FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • be p. 66-p. 70 feh. 3
  • Fantaro Izay Tokony Havalinao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fantaro Izay Tokony Havalinao
  • Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Takaro ny fomba fihevitr’ilay manontany
  • Ny fomba fihevitr’ilay manontany, momba ny Soratra Masina
  • ‘Teny soa mandrakariva’
  • Fanapahan-kevitra manokana sy mahakasika ny feon’ny fieritreretana
  • Fanomezana valin-teny any amin’ny fivorian’ny fiangonana
  • Ny Fomba Hanatsarana ny Valin-teninao
    Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika
  • Tianao ho Tsara ve ny Valin-teninao?
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2016
  • Fomba Hamaliana Fanontaniana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2009
  • Miezaha Hifampahery Mandritra ny Fivoriana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2023
Hijery Hafa
Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
be p. 66-p. 70 feh. 3

Fantaro Izay Tokony Havalinao

TOY ny lava-drano ny fanontaniana sasany. Tsy ny miseho etỳ ivelany no tena zava-dehibe, fa ilay rano tsy hita any anaty tany. Toy izany koa fa tsy ilay fanontaniana loatra matetika no tena zava-dehibe, fa ilay antony ao ambadika.

Na dia may hahazo ny valiny aza ilay manontany, raha mahay ny fomba famaliana ianao, dia hamaritra ny habetsahan’izay holazainao sy izay tianao hasongadina amin’ilay foto-kevitra. (Jaona 16:12) Araka ny nasehon’i Jesosy tamin’ny apostoliny, indraindray dia mety hisy olona hanontany zavatra izay tsy tokony ho fantany na tena tsy hitondra soa ho azy.—Asa. 1:6, 7.

Hoy ny Soratra Masina: “Aoka ny fiteninareo ho amin’ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra.” (Kol. 4:6) Araka izany, alohan’ny hamaliantsika, dia mila mieritreritra isika, tsy izay holazaintsika ihany, fa ny fomba hilazantsika azy koa.

Takaro ny fomba fihevitr’ilay manontany

Nitady hamandrika an’i Jesosy ireo Sadoseo, tamin’ny fanontaniana azy momba izay hitranga rehefa hitsangana amin’ny maty ny vehivavy iray nanambady imbetsaka. Fantatr’i Jesosy anefa fa tsy nino ny fitsanganana amin’ny maty akory izy ireo. Ny fomba namaliany ny fanontanian’izy ireo àry dia nanaporofo ny fahadisoan’ilay fomba fihevitra tao ambadik’io fanontaniana io. Nanjohy hevitra tamim-pahakingana i Jesosy no sady nampiasa fitantarana ara-baiboly fantatry ny olona, mba hampisehoana zavatra tsy noheverin’izy ireo teo aloha: ny porofo mazava fa tena hanangana ny maty tokoa Andriamanitra. Tena talanjona noho ny valin-tenin’i Jesosy ireo mpanohitra azy, ka tsy sahy nanontany azy intsony.—Lioka 20:27-40.

Mba hahaizana ny fomba tokony hamalianao, dia tsy maintsy mahatakatra ny fomba fihevitr’ireo manontany anao koa ianao. Ohatra, mety hanontany anao ny mpiara-mianatra na mpiara-miasa iray hoe nahoana ianao no tsy mankalaza ny Krismasy. Nahoana moa izy no manontany izany? Tena ilay antony tokoa ve no tiany ho fantatra, sa izy manontany tena fotsiny raha mahazo mifalifaly ianao? Mba hahafantaranao izany, dia anontanio izy hoe inona no nahatonga azy hametraka ilay fanontaniana. Avy eo, dia valio araka ny valin-teniny ilay izy. Azonao hararaotina koa izany mba hampisehoana fa ho voaro amin’ny fahakiviana sy ny enta-mavesatra ateraky ny fanao mifandray amin’io fety io isika, raha manaraka ny tari-dalan’ny Baiboly.

Aoka hatao hoe asaina hiteny momba ny Vavolombelon’i Jehovah eo anatrehan’ny mpianatra maromaro ianao. Mety hametraka fanontaniana izy ireo rehefa vita ny famelabelaranao. Raha tsapanao fa avy amin’ny fo sy mivantana izy ireny, dia valiny tsotra sy tsy miolakolaka koa no ho tsara indrindra. Indraindray kosa dia ahitana taratry ny fitsarana an-tendrony manjaka eo amin’ny antokon’olona iray, ireo fanontaniana. Tsara kokoa amin’izay, raha miresaka vetivety momba ny antony inoan’ny olona izany zavatra izany sy ny antony anarahan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fitsipiky ny Baiboly, aloha ianao. Matetika no tsara ny hiheverana fa fanontaniana tena manitikitika ny sainy tokoa ilay izy, fa tsy fihantsiana—na dia mety ho toy izany aza no fisehony. Ny valin-teninao àry dia manampy an’ireo mihaino anao hanana fomba fihevitra mivelatra kokoa, sy hahazo fanazavana araka ny marina, ary hahita ny antony ara-baiboly iorenan’ny zavatra inoantsika.

Ahoana kosa no ho fihetsikao, rehefa tsy mety manome anao andro hanatrehana fivoriambe ny mpampiasa anao? Voalohany aloha, dia mijere zavatra araka ny fomba fijeriny. Raha lazainao fa hanao ora fanampiny amin’ny fotoana hafa ianao, mety hanampy ve izany? Raha hazavainao aminy fa manampy antsika ho mpiasa manao ny marina sy mendri-pitokisana ny fampianarana omena any amin’ireo fivoriambentsika, moa ve izany mety hampiova hevitra azy? Raha asehonao fa asianao vidiny izay zava-dehibe aminy, dia angamba koa izy hanisy vidiny an’izay ho hitany fa zava-dehibe aminao. Ahoana anefa raha asainy milaza na manao ny tsy marina ianao? Raha lazainao mazava tsara ny fandavanao, sady ampiarahinao amin’ny hevitra iray avy ao amin’ny Baiboly, dia ho fantany tsara ny toerana tananao. Tsy ho tsara kokoa ve anefa, raha miara-manjohy hevitra aminy aloha ianao hoe ny olona iray vonona ny handainga na hangalatra ho an’ny lehibeny, dia mety handainga aminy na hangalatra ny zavany koa?

Etsy an-danin’izany, angamba ianao mpianatra tsy maniry handray anjara amin’ny zavatra sasany melohin’ny Baiboly atao any am-pianarana. Tadidio fa mety tsy hitovy hevitra aminao ilay mpampianatra, ary andraikiny ny hampihatra fitsipi-pifehezana ao an-dakilasy. Ny zavatra tsy maintsy ataonao àry dia 1) ny hanaja izay heveriny ho zava-dehibe, sy 2) ny hanazava amim-panajana ny toerana tananao, ary 3) ny ho hentitra raha ny amin’izay fantatrao fa hampifaly an’i Jehovah. Mety ho tsy ampy ny filazana tsotra sy mivantana ny zavatra inoanao, raha te hahazo ny vokatra tsara indrindra ianao. (Ohab. 15:28) Raha mbola kely ianao, dia tsy isalasalana fa hanampy anao hanomana izay holazainao ny rainao na ny reninao.

Mety hila ny hamaly ny fiampangana nataon’ny manam-pahefana ianao indraindray. Mety hisy polisy na mpiasam-panjakana na mpitsara hibaiko anao hamaly fanontaniana momba ny fankatoavana lalàna iray, na ny antony tsy anaovanao ny raharahan’izao tontolo izao, na ny fihetsikao momba ny fanehoana fitiavan-tanindrazana. Ahoana no tokony hamalianao azy? “Amin’ny fahalemem-panahy sy ny fanajana”, hoy ny torohevitry ny Baiboly. (1 Pet. 3:15) Ambonin’izany, dia manontania tena hoe nahoana ireo raharaha ireo no zava-dehibe aminy, ary ekeo amim-panajana izany fanahiany izany. Ary avy eo? Sahala amin’ny apostoly Paoly nanonona ireo zo narovan’ny lalàna romanina, dia azonao atao koa ny manonona ireo zo ara-dalàna azo ampiharina aminao. (Asa. 22:25-29) Angamba hivelatra kokoa ny fomba fihevitr’ilay manam-pahefana, raha fantany ny toerana notanan’ireo Kristianina voalohany sy ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany. Na azonao lazaina fa manosika ny olona hankatò kokoa ireo lalàn’olombelona azo ekena ny fanekena ny fahefan’Andriamanitra. (Rom. 13:1-14) Raha izany no ataonao, dia mety horaisina tsara ny fanazavanao ireo antony ara-baiboly iorenan’ny toerana tananao.

Ny fomba fihevitr’ilay manontany, momba ny Soratra Masina

Rehefa manapa-kevitra ny amin’ny fomba hamaliana ianao, dia eritrereto koa ny fomba fihevitr’ilay manontany, momba ny Soratra Masina. Nanao izany i Jesosy, rehefa namaly ny fanontanian’ny Sadoseo momba ny fitsanganan’ny maty. Fantany fa tsy nanaiky afa-tsy ireo soratra nataon’i Mosesy izy ireo, ka nanjohy hevitra momba ny fitantarana iray ao amin’ny Pentateuque izy, tamin’ny fanombohana ny teniny tamin’ny hoe: “Ary Mosesy aza nanambara . . . fa hatsangana ny maty.” (Lioka 20:37) Mety ho hitanao koa fa hanampy ny fakana teny avy amin’ny Baiboly eken’ilay mihaino anao sady fantany tsara.

Ahoana raha tsy manaiky ny fahefan’ny Baiboly ilay mihaino anao? Mariho izay nataon’ny apostoly Paoly tao amin’ny toriteniny teo amin’ny Areopago, voatantara ao amin’ny Asan’ny Apostoly 17:22-31. Fahamarinana ara-baiboly no nambarany, na dia tsy notononiny mivantana avy tao aza. Afaka manao izany koa ianao, rehefa ilaina. Any amin’ny toerana sasany, dia mety ho tsy maintsy miresaka imbetsaka amin’ny olona iray ianao, vao ho afaka haka teny mivantana avy ao amin’ny Baiboly. Rehefa tena mandray ny Baiboly ianao, dia mety ho tsara ny manazava aloha hoe nahoana izy io no mendri-kodinihina, fa tsy hanizingizina mafy fotsiny hoe Tenin’Andriamanitra izy io. Ny hanao fanambarana mazava momba ny fikasan’Andriamanitra anefa no tokony ho zava-kendrenao. Tokony hasehonao an’ilay mihaino anao izay tena voalaza ao amin’ny Baiboly mivantana, rehefa mandeha ny fotoana. Mandresy lahatra kokoa noho izay rehetra mety holazain’ny tenantsika ny Baiboly.—Heb. 4:12.

‘Teny soa mandrakariva’

Tena mety ny fanasan’i Jehovah, ilay Andriamanitra miantra, ny mpanompony mba hanao teny ‘soa sy mamy sira mandrakariva’! (Kol. 4:6; Eks. 34:6) Milaza izany fa tokony hiteny amin-katsaram-panahy isika, na dia mety ho toa tsy mendrika izany aza ilay iresahantsika. Tokony hahafinaritra foana ny tenintsika, fa tsy ho henjana na hoe hivantambantana.

Olona maro no ao anatin’ny fanerena faran’izay mafy, ary iharan’ny fitenenan-dratsy isan’andro. Rehefa mitsidika olona toy izany isika, dia mety hanao teny masiaka amintsika izy. Ahoana no tokony havalintsika? Hoy ny Baiboly: “Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy.” Afaka mampitony olona iray manohitra ny fomba fihevitsika koa ny valin-teny toy izany. (Ohab. 15:1; 25:15) Ny olona entina amin-kerisetra isan’andro dia ho voasinton’ny fihetsika sy ny feo maneho hatsaram-panahy, ka mety hihaino ilay vaovao tsara entintsika.

Tsy maniry hifamaly amin’ireo izay tsy tia na tsy manaja ny fahamarinana isika. Irintsika kosa ny hiara-manjohy hevitra avy amin’ny Soratra Masina amin’izay olona hamela antsika hanao izany. Na manao ahoana na manao ahoana tarehin-javatra hitantsika, dia tadidintsika foana fa tokony hamaly amin-katsaram-panahy isika. Tokony hasehontsika amin’ny valin-tenintsika koa fa matoky ireo fampanantenana sarobidy nataon’Andriamanitra isika.—1 Tes. 1:5.

Fanapahan-kevitra manokana sy mahakasika ny feon’ny fieritreretana

Rehefa manontany anao izay tokony hataony ao anatin’ny tarehin-javatra iray ny mpianatra Baiboly iray na ny mpiray finoana iray, inona no tokony havalinao? Mety ho fantatrao izay hataonao. Ny tsirairay anefa no tsy maintsy tompon’andraikitra ny amin’ny fanapahan-kevitra raisin’ny tenany manokana. (Gal. 6:5) Nohazavain’ny apostoly Paoly fa nampirisika ny olona nitoriany mba ‘hanaiky noho ny finoana’ izy. (Rom. 16:26) Ohatra tsara dia tsara tokony harahintsika izany. Ny olona iray mandray fanapahan-kevitra mba hampifaly ilay mampianatra azy ny Baiboly na ny olon-kafa iray fotsiny, dia manompo olona, fa tsy miaina araka ny finoana. (Gal. 1:10) Koa tsy hanampy ny olona toy izany àry ny fanomezana azy valin-teny tsotra sy mivantana.

Ahoana àry no azonao anomezana valin-teny mifanaraka amin’izay atoron’ny Baiboly? Mampisehoa toro lalana sy ohatra mifanentana tsara avy ao amin’ny Baiboly. Azonao aseho aminy ihany amin’ny toe-javatra sasany ny fomba fanaovana fikarohana, mba hahitany samirery an’ireo toro lalana sy ohatra ireo. Azonao resahina mihitsy aza ireny toro lalana ireny sy ny fianarana azo avy amin’ireny ohatra ireny, saingy aza ampiharina amin’ilay tarehin-javatra. Anontanio ilay olona raha mahita zavatra mety hanampy azy handray fanapahan-kevitra maneho fahendrena izy, ao amin’izy ireny. Ampirisiho izy hijery raha manampy azy hahita ilay lalana hampifaly an’i Jehovah ireny toro lalana sy ohatra ireny. Raha manao izany ianao, dia hanampy azy ‘hizatra hampiasa tsara ny sainy, mba hahay hanavaka ny tsara sy ny ratsy.’—Heb. 5:14.

Fanomezana valin-teny any amin’ny fivorian’ny fiangonana

Matetika ireo fivoriana kristianina no manome antsika fahafahana hanao fanambarana ampahibemaso momba ny finoantsika. Fomba iray anaovantsika izany ny fanomezana valin-teny. Ahoana no tokony hanaovantsika izany? Amin’ny faniriana ny hidera an’i Jehovah, na hanao teny tsara momba azy. Izany no nataon’i Davida, mpanao salamo, teo anivon’olona maro be tafangona. (Sal. 26:12) Tokony hampahery ireo mpiray finoana amintsika koa ny valin-tenintsika, ka handrisika azy ireo ho amin’ny “fitiavana sy ny asa tsara”, araka ny nampirisihan’ny apostoly Paoly. (Heb. 10:23-25) Afaka manampy antsika hanao izany ny fanomanana ilay fianarana mialoha.

Ataovy tsotra sy mazava ary fohy ny fanazavanao, rehefa voatondro hamaly ianao. Aza miresaka momba ilay fehintsoratra manontolo, fa hevitra iray monja resahina. Raha tsy manome afa-tsy tapany iray amin’ilay valin-teny ianao, dia ho afaka hanome fanazavana fanampiny ny hafa. Tena tsara raha asongadina ireo andinin-teny voatonona. Rehefa manao izany ianao, dia sariho ny saina ho amin’ilay tapany amin’ilay andinin-teny izay mihatra amin’ilay zavatra resahina. Mianara manome valin-teny amin’ny fomba fiteninao, fa tsy hamaky izay ao amin’ilay fehintsoratra. Aza sosotra raha tsy tafavoaka tsara ilay valin-teninao. Mitranga tsindraindray amin’ny olona rehetra ny toy izany.

Miharihary fa tsy ny fahalalana ny valiny fotsiny no tafiditra amin’ny fahaizana ny fomba tokony hamaliantsika. Mitaky fahaiza-manavaka izany. Tena afa-po anefa ianao, rehefa manome valin-teny avy amin’ny fonao sy manohina ny fon’ny hafa!—Ohab. 15:23.

ALOHAN’NY HAMALIANAO, DIA HEVERO

  • Ny antony nametrahana ilay fanontaniana

  • Izay fanazavana homena mialoha, mba hampahazava ilay valin-teny

  • Ny fanazavana ny toerana tananao, sy ny fiheverana izay zava-dehibe amin’ilay olona

  • Ny filazana hevitra amin-katsaram-panahy sy amim-patokisan-tena

  • Izay tokony homenao: Valin-teny mivantana sa toro lalana sy ohatra ara-baiboly mba hahitan’ilay olona samirery izay tokony hataony

FANOMEZANA VALIN-TENY ANY AM-PIVORIANA

  • Raha tondroina voalohany ianao, dia valin-teny tsotra sy mivantana omena

  • Amin’ny valin-teny fanampiny, dia 1) asehoy ny ifandraisan’ny andinin-teny voatonona iray amin’ilay hevitra, na 2) lazao ny ifandraisan’ilay fanazavana amin’ny fiainantsika, na 3) hazavao ny fampiharana ilay fanazavana, na 4) mitantarà zavatra fohy iray izay hanasongadina hevi-dehibe iray

  • Henoy tsara ny valin-tenin’ny hafa, mba hahafantarana izay mbola azonao lazaina

  • Manomeza valin-teny amin’ny fomba fiteninao

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara