FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w98 15/2 p. 30
  • Inona no Mahasambatra ny Olona?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Mahasambatra ny Olona?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
w98 15/2 p. 30

Inona no Mahasambatra ny Olona?

Nandritra ny 20 taona, ny antokona mpanao fikarohana maneran-tany iray, dia nanao fandinihana voalamina tsara mahakasika ny fahasambarana. Ny zavatra hitany? “Ny fahasambarana dia tsy hita ho miankina be dia be amin’ny toe-javatra ivelany”, hoy ny gazetiboky Scientific American, manao tatitra.

Nilaza toy izao koa io gazetiboky siantifika io: “Ny harena koa dia tsy midika ho fahasambarana. Tsy nanjary sambatra kokoa ny olona tamin’ny fotoana nampanankarena kokoa ny kolontsainy. (...) Any amin’ny ankamaroan’ireo firenena, dia kely ny fifandraisana misy eo amin’ny vola miditra sy ny fahasambarana.”

Ilay fandinihana dia mampiseho lafiny efatra mampiavaka ny olona sambatra: Tia ny tenany izy ireo ary manana fanajan-tena ambony, mahatsapa izy ireo fa afaka mifehy ny fiainany manokana, manana fanantenana izy ireo, ary misokatra amin’ny hafa. Fanampin’izany, ny fanambadiana tsara sy ny fifandraisana manokana akaiky dia antony mahatonga fiainana sambatra, ary izany dia mampitombo ny fahasalamana sy mahela velona.

Tsara homarihina fa nanao tatitra toy izao ny Scientific American: “Ireo olona marisika amin’ny fivavahana dia hita ihany koa ho mahita fahasambarana bebe kokoa. Ny fanadihadiana Gallup iray dia nahitana fa ireo olona mazoto be amin’ny fivavahana dia sahy avo roa heny milaza ny tenany ho tena sambatra, noho ireo tsy mazoto indrindra amin’ny fivavahana. Ireo fanadihadiana hafa, anisan’izany ny fanadihadiana niarahan’ny firenena 16 natao, tamin’ny olona 166 000 avy amin’ny firenena 14, dia nahatsikaritra fa ny fahasambarana hita sy ny fahafaham-po eo amin’ny fiainana dia mitombo rehefa tia fivavahana ny olona, sy rehefa manatrika fotoam-pivavahana matetika izy ireo.”

Taloha ela be, i Davida mpanao salamo dia nanambara fa ny fahasambaran’ny tena manokana dia mifandray akaiky amin’ny fanompoam-pivavahana tafaray ho an’i Jehovah Andriamanitra, tamin’ny fanoratana hoe: “Faly aho, raha hoy izy ireo tamiko: Andeha isika ho any an-tranon’i Jehovah.” — Salamo 122:1.

Tsy mahagaga raha nampirisika toy izao an’ireo Kristiana tahaka azy ny apostoly Paoly: “Aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara; aza mahafoy ny fiarahantsika miangona”! (Hebreo 10:24, 25, izahay no manao sora-mandry.) Tena fotoam-pifaliana tokoa ho an’ireo tia ny fahamarinana ara-baiboly ny fiarahana manao fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitra, amin’ireo izay manana finoana sarobidy toy izany. Vavolombelon’i Jehovah an-tapitrisany maro no nahita ny fahamarinan’izany, ka manasa anao mba hahita manokana izany, amin’ny fiarahana amin’izy ireo amin’ny fanompoam-pivavahana ao amin’ny Efitrano Fanjakana akaikin’ny misy anao.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara