo tao Joda indray ny faharatsiana. Nanenjika sy namono nahafaty mihitsy an’ireo niteny tamin’ny anaran’i Jehovah i Joiakima. (2 Tantara 36:5; Jeremia 22:17; 26:20-24). Tsy mahagaga raha niantsoantso toy izao i Habakoka mpaminany izay sahiran-tsaina mafy: “Mandra-pahoviana, Jehovah ô?” — Habakoka 1:2, NW.

8. Nahoana ny ohatr’i Habakoka no hita ho mahasoa ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany sy amin’izao andro izao?

8 Tsy fantatr’i Habakoka hoe toy inona ny fahakekezan’ny fandravana an’i Jerosalema. Toy izany koa fa tsy fantatr’ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany hoe rahoviana no hifarana ny fandehan-javatra jiosy. Isika amin’izao andro izao koa dia tsy mahalala ny “andro sy ora” hampiharana ny didim-pitsaran’i Jehovah amin’ity fandehan-javatra ratsy ity. (Matio 24:36). Aoka àry homarihintsika ny valin-teny roa sosona nomen’i Jehovah an’i Habakoka. Voalohany, dia nanome toky an’ilay mpaminany izy fa ho tonga ara-potoana tsara ny farany. “Tsy ho diso aoriana izy”, hoy Andriamanitra, na dia mety ho toa mitaredretra aza ilay izy, araka ny fomba fijerin’olombelona. (Habakoka 2:3, NW ). Faharoa, dia nampahatsiahy an’i Habakoka toy izao i Jehovah: “Ny marina ho velon’ny finoany.” (Habakoka 2:4). Izany ka fahamarinana kanto sy tsotra! Ny zava-dehibe indrindra dia tsy ny hoe rahoviana no ho tonga ny farany, fa ny hoe hanohy hanana fiainam-pinoana ve isika sa tsia.

9. Tamin’ny ahoana ireo mpanompon’i Jehovah nankato no velon’ny finoany a) tamin’ny 607 al.f.i.? b) taorian’ny 66 am.f.i.? d) Nahoana no tena zava-dehibe ny hanatanjahana ny finoantsika?

9 Rehefa norobaina i Jerosalema tamin’ny 607 al.f.i., dia nahita ny fahamarinan’ilay fampanantenana nomen’i Jehovah an’i Habakoka i Jeremia, sy i Baroka mpitan-tsorany, sy i Ebeda-meleka, ary ireo Rekabita nahatoky. ‘Velona’ izy ireo, satria tsy niharan’ilay fandringanana nahatsiravina nahazo an’i Jerosalema. Nahoana? Satria namaly soa ny fahatokian’izy ireo i Jehovah. (Jeremia 35:1-19; 39:15-18; 43:4-7; 45:1-5). Toy izany koa fa tsy maintsy ho nandray tsara ny torohevitr’i Paoly ireo Kristianina hebreo tamin’ny taonjato voalohany, satria rehefa nanafika an’i Jerosalema ny Romanina tamin’ny 66 am.f.i., ary nihataka noho ny antony tsy hay hazavaina nony avy eo, dia nanaraka an-tsakany sy an-davany ny fampitandreman’i Jesosy ny amin’ny tokony handosirana, ireo Kristianina ireo. (Lioka 21:20, 21). Velona izy ireo, noho ny fahatokiany. Ho velona toy izany koa isika raha hita ho mahatoky rehefa ho tonga ny farany. Izany ka antony tena lehibe tokony hanatanjahana ny finoantsika ankehitriny!

Oha-pinoana lazalazaina amin’ny fomba velombelona

10. Ahoana no nilazalazan’i Paoly ny finoan’i Mosesy, ary ahoana no azontsika anahafana an’i Mosesy amin’izany lafiny izany?

10 Nampitombo finoana koa i Paoly, tamin’ny nampiasany ohatra tamin’ny fomba mandaitra. Eo am-pamakianao ny Hebreo toko faha-11, dia mariho ny fomba ilazalazany amin’ny fomba velombelona ireo ohatry ny olona ao amin’ny Baiboly. Nilaza izy, ohatra, fa “naharitra toy ny mahita Izay tsy hita” i Mosesy. (Hebreo 11:27, izahay no manao sora-mandry.) Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia tena nisy marina tokoa i Jehovah tamin’i Mosesy, ka toy ny hoe afaka nahita an’ilay Andriamanitra tsy hita maso izy. Azo atao ve ny milaza toy izany raha ny amintsika? Mora ny miresaka momba ny fifandraisana amin’i Jehovah, saingy mitaky asa kosa ny fanorenana sy ny fanatanjahana izany fifandraisana izany. Izany dia asa ilaina hataontsika! Tena misy marina tokoa ve i Jehovah amintsika, hany ka manisy fiheverana azy isika rehefa mandray fanapahan-kevitra, anisan’izany ireo fanapahan-kevitra toa madinika? Ny finoana karazan’izany dia hanampy antsika hiaritra, eny fa na dia ny fanoherana faran’izay mafy aza.

11, 12. a) Tao anatin’ny toe-piainana nanao ahoana no nety ho nitsapana ny finoan’i Enoka? b) Valisoa mampahery inona no azon’i Enoka?

11 Diniho koa ny finoan’i Enoka. Sarotra ho antsika ny maka sary an-tsaina ny fanoherana hitany. Tsy maintsy nampita hafatra nanindrona, izay didim-pitsarana fanamelohana ny ratsy fanahy niaina tamin’izany fotoana izany, i Enoka. (Joda 14, 15). Miharihary fa tena feno halozana sy herisetra ny fanenjehana nandrahona an’io lehilahy nahatoky io, ka ‘nafindran’i Jehovah’ izy, nafindrany avy tamin’ny fahavelomana ho amin’ny torimasom-pahafatesana, talohan’ny nahafahan’ny fahavalo nisambotra azy. Noho izany, dia tsy nahita ny fahatanterahan’ny faminaniana nambarany i Enoka. Na izany aza anefa, dia nahazo fanomezana izy, ary fanomezana tsara lavitra, amin’ny lafiny sasany. — Hebreo 11:5; Genesisy 5:22-24.

12 Nanazava toy izao i Paoly: “Talohan’ny namindrana [an’i Enoka] dia nambara fa nankasitrahan’Andriamanitra izy.” (Hebreo 11:5). Inona no hevitr’izany? Talohan’ny nandehanany ho amin’ny torimasom-pahafatesana, dia mety ho nahazo fahitana i Enoka, angamba fahitana momba ny Paradisa an-tany izay hifohazany amin’ny hoavy tsy ho ela. Na ahoana na ahoana, dia nampahafantarin’i Jehovah an’i Enoka fa nampifaly azy tokoa ny fahatokiany. Nampifaly ny fon’i Jehovah i Enoka. (Ampitahao amin’ny Ohabolana 27:11.) Mampihetsi-po ny mieritreritra momba ny fiainan’i Enoka, sa tsy izany? Ho tianao ve ny hanana fiainam-pinoana toy izany? Raha izany no izy, dia saintsaino ny ohatra toy ireo; hevero ho toy ny olona tena misy izy ireo. Aoka ianao ho tapa-kevitra ny ho velona amin’ny finoana, isan’andro isan’andro. Tadidio koa fa ny olona naman’izay mino, dia tsy manompo an’i Jehovah mifototra amin’ny daty iray, na amin’ny fotoana iray tsy maintsy hanatanterahan’Andriamanitra ny fampanantenany rehetra. Tapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah mandrakizay kosa isika! Ny fanaovana izany no fomba fiaina tsara indrindra, na amin’izao fandehan-javatra izao, na amin’ilay ho avy.

Ny fomba hanatanjahana kokoa ny finoana

13, 14. a) Amin’ny ahoana ny tenin’i Paoly voarakitra ao amin’ny Hebreo 10:24, 25 no mety hanampy antsika hanao ny fivoriantsika ho fotoam-pifaliana? b) Inona no antony voalohany indrindra anaovana ireo fivoriana kristianina?

13 Nampahafantarin’i Paoly fomba maro azo ampiharina mba hanatanjahana ny finoany ireo Kristianina hebreo. Andeha ny roa monja amin’izany no hodinihintsika. Azo inoana fa fantatsika tsara ilay fampirisihany ao amin’ny Hebreo 10:24, 25, izay mandrisika antsika hivory tsy tapaka any amin’ireo fivoriantsika kristianina. Tadidio anefa fa ilay teny ara-tsindrimandry nosoratan’i Paoly ao, dia tsy milaza an-kolaka hoe tokony ho mpitazana fotsiny isika any amin’ireny fivoriana ireny. I Paoly dia milazalaza kosa ireo fivoriana ho toy ny fahafahana hifankahalala, sy hifandrisika mba hanompoana an’Andriamanitra amin’ny fomba feno kokoa, ary fahafahana hifampahery. Tonga eo mba hanome isika, fa tsy handray fotsiny. Izany dia anisan’ny mahatonga ny fivoriantsika ho fotoam-pifaliana. — Asan’ny Apostoly 20:35.

14 Ny antony voalohany indrindra anatrehantsika fivoriana kristianina anefa, dia ny hanolorana fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah Andriamanitra. Manao izany isika, amin’ny fiarahana mivavaka sy mihira, amin’ny fihainoana amim-pitandremana, ary amin’ny fanolorana ny “vokatry ny molotra”, izany hoe teny fiderana an’i Jehovah, amin’ny valin-tenintsika sy amin’ireo anjarantsika amin’ny fivoriana. (Hebreo 13:15). Raha mitadidy hatrany ireo tanjona ireo isika, ka manao zavatra mifanaraka amin’izany isaky ny any am-pivoriana, dia azo antoka fa hihamatanjaka hatrany ny finoantsika.

15. Nahoana i Paoly no nampirisika an’ireo Kristianina hebreo mba hihazona mafy ny fanompoany, ary nahoana no mbola mety amin’izao andro izao izany torohevitra izany?

15 Ny fomba hafa iray hampitomboana ny finoana, dia amin’ny alalan’ny asa fitoriana. Hoy ny nosoratan’i Paoly: “Aoka isika hihazona mafy ny fanambarana ampahibemaso ny fanantenantsika, tsy amim-pihozongozonana, satria mahatoky izy izay nampanantena.” (Hebreo 10:23, NW ). Mety hampirisika ny hafa hihazona mafy zavatra iray ianao rehefa toa atahorana havotsony ilay izy. Azo antoka fa nanery an’ireo Kristianina hebreo mba hamotsotra ny fanompoany i Satana, ary manery ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny koa. Inona no tokony hataontsika, eo anatrehan’ny fanerena toy izany? Diniho izay nataon’i Paoly.

16, 17. a) Tamin’ny fomba ahoana no nahazoan’i Paoly fahasahiana hanao fanompoana? b) Inona avy no fepetra tokony horaisintsika raha hitantsika fa misy lafiny mampahatahotra antsika ny fanompoantsika kristianina?

16 Nanoratra toy izao ho an’ireo Kristianina tany Tesalonika i Paoly: “Rehefa nampahorina sy nisetrasetrana tany Filipy izahay teo aloha, tahaka ny fantatrareo ihany, dia [nisikina fahasahiana izahay tamin’ny alalan’Andriamanitsika mba hiteny aminareo momba ny vaovao tsaran’Andriamanitra, NW ], na dia be aza ny fanoherana.” (1 Tesaloniana 2:2). Tamin’ny ahoana i Paoly sy ireo namany no “nisetrasetrana” tany Filipy? Araka ny filazan’ny manam-pahaizana sasany, ilay teny grika nampiasain’i Paoly dia midika hoe fanevatevana, fanalam-baraka, na fampiasana herisetra. Ireo manam-pahefana tany Filipy dia nikapoka azy ireo tamin’ny hazo, nampiditra azy ireo am-ponja, ary nangeja azy ireo tamin’ny boloky hazo. (Asan’ny Apostoly 16:16-24). Nanao ahoana ny akon’izany fahoriana izany teo amin’i Paoly? Nahita an’i Paoly nitakemotra noho ny tahotra ve ireo olona tany Tesalonika, tanàna manaraka nalehany tamin’ilay dia misionera nataony? Tsia, “nisikina fahasahiana” izy. Nandresy ny tahotra izy ary nanohy nitory tamim-pahasahiana.

17 Avy taiza ilay fahasahiana nasehon’i Paoly? Avy tao aminy ihany ve? Tsia, satria nilaza izy fa nisikina fahasahiana “tamin’ny alalan’Andriamanitsika”. Lazain’ny loharanon-kevitra iray ho an’ny mpandika tenin’ny Baiboly fa io teny io dia azo adika hoe: “Nanala ny tahotra avy tao am-pontsika Andriamanitra.” Koa raha tsapanao fa tsy dia manana fahasahiana loatra hanao ny fanompoanao ianao, na raha misy lafiny amin’izy io toa tena mampahatahotra anao, nahoana raha miangavy an’i Jehovah mba hanao toy izany koa aminao? Mangataha aminy mba hanala ny tahotra ao am-ponao. Mangataha aminy mba hanampy anao hisikina fahasahiana ho amin’ilay asa. Fanampin’izany, dia mandraisa fepetra hafa azo ampiharina. Ohatra, manaova fandaharana mba hiaraha-miasa amin’ny olona iray izay za-draharaha amin’ilay endri-pitoriana mampanahy anao. Mety ho anisan’izany ny faritany be toeram-piasana, ny fitoriana eny amin’ny arabe, ny fitoriana tsy ara-potoana, na ny fitoriana an-telefaonina. Angamba ho vonona ny hanome ohatra hotahafina aloha, ilay namanao. Raha izany no izy, dia aoka ianao handinika amim-pitandremana sy hiana-javatra. Avy eo anefa dia misikìna fahasahiana mba ho ny tenanao mihitsy no hanandrana ilay izy.

18. Fitahiana inona avy no mety ho azontsika raha misikina fahasahiana isika eo amin’ny fanompoantsika?

18 Raha tena misikina fahasahiana ianao, dia eritrereto izay mety ho vokany. Rehefa manana fikirizana ianao ka tsy mamela ny tenanao ho kivy, dia azo inoana fa hanana zavatra tsara hotantaraina mahakasika ny firesahana ny fahamarinana ianao, fitantarana izay mety ho tsy nanananao raha tsy izany. (Jereo ny pejy faha-25.) Hahazo fahafaham-po ianao mahafantatra fa nampifaly an’i Jehovah ianao, tamin’ny nanaovanao zavatra izay sarotra taminao. Hahazo ny fitahiany sy ny fanampiany ianao eo am-piezahanao handresy ny tahotrao. Hihamatanjaka ny finoanao. Raha ny marina, dia tsy afaka manao zavatra mba hampitomboana ny finoan’ny hafa ianao, raha tsy sady mampitombo ny finoan’ny tenanao. — Joda 20, 21.

19. Valisoa sarobidy inona no miandry ny olona “naman’izay mino”?

19 Enga anie ianao ka hanohy hanatanjaka ny finoanao sy ny finoan’ireo manodidina anao. Afaka manao izany ianao amin’ny fanaovana ireto zavatra manaraka ireto: mampiorina ny tenanao sy ny hafa, amin’ny alalan’ny fampiasana amim-pahakingana ny Tenin’Andriamanitra; mianatra ireo oha-pinoana ao amin’ny Baiboly sy manao azy ireny ho velombelona; manomana sy mandray anjara amin’ireo fivoriana kristianina; ary mihazona mafy ilay tombontsoa sarobidy hanao fanompoana ho an’ny besinimaro. Eo am-panaovana ireo zavatra ireo, dia aoka ianao hahazo antoka fa tena “naman’izay mino” tokoa ny tenanao. Tadidio koa fa manana valisoa sarobidy ny olona karazan’izany. “Naman’izay mino ho amin’ny famonjena ny fanahy” izy ireo.b Enga anie ka hitombo hatrany ny finoanao, ary enga anie i Jehovah Andriamanitra ka hamonjy anao ho velona mandrakizay!

[Fanamarihana ambany pejy]

a I Paoly dia nanonona ny dikan-tenin’ny Septante ho an’ny Habakoka 2:4, izay ahitana ilay teny hoe: “Raha misy mihemotra, dia tsy sitraky ny fanahiko”. Tsy hita ao amin’ny soratanana hebreo rehetra misy ankehitriny io teny io. Nisy nandroso hevitra fa ny Septante dia niorina tamin’ny soratanana hebreo tranainy kokoa, izay tsy misy intsony ankehitriny. Na ahoana na ahoana, dia nampidirin’i Paoly teo izy io, teo ambany fitarihan’ny fanahy masin’Andriamanitra. Matoa àry izy io ao, dia satria Andriamanitra no nanome lalana ny hanaovana izany.

b Ny andinin-tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah ho an’ny taona 2000 dia hoe: “Isika tsy mba naman’izay mihemotra (...), fa naman’izay mino”. — Hebreo 10:39.

Ahoana no Havalinao?

◻ Ahoana no nanehoan’i Paoly fa natoky an’ireo Kristianina hebreo izy, ary inona no azontsika ianarana avy amin’izany?

◻ Nahoana no tena nety ny niresahan’i Paoly ny amin’i Habakoka mpaminany?

◻ Oha-pinoana inona avy, ao amin’ny Soratra Masina, no nolazalazain’i Paoly tamin’ny fomba velombelona?

◻ Inona avy ireo fomba azo ampiharina hampitomboana finoana, izay nanoroan’i Paoly hevitra?

[Sary, pejy 23]

Rehefa avy niaritra fampijaliana tany Filipy i Paoly, dia nisikina fahasahiana mba hanohizana hitory

[Sary, pejy 24]

Afaka misikina fahasahiana mba hanandramana ny endri-pitoriana maro samihafa ve ianao?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara