FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w93 15/8 p. 8-11
  • Ny Antony Ilanao Hanatrika Ireo Fivoriana Kristiana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Antony Ilanao Hanatrika Ireo Fivoriana Kristiana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny fomba ‘ifandranitan’ny’ samy Kristiana
  • Fahitana sakafo ara-panahy amin’ny fotoan-tsarotra
  • Fampahatsiarovan’i Jehovah — Toy ny feo ao ivohonao
  • Fahazoana ny fanahy masina amin’ny alalan’ny kongregasiona
  • Fampiofanana omen’ny kongregasiona
  • Mahità Tsy Fananana Ahiahy eo Anivon’ny Vahoakan’Andriamanitra
    Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
  • “Vao Mainka Aza” Tokony Hanatrika Ireo Fivoriana Isika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
  • Nahoana Isika no Tokony Hivory?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
  • Inona no ho Hitanao any Amin’ny Fivorianay?
    Iza no Tena Manao ny Sitrapon’i Jehovah?
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
w93 15/8 p. 8-11

Ny Antony Ilanao Hanatrika Ireo Fivoriana Kristiana

NANDRITRA ny volana maro, dia nankafy ny fianarana Baiboly niaraka tamin’i Elizabeth, i Rosario monina any Amerika Atsimo. Nampientam-po an’i Rosario ny nianatra ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fomba hitondrany toe-piainana paradisa eto an-tany. Isaky ny nanasa azy hanatrika ireo fivoriana tany amin’ny Efitrano Fanjakana anefa i Elizabeth, dia nanda izy. Nihevitra izy fa afaka nianatra ny Baiboly tany an-trano sy nampihatra izay lazain’izy io, ary hanao izany tsy nisy fanatrehana ireo fivorian’ny kongregasiona. Moa ve ianao nanontany tena koa raha tena mitondra soa ho anao tokoa ireo fivoriana kristiana? Nahoana Andriamanitra no mandamina ny hiarahan’ny vahoakany mivory?

Koa satria niavaka aoka izany tamin’ireo olona nanodidina azy ny Kristiana tamin’ny taonjato voalohany, dia tena zava-dehibe ho an’ny fahatafitan’izy ireo velona ny fifaneraserana nety. Nanoratra toy izao ho an’ny kongregasiona iray nisy ireo Kristiana voalohany ny apostoly Paoly: ‘Tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka hianareo eo amin’ny firenena meloka sy maditra, izay isehoanareo tahaka ny fanazavana eo amin’izao tontolo izao’. (Filipiana 2:15). Nandalo fotoan-tsarotra manokana ny Kristiana tany Jodia, ary ho azy ireo no nanoratan’i Paoly hoe: “Aoka isika hifampandinika hampandroso [“hampirisika ho amin’ny”, NW ] ny fitiavana sy ny asa tsara; aza mahafoy ny fiarahantsika miangona [“mivory”, NW ], tahaka ny fanaon’ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro.” (Hebreo 10:24, 25). Ahoana no ifampirisihantsika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara amin’ny fiarahana mivory?

Ny fomba ‘ifandranitan’ny’ samy Kristiana

Ilay teny grika nampiasain’i Paoly izay nadika hoe “mampirisika” dia midika ara-bakiteny hoe “fandranitana”. Manazava ny fomba ‘ifandranitan’ny’ samy Kristiana ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly rehefa milaza hoe: “Ny vy maharanitra ny vy, toy izany, ny olona maharanitra ny tarehin’ny sakaizany.” (Ohabolana 27:17; Mpitoriteny 10:10). Sahala amin’ny fitaovana izay mila fandranitana tsy tapaka isika. Koa satria ny fanehoana fitiavana an’i Jehovah sy ny fanaovana fanapahan-kevitra miorina amin’ny finoantsika midika ho tsy fitoviana amin’izao tontolo izao, dia voatery manaraka lalana tsy mitovy amin’ny an’ny besinimaro foana isika, raha azo atao ny milaza izany.

Ny fiezahana tsy an-kijanona mba ho hafa dia afaka manadombo ny zotom-pontsika ho amin’ny asa tsara. Rehefa miaraka amin’ny hafa izay tia an’i Jehovah anefa isika, dia mifandranitra isika samy isika — mifampirisika isika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara. Etsy an-danin’izany, rehefa irery isika, dia mirona hihevitra ny tenantsika kokoa. Mety hiditra ao an-tsaintsika ny hevitra maloto ara-pitondran-tena, feno fitiavan-tena, na feno hadalana. “Izay mitokana ho azy dia mitady ny mahafinaritra ny tenany ihany, misafoaka manohitra izay hevitra mahasoa rehetra izy.” (Ohabolana 18:1). Izany no antony nanoratan’i Paoly ho an’ny kongregasionan’ny tanànan’i Tesalonika hoe: “Koa mifananara sy mifampahatanjaha, tahaka ny ataonareo ihany.” — 1 Tesaloniana 5:11.

Rehefa nahavita ny fianarany an’ireo fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly i Rosario, dia mbola tsy nety nifanerasera tamin’ny kongregasiona ihany izy. Koa noho i Elizabeth tsy afaka nanome fanampiana bebe kokoa, dia nitsahatra tsy nitsidika azy izy. Volana vitsivitsy tatỳ aoriana dia nitsidika an’i Rosario ny mpiandraikitra mpitety faritany iray, ary nanontany hoe: “Na dia afaka mahita sakafo tsara aza ny tsirairay amin’ny mpianakavy amin’ny fisakafoanana any ivelany, inona no tsy azon’ny mpikambana rehetra amin’ny tsy fisakafoanana miaraka ao an-trano?” Namaly i Rosario hoe: “Tsy hahazo ny fiarahana amin’ny fianakaviana izy ireo.” Takany ilay hevitra, ary dia nanomboka tonga tsy tapaka tany amin’ireo fivoriana izy. Hitany fa nitondra soa aoka izany ilay izy, hany ka tonga saiky tamin’ireo fivoriana rehetra izy hatramin’izay.

Ny fandrenesana olon-kafa milaza ny finoany an’ireo zavatra mitovy amin’izay inoanao dia mampahery, ary toy izany koa ny fahitana ny fomba nanovan’izany finoana izany ny fiainan’izy ireo. Nahafantatra izany tamin’ny fanandraman-javatra hitan’ny tenany i Paoly, ary nanoratra toy izao tany amin’ny kongregasionan’i Roma: “Maniry hahita anareo aho hanomezako fahasoavam-panahy ho anareo, mba hampaherezina hianareo, izany dia ny mba hiarahako hamporisihina aminareo amin’ny finoantsika, dia ny anareo sy ny ahy.” (Romana 1:11, 12). Raha ny marina, izany dia an-taonany maro talohan’ny nahafahan’i Paoly nitsidika an’i Roma. Ary fony izy nanao izany, dia mpigadra teo an-tanan’ny Romana ny tenany. Kanefa rehefa nahita ireo rahalahy avy tany Roma izay nandeha an-tongotra maherin’ny 60 kilaometatra avy tany an-tanàna mba hifankahitana taminy ‘i Paoly, dia nisaotra an’Andriamanitra ka nahazo toky’. — Asan’ny Apostoly 28:15.

Fahitana sakafo ara-panahy amin’ny fotoan-tsarotra

Raha mbola tao amin’ny trano fitanana azy tany Roma i Paoly, dia nanoratra ho an’ireo Hebreo mba tsy hahafoy ny fiarahan’izy ireo mivory. Misy heviny lehibe ho antsika ny nanampiany ny teny hoe: “Mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro.” (Hebreo 10:25). Nasehon’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny fomba tsy niovaova avy tamin’ny Soratra Masina fa ny taona 1914 dia nanamarika ny fiandohan’ny andro faran’itỳ tontolo itỳ, ary fa manakaiky “ny andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy”. (2 Petera 3:7). Araka ny Apokalypsy, boky ao amin’ny Baiboly, rehefa nazera avy tany an-danitra tamin’ny fiandohan’ny andro farany ny Devoly, dia nanana fahatezerana lehibe ary “nandeha niady tamin’ny (...) sisa, izay mitandrina ny didin’Andriamanitra sy mitana ny filazana an’i Jesosy”. (Apokalypsy 12:7-17). Noho izany, dia sarotra indrindra amin’izao fotoana izao ny fitandremana ny didin’Andriamanitra; vao mainka ilaintsika kokoa ny miara-mivory amin’ireo mpiray finoana. Ireo fivoriana dia hanampy antsika hanatanjaka ny finoantsika sy ny fitiavantsika an’Andriamanitra mba hahatoherana ny fanafihan’ny Devoly.

Tsy sahala amin’ny trano izay maharitra raha vao vita akory ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny finoana. Izy ireo kosa dia sahala amin’ny zavatra velona izay mitombo tsikelikely avy amin’ny famahanana tsy tapaka, kanefa dia halazo sy ho faty raha mosarena. Izany no antony anomezan’i Jehovah sakafo ara-panahy tsy tapaka mba hanatanjahana ny vahoakany. Mila izany sakafo izany isika rehetra, kanefa aiza no ahafahantsika mahazo izany ankoatra ny avy amin’ny fandaminan’Andriamanitra sy ireo fivoriany? Tsy misy na aiza na aiza. — Deoteronomia 32:2; Matio 4:4; 5:3.

Nanao fanontaniana izay afaka manampy antsika hahita ny fomba amahanany ny kongregasiona kristiana i Jesosy. Hoy izy: “Iza marina moa no mpanompo mahatoky sy malina, izay notendren’ny tompony hifehy ireo mpanompony mba hanome azy ireo hanina amin’ny fotoana mety? Sambatra izany mpanompo izany, raha avy ny tompony ka hahita azy manao izany.” (Matio 24:45, 46, NW ). Iza no notendren’i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany mba hamahana ireo mpanara-dia azy, ary iza no hitany fa namahana tamim-pahatokiana azy ireo tamin’ny fiverenany nandray ny fahefana tao amin’ny Fanjakana? Miharihary fa tsy nisy olombelona niaina nandritra izany taonjato rehetra izany. Ilay mpanompo dia tondroin’ny porofo ho ilay kongregasionan’ireo Kristiana voahosotry ny fanahy, toy ny naha-mpanompon’Andriamanitra ny firenen’ny Isiraely tamin’ny andro talohan’ny Kristianisma. (Isaia 43:10). Eny, manome ny sakafontsika ara-panahy amin’ny alalan’io fitambaran’ny Kristiana voahosotry ny fanahy maneran-tany io i Jesosy. Amin’izao andro izao izy io dia mampita sakafo ara-panahy amin’ny alalan’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah eo an-toerana.

Ny fandaharana nataon’i Jesosy mba hampitana vatsin-tsakafo ara-panahy dia nolazalazain’ny apostoly Paoly bebe kokoa toy izao: “ ‘Raha niakatra ho any amin’ny avo Izy, dia nitondra olona maro ho babo ka nanome fanomezana [olona, NW ].’ (...) Ary Izy no nanome ny sasany ho Apostoly, ary ny sasany ho mpaminany, ary ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra, ho fanatanterahana ny olona masina, ho amin’ny asan’ny fanompoana amin’ny fiangonana, ho amin’ny fampandrosoana ny tenan’i Kristy, mandra-pahatongantsika rehetra ho amin’ny firaisan’ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak’Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy”. — Efesiana 4:8, 11-13.

Ao anatin’ny kongregasiona eo an-toerana indrindra — any amin’ireo fivoriana — no ampaherezan’ireny “fanomezana olona” ireny ireo rahalahy. Tany Antiokia, ohatra, “satria mpaminany Joda sy Silasy, dia namporisika ny rahalahy tamin’ny teny maro izy ka nampahery azy”. (Asan’ny Apostoly 15:32). Ireo lahateny ataon’ny lehilahy mahafeno fepetra ara-panahy amin’izao andro izao dia hamahana ny finoantsika mba tsy hahatonga azy io halazo na hanjary tsy hiasa.

Mety ho marina fa nanao fandrosoana tsara isika noho ny fanampiana manokana nataon’ny mpikambana iray tao amin’ny kongregasiona, na dia mety mbola ho tsy nanatrika ny fivoriana akory aza isika. Milaza ny Baiboly fa misy fotoana ‘mbola ilanareo izay hampianatra anareo ny abidim-pianaran’ny tenin’Andriamanitra (...) tokony homen-dronono ianareo, fa tsy ventin-kanina’. (Hebreo 5:12). Tsy afaka ny hijanona ho eo amin’ny ronono mandrakizay anefa ny olona iray. Ireo fivoriana kristiana dia manome fandaharam-pampianarana ny Baiboly mitohy natao mba hitanana ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny finoana azy ho velona ary koa mba hanomezana fanampiana eo amin’ny fampiharana “ny torohevitr’Andriamanitra rehetra”. (Asan’ny Apostoly 20:27, NW ). Izany dia bebe kokoa noho ny “ronono”. Hoy ny Baiboly, fanampin’izany: “Fa ho an’izay efa lehibe ny ventin-kanina, dia ho an’izay manana ny saina efa zatra nampiasaina tsara ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy.” (Hebreo 5:14). Any amin’ireo fivoriana, dia misy foto-kevitra maro dinihina izay mety tsy ho anisan’ny fianarana fototra amin’ny fampianarana ny Baiboly any an-tokantrano, toy ny fianarana isan’andininy an’ireo faminaniana lehibe ao amin’ny Baiboly sy ireo dinidinika lalina momba ny fomba ahafahantsika manahaka an’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika manokana.

Fampahatsiarovan’i Jehovah — Toy ny feo ao ivohonao

Amin’ny alalan’ny fianarana ao amin’ny kongregasiona toy izany, i Jehovah dia mampahatsiaro antsika tsy tapaka hoe tokony ho karazan’olona manao ahoana isika. Tena ilaina ny fampahatsiarovana toy izany. Raha tsy misy azy ireny, dia hirona mora foana ho amin’ny fitiavan-tena sy ny avonavona ary ny faniriana mihoa-pampana isika. Ny fampahatsiarovana avy amin’ny Soratra Masina dia hanampy antsika hanana fifandraisana mahomby amin’olon-kafa sy amin’Andriamanitra mihitsy. “Mihevitra ny làlako aho ka mamerina ny tongotro ho amin’ny [fampahatsiarovanao, NW ]”, hoy ny fiekena nataon’ilay mpanoratra ny Salamo 119:59.

Arakaraka ny anatrehantsika tsy tapaka ireo fivoriana kristiana, dia ho hitantsika ny fahatanterahan’ilay faminanian’i Jehovah tamin’ny alalan’i Isaia manao hoe: ‘Tsy hiery intsony ny mpampianatra anao; ny masonao hahita ny mpampianatra anao; ny sofinao dia handre teny ao ivohonao manao hoe: Itỳ no làlana, ka andehano.’ Manara-maso ny fandrosoantsika i Jehovah ary manitsy antsika amim-pitiavana izy raha solafaka isika. (Isaia 30:20, 21; Galatiana 6:1). Ary mbola manome fanampiana be lavitra noho izany aza izy.

Fahazoana ny fanahy masina amin’ny alalan’ny kongregasiona

Amin’ny fanatrehana tsy tapaka ireo fivoriana kristiana miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia hatanjahin’ny fanahy masin’Andriamanitra izay mipetraka eo amin’ny olony, isika. (1 Petera 4:14). Ankoatra izany, ireo mpiandraikitra kristiana ao amin’ny kongregasiona dia notendren’ny fanahy masina. (Asan’ny Apostoly 20:28). Manan-kery mitaona lehibe eo amin’ny Kristiana iray io hery miasa avy amin’Andriamanitra io. Hoy ny Baiboly: “Ny vokatry ny fanahy dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, hatsaram-panahy, hatsaram-po, finoana, fahalemem-panahy, fifehezan-tena.” (Galatiana 5:22, 23, NW ). Ny fanahy masina izay miasa amin’ny alalan’ny fandaminan’Andriamanitra, dia hanampy antsika koa mba hahazo fahatakarana mazava amin’ny fomba mahatalanjona ireo zavatra tahirizin’i Jehovah ho an’izay tia azy. Rehefa avy nanazava i Paoly fa tsy afaka mahatakatra ny fikasan’Andriamanitra ireo olona malaza eo amin’itỳ fandehan-javatra itỳ, dia nanoratra toy izao izy: “Isika no nanambaran’Andriamanitra izany tamin’ny Fanahy”. — 1 Korintiana 2:8-10.

Ankoatra ny sakafo ara-panahy manatanjaka ny finoana, ny kongregasiona dia manome fampiofanana ho an’izay maniry handray anjara amin’ilay asa lehibe indrindra ataon’ny kongregasiona. Inona izany?

Fampiofanana omen’ny kongregasiona

Ny kongregasiona kristiana akory tsy fikambanana ara-tsosialy izay ahazoan’ny olona fialam-boly sy angamba ifampirisihany mba hanana fiainana tsaratsara kokoa fotsiny. Nanendry ny kongregasiona mba hitondra ny vaovao tsaran’ny Fanjakana any amin’ireo izay miaina ao anatin’ny haizina ara-panahy, i Jesosy. (Asan’ny Apostoly 1:8; 1 Petera 2:9). Hatramin’ny andro nanorenana azy, tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i., dia fandaminan’ny mpitory izy io. (Asan’ny Apostoly 2:4). Moa ve ianao mba efa nanandrana nilaza tamin’olona ny fikasan’i Jehovah kanefa tsy naharesy lahatra azy? Ireo fivoriana ao amin’ny kongregasiona dia manome fampiofanana manokana eo amin’ny fahaiza-mampianatra. Amin’ny fianarana ireo ohatra ao amin’ny Baiboly, dia ho haintsika ny fomba fanorenana hevitra iombonana iray anaovana fanjohian-kevitra, ny fomba fampiasa ny Soratra Masina ho fototra amin’ny ady hevitra tsara lahatra iray, ary ny fomba hanampiana ny hafa mba hanjohy hevitra amin’ny fampiasana fanontaniana sy fanoharana. Ny fahaizana toy izany dia afaka manampy anao hahita ilay fifaliana tsy hay lazaina amin’ny fanampiana olon-kafa hahatakatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly.

Eto amin’itỳ tontolo rotidrotiky ny fifandrafiana sy maloto ara-pitondran-tena itỳ, dia tena fialofana ara-panahy ny kongregasiona kristiana. Na dia voaforon’ny olona tsy tanteraka aza izy io, dia toerana tsy ahitana ahiahy feno filaminana sy fitiavana. Noho izany, aoka ianao ho mpanatrika tsy tapaka ireo fivoriana rehetra alaminy, ary aoka ianao hahita manokana ny fahamarinan’ny tenin’ilay mpanao salamo manao hoe: “Endrey, tsara sady mahafinaritra raha ny mpirahalahy no miara-monina. (...) Fa voadidin’i Jehovah ho eo ny fitahiana, dia fiainana ho mandrakizay.” — Salamo 133:1, 3.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara