FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w98 1/3 p. 14-19
  • Fankasitrahana Ireo Fiaraha-mivory Kristiana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fankasitrahana Ireo Fiaraha-mivory Kristiana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fivoriana mampahery
  • Manomàna tsara
  • Ohatra avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra
  • Ilay ohatra tsara indrindra
  • Ohatra amin’ny andro ankehitriny
  • Aoka Isika Hanaja Ireo Fivoriana Masina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Nahoana Isika no Tokony Hivory?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
  • Handray Soa Ianao Raha Miara-mivory Aminay
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Ahoana no Ataonao mba Hahatonga ny Fivoriana Hampahery?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
w98 1/3 p. 14-19

Fankasitrahana Ireo Fiaraha-mivory Kristiana

“Aoka isika hifampandinika mba handrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara dia tsara, ka tsy hahafoy ny fiarahantsika mivory”. — HEBREO 10:24, 25, NW.

1, 2. a) Nahoana no tombontsoa ny manatrika fiaraha-mivory ataon’ny Kristiana marina? b) Amin’ny heviny ahoana i Jesosy no eo amin’ireo fiaraha-mivory ataon’ny mpanara-dia azy?

TOMBONTSOA tokoa ny manatrika fiaraha-mivory kristiana, na latsaka ny folo, na an’arivony maromaro ny mpivavaka amin’i Jehovah tonga amin’izany, satria hoy i Jesosy: “Na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny anarako, dia ao afovoany Aho”! (Matio 18:20). Marina fa, fony nanome io fampanantenana io i Jesosy, dia niresaka ny amin’ny raharaha ara-pitsarana izay nilaina nalamina araka ny tokony ho izy teo ambany fitantanan’ireo nitarika tao amin’ny kongregasiona. (Matio 18:15-19). Moa ve anefa ireo tenin’i Jesosy ireo azo ampiharina ihany koa amin’ireo fiaraha-mivory kristiana rehetra izay atomboka sy faranana amin’ny vavaka amin’ny anarany? Eny. Tadidio fa fony i Jesosy naniraka ny mpanara-dia azy hanao mpianatra, dia nampanantena toy izao izy: “Indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.” — Matio 28:20.

2 Tsy isalasalana fa liana fatratra amin’ny fiaraha-mivory rehetra ataon’ireo mpanara-dia azy mahatoky, i Jesosy Kristy Tompo, ilay Lohan’ny kongregasiona kristiana. Ambonin’izany, dia afaka mahazo antoka isika fa miaraka amin’izy ireo eo i Jesosy, amin’ny alalan’ny fanahy masin’Andriamanitra. (Asan’ny Apostoly 2:33; Apokalypsy 5:6). Liana amin’ny fiarahantsika mivory koa i Jehovah Andriamanitra. Ny zava-kendrena voalohany indrindra amin’ny fivoriana toy ireny, dia ny hanandratana fiderana ho an’Andriamanitra “eo anivon’ireo vahoaka maro be tafavory”. (Salamo 26:12, NW ). Porofon’ny fitiavantsika azy ny fanatrehantsika ireo fivorian’ny kongregasiona.

3. Antony lehibe inona avy no mahatonga antsika hankasitraka ireo fiaraha-mivory kristiana?

3 Misy antony marim-pototra hafa mahatonga antsika hankasitraka ireo fiaraha-mivory kristiana. Talohan’ny nandaozany ny tany, dia notendren’i Jesosy Kristy ireo mpianany voahosotra mba hiasa amin’ny maha-“mpanompo mahatoky sy malina” ka hanome sakafo ara-panahy ara-potoana ho an’ny mpianakavin’ny finoana. (Matio 24:45, NW ). Ny fomba lehibe iray anaovana izany famahanana ara-panahy izany, dia amin’ny alalan’ireo fivorian’ny kongregasiona, ary koa ireo fiaraha-mivory lehibe kokoa — dia ireo fivoriambe. Tarihin’i Jesosy Kristy Tompo io mpanompo mahatoky io, mba hanome fanazavana iankinan’ny aina any amin’ireny fiaraha-mivory ireny, ho an’ireo rehetra maniry ho tafita velona amin’ny faran’itỳ fandehan-javatra ratsy itỳ sy maniry hahazo fiainana ao amin’ilay tontolon’Andriamanitra vaovao sy marina.

4. ‘Fahazarana’ mampidi-doza inona no voatonona ao amin’ny Baiboly, ary inona no hanampy antsika hanalavitra izany?

4 Noho izany, dia tsy misy Kristiana afaka mamboly fahazarana mampidi-doza, ka ho afa-maina. Izany fahazarana mampidi-doza izany no nomarihin’ny apostoly Paoly rehefa nanoratra toy izao izy: “Aoka isika hifampandinika mba handrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara dia tsara, ka tsy hahafoy ny fiarahantsika mivory, tahaka ny fahazaran’ny sasany, fa hifampahery kosa, ary vao mainka aza tokony hanao izany ianareo, satria hitanareo fa mihantomotra ny andro.” (Hebreo 10:24, 25, NW ). Ny fisaintsainana an’ireo tombontsoa sy soa raisina amin’ny fanatrehana fiaraha-mivory kristiana, dia hanampy antsika tsy hivadika eo amin’ny fanohanana ireny fiaraha-mivory ireny amin’ny fo manontolo.

Fivoriana mampahery

5. a) Tokony hisy vokany manao ahoana ny tenintsika any amin’ireo fivoriana? b) Nahoana no tsy tokony hangatahantsika andro ny fanasana olona liana hanatrika fivoriana?

5 Koa satria mivavaka ny Kristiana mba hiasan’ny fanahy masin’i Jehovah ao amin’ireo fivoriana kristiana, dia tokony hanao araka ny fara heriny ny mpanatrika tsirairay mba hiasa mifanaraka amin’ilay fanahy ka tsy ‘hampalahelo ny fanahy masin’Andriamanitra’. (Efesiana 4:30). Fony nanoratra ireo teny ara-tsindrimandry ireo ny apostoly Paoly, dia niresaka ny amin’ny fampiasana araka ny tokony ho izy ny teny. Izay lazaintsika dia tokony hampiasaina foana mba “ho [fampaherezana, NW ], araka izay tokony hanaovana, mba hahazoan’ny mihaino fahasoavana”. (Efesiana 4:29). Zava-dehibe indrindra izany any amin’ireo fiaraha-mivory kristiana. Tao amin’ny taratasiny ho an’ny Korintiana, dia nohantitranterin’i Paoly fa ilaina hatao mampahery sy ahitana fianarana ary mandrisika, ireo fivoriana. (1 Korintiana 14:5, 12, 19, 26, 31). Mandray soa avy amin’ny fivoriana toy izany ny mpanatrika rehetra, anisan’izany ireo vaovao izay tena mety hanatsoaka hevitra hoe: “Andriamanitra dia ao aminareo marina tokoa.” (1 Korintiana 14:25). Izany no antony tsy tokony hangatahantsika andro mba hanasana ireo olona liana vao haingana mba hiara-mivory amintsika, satria hanafaingana ny fandrosoan’izy ireo ara-panahy ny fanaovana izany

6. Inona avy ireo lafin-javatra sasany anisan’ny mahatonga ny fivoriana iray hampahery?

6 Ireo rehetra nomena anjara lahateny na fanadinadinana na fampisehoana amin’ny fivoriana kristiana, dia tokony hahazo antoka fa mampahery sy mifanaraka amin’ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra voasoratra, ny tenin’izy ireo. Ankoatra ny filazana teny araka ny marina, dia tokony hampiseho fihetseham-po izay mifanaraka amin’ireo toetra feno fitiavana maha-izy an’Andriamanitra sy i Kristy, isika. Raha toa izay rehetra manana anjara amin’ny fandaharan’ny fivoriana ka mahatsiaro ny hampiseho taratry ny ‘vokatry ny fanahin’Andriamanitra’, toy ny fitiavana sy ny fahari-po ary ny finoana, dia azo antoka fa ho tsapan’ny mpanatrika rehetra fa nampaherezina ny tenany. — Galatiana 5:22, 23.

7. Ahoana no ahafahan’ireo mpanatrika rehetra mandray anjara mba hisian’ny fiaraha-mivory mampahery?

7 Na dia vitsivitsy ihany aza no mety hanana anjara amin’ny fandaharana amin’ny fivorian’ny kongregasiona, dia afaka mandray anjara ny rehetra mba hisian’ny fiaraha-mivory mampahery. Matetika dia manana fahafahana hamaly fanontaniana ny mpanatrika. Fotoana tsara anambarana ampahibemaso ny finoantsika ireny. (Romana 10:9, NW ). Izy ireny dia tsy tokony hohararaotina na oviana na oviana mba hampandrosoana ny hevitsika manokana, na mba hireharehana ny amin’ny zava-bitantsika manokana, na mba hitsikerana mpiray finoana. Tsy hampalahelo ny fanahin’Andriamanitra ve izany? Ny fomba tsara indrindra andaminana tsy fifanarahana amin’ny mpiray finoana dia ny fanaovana izany mitokana, amin’ny toe-tsaina feno fitiavana. Izao no lazain’ny Baiboly: “Aoka samy halemy fanahy amin’ny namany avy hianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’Andriamanitra ny helokareo ao amin’i Kristy.” (Efesiana 4:32). Azontsika hararaotina tsara tokoa ny fiaraha-mivory kristiana mba hampiharana an’io torohevitra tsara dia tsara io! Mba hanaovana izany, dia maro no tonga aloha any am-pivoriana, ary mijanona kelikely aorian’ny firavana. Izany dia manampy koa an’ireo liana vao haingana izay tena mila mahatsapa fa noraisina tsara. Araka izany, dia manana anjara asa avokoa ny Kristiana vita fanoloran-tena rehetra mba hahatonga ny fivoriana hampahery, amin’ny ‘fifampandinihana sy fifandrisihana ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara dia tsara’.

Manomàna tsara

8. a) Sorona mendri-piderana inona avy no ataon’ny sasany mba hanatrehana fivoriana? b) Inona no ohatra avelan’i Jehovah amin’ny maha-mpiandry ondry azy?

8 Na dia mety ho somary mora ho an’ny sasany aza ny manatrika ireo fiaraha-mivory kristiana, dia mitaky fanaovana sorona mitohy kosa izany ho an’ny hafa. Ohatra, ny renim-pianakaviana kristiana iray izay miasa mba hanampiana eo amin’ny famelomana ny ankohonany, dia vizana mazàna rehefa tonga ao an-trano avy niasa. Amin’izay izy dia mety ho voatery hanokon-kanina sy hanampy ireo zanany mba ho vonona ho amin’ny fivoriana. Mety ho voatery hanao dia lavitra be ny Kristiana hafa mba hahatongavana any amin’ny fivoriana, na mety ho voafetra ny azon’izy ireo atao noho ny kilema na ny fahanterana. Azo antoka fa takatr’i Jehovah Andriamanitra ny toe-javatra misy ny mpanatrika fivoriana mahatoky tsirairay, toy ny ahatakaran’ny mpiandry ondry be fitiavana iray ny zavatra ilain’ny ondry tsirairay amin’ny andian’ondriny. “Hiandry ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry [i Jehovah]”, hoy ny Baiboly, “ny sandriny no hanangonany ny zanak’ondry, ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny, ary horoahiny miadana ny ampianahany.” — Isaia 40:11.

9, 10. Ahoana no ahafahantsika mandray soa faran’izay betsaka amin’ireo fivoriana?

9 Ho an’ireo izay voatery manao sorona be mba hahatongavana tsy tapaka any amin’ireo fivoriana, dia mety ho voafetra ny habetsaham-potoana azony lanina amin’ny fanomanana ireo zavatra hodinihina. Manjary mahafa-po kokoa ny fanatrehana ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika, rehefa maharaka ny fandaharam-pamakiana Baiboly isan-kerinandro ny tena. Toy izany koa fa manjary mahasoa kokoa ireo fivoriana hafa toy ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona, rehefa voaomana mialoha izy ireny. Ireo tsy manam-potoana firy noho ny andraikiny ara-pianakaviana, dia ho vonona kokoa handray anjara misy heviny amin’ireny dinidinika ara-baiboly manan-danja ireny, rehefa mamaky mialoha ilay zavatra hianarana sy mandinika, fara faharatsiny, ny sasany amin’ireo andinin-tenin’ny Baiboly izay voatonona.

10 Afaka mandany fotoana bebe kokoa amin’ny fanomanana ireo fivoriana ny hafa izay tsy teren’ny toe-javatra misy azy loatra. Ohatra, afaka manao fikarohana momba ireo andinin-teny izay voatonona fotsiny fa tsy voasoratra, izy ireo. Amin’izay dia ho voaomana ny rehetra mba handray soa faran’izay betsaka amin’ireo fivoriana, sy mba handray anjara tsara amin’ny fampaherezana ny kongregasiona, amin’ny alalan’ny lahateniny sy valin-teniny. Rehefa miomana tsara ireo loholona sy mpanampy amin’ny fanompoana, dia hanome ohatra tsara izy ireo, amin’ny fanomezana valin-teny fohy sy voafintina. Ho fanajana ireo fandaharana nataon’i Jehovah, ny mpanatrika dia hanalavitra izay mety ho fanaovan-javatra mampiriorio saina mandritra ny fivoriana. — 1 Petera 5:3.

11. Nahoana no ilaina ny fifehezan-tena mba hahavitana ny fanomanana ireo fivoriana?

11 Mety ho be loatra ny fotoana lanintsika amin’ireo fanaovan-javatra sy fialam-boly izay tsy tena ilain’ny fahasalamantsika ara-panahy. Raha izany no izy, dia mila mandini-tena isika ka tsy ‘hanao adaladala’ rehefa mampiasa ny fotoanantsika. (Efesiana 5:17). Ny zava-kendrentsika dia ny ‘haka fotoana’ avy amin’ireo raharaha tsy dia lehibe loatra mba handaniana fotoana bebe kokoa amin’ny fianarana manokana ny Baiboly sy amin’ny fanomanana ny fivoriana, ary koa amin’ny fanompoana momba ilay Fanjakana. (Efesiana 5:16, NW ). Ekena aloha fa tsy mora foana ny manao izany, ary mitaky fifehezan-tena rahateo izany. Ny tanora izay mihevitra an’izany dia mametraka fototra tsara ho an’ny fandrosoany amin’ny hoavy. Nanoratra toy izao ho an’i Timoty, namany tanora kokoa, i Paoly: “Mazotoa hihevitra izany zavatra izany [ny torohevitr’i Paoly ho an’i Timoty], dia mikeleza aina fatratra amin’izany, mba hiseho amin’ny olona rehetra ny fandrosoanao.” — 1 Timoty 4:15.

Ohatra avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra

12. Ohatra miavaka inona no navelan’ny fianakavian’i Samoela?

12 Hevero ilay ohatra tsara navelan’ny fianakavian’i Samoela izay nanatrika tsy tapaka ny fiaraha-mivory tamin’ireo mpiara-mivavaka, fony tany Silo ny tabernakelin’Andriamanitra. Ireo lehilahy ihany no nodidiana handeha isan-taona any amin’ireo fankalazana andro firavoravoana. I Elkana, rain’i Samoela, anefa dia nitondra niaraka taminy ny fianakaviany manontolo, fony izy “niakatra isan-taona niala tamin’ny tanànany hivavaka sy hamono zavatra hatao fanatitra ho an’i Jehovah, Tompon’ny maro, tao Silo”. (1 Samoela 1:3-5). Azo inoana fa i Ramataima-zofima, tanàna niavian’i Samoela, dia tany akaikin’ny moron-tsiraka, any Rentis amin’ny andro ankehitriny, eo amin’ny faritra be havoana am-pototry ny “tany havoan’i Efraima”. (1 Samoela 1:1). Nisy dia lavitra tokony ho 30 kilaometatra, araka izany, natao tamin’ny fankanesana tany Silo, dia lavitra nandreraka tamin’izany andro izany. Naneho tsy fivadihana ny fianakavian’i Elkana, tamin’ny fanaovana izany “isan-taona, raha niakatra ho any an-tranon’i Jehovah” izy ireo. — 1 Samoela 1:7.

13. Ohatra inona no navelan’ireo Jiosy nahatoky, tamin’ny fotoana naha-teto an-tany an’i Jesosy?

13 Nihalehibe tao anatin’ny fianakaviana maro anaka koa i Jesosy. Isan-taona, ilay fianakaviana dia niainga avy tany Nazareta ka nandeha tokony ho 100 kilaometatra nianatsimo, mba hanatrehana ny andro firavoravoana tamin’ny Paska, tany Jerosalema. Nisy lalana roa nety ho azon’izy ireo naleha. Ny lalana nanitsy kokoa dia nisy fidinana nankao amin’ny Lohasahan’i Megido, ary avy eo dia fiakarana tokony ho 600 metatra namakivaky faritany samaritana ary nitohy hatrany Jerosalema. Ny lalana hafa be mpandeha kosa dia ilay nandehanan’i Jesosy tamin’ny diany farany nankany Jerosalema, tamin’ny 33 am.f.i. Izy io dia nisy fandehanana nidina ny Lohasahan’i Jordana izay ambanin’ny haabon’ny ranomasina, mandra-pahatongany tany “amin’ny sisin-tanin’i Jodia (...) tany an-dafin’i Jordana”. (Marka 10:1). Nanomboka hatreo, dia 30 kilaometatra teo ho eo ny halaviran-dalana “niakatra ho any Jerosalema”, izay nisy fiakarana maherin’ny 1 100 metatra. (Marka 10:32). Olona sesehena nahatoky, izay mpankalaza andro firavoravoana, no nanao tsy tapaka an’ilay dia sarotra avy tany Galilia nankany Jerosalema. (Lioka 2:44). Izany ka ohatra tsara ho an’ireo mpanompon’i Jehovah any amin’ny tany manankarena amin’izao andro izao! Tsy dia mampananosarotra ny maro amin’izy ireo mantsy ny manatrika fiaraha-mivory kristiana, noho ny endri-pitaterana maoderina.

14, 15. (a) Ohatra inona no navelan’i Ana? b) Inona no azontsika ianarana avy amin’ilay fihetsika tsara asehon’ireo vaovao sasany manatrika fivoriana?

14 Ohatra hafa iray ny an’i Ana, mpitondratena iray 84 taona. Milaza ny Baiboly fa “tsy niala teo an-kianjan’ny tempoly izy”. (Lioka 2:37). Ankoatra izany, dia niahy ny hafa tamim-pitiavana izy. Inona no nataony, raha vao nahita an’i Jesosy zaza, ka nahafantatra fa io ilay Mesia nampanantenaina? Nisaotra an’Andriamanitra izy ary nanomboka “nilaza Azy tamin’izay rehetra niandry ny fanavotana tao Jerosalema”. (Lioka 2:38). Izany ka fihetsika tsara, modely ho an’ny Kristiana amin’izao andro izao!

15 Eny, tokony ho fahafinaretana aoka izany ny fanatrehana sy ny fandraisana anjara amin’ireo fivoriantsika, ka, sahala amin’i Ana, dia tsy irintsika mihitsy ny ho diso anjara amin’izany. Olona vaovao maro no mitovy fihetseham-po amin’izany. Noho izy ireo nivoaka avy tao amin’ny haizina ka nankao amin’ny hazavan’Andriamanitra mahatalanjona, dia maniry hianatra izay rehetra azony ianarana izy ireo, ary maro no mampiseho hafanam-po be amin’ireo fivoriana kristiana. Ireo efa ela tao amin’ny fahamarinana kosa, etsy an-danin’izany, dia tsy maintsy mitandrina mba tsy ‘hiala amin’ilay fitiavany tamin’ny voalohany’. (Apokalypsy 2:4). Mety hametra ny fahafahana hanatrika fivoriana indraindray ny zava-manahirana ara-pahasalamana lehibe na ny anton-javatra hafa tsy azon’ny olona iray anoharana. Raha ny fitiavana fatratra zavatra ara-nofo, na ny fialam-boly, na ny tsy fahalianana kosa anefa, dia tsy tokony havelantsika na oviana na oviana hahatonga antsika tsy hahavita fanomanana na hipetra-potsiny any amin’ireo fivoriana, na koa ho tapatapaka amin’izy ireny. — Lioka 8:14.

Ilay ohatra tsara indrindra

16, 17. a) Nanao ahoana ny fihetsik’i Jesosy nanoloana ny fiaraha-mivory ara-panahy? b) Fahazarana tsara inona no tokony hiezahan’ny Kristiana rehetra harahina?

16 Namela ohatra niavaka i Jesosy, rehefa naneho fankasitrahana ireo fiaraha-mivory ara-panahy. Mbola zaza 12 taona izy, fony nampiseho ny fitiavany ny tranon’Andriamanitra tany Jerosalema. Tsy nahita izay nalehany ny ray aman-dreniny, kanjo tamin’ny farany dia nahita azy niady hevitra momba ny Tenin’Andriamanitra tamin’ireo mpampianatra tao amin’ny tempoly. Nanontany tamim-panajana toy izao i Jesosy, nanoloana ny fanahian’ny ray aman-dreniny: “Tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto an-tranon’ny Raiko Aho?” (Lioka 2:49). Nanaiky ny ray aman-dreniny i Jesosy zaza, ka niara-niverina tamin’izy ireo tany Nazareta. Tany izy dia nanohy naneho ny fitiavany ireo fivoriana fanompoam-pivavahana, ka nanatrika izany tsy tapaka tany amin’ny synagoga. Noho izany, rehefa nanomboka ny fanompoany izy, dia nanao tatitra toy izao ny Baiboly: “Tonga tao Nazareta, izay nahabe Azy, Izy; ary araka ny fanaony dia niditra tao amin’ny synagoga tamin’ny andro Sabata Izy ka nitsangana hamaky teny.” Rehefa avy namaky sy nanazava ny Isaia 61:1, 2, i Jesosy, dia nanomboka “talanjona” ny mpihaino “noho ny tenin’ny fahasoavana naloaky ny vavany”. — Lioka 4:16, 22, izahay no manao sora-mandry.

17 Manaraka io modely fototra io ireo fivoriana kristiana amin’izao andro izao. Rehefa avy natomboka tamin’ny hira fiderana sy vavaka ny fivoriana, dia vakina sy hazavaina ireo andinin-teny avy ao amin’ny Baiboly (na andinin-teny voasoratra ao amin’ireo fitaovana natao hianarana ny Baiboly). Manana adidy hanahaka ny fahazarana tsara nananan’i Jesosy Kristy, ny Kristiana marina. Raha mbola mamela azy ireo hanao izany koa ny toe-javatra misy azy, dia mahita fahafinaretana izy ireo amin’ny fanatrehana tsy tapaka ireo fiaraha-mivory kristiana.

Ohatra amin’ny andro ankehitriny

18, 19. Ohatra faran’izay tsara inona avy no navelan’ireo rahalahy any amin’ny tany tsy manana kokoa, raha ny amin’ireo fivoriana sy fivoriambe?

18 Any amin’ireo faritra tsy manana kokoa eto an-tany, dia maro amin’ireo rahalahintsika sy anabavintsika no manome ohatra tsara eo amin’ny fankasitrahana ireo fiaraha-mivory kristiana. Tatsy Mozambika, dia nila 45 ora ny dia an-tongotra 90 kilaometatra tany an-tendrombohitra avo, nataon’i Orlando, mpiandraikitra ny distrika, sy i Amélia vadiny, mba hanaovana fivoriambe iray. Voatery nanao izany dia an-tongotra izany ihany izy ireo avy eo, rehefa niverina mba hanaovana ny fivoriambe nanaraka. Tamim-panetren-tena no nanaovan’i Orlando izao teny izao: “Nihevitra izahay fa tsinontsinona ny vitanay raha nampitahaina tamin’ny an’ireo rahalahy any amin’ny Kongregasionan’i Bawa. Dia an-tongotra tokony ho 400 kilaometatra no nataony nandritra ny enina andro, mba hanatrehana ilay fivoriambe sy hodiana tany an-tranony, ary nisy rahalahy iray 60 taona tamin’izy ireo!”

19 Ahoana ny amin’ny fankasitrahana ireo fivorian’ny kongregasiona fanao isan-kerinandro? Anabavy 70 taona osa ara-batana, i Kashwashwa Njamba. Monina any Kaisososi, vohitra kely tokony ho dimy kilaometatra avy eo amin’ny Efitrano Fanjakana ao Rundu, any Namibia, izy. Mba hanatrehana fivoriana, dia mandeha an-tongotra folo kilaometatra mandroso sy miverina izy, manavatsava any anaty akata. Nisy efa voaendaka tamin’io lalana io, kanefa dia tonga hatrany i Kashwashwa. Atao amin’ny fiteny tsy hainy, ny ankamaroan’ireo fivoriana. Koa ahoana no andraisany soa avy amin’ny fanatrehany? “Amin’ny fanarahana ireo andinin-teny”, hoy i Kashwashwa, “dia ezahiko fantarina hoe momba ny inona ilay lahateny.” Tsy mahay taratasy anefa izy, koa ahoana no ahafahany manaraka ireo andinin-teny? “Efa andrasako tsara ny hanononana ireo andinin-teny haiko tsianjery”, hoy ny valin-teniny. Ary rehefa nandeha teny ny taona, dia nahangona andinin-teny maromaro ihany tao amin’ny fitadidiany izy. Mba hanatsarana ny fahaizany mampiasa ny Baiboly, dia manatrika kilasy fianarana mamaky teny sy manoratra, nalamin’ny kongregasiona, izy. “Tiako ny manatrika ireo fivoriana”, hoy izy. “Misy zava-baovao ianarana foana. Tiako ny miaraka amin’ireo anadahy sy rahavavy. Na dia tsy afaka miresaka amin’izy rehetra aza aho, dia tonga miarahaba ahy foana izy ireo. Ary ny zava-dehibe indrindra, dia fantatro fa mampifaly ny fon’i Jehovah aho amin’ny fanatrehako fivoriana.”

20. Nahoana isika no tsy tokony hahafoy ny fiaraha-mivory kristiana ataontsika?

20 Sahala amin’i Kashwashwa, dia mpivavaka amin’i Jehovah an-tapitrisany maro maneran-tany no maneho fankasitrahana mendri-piderana an’ireo fiaraha-mivory kristiana. Raha mbola mizotra ho amin’ny fandringanana koa ny tontolon’i Satana, dia tsy afaka ny hahafoy ny fiarahantsika mivory isika, ka ho afa-maina. Aoka kosa isika hitoetra ho mifoha ara-panahy sy haneho fankasitrahana lalina an’ireo fivoriana sy fivoriambe. Tsy vitan’ny hoe hampifaly ny fon’i Jehovah izany, fa hitondra soa tondraka ho antsika koa, arakaraka ny ahazoantsika ny fampianaran’Andriamanitra izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay. — Ohabolana 27:11; Isaia 48:17, 18; Marka 13:35-37.

Fanontaniana Famerenana

◻ Nahoana no tombontsoa ny manatrika fiaraha-mivory kristiana?

◻ Ahoana no ahafahan’ireo mpanatrika rehetra handray anjara mba hisian’ny fiaraha-mivory mampahery?

◻ Ohatra miavaka inona no navelan’i Jesosy Kristy?

◻ Lesona inona no azo ianarana avy amin’ireo rahalahy any amin’ny tany tsy manana kokoa?

[Efajoro, pejy 17]

Mankasitraka Ireo Fivoriana Fanao Isan-kerinandro Izy Ireo

Olona an-tapitrisany maro no monina any amin’ny tanàna anjakan’ny fahantrana sy ny heloka bevava. Na dia eo aza izany toe-javatra izany, dia mendri-piderana ny fankasitrahana asehon’ny Kristiana marina eo anivon’izy ireo, raha ny fiaraha-mivory kristiana no asian-teny. Nanao tatitra toy izao ny loholona iray manompo ao amin’ny kongregasionan’i Gauteng, any Soweto, atsy Afrika Atsimo: “Ao amin’ny kongregasiona iray misy Vavolombelona sy mpitory tsy vita batisa 60, dia eo anelanelan’ny 70 sy 80, ary maherin’izany aza indraindray, ny mpanatrika amin’ireo fivorianay. Na dia tsy mandeha lavitra aza ireo rahalahy sy anabavy mba hanatrehana fivoriana, dia feno herisetra io faritra amin’i Soweto io. Nisy nanatsatoka antsy avy tao andamosiny ny rahalahy iray, raha iny izy nandeha hankany am-pivoriana iny. Anabavy roa, fara fahakeliny, no nisy nambeda mba hanendahana azy. Tsy nisakana azy ireo tsy ho tonga anefa izany. Ny alahady, dia manao fianaran-kira mandritra ny fotoana fohy izahay, aorian’ny amarananay ny fivoriana amin’ny vavaka. Fara fahakeliny, dia ny 95 isan-jato no mijanona tsy tapaka sy manao ny hira rehetra hampiasaina amin’ny fivoriana ny herinandro manaraka. Izany dia manampy ireo olona liana vao haingana mba hahay ireo hira ka hiarahany hihira amin’ny hafa.”

Ireo mipetraka any ambanivohitra dia mahita vato misakana hafa, toy ny halaviran-dalana tsy maintsy alehany mba hanatrehana fivoriana intelo isan-kerinandro. Misy mpivady liana, mipetraka any amin’ny 15 kilaometatra avy eo amin’ny Efitrano Fanjakana ao Lobatse, any Botswana. Tamin’ny taon-dasa, dia nanatrika fivoriana tsy tapaka izy ireo sy ny zanany roa. Ny fanamboarana kiraro simba no ameloman-dralehilahy ny ankohonany. Mivarotra enta-madinika ny vadiny mba hanampiana ny fidiram-bolam-pianakaviana, mba hahafahan’izy ireo mandoa ny saram-pitaterana mandroso sy miverina amin’ireo fivoriana.

Vao haingana izay, indray takariva aty fahavaratra, dia tavela teo amin’ny fiandrasana aotobisy io fianakaviana io tamin’ny 9 ora alina, taorian’ny fivoriana iray niaraka tamin’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany. Nijanona aloha be ny aotobisy noho ny haratsin’ny toetr’andro. Nijanona ny polisy iray tao amin’ny kamiaonetiny, ary nanontany izay nataon’izy ireo teo. Rehefa reny ny amin’izay nanjo azy ireo, dia onena azy ireo izy ka nitondra azy ireo nanao ireo 15 kilaometatra nody. Niteny toy izao tamin’ny vadiny ravehivavy izay mpitory tsy vita batisa: “Jereo fa raha omentsika ny laharam-pahamehana ireo fivoriana, dia manohana foana i Jehovah.” Izao ralehilahy dia nilaza ny faniriany ho tonga mpitory ny vaovao tsara koa.

[Sary, pejy 18]

Manome ohatra tsara eo amin’ny fankasitrahana ireo fivoriana kristiana, ny Vavolombelona toy ireto any Romania ireto

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara